NY FITSARANA  AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA,

Araka ny Lalàmpanorenana ;

Arakany hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;

Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ;

Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 tamin’ny11 mey 2018 mikasika ny fifidianana ny  Filohan’ny Repoblika ;

DIA MANAO IZAO FITANANA AN-TSORATRA IZAO

Androany faha enina ambin’ny folo desambrataona telo amby roapolo sy roa arivo, tamin’ny folo ora misandratr’andro ;

Tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, Antananarivo Renivohitra ;

Rehefa novakiana ny votoatin’ny didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny voalohan’ny volana desambra 2023, nanambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny vokatra raikitra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 16 novambra 2023, ka nahavoafidy an’Andriamatoa RAJOELINA Andry Nirina ;

Ho fampiharana ny andininy faha 48 amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia nanao izao fianianana izao teo anoloan’ny Firenena sy tamin’ny fotoam-pitsarana manetriketriky ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana Andriamatoa RAJOELINA Andry Nirina :

« Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka,

Mianiana aho fa hanantanteraka an-tsakany sy an-davany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha- Filohan’ny Firenena Malagasy ahy.

Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam- pirenena sy ny zon’olombelona.

Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka “.

Rehefa izany dia nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa voaray ny fianianany, voapetraka eo amin’ny toeran’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara izy ary voatolotra azy ny fahefana rehetra momba izany.

Ho fanamarihana izany dia nasalotra an’Andriamatoa RAJOELINA Andry Nirina ny samboady sy ny mari-boninahitra ambony indrindra voatokana ho an’ny Filoham-panjakana.

Havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika ity fitanana an-tsoratra ity izay nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tao amin’ny toerana, andro ary ora voalaza etsy ambony, tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, ka anisan’izany :

Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa, Filoha
Andriamatoa NOELSON William, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTOBE ANDRIAMAROJAONA Vololoniriana Christiane, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTONIAINA RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette,Mpanolotsaina Avo
Ramatoa ANDRIAMAHOLY RANAIVOSON Rojoniaina, MpanolotsainaAvo

Ary natrehan’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketantsoratra.