FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA
       ————————-

FAMPITANA

 Ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, manoloana ny toe-draharaham-pirenena vokatry ny fandikana diso ny  didy izay navoakany dia  mitondra izao fanamarihana manaraka izao :

Mikasika ny famindrana ny asan’ny Filoham-panjakana vonjimaika amin’ny “Governemanta miara-misahana ny andraikitry ny filoham-panjakana”  na “ gouvernement collégial”:

Ho fampiharana ny andininy faha 46 amin’ny Lalampanorenana dia nametra-pialàna ny Filohan’ny Repoblika teo aloha RAJOELINA Andry Nirina rehefa nekena araka ny Fanapahana laharana faha 11-HCC/D3 tamin’ny 9 septambra 2023 ny filatsahany ho fidiana.

Banga araka izany ny toeran’ny filohan’ny Repoblika. Ny Filohan’ny Antenimierandoholona kosa dia nametraka taratasy nampahafantatra ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana fa tsy afaka hiantsoroka ny asan’ny Filoham-panjakana vonjy maika noho ny antony manokana avy aminy, ary nohamafisiny tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ny haino amanjery izany.

Manoloana izany ary araka ny andininy faha 52 amin’ny Lalàmpanorenana izay mandamina ny fitantanana ny fanjakana ao aorian’ny fahabangan’ny toeran’ny Filoham-pirenana na inona na inona antony, ka raha misy tsy fahafahana miasa hita fototra mahazo ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana  dia nampihatra  izay voasoratra ao anatin’ny Lalampanorenana ka nandidy fa iarahan’ny Governemanta manontolo misahana ny asan’ny Filoham-panjakana.

Marihina fa io andininy faha 52 io no fampiasa rehefa misy fabangan-toeran’ny Filohan’ny Repoblika toy ny tao anatin’ny Fanapahana tamin’ny 7 septambra 2018 mitondra ny laharana faha 30-HCC/D3 ary lasa didy fakan-tahaka (jurisprudence).

Tsy misy andininy hafa ao anatin’ny Lalampanorenana manome fahefana na milaza olona na vondrona hafa azo nomena ny andraikitry ny filoham-panjakana vonjimaika, ankoatra ny governemanta miara-misahana ny andraikitry ny filoham-panjakana, rehefa tsy afaka manantanteraka izany ny Filohan’ny Antenimierandoholona.

Mikasika ny andraikitry ny governemanta

Miavaka tsara ny governemanta miara-misahana ny asan’ny filoham-panjakana vonjimaika sy ny asa andavanandron’ ny governemanta mitantana ny raharaham-panjakana.

  • Mikasika ny fomba fiasa sy ny fahefan’ny governemanta miara-misahana ny asan’ny filoham-panjakana

Amin’ny maha lehiben’ny Governemanta ny Praiminisitra dia izy no mandrindra ny fivorian’ny Governemanta miara-misahana ny asan’ny filoham-panjakana vonjimaika.

Tsy misy manana fahefana manokana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta miara-misahana io andraikitra io. Amin’ny alalan’ny maro an’isa no andraisana ny fanapahan-kevitra ary raha misy fitovian’isa dia ny Praiminisitra no manapaka farany.

Raha misy antony goavana manohintohina ny fandehanan-draharaha ankapobeny, na fahadisoana na heloka ataon’ny mpikambana na koa fametraham-pialana dia azon’ny Governemanta miara-misahana ny asan’ny filoham-panjakana ny manolo ny mpikambana ao aminy ary izany dia atao araka ny tolokevitry ny Praiminisitra ho fanajana ny andininy faha 54 amin’ny Lalàmpanorenana.

Tsy misy tombontsoa manokana omena azy ireo na mandritra ny fanatanterahana ny fisoloana toerana ny filoham-panjakana na ao aorian’izany satria tsy manana ilay antsoina hoe  satan’ny filoham-panjakana ny mpikambana ao anatin’io Governemanta miara-misahana ny asan’ny filoham-panjakana  io (Avis n°7-HCC/AV tamin’ny 7 septambra 2018).

Voafetra amin’ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny ihany ny fahefan’ny Governemanta miara-misahana ny asan’ny filoham-panjakana vonjimaika ary tsy afaka mandray fanapahan-kevitra vaovao ankoatra izay efa noraisina talohan’ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Repoblika.

Tsy tafiditra ao anatin’ny fahefan’ny Governemanta  miara -misahana ny andraikitry ny filoham-panjakana ny fahefana ananan’ny filoham-pirenena amin’ny maha olom-boafidy azy araka izay efa nosoritana mazava tsara sy notanisaina tamin’ny alalan’ny Fanapahana laharana faha 12-HCC/D3 tamin’ny 9 septambra 2023.

Araka ny voalazan’ny Avis n°07-HCC/AV tamin’ny 07 septambra 2018, izay nohamafisin’ny Fanapahana laharana faha 12-HCC/D3 tamin’ny 09 septambra 2023 ao aorian’ny fametram-pialan’ny filoham-pirenana amperinasa dia miato avokoa  ny paik’ady mitondra amin’ny tsy fahafaha-miasa  na « empêchement » sy ny fanonganana Governemanta na « motion de censure », ary ny fandravana ny Antenimierampirenena .

  • Mikasika ny andraikitry ny Praiminisitra sy ny Governemanta amin’ny andavanandro

Ny Praiminisitra sy ny Governemanta kosa dia manohy miantsoroka tanteraka ny andraikitra sy fahefana nankinin’ny Lalampanorenana tamin’izy ireo, singanina manokana amin’izany ny andininy faha 63, 65, ary faha-66.  Tafiditra amin’izany ny fanatanterahana ny pôlitika ankapoben’ny fanjakana, ny fampiasana ny fitondran-draharaham-panjakana, ny fiantohana ny fanatanterahana ny lalàna, ny fiantohana  ny filaminana sy ny fandriampahalemana manerana ny tanim-pirenena.

Mikasika ny anjara andraikitra sy ny fomba fiasan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana amin’ny fifidianana

Ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana no rafitra ara-pitsarana misahana ny fifanolanana sy mamoaka ny vokatra ofisialin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Tsiahivina fa ny andininy faha-5 andalana faha-2 amin’ny Lalampanorenana dia milaza fa “ny fandaminana sy  ny fitantanana ny raharaha rehetra momba ny fifidianana dia ankinina amin’ny rafitra mahaleotena iray eto amin’ny firenena” izay napetraka araka ny lalàna laharana faha 2015-020 tamin’ny 19 oktobra 2015 mikasika ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI . Io rafitra io no mikirakira ny taratasim-pifidianana ary mamoaka ny valim-pifidianana vonjimaika.

Amin’ny maha mpiantoka ny firindran’andraikitry ny andrim-panjakana azy, ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana dia manentana ny andrim-panjakana sy ny tompon’andraiki-panjakana rehetra ary ny fiarahamonim-pirenena hanao ny tandrifin’andraikitr’izy ireo araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Farany, mampatsiahy ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana fa araka ny voalazan’ny andininy faha-5 andalana voalohany amin’ny Lalampanorenana dia : “ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefana rehetra no masi-mandidy ka mampiasa izany amin’ny alalan’ny solontenany lany amin’ny alalan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana na tsy mivantana, na koa amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy misy mihitsy ampahany amin’ny vahoaka na olo-tokana mahazo manendry tena hampiasa izany fahefana feno izany ”.

Fa izany no antoky ny fanjakana tan-dalàna sy fampiharana ny demokrasia izay tanterahana amin’ny alalan’ny fifidianana.

Antananarivo, faha19 septambra 2023