NY AMIN’NY FOMBAFOMBA VOADIDY ARAHINA :

1-Satria araka ny taratasy laharana faha 013-PRM/CAB tamin’ny 3 jona 2004, araka ny andininy faha 121 amin’ny Lalàmpanorenana, dia naroson’ny Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara hodinihin’ny Ftisarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny lalàna laharana faha 2004-001 momba ny faritra raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana alohan’ny famoahana hampanan-kery azy;
Ka izany fangataham-pandinihina izany dia nataona Filohan’andrimpanjakana;
Koa lazaina fa ara-dalàna sady azo raisina izany;

2-Satria araka ny andininy faha 86 amin’ny Lalàmpanorenana, ny lalàna laharana faha 2004-001 dia nolanian’ny Antenimierampirenena samirery rehefa nodinihan’ny antsasamanilan’ny mpikambana ao aminy fanintelony; ka tamin’ito dia vato 89 amin’ny 160 no nandaniana azy;

Satria tokoa mantsy, raha misy tsy fifanarahana eo amin’ny antenimiera roa tonta aorian’ny fandinihana indroa nataon’izy ireo tsirairay avy, rehefa tsy nisafidy ny hamory vaomiera ikambanana ny Praiminisitra, famoriana izay tsy voatery hatao araka ny andininy faha 86 voalaza etsy ambony, dia nanapa-kevitra farany ny Antenimierampirenena;

Ka izany fepetra izany dia natao indrindra mba hialàna amin’ny fampitsakoana ny fizotry ny raharaham-panjakana noho ny fitarazoan’ny paika fandanian-dalàna be loatra sy amin’ny fanakantsakanana ny andraikitra raisin’ny governemanta ho fampiharana ny pôlitika ankapoben’ny Fanjakana;

Ka noho izany, mifanaraka amin’ny paika voalazan’ny Lalàmpanorenana ny nandaniana ny lalàna mikasika ny faritra;

NY AMIN’NY FOTO-DRAHARAHA :

3-Satria ny Fanjakana dia miorina amin’ny rafitra ikambanan’ny faritany mizakatena araka ny andininy voalohany amin’ny Lalàmpanorenana nasiam-panitsiana;

Ka vao ao amin’ny savaranonandon’ny Lalàmpanorenana dia efa ambara fa ny fizakantena dia natao hiantohana ny fahatanterahan’ny fitsinjaram-pahefana isam-paritra ary ny fampiharana azy dia iray amin’ireo fombafomba mety hiteraka fampandrosoana voakendry, mirindra sy maharitra;

Ka araka ny andininy faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2000-016 tamin’ny 29 aogositra 2000 mamaritra ny faritry ny fitantanana ny raharahan-tokantranon’ireo faritany mizakatena, ny fizakantenan’ny faritany iray dia midika ho fanomezana zo sy fahafaha-manao marina ho an’izany faritany izany hitantana ankahalalahana ny raharaha mikasika azy manokana araka izay mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana sy izay fepetra voalazan’ny lalàna sata ary eo ambanin’ny fiandraiketany;

4-Satria anefa tsy maintsy hajaina ireo fenitra mikasika ny maha tokana ny Fanjakana sy ny tsy maha azo sandaina ny maha masi-mandidy ny Fanjakana;

Ka mba hahatomombana ny fitsinjaram-pahefana isam-paritra dia ilaina ny fandraisana anjara mavitriky ny olom-pirenena amin’ny fitondram-panjakana manakaiky ny vahoaka izay mampivelatra finiavana isam-paritra no sady mitandro ny firaisankinam-pirenena;

5-Satria noho izy mandàla ny Fanjakana tan-dalàna, ireo tompon’andraikitra ara-panjakana dia voatery mametraka amin’ny toerany ny antsipirihiny manontolon’ireo rafitra voatondro ao amin’ny Lalàmpanorenana;

Ka araka ny andininy faha 126, andàlana faha-4, amin’ny Lalàmpanorenana, “Ny faritany mizakatena voalamina ho vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia ahitana faritra sy kaominina samy manana rantsana mandray fanapahan-kevitra sy rantsana mpanatanteraka”;

Ka araka izany, ny faritany mizakatena, ny faritra ary ny kaominina dia vondrom-pitantanam-bahoaka eo anivon’ny Fanjakana ary ankehitriny dia aroson’ny Fanjakana ho dinihina raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny lalàna mikasika ny faritra;

6-Satria voalaza ao amin’ny famelabelarana ny antonanton’io lalàna io fa ny faritra dia natao indrindra hiantoka ny fampandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy ny toerana misy azy, handrindra sy hisahana ny asa fampandrosoana avy any ifotony ary ny fananganana ny faritra dia tsy maintsy mifototra amin’ny fitoviana ara-jeôgrafia, ara-tantara sy ara-tsôsialy;

7-Satria ilaina ny mandanjalanja ny fametrahana io fomba fitantanan-draharaha manokana io amin’ny alàlan’ny fanadihadiana narindran’ny Lalàmpanorenana, rehefa hita ny zavamisy ankehitriny;

I-NY AMIN’ NY ZAVAMISY :

8-Satria ilaina ny manamarika, andaniny, fa nandritra ny raharaha tamin’ny taona 2002 ireny dia noravana ny rantsan’ny faritany mizakatena araka ny andininy faha 129 amin’ny Lalàmpanorenana, taorian’ny fikasana hisintaka sy fanaovana hetsika manohintohina ny firaisankina ao amin’ny Repoblika sy ny maha iray tsy anombinana ny tanim-pirenena; ka noho izany, ny rafitra ao amin’ny faritany araka izay voalazan’ny Lalàmpanorenana, dia tsy afa-niasa noho ny tsy fisian’ny filankevitry ny fiadidiana ny faritany sy ny antenimieram-paritany; ary ankilany, ny kaominina izay natsangana tamin’ny alàlan’ny lalànam-pirenena no hany rafitra itsinjaram-pahefana miasa ankehitriny;

Ary ankoatr’izany, ny faritra dia mbola tsy voatsangana;

II-NY AMIN’NY FAHEFA HANANGANA FARITRA :

9-Satria ny faritra dia vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana araka ny andininy faha 126 amin’ny Lalàmpanorenana; koa ilaina ny mamaritra ny fahefana afaka manangana azy;

10-Satria raha dinihina izay voasoratra ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2000-016 tamin’ny 29 aogositra 2000, dia hita fa tsy voatondro mazava izay tompom-pahefana afaka hanangana ny faritra amin’ny maha vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana azy; ary tsy voatondro koa ao amin’ny fahefana manokana nomena ny Fanjakana na ny faritany mizakatena, araka izay voatanisa ao amin’ny andininy faha 135 sy 135.1 amin’ny Lalàmpanorenana; fa ny andininy nfaha 126, andàlana faha 5, amin’ny Lalàmpanorenana dia mianona fotsiny amin’ny fahazoana manova ny fiantsoana sy ny famaritana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana isanisany amin’ny alàlan’ny didim-panjakana;

11-Satria araka ny andininy faha 135.4 amin’ny Lalàmpanorenana, “Ny filaminam-bahoaka, ny fiahiana sy ny fiarovana ny vahoaka, ny fitantanana sy ny fanajariana ny tany, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fanatsarana ny toerana onenana dia ifarimbonan’ny faritany mizakatena sy ny fahefana foibe”;

Ka ny fananganana ny faritra izany dai miankina amin’ny zavamisy eo amin’ny tanim-pirenena izay tsy mahakasika ny Fanjakana fotsiny mba hampiharany ny pôlitika ankapobeny, noho ny faritra toerana hampiharana ny fahefan’ny Fanjakana mba hitandrovana ny fitoviana eo anatrehan’ny lalàna sy ny toe-karenan’ny firenena, fa mahakasika koa ny an’ny faritany mizakatena izay manana andraikitra hitantana ny raharahan-tokantranony, araka izay voalaza ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2000-016, indrindra ao min’ny andininy faha 15 sy 16;

12-Satria araka ny andininy faha 135.2 amin’ny Lalàmpanorenana, “Amin’ireo lafin-javatra tsy voatanisa ao amin’ny andininy faha 135 sy 135.1 dia manana fahefana hanao lalàna hatrany ny faritany mizakatena raha mbola tsy nampiasa ny zony hanao lalàna amin’izany ny Fanjakana”;

13-Satria noho izany safidy atolotry ny Lalàmpanorenana izany, ny lalàna sata dia afaka namaritra fa ny fananganana ny faritra dia azo hatao amin’ny alàlan’ny lalàn’ny faritany mizakatena;

14-Satria anefa tsy nisy lalàm-paritany nanangana ny faritra; koa ho fampiharana indray ny andininy faha 135.2 voalaza etsy ambony, dia azon’ny Fanjakana atao ny manao lalàna momba izany satria ifarimbonan’ny Fanjakana sy ny faritany mizakatena ny fahefana manangana ny faritra;

Ary ambonin’izany, raha jerena ny tombontsoam-pirenena sy ny tombontsoan’ny faritany, ny Fanjakana dia mahefa mandanjalanja amin’ny maso tsy miangatra ny fisian’ny fototra hahafahan’ny faritra mivelona ara-jeografia, toe-karena sy sôsialy ary koltoraly;

15-Satria na manao ahoana na manao ahoana, ny fananganana ny faritra mialohan’ny fandaminana indray ny faritra mizakatena dia miankina amin’izay heverina fa mety ka ny fanaovana izany dia tsy voararan’ny Lalàmpanorenana na ny lalàna fehizoro;

III-NY AMIN’NY FARITRA, FARI-PIADIDIAM-PITONDRANA:

16-Satria ny lalàna naroso ho dinihina raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana dia mikendry ny fampivondronana ireo sampan-draharaham-panjakana miely patrana eo anivon’ny faritra amin’ny maha fari-piadidiana ara-pitondrana azy;

Satria tokoa mantsy araka ny andininy faha 26 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2000-016 tamin’ny 29 aogositra 2000, “Azo alamina eo amin’ny ambaratongan’ny faritany mizakatena sy ny fisampanany ireo sampan-draharaham-panjakana miely patrana”;

Koa tsy misy misakana ny fifanojoan’ny toerana hivelaran’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny an’ny fari-piadidiana ara-pitondrana ary, ambonin’izany, tsy misy andininy ao amin’ny Lalàmpanorenana mandrara ny maha olona voafidy no sady maha solotenam-panjakana ny lehiben’ny faritra;

17-Satria, andaniny, rehefa mifanojo ny toerana ivelaran’ny vondrom-bahoakam-paritra sy ny an’ny fari-piadidiana ara-pitondrana, ary ankilany, misy ny zavatra tsy azo ialàna eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana izay miorina amin’ny fenitra mahakasika ny fitohizan’ny raharaham-pirenena, sy noho ny tsy fisian’ny fepetra ao amin’ny Lalàmpanorenana mifanohitra amin’izay, dia azon’ny Fanjakana hatao ny mandamina amin’ny alàlan’ny fepetra tetezamita ireo fahefana naparitany eo amin’ny faritra vao nantsangana mandrapisian’ny rantsan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana;

18-Satria noho ireo voalaza eo ambony rehetra ireo, ny lalàna naroso ho dinihina dia tsy mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana;

Noho izany,
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
Dia manapaka :

Andininy voalohany.- Ambara fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny lalàna laharana faha 2004-001 mikasika ny faritra.

Andininy faha-2.- Havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika izao fanapahana izao.

Nifampidinihana araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana tsy ampahibemaso natao tao Antananarivo ny alakamisy folo jiona taona efatra sy roa arivo, tamin’ny sivy ora marina, ka anisan’ny tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana:

Atoa RAJAONARIVONY Jean-Michel, Filoha
Atoa IMBOTY Raymond, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Rtoa RAHALISON na RAZOARIVELO Rachel Bakoly fony mpitovo, Mpanolotsaina Avo
Atoa RABENDRAINY Ramanoelison, Mpanolotsaina Avo
Atoa ANDRIAMANANDRAIBE RAKOTOHARILALA Auguste, Mpanolotsaina Avo
Rtoa RASAMIMANANA na RASOAZANAMANGA Rahelitine fony mpitovo, Mpanolotsaina Avo
Atoa RAKOTONDRABAO ANDRIANTSIHAFA Dieudonné, Mpanolotsaina Avo
Rtoa DAMA na RANAMPY Marie Gisèle fony mpitovo, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny firaketan-tsoratra.