Repoblikan’i Madagasikara
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
—————

Firaketana an-tsoratra ny fianianana nataona mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avomomba ny Lalàmpanorenana
———————————

Androany, sivy febroary, taona valo ambinifolo sy roa arivo, tamin’ny iraika ambin’ny folo ora sy sasany antoandro;

Tao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Araka ny fepetran’ireto didy aman-dalàna ireto:
-andininy faha 114 andàlana faharoa amin’ny Lalàmpanorenana,
-andininy faha 12 amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
-ny didim-panjakana laharana faha 2018-073 tamin’ny 24 janoary 2018, manova ny fepetra sasantsasany amin’ny didim-panjakana laharana faha 2014-102 tamin’ny 27 febroary 2014, anendrena ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, avy amin’ny Filohan’ny Repoblika;
Teo amin’ny fotoam-pitsarana manetriketrika, natrehan’:
-ny Filohan’ny Repoblika,
-Ny Solontenan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona;
-Ny Filohan’ny Antenimierampirenena;
-Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta;
-Ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta;

Dia noraisin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fianianana nataon-dRamatoa RABETOKOTANY Tahina, Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Izay nanambara toy izao, teo ampananganana ny tànany havanana: “Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tsy hiandany, na amin’iza na amin’iza, fa handray fanapahan-kevitra ankalalahana, ka ny fanajàna ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna manankery ary ireo foto-kevi-dehibe raiketiny, no hany hibaiko ahy amin’izany.

Miniana koa aho fa hitandro mandrakariva ny tsiambaratelon’ny diniky ny Fitsarana.”

Rehefa izany, dia nomarihin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa vita fianianana araka ny lalàna izy ka nambarany fa voapetraka ara-dalàna hiandraikitra ara-panjakana ny fahefany.

Araka izany dia nataonay, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra eto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izao firaketana izao, izay havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika.