Ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana;
Araka ny lalàmpanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 marsa 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana;
Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra;
Araka ny lalàna laharana faha 2011-014 tamin’ny 28 desambra 2011 ampidirana ny tondrozotra ao amin’ny antanantohatry ny lalàna anatiny;
Araka ny lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 jolay 2012 ananganana rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny lalàna laharana faha 2013-008 tamin’ny 01 aogositra 2013 manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 jolay 2012 ananganana rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2013-002 tamin’ny 12 aogositra 2013 anaovana ny lalàna fehizoro manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra;
Araka ny didim-panjaka laharana faha 2013-154 tamin’ny 12 marsa 2013 amerana ny fampiharana ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana ny Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2013-606 tamin’ny 9 aogositra 2013 anafoanana ny didim-panjakana laharana faha 2012-978 tamin’ny 7 novambra 2012 sy anamarihana ny fanendrena ireo mpikambana vaovao voafidy sy voatendry ho ao amin’ny rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny fanapahana laharana faha 11-CES/D tamin’ny 21 aogositra 2013 amerana ny lisitra raikitra ny kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra;

Araka ny fanapahana laharana faha 037/13/CENI-T tamin’ny 8 novambra 2013 amoahana ny vokatra vonjimaika amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra natao ny 25 oktobra 2013;
Araka ny fitoriana sy antontan-taratasim-pifidianana voaray tao amin’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana;
Rehefa nohenoina ireo mpampakateny;
Rehefa nifampidinihana araka ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna;

Satria ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritry ny Tetezamita dia nanambara ny 8 novambra 2013 ny voka-pifidianana vonjimaika ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin’ny 25 oktobra 2013;
Satria ny andininy faha 27 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 1 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana filoham-pirenena dia milaza fa: « Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana no mamoaka ny voka-pifidianana raikitra, raha ela indrindra, ao anatin’ny fe-potoana dimy ambin’ny folo andro manomboka amin’ny vaninandro amoahana ny vokatra vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita » ;
Koa noho izany dia tafiditra anatin’ny fe-potoana napetraky ny lalàna ny fanambaràna ofisialy ny voka-pifidianana ataon’ny Fitsarana etoana ;
I-NY AMIN’NY FAHEFA-MITSARAN’NY FITSARANA MANOKANA MOMBA NY FIFIDIANANA
Ny amin’ny fitarainana mahakasika ny fisoratana amin’ny lisi-pifidianana
Satria, andaniny, araka ny voalazan’ny andininy faha 32 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 1 aogositra 2012 momba ny fifidianana ny filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra : “Ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana no mahefa mitsara amin’izay rehetra fangataham-pitsarana na fanohanana mety hitranga na momba ireo raharaha mialoha ny raharahan-datsabato na ireo raharaha izay mikasika ny fizotry ny latsabato.”
Satria, ankilany, ny andininy faha 17 sy faha 20 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia milaza fa ao anatin’ny roapolo andro aorian’ny fanaovana peta-drindrina ny lisi-pifidianana, ireo olom-pirenena izay tsy voasoratra amin’izany dia afaka manao fitarainana am-bava na an-tsoratra eny anivon’ny vaomiera ifotony mpanisa mpifidy, izay mandray fanapahan-kevitra ao anatin’ny fito (07) andro; koa raha tsy nisy fanitsiana tao anatin’io fe-potoana io, ny mpitaky dia afaka mitondra ny raharaha ao anatin’ny telopolo (30) andro, eo anoloan’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany araka ireo fepetra napetraky ny andininy faha 22 amin’io Fehezan-dalàna voalaza io;

Satria ny andininy faha-31 amin’io lalàna fehizoro io ihany dia milaza fa: “Ny Filohan’ny Fitsarana naharay mivantana ny fitarainana dia mamoaka didy, dimy amby folo andro mialoha ny andro fifidianana ny amin’ireo fangatahan’ireo olona izay milaza ho tsy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana, koa amin’izany dia tsy voatery manaraka ireo fombafomba takian’ny andininy faha-20 sy manaraka ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana.”
Satria raha ny voalazan’ny andininy faha-32 amin’ny lalàna laharana faha-2012-015 voatsiahy etsy ambony, dia andraikitry ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana ny mitandrina ny maha ara-dalàna ireo toe-javatra rehetra mahakasika ny fizotry ny raharaham-pifidianana filohan’ny Repoblika; saingy natokana ho ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany kosa, araka ireo andininy faha 17, 20 sy 30 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana ihany, no hany mahefa mitsara ireo fitarainan’olon-tsotra momba ny fisoratana amin’ny lisi-pifidianana;
Satria, noho izany, ny Fitsarana etoana dia tsy afaka mandinika ifotony ny tsy nahavoasoratra na ny fanoratana ao anatin’ny lisi-pifidianana ny olom-pirenena tanatin’ny fe-potoana nandrafetan’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana ao anatin’ny Tetezamita izany lisi-pifidianana izany; koa ilaina ny anambarana fa tsy mahefa mitsara ny fitoriana nataon’Andriamatoa isany RAZAFINTSALAMA Pierre Emile, MONJA Roindefo Zafitsimivalo, LAHINIRIKO Jean, VONINAHITSY Jean Eugène,TEHINDRAZANARIVELO Alain Djacoba, NOELSON William ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana;

Momba ireo fangatahana fanafoanana taratasim-panjakana:
Satria Andriamatoa isany TOMBOSON Auguste, RAVELOSON Christian sy RAMAMONJISOA Judex Olivier dia mangataka ny fanafoanana ny naotim-panjakàna laharana faha- 296, 297, ary 298/2013-CISCO/DAF/Pers.Aff tamin’ny 31 oktobra 2013, izay namindra toerana azy ireo ary lazainy fa sazy an-kolaka natao azy ireo izany noho ny fanohanan’izy ireo ny antoko politika Malagasy Tonga Saina (MTS);
Satria ny andininy faha 9 andalana voalohany sy farany amin’ny lalàna laharana faha 2001-025 tamin’ny 09 aprily 2003 mikasika ny Fitsarana momba ny ady amin’ny Fanjakàna sy ny Fitsarana momba ny Kaontim-bola dia milaza fa ny Fitsarana momba ny ady atao amin’ny Fanjakàna dia mitsirika ny maha-ara-dalàna ireo fanapahana nataon’ny manam-pahefana eny anivon’ny Faritra;
Koa arak’io andinin-dalàna io, dia tsy fahefan’ny Fitsarana etoana ny mandinika ity fitoriana ity izay mangataka ny fanafoanana fanapahana noraisin’ny manam-pahefana eny anivon’ny faritra, ivelan’ireo noraisin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita na ireo rantsa-mangaikany eny amin’ny faritra; ka tokony ho anjaran’ny Fitsarana momba ny ady atao amin’ny Fanjakana ny mahafantatra izany; koa noho izany dia lavina ny fangatahan’ireo mpitory ireo ;

Ny amin’ny fanenjehana ireo fandikan-dalàna ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana:
Satria ny andininy faha 162 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana dia milaza fa : “Na iza na iza mivarotra na mividy latsa-bato dia voasazy handoa onitra mitovy na avo roa heny amin’ny tomban’ny zavatra azony na nampanantenaina azy.
Ankoatr’izany na iza na iza, na tamin’ny andro fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka, ka nividy na nivarotra latsa-bato, dia verezin-jo ary hambara fa tsy afaka hisahana asam-panjakana na voarara ho olom-boafidy ao anatin’ny folo taona.”
Satria ny feni-dalàna ankapobe dia milaza fa ny fahefa-mitsara dia mifamatotra amin’ny votoatin-draharaha, koa arak’izany dia anjaran’ny fitsarana ady heloka irery ny fampiharana ireo andinin-dalàna voalaza teo ambony ireo;
Koa arak’izany, ny fitoriana nataon’Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Alfred sy RAFANOMEZANJANAHARY Nestor, RAKOTOMAMONJY Charles izay mangataka ny hanasaziana ireo olona nividy sy nivarotra latsa-bato, dia nentina teto anatrehan’ny fitsarana tsy mahefa mitsara izany;
II- NY AMIN’NY FAHAZOA-MANDRAY NY RAHARAHA
Ny amin’ny fahazoa-mandray ny raharaha mahakasika fahafaha-mitory (qualité pour agir)
Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 132 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana: “Izay rehetra mpifidy tena voasoratra tokoa tao amin’ny lisi-pifidianana dia manana zo hitondra ny fitarainana sy fitsipahana rehetra mikasika ny maha ara-dalàna ireo asa nentina nanatanteraka ny fampielezan-kevitra sy ny raharaha momba ny latsabato izay nizotra tao amin’ny faritra iadidian’ny birao fandatsaham-bato nisoratany anarana, hotapahin’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana na ny Fitsarana momba ny fifanolanana amin’ny Fanjakana, araka ny fisehoan-javatra, ary izany dia atao ao anatin’ny folo andro katroka aorian’ny fifaranan’ny fifidianana.
Manana zo mitovy amin’izany koa ny mpilatsaka hofidina tsirairay avy na ny delegen’ny mpilatsaka hofidina eo amin’ilay fari-pifidianana manontolo na ny ampahany ihany amin’izany ka voakasika noho ny filatsahany hofidina tao. Azony toherina toy izany koa ireo vokatry ny fifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato nisy azy na ampangaina fa nisy tsy fanajana ireo fepetra sy fomba ary filazana ny tokony atao voadidin’ny lalàna tao, ary izany dia araka ny fombafomba voalazan’ny lalàna;
Izay rehetra mpanaramaso teratany dia mizaka ihany koa io zo fitakiana, fitsipahana sy fiampangana ananan’ireo mpilatsaka hofidina na ny delegen’ny mpilatsaka hofidina io, araka izay voalazan’ireo andalana roa etsy aloha, ary izany dia manerana ny birao fandatsaham-bato rehetra izay nahazoany fahefana hanaovany ny asany”;

Satria hita mivoitra arak’io andinin-dalàna io fa ny fahafaha-mitondra fitarainana eto anoloan’ny Fitsarana dia mifamatotra amin’ny maha voasoratra ny mpitory amin’ny lisi-pifidianana, sy ny fandraisany anjara tamin’ny latsa-bato, ary amin’ny maha kandidà na solon-tenan’ny kandidà azy, na amin’ny maha mpanara-maso fifidianana teratany;
Satria Ramatoa RAVAOARISOA Vahandanitra Nathalie Riquette, monina ao Manakara, dia miampanga ny fihetsik’ireo komity mpanohana ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA, noho izy ireo nampiasa fiara-panjakana; kanefa ny faha 23 oktobra 2013, fotoana nametrahany ny fitoriana, dia tsy mbola nisy ny fifidianana noho izany dia tsy manana zo hitondra ny raharaha eto anatrehan’ny Fitsarana etoana izy;
Satria Ramatoa RASOAMANANJARA Augustine, monina ao Toamasina, dia mitoroka ireo tsy fetezan-javatra niseho tao amin’ny birao fandatsaham-bato Valpinson Parcelle 11/6 Ankirihiry Avaratra, Toamasina, noho izy tsy navela nanao sonia tamin’ny lisi-pifidianana, kanefa navela nifidy ;
Satria amin’ity raharaha ity dia hita fa ny mpitory dia tsy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana; koa noho izany dia tsy afaka mitory eto anatrehan’ny Fitsarana ihany koa izy;
Satria ankoatr’izay dia nisy olona tsy nilaza anarana, monina ao Ambolokandrina, Antananarivo, izay milaza ho mpikambana amin’ny antoko politika “Eto Sehatry ny Daholobe” (ESD) sy RABENANDRASANA Ghikas, Filoham-paritry ny Tanoran’ny antoko politika “Miara-Mientana hoan’ny Demokrasia” (MDM) dia samy mangataka ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato avy tamin’ny fari-pifidianan’ny Moramanga sy Toamasina I;
Satria ny Fitsarana etoana dia nanao ny fanaraha-maso ny maha ara-dalàna ireo antoko politika tamin’ny alalan’ny antontan-taratasy avy amin’ny Ministeran’ny Atitany tamin’ny 20 Septambra 2013 voarotsaka amin’ny antontan-taratasin’ady, izay mamaritra ireo antoko politika ara-dalàna manerana ny tany sy ny Fanjakàna;
Koa hita tamin’izany fa ny “Eto Sehatry ny Daholobe” dia tsy voasokajy ho isan’ireo antoko politika mijoro ara-dalàna;
Koa na manao ahoana na manao ahoana, sy ho fampiharana mitambatra ireo andininy faha 122 sy 136 voalaza teo ambony, ireo antoko politika sy ny olona tsotra dia tsy afaka mangataka fampitahana eto anivon’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana;
Satria koa Andriamatoa AZNORT Dany Gérard Ghislain, monina ao Ambatobe Antananarivo, dia mangataka ny fanamarinana ny fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana faha 03, tao amin’ny Lycée Agricole Ambatobe sy ny fanafoanana ny fifidianana tao amin’ny Fokontany Ambatobe, ary koa ny fanafoanana ny fifidianana fihodinana voalohany manontolo, noho ny fisian’ny hosoka faobe;

Satria ny mpitory dia sady tsy kandidà no tsy nandray anjara tamin’ny latsa-bato, dia tokony hambara fa tsy afaka mitory eto anoloan’ny Fitsarana;
Satria Andriamatoa Henri RANDRIAMANDRATO, monina ao amin’ny Lot I A 41 Isoraka Antananarivo, dia mangataka ny fanafoanana ny fandatsaham-bato sy ny voka-pifidianana tao amin’ny :
– Birao fandatsaham-bato enina (06) ao amin’ny fari-pifidianana Anjozorobe;
– Birao fandatsaham-bato telo (03) ao amin’ny fari-pifidianana Arivonimamo;
– Birao fandatsaham-bato telo (03) ao amin’ny fari-pifidianana Antsirabe;
– Birao fandatsaham-bato dimy (05) ao amin’ny fari-pifidianana Avaradrano;
– Birao fandatsaham-bato roa (02) ao amin’ny fari-pifidianana Antananarivo I;
– Birao fandatsaham-bato roa (02) ao amin’ny fari-pifidianana Antananarivo II;
– Birao fandatsaham-bato telo (03) ao amin’ny fari-pifidianana Antananarivo IV;
Satria ny mpitory dia sady tsy mpilatsaka hofidina, no tsy delegena kandidà, no tsy mpanara-maso fifidianana teratany tao amin’ ireo birao fandatsaham-bato voalaza teo ambony ireo, dia ilaina ny milaza fa tsy afaka mangataka ny fanafoanana ny fifidianana tao amin’ireo birao fandatsaham-bato ireo izy;
Satria ny komity mpanohana ny kandidà ROBINSON Jean Louis dia mitoroka ireo fihetsiky ny delegem-panjakana ao Marovoay Banlieue, kaominina ambanivohitra Antanambao Andranolava, izay nanery ireo mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato ao anivon’io Kaominina io hanao sonia fitanana an-tsoratra tsy ara-dalàna;
Satria koa Ramatoa JENABAY Colombe mpikambana ao amin’ny antoko politika Ampela Manao Politika (AMP) dia mitoroka ireo tranga tsy ara-dalàna tao amin’ny birao fandatsaham-bato maro teto amin’ny firenena;
Koa ho fampiharana ny andininy faha 132 voalaza etsy ambony dia lazaina fa tsy afaka mitondra fitarainana eto anatrehan’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana ireo olona ivelan’ny voatanisan’ny andinin-dalàna io;
Koa noho ireo antony rehetra voalaza teo ambony ireo, dia ilaina ny hilazana fa tsy azo raisina ireo fangatahana voalaza ireo;

Ny amin’ny fahazoa-mandray ny raharaha momba ireo antontan-taratasy takian’ny lalàna:
Satria ny andininy faha 136 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana dia manery fa ny taratasy famakian’ady dia atao sosona roa mitovy, tsy maintsy voasonia, ka ampiarahina ny kopian’ny kara-pifidianana nohamarinina maimaim-poana, na fanamarinana nomen’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny fidianana na ireo rantsa-mangaikany eny anivon’ny faritra, raha tsy izany dia tsy azo raisina;
Satria Andriamatoa isany RASAMOELINA Nirina, monina ao Ambohimangakely, Antananarivo sy ANDRIANJATOVO Anja Fenomanana, dia mitory ny vato azon’ny kandidà Pierrot RAJAONARIVELO tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Antanambao Ambohimangakely Efitrano 1 Antananarivo Avaradrano sy ireo tsy fetezan-javatra teo amin’ny raharaham-pifidianana tamina birao fandatsaham-bato maromaro manerana ny firenena ary farany, mangataka ny hanokafana fanadihadiana amin’ireo tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra sy tamin’ny latsabato ary ny fanisam-bato tamina birao fandatsaham-bato maromaro manerana ny firenena;
Satria hita mivoitra araka ireo antontan-taratasin’ady fa ireto mpitory dia tsy nandrotsaka ny kopian’ ny kara-pifidianany na fanamarinana avy amin’ny Vaomieram-pifidianana na ireo ratsa-mangaikany, ahafahana manamarina fa nandray anjara marina tamin’ny latsa-bato izy ireo;
Koa noho izany, ny taratasy famakian’ady nataon’ireo mpitory voalaza anarana eo ambony ireo dia tsy nahafeno ny fepetra takian’ny andininy faha 132 sy 136 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana;
Ny amin’ny fahazoa-mandray ny raharaha momba ny tohan-kevitra sy antony ifaharana ho fanafoanana:
Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 136 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, ny fitarainana ataon’ny mpitory dia tsy azo raisina raha tsy ahitana ireo tohan-kevitra sy antony ifaharana ;
Satria Andriamatoa François GASMIN dia milaza fa nisy tsy fanarahan-dalàna teo amin’ny fizotry ny fandatsaham-bato tao amin’ny distrika Mahabo ary mangataka izy noho izany ny fanafoanana ny fifidianana tao amin’izany toerana izany;
Satria tsy ahitana tohan-kevitra sy antony ifaharana ity fitoriany ity, fa mitanisa fotsiny ihany ireo toe-javatra tsy ara-dalàna nitranga tao amin’ny Distrika Mahabo nandritra ny fifidianana;
Koa noho izany dia ilaina ny hilazana fa tsy azo raisina ny fangatahana ho fampiharana ny andininy faha 136 voalaza teo ambony;

III- NY AMIN’NY MAHA MARIM-POTOTRA IREO FANGATAHANA NAROSO TEO AMIN’NY FITSARANA MANOKANA MOMBA NY FIFIDIANANA :
Ny amin’ny fangatahana fanafoanana ny fifidianana fihodinana voalohany manerana an’I Madagasikara:
Satria araka ny didy navoakan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana, mitondra ny laharana faha 22-CES/D tamin’ny 15 novambra 2013, dia nolavina ny fangatahana fanafoanana ny fifidianana fihodinana voalohany nataon’ny kandidà MONJA Roindefo Zafitsimivalo noho ny fitoriany tsy mari-pototra; ary ankoatr’izay, noho ireo toe-javatra notantarainy tsy nahitana fandikan-dalàna na tsy fahalavorariana mety hitarika ny fanafoanana ny raharaham-pifidianana;
Satria tamin’io didy io ihany, dia nolavin’ny Fitsarana etoana koa ny fangatahan’Andriamatoa isany kandidà ho filoham-pirenena, LAHINIRIKO Jean, VONINAHITSY Jean Eugène,TEHINDRAZANARIVELO Alain Djacoba, sy NOELSON William noho izany tsy mari-pototra ihany koa, satria ny antony angatahana fanafoanana ny fifidianana tamin’ny 25 oktobra 2013 dia fitantarana zava-nitranga fotsiny ihany tsy arahana porofo;
Ny amin’ny fangatahana fanintsanana tsy ho kandidà an’Andriamatoa RAJAONARIMAMPIANINA Hery;
Satria araka ny didy navoakan’ny Fitsarana etoana mitondra ny laharana faha 21-CES/D tamin’ny 09 novambra 2013, dia notsipahany ny fangatahana ho fanitsanana tsy ho kandidà an’Andriamatoa RAJAONARIMAMPIANINA Hery ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena, nataon’Andriamatoa Rakoto Rahasinina Andrianjo RAZANAMASY, izay manana ho mpisolo vava an’i Maître Rija RAKOTOMALALA, Mpikambana ao amin’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara;
Satria Atoa Rahasinina Andrianjo RAZANAMASY dia manitrikitrika fa nisy ny fampiasana fitaovam-panjakana, sy fahefam-panjakana, ary koa nisy ireo faneriterena mpiasam-panjakana nataon’ireo manam-pahefana mba hanao fampielezan-kevitra ho an’ny kandidà etoana, ary koa fanaovana fampielezan-kevitra ivelan’ny fe-potoana ara-dalàna, fa indrindra koa ny fividianana latsa-bato;
Satria araka ny voalazan’io didy io, ao amin’ny antonantony, dia notanan’ny Fitsarana etoana fa efa nametra-pialàna tsy ho Minisitry ny vola ny kandidà RAJAONARIMAMPIANINA Hery, koa noho izany dia tsy voasokajy ho anisan’ny manam-pahefana voalazan’ny andininy faha 134 intsony izy; ka tsy ho afaka hampiasa na oviana na oviana fahefam-panjakana na fitaovam-panjakàna;
Koa noho izany dia tsy azo lazaina ho tompon’andraikitra amin’ireo toe-javatra anakianana azy io kandidà io;
Satria ankoatr’izay ny Fitsarana etoana dia nitsipaka ireo antom-pamaharana hafa naroson’ny mpitory izay tsy azo ekena ho antony hangatahana fanitsanana tsy ho kandidà;

Ny amin’ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra ny raharaham-pifidianana:
Satria ny andininy faha 122 andalana faha 2 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 martsa 2012 momba ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia milaza fa: “Raha ilaina, ny fampitahana ireo fitanana an-tsorat’ireo birao-pifidianana dia azo atao, eo anatrehan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny fifidianana, na amin’ireo rantsa-mangaikany, na eo anatrehan’ny fitsarana mahefa, araka ny fangatahan’ny kandidà na ireo solontenany.”
Satria ny andininy faha 122 sy 114 ny lalàna fehizoro voalaza teo ambony dia mitaky fa ny fitanana an-tsoratr’ireo birao-pifidianana dia atao dika mitovy maromaro mitovy lanja, ka andefasana ny soson’ny fitanana an-tsoratra ny Vaomieram-pirenana Mahaleotena momba ny Fifidianana, na ireo rantsa-mangaikany eny amin’ny faritra, sy ny fitsarana mahefa, ary toy izany koa ireo solontenan’ny kandidà sy ireo mpanara-maso teratany nanatrika ny fanisam-bato; ka izany fitanana an-tsoratra izany dia nosoniavin’ny mpikambana roa farafahakeliny ao amin’ny birao fandatsaham-bato miaraka amin’ny anaran’izy ireo;
Satria iaraha-manaiky fa ny fampitahana ny fitanana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato dia anisan’ireo fomba miantoka ny fangaraharahana sy ny fahamarinan’ny vokatry ny latsa-bato; koa noho izany, ireo fitanana an-tsoratra azo atao fampitahana dia ireo eny ampelatanan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana, na ny an’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, na ny any amin’ireo kandidà na ireo mpanara-maso fifidianana teratany;
Satria na ahoana na ahoana, araka ny fitsipika apetraky ny andininy faha 32 andalana faharoa amin’ny lalàna fehizoro mitondra ny laharana faha 2012-015 momba ny fifidianana filohan’ny Repoblika fahaefatra, ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana, na dia tsy misy fitoriana aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazan’ny lalàna na ny fitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka, eo am-pitsirihana ny fitanana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato sy ny Sampana misahana ny fanisam-bato;
Satria amin’izany indrindra, ary hita araka ireo andinin-dalàna manan-kery voalaza teo fa ny fampitahana atao dia tsy midika velively ho fanisana indray ireo vato efa azon’ireo kandidà eto anivon’ny Fitsarana amin’ny alalan’ny fampitahana ireo isan’ny vato ao anatin’ireo fonosana sy ny voka-pifidianana voasoratra amin’ny fitanana an-tsoratra;
Satria tokoa ny fanisana vato dia asan’ireo mpikambana eo anivon’ny birao fandatsaham-bato sy ireo mpanisa vato, fa ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana kosa dia natao hanamarina ihany ireo tarehimarika voasoratra ao amin’ny taratasy fanamarinana ny isam-bato izay adika ao amin’ny fitanana an-tsoratra , ary raha ilaina dia mampitaha ny voasoratra amin’ny fitanana an-tsoratra tsirairay izy amin’izany;

Satria noho ireo antony ireo, dia nolavin’ny Fitsarana etoana ireto fitoriana manaraka ireto noho izy ireo tsy marim-pototra:
– Ny fangatahana voasoratra tao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana ny 04 Novambra 2013, nataon’ny kandidà Camille Albert VITAL, manana mpisolovava an’i Maître RAMANANTSALAMA Herisoa, hampitahana ireo voka-pifidianana amin’ireo birao fandatsaham-bato manontolo miaraka amin’ny bileta avy tamin’ireo vata fandatsaham-bato ho fiantohana ny fahamarinan’ny latsabato ;
– Ny fangatahana fahazoan-dalana tamin’ny 28 oktobra 2013 mitondra ny laharana faha 19-PDT/MAT/MDM, nataon’ ny kandidà Pierrot RAJAONARIVELO hamela ireo mpikambana ao amin’ny antoko MDM hanao fampitahana ireo entana misy ireo bileta amin’ny fitanana an-tsoratra voasonia;
Satria ny kandidà Hajo ANDRIANAINARIVELO, izay manana ny mpisolovava Maitres RATOVONDRAJAO Fredon, RATSIRAHONANA Lala, ary Rija RAKOTOMALALA ho mpiaro ny tombontsoany, dia mangataka amin’ny Fitsarana etoana ny hanaovana fampitahana ny fitanana an-tsoratra ofisialy amin’ireo fitanana an-tsoratra any ampelan-tanan’ireo solontenan’ny kandidà amin’ny birao fandatsaham-bato maromaro; ary koa ny hilazàna ny fisian’ireo tsy fitovian’ny isam-bato manan-kery sy ny vato azon’ireo kandidà ka hanafoanana arak’izany ireo voka-pifidianana tao amin’ireo birao fandatsaham-bato izay narotsaky ny mpitory miaraka amin’ny fitoriany, noho ireo tsy fahalavorariana nisy tamin’ireo toeram-pifidianana ireo;
Satria ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana dia niroso tamin’ ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra teo ampelatanany tamin’ireo narotsaky ny mpitory sy ny eny ampelatanan’ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita;
Satria taorian’ny fanamarinana sy ny maha ara-dalàna nataony dia tsy nahitana fahadisoana tamin’ireo tarehimarika na isam-bato ny Fitsarana teo anivon’ireo birao fandatsaham-bato miisa roa amby fito-polo (72), koa noho izany dia nohamafisiny ny valim-pifidianana tao, indrindra ny:
– birao fandatsaham-bato EPP Merikanjaka, Kaominina Antanetibe Mahazaza, Ambohidratrimo;
– birao fandatsaham-bato Ambohiboromanga, Kaominina sy Distrika Manjakandriana;
– birao fandatsaham-bato EPP Andravoahangy II, Efitrano faha 4 Fokontany Antaninandro, Antananarivo III;
– birao fandatsaham-bato EPP Ambohidrazana Ouest Fokontany Andriantara, Kaominina Miantso, Ankazobe;
Satria ilaina ny manatsoaka fa tamin’ny ankamaroan’ireo tranga nohamarinina, ireo tsy fanarahan-dalàna nolazain’ny mpitory dia vokatry ny fahadisoana tarehi-marika tamin’ny fandikana amin’ny solosaina ireo voka-pifidianana teo ampelatanany; koa noho izany tsy azo lazaina fa fahadisoana avy amin’ny mpikambana eny anivon’ny birao fandatsaham-bato na avy amin’ny vaomiera mpanisa vato ireo tsy fahalavorariana nentiny teto anivon’ny Fitsaràna;
Satria na dia izany aza dia nahitàna tsy fanarahan-dalàna tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa fito ambin’ny folo (17);
Satria ireo tsy fanarahan-dalàna voalaza eto dia mahakasika indrindra ireo tsy fitovian-tarehimarika amin’ny vato manan-kery sy ny tontalin’ireo vato azon’ny kandidà, ary ny tsy fahamarinan’ny isa voasoratra amin’ny fitanana an-tsoratra mitaha amin’ireo voasoratra amin’ny taratasy fanamarinana ny isam-bato nosoniavin’ireo mpanisa vato;
Satria na manao ahoana na manao ahoana, ireo fahadisoan-tarehimarika na ireo tsy fanarahan-dalàna nolazain’ny mpitory izay hitan’ny Fitsarana rahateo, dia tsy hosoka mety hanova ny fahamarinan’ny latsa-bato na hanova ny voka-pifidianana, koa noho izany dia tsy azo raisina ho antony hanafoanana ny latsa-bato ;
Koa ho fampiharana ny lalàna, ny Fitsarana etoana dia nanatanteraka ireo fanitsiana ilaina tamin’ny birao fandatsaham-bato fito ambin’ny folo (17), ary anisan’izany ny:
– birao fandatsaham-bato EPP Soamananety, Kaominina sy Distrika Arivonimamo;
– birao fandatsaham-bato EPP Ikianja, Kaominina Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano;
– birao fandatsaham-bato EPP Ankeniheny, Kaominina Tanjombato, Antananarivo Atsimondrano;
– birao fandatsaham-bato Antanetibe Antsakay, Kaominina Ambohimirary, Anjozorobe;
Ny amin’ny fandavana ireo fitarainana sasantsasany eto anivon’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana:
Satria araka ny andininy faha 136 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 momba ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana, dia tokony mitondra porofo ho fanamarinana ireo tranga tateriny ny mpitory, na amin’ny alalan’ny taratasy marina (actes authentiques) sy ofisialy, na fanambarana mahaleo tena nosoniavin’ny vavolombelona telo farafahakeliny;
Satria ny Fitsarana mahefa dia masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny lanjan’ireo taratasy narotsaka ho porofo entina eto anatrehany;
Satria ny paik’ady arahina eto anivon’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana dia an-tsoratra ary ifanatrehana; Koa satria ny andininy faha 29 andalana voalohany amin’ny Didy Hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 Novambra 2001 dia milaza fa ny fitoriana dia atao an-tsoratra, ary atao toy izany koa ireo antontan-taratasy rehetra arotsaka na ireo fanambaran’ny vavolombelona;
Koa amin’izany ny fehinteny sy ny antontan-taratasin’ady, araka ny voalazan’ny andininy faha 137 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, dia ampahafantarin’ny mpiraki-draharaha amin’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato voakasiky ny fitoriana na amin’ny komity mpanohana na amin’ny olom-boafidy izay nokianina ny fifidianany;
Satria araka ny fanadihadiana nataon’ny Fitsarana, ireo fitarainana izay mionona fotsiny ihany amin’ny fitantarana ireo tranga kianina saingy tsy nampiarahana porofo manamarina fa nanimba ny fahamarinan’ny latsa-bato, na nanova ny voka-pifidianana, na fandikan-dalàna na nikitika ny filaminam-bahoaka, dia nolavina noho izy ireo tsy marim-pototra ;
Fa nolavin’ny Fitsarana toy izany koa ireo fitoriana nampiarahina porofo sy antontan-taratasy fanamarinana toe-javatra izay hita mibaribary fa tsy marina;
Satria noho izany, dia nolavin’ny Fitsarana ho tsy mari-pototra ireto fitoriana manaraka nataon’:
– Andriamatoa RANAIVOMANANA Justin sy RATIARISOA Albert, izay mangataka fanafoanana ireo voka-pifidianana tao amin’ny fokontany Anovondria, Kaominina Andramasina
– Andriamatoa RALAINGITA Edouard Escard, izay mangataka ny fanafoanana ireo vato-pifidianana azon’ny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA tao amimn’ny birao fandatsaham-bato tao amin’ny distrikan’ny Farafangana, Vaingaindrano, Midongy Atsimo sy Befotaka –Sud;
– Ny ekipan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny antoko MDM, izay mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana voalohany tao Tanambao, Kaominina Ambodimanga, Distrika Toamasina I;
– Andriamatoa RATOHANAINA Besoin Calixte, izay mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana faha 04 Ambatomena, Antarandolo, Fianarantsoa;
– Andriamatoa sy Ramatoa isany RAKOTOVAO Paul, HANTAMALALA Florence, MARINESY Baptistine, FIDIMANANA Angelo Patrick, RAVELOARISOA Roberthine, MARIJAONA izay mitory ny fampiasana fiara-panjakana;
– Andriamatoa Hajo ANDRIANAINARIVELO izay mangataka fanafoanana ireo voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato Ambohitsoa Ankazolava, boriboritany Faharoa Kaominina Ambonivohitra Antananarivo;
IV-NY AMIN’NY FANAFOANANA RAHARAHAM-PIFIDIANANA:
Satria voalohany, ho fampiharana mitambatra ny andininy faha 69 andalana faha 6, 74, 75 andalana faharoa, 92, 103 andalana fahaefatra, 105, 106 sy 110 andalana faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 momba ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, dia tsy azo lazaina ho antom-panafoanana ny raharaham-pifidianana ireto tranga manaraka ireto:
– Tsy fihodinan’ireo solontenan’ny kandidà ao amin’ny birao fandatsaham-bato;
– Tsy fisian’ny solontenan’ny kandidà;
– Tsy fisian’ny fanamarihan’ireo mpanara-maso, na fanoherana ataon’ireo solontenan’ny kandidà ao anatin’ny fitanana an-tsoratra ny fizotry ny fifidianana;
– Ny fahabangan’ny sonia ataon’ny solontenan’ny kandidà ao amin’ny fitanana an-tsoratra ny fizotry ny fifidianana, izay tsy fepetra fotony;
– Ny fahabangan’ny sonia ataon’ny mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato amin’ny lisi-pifidianana;
– Ny fandavan’ny mpanisa vato hanasonia ny taratasy fanisam-bato;
– Ny tsy fampiarahana ireo vato fotsy na maty amin’ny fitanana an-tsotra voalazan’ny andininy faha 105 sy 106 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana izay tsy mitarika avy hatrany ny fanafoanana ny fifidianana ;
Satria noho izany dia tsy niroso tamin’ny fanafoanana ireo voka-pifidianana ampahany ny Fitsarana etoana raha nifanandrify tamin’ireo tranga voalaza teo ambony ireo ny fangatahan’ny mpitory ;
Satria kosa ny andininy faha 35 andalana faha efatra amin’ny didy hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 dia milaza fa ny antony azo anafoanana ny raharaham-pifidianana dia ny fisian’ireo hosoka na tsy fanarahan-dalàna nisy fiantraikany tamin’ny fahamarinan’ny latsa-bato, na nanova ny voka-pifidianana ary ny fisian’ny fandikan-dalàna mibaribary na manohitohina ny filaminam-bahoaka ;
Satria faharoa, ny andininy faha-32 andalana faharoa ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 1 Aogositra 2012 mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika Fahaefatra, dia manindry fa ny fanadinoana ireo fombafomba fototra dia miteraka fanafoanana tanteraka na amin’ny ampahany ny raharaham-pifidianana ;
Koa nandritra ny fanaraha-maso ny fitànana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato sy ireo Sampana misahana ny fanisam-bato, ny Fitsarana etoana, na dia tsy misy fitarainana aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikàna ireo fepetra voalazan’ny lalàna na ny fitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka ;
Satria nandritra io fanaraha-maso io ihany, ny Fitsarana etoana dia nahita tsy fitoviana teo amin’ny isan’ny vato manan-kery sy ny tontalin’ny vato azon’ny kandidà ; kanefa ireo fahadisoana tarehi-marika hita tamin’izany dia tsy nisy fiantraikany tamin’ny fahamarinan’ny latsa-bato ;
Koa ho fanarenana izany, dia nanatanteraka fanitsiana ny Fitsarana mba hamerenana ny fahamarinan’ny latsa-bato ; koa noho izany dia ilaina ny manamafy ny maha ara-dalàna ireo raharaham-pifidianana sy ny voka-pifidianana tao amin’ireo birao fandatsaham-bato voakasik’izany;
Satria ankoatr’izay, dia nahitan’ny Fitsarana ny fahabangan’ny sonian’ireo mpikambana roa farahafahakeliny ao amin’izany birao fandatsaham-bato izany ireo fitanana an-tsoratra tonga teo ampelatanany ; koa ho fampiharana ny andininy faha 109 andalana fahatelo amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, dia mendrika ny hofoanana ireto voka-pifidianana amin’ireto birao fandatsaham-bato manaraka ireto, noho ny fanadinoana ireo fombafomba fototra :

– birao fandatsaham-bato laharana voalohany EPP Faliarivo, Kaominina Masindray, Antananarivo Avaradrano ;
– birao fandatsaham-bato laharana faha 03 EPP Ambohitsoa, Antananarivo II;
– birao fandatsaham-bato laharana voalohany, Amparihy Kaominina Mandrosohasina, Antsirabe II;
– birao fandatsaham-bato laharana voalohany EPP Antanimandeha, Kaominina Miantsoarivo, Arivonimamo;
Ny amin’ireo tovana amin’ ny lisi-pifidianana:
Satria ny andininy faha 97 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia milaza fa: “Ireo mpiasam-panjakana, mpitsara, miaramila, na ireo mpikambana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana na ireo rantsa-mangaikany, izay tsy eo amin’ny fokontany misy azy amin’ny andro fifidianana, saingy kosa ao amin’ny fari-pifidianany ihany, dia afaka mandray anjara amin’ny latsa-bato raha mampiseho ny “ordre de mission” na taratasy hafa fanamarinana, sy ny kara-pifidianany ary ny kara-panondrom-pirenena, amin’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato amin’ny toerana izay misy azy ireo amin’io fotoana io.”
Satria arak’izany, ny maha-mpifidy ara-dalàna ny olona iray dia noho izy voasoratra ao amin’ny lisi-pifidianana na ny fanatovanana azy ao amin’izany lisitra izany amin’ny alalan’ny fampisehoana ireo taratasy fanamarinana voalaza teo amin’ny andinin-dalàna voalaza teo ambony ireo;
Koa noho izany, izay fanatovanana ao anaty lisi-pifidianana ivelan’ny voalazan’ny lalàna dia tsy azo ekena;
Satria arak’izany, ny Fitsarana etoana dia niroso, voalohany, tamin’ny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana noho ny fisian’ireo fanatovanana amin’ny lisi-pifidianana diso tafahoatra, izay tsy arahina taratasy fanamarinana izay nanova ny voka-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa 64, izay atovana amin’ity didy ity ny lisitr’izy ireo, izay mitontaly vato miisa 20.127;
Koa ankoatr’izay , na dia teo aza ireo fanatovanana mpifidy tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana izay tsy narahana taratasy fanamarinana, saingy tsy nanova ny voka-pifidianana, ny Fitsarana dia niroso kosa tamin’ny fanafoanana ireo mpifidy tsy ara-dalàna mihoatra, ary nanitsy nifanaraka amin’izany, ireo vato azon’ny kandidà tsirairay tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa 142, izay atovana amin’ity didy ity ary mitontaly vato miisa 2896;

Ny amin’ny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana noho ny tsy fisian’ny antontan-taratasim-pifidianana:
Satria araka ny andininy faha 112 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana voalaza teo ambony dia milaza fa ny fitanana an-tsoratr’ireo biraom-pifidianana dia atao sosona maromaro mitovy lanja, ka andefasana sosona amin’ireo fitanana an-tsoratra ireo ny Vaomieram-pirenana Mahaleotena momba ny Fifidianana, na ireo rantsa-mangaikany eny amin’ny faritra, sy ny fitsarana mahefa, mialoha ny hafa;
Koa hita mivoitra avy amin’izany andinin-dalàna izany, fa ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana izay fitsarana mahefa amin’ity fifidianana filoham-pirenena ity dia tokony andefasana soson’ny fitanana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato;
Kanefa noho tsy fahatongavan’ireo fitanana an-tsoratra miisa telo amby efapolo (43), na dia efa natao aza izay fomba rehetra azahoana izany, izay ilaina indrindra amin’ny fanaraha-maso ny maha ara-dalàna ny fandatsaham-bato teny anivon’ireo birao fandatsaham-bato isan-karazany, dia voatery ny Fitsarana nanafoana ny raharaham-pifidianana teo anivon’ireo birao fandatsaham-bato izay atovana amin’ity didy ity ny lisitra;
Ny amin’ny fampiasana fitaovam-panjakana sy fahefam-panjakana ho amin’ny fampielezan-kevitra:
Satria ny andininy faha 133 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia milaza fa ny fampiasana fitaovam-panjakanana fahefam-panjakana entina hanaovana fampielezan-kevitra dia mitarika ny fanafoanana ny isam-bato mety ho azon’ny kandidà voampanga amin’izany, any amin’ireo toerana izay nanatanterahina izany fandikan-dalàna izany;
Satria tonga eto ampelatanan’ny Fitsarana ireo singa manaporofo ny fampiasana fahefam-panjakana sy fitaovam-panjakana hoamin’ny fampielezan-kevitra ho fanampiana ny kandidà Hery RAJAOANARIMAMPIANINA tamin’ireto toerana manaraka ireto:
– Distrika Toamasina I, Kaominina Ambodimanga : fampiasana ny fitaovan’ny Televiziona Malagasy ho amin’ny fampielezan-kevitry ny kandidan’ny antoko Hery Vaovao, ary fanerena ireo mpiasa sy mpanao gazetin’ny TVM hanatrika izany famoriam-bahoaka izany araka ny fanambaràna vavolombelona nataon’Andriamatoa sy Ramatoa isany SABOTSY Aimé, RAKOTOMALALA Didier, NDIAMAHARO Mickaelys sy RAHARIVELO Eliette;
– Distrika Fénérive-Est, Kaominina Fénérive ville: fampiasana fitaovam-panjakàna an’ny Faritra Analanjirofo (seza sy fiara tsy mataho-dàlana) sy fahefam-panjakana tamin’ny fivoriana ny 15 Oktobra 2013 tao amin’ny Restaurant Doany, Fénérive-Est araka ny fanambarana vavolombelona nataon’Andriamatoa sy Ramatoa DONAISE, VAVIROA, RAMAROLAHY;
– Distrika Fénérive-Est, Kaominina Mahambo: fanaingana ampahibemaso ataon’ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo hifidy ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA tao amin’ny tanànan’i Mahambo, araka ny fanambarana vavolombelona nataon’Andriamatoa isany SIGIARA, RAZAFIMAHADIMBY sy INGILOMENA;
– Distrika sy Kaominina Manakara: fampiasana fiaram-panjakana, mitondra ny laharana 6952 TAF izay an’ny Antenimieram-pirenena, izay nampiasain’ny mpikambama ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita hanaovana fampielezan-kevitra, ary nahitàna afisin’ny kandidan’ny Hery Vaovao, araka ny fanambarana vavolombelona nataon-dRamatoa sy Andriamatoa RAVAOARISOA, FIDIMANANA sy HANTAMALALA;
– Distrika sy Kaominina Ambonivohitra Ambovombe-Androy: fanerena ireo mpiasam-panjakana sy mpampianatra ary mpianatra hanatrika ny fampielezan-kevitry ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny 22 Oktobra 2013, fanerena izay nataona Praiminisitra Lefitra tamin’ny Lehiben’ny Faritra sy ireo sefo fokontany hifidy kandidà iray raha tsy izany dia voasazy, araka ny fanambaràna vavolombelona nataon’Andriamatoa sy Ramatoa isany RAJAONESA Lambo, RAZAFIMAHATRATRA sy HAOVA Angeline;
Satria noho ireo antony ireo, dia ilaina ny manafoana ny isam-bato mitontaly 5.774, azon’ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA teo anivon’ireo Kaominina ireo izay nahatanterahana ireo fandikan-dalàna ireo, izay faritana toy izao manaraka izao:
– Distrika Toamasina I: kaominina Ambodimanga : 465 isam-bato;
– Distrika Fénérive –Est, Kaominina Fénérive –Est : 860 isam-bato ;
– Distrika Fénérive-Est, Kaominina Mahambo : 1147 isam-bato ;
– Distrika Manakara, Kaominina Manakara : 676 isam-bato ;
– Distrika Ambovombe – Androy, Kaominina Ambovombe – Androy: 2626 isam-bato;

Satria araka ny voalazan’ny andininy faha-27 ny lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 Jolay 2012 momba ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana, ity farany dia manambàra ny voka-pifidianana raikitra ao anatin’ny dimy amby folo andro raha ela indrindra taorinan’ny nanambaran’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita ny voka-pifidianana vonjimaika;
Koa ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana, araka ny voalazan’ny andininy faha 28 ny lalàna teo ambony, dia manambara ampahibemaso amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana raikitra, ary mamaritra mazava:
– Ny isa manontolon’ny mpifidy voasoratra anarana;
– Ny isa manontolon’ny mpifidy tonga nandatsa-bato;
– Ny isa manontolon’ireo vato nambara fa fotsy sy tsy manan-kery ;
– Ny isan’ny manontolon’ny vato manan-kery;
– Ny isan’ny vato manan-kery azon’ny mpilatsaka hofidina tsirairay;
Satria ho fampiharana ny andininy faha 29 andalana faharoa amin’ny lalàna voalaza teo ambony ihany, raha tsy misy mahazo ny antsasa-manilan’ny vato manankery, ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana dia manambàra ny voka-pifidianana azo ary tondroiny ny anaran’ireo mpilatsaka hofidina roa izay nahazo ny isam-bato be indrindra, izay hany ekena hiatrika ny fifidianana fihodinana faharoa;

Satria araka ny andininy faharoa amin’ny didim-panjakana laharana faha 2013-157 tamin’ny 12 marsa 2013: “Averin’ny fanjakana amin’ny kandida nahazo fara fahakeliny 10% amin’ny vato manan-kery tamin’ny vokatra ôfisialin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ny vola narotsany ho antoka”;
Noho ireo antony ireo
Ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana
Dia mamoaka izao didy izao :

Andininy voalohany.-Milaza fa tsy mahefa mitsara ny foto-draharaha amin’ireo fitoriana mikasika ny fisoratana amin’ny lisi-pifidianana nataon’Andriamatoa isany MONJA Roindefo zafitsimivalo, RAZAFINTSALAMA Pierre Emile, LAHINIRIKO Jean, VONINAHITSY Jean Eugène, TEHINDRAZANARIVELO Alain Djacoba, NOELSON William.

Milaza koa fa tsy mahefa mitsara ny fangatahana fanafoanana taratasim-panjakana mikasika famindran-toerana mpiasam-panjakana nataon’Andriamatoa TOMBOSON Auguste sy ny namany sy fanenjehana fandikan-dalàna izay andraikitry ny fitsarana momba ny ady heloka izay nangatahan’Andriamatoa isany RAKOTONANDRASANA Alfred sy RAFANOMEZANJANAHARY Nestor.

Andininy faha 2.– Ambara fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon-dRamatoa RASOAMANANJARA Augustine, ny solontenan’ny “Eto Sehatry ny Daholobe (ESD)” sy Andriamatoa RABENANDRASANA Ghikas, Andriamatoa isany AZNORT Dany Gérard Ghislain, RASAMOELINA Nirina ary Ramatoa JENABAY Colombe avy amin’ny antoko Ampela Manao Politika (AMP), ny komity manohana ny kandida ROBINSON Jean Louis, Andriamatoa François GASMIN ary Ramatoa RAVAOARISOA Vahandanitra Nathalie Riquette, noho izy ireo tsy manana fahefana hanao izany na noho ny tsy fisian’ny taratasy takian’ny lalàna na noho tsy fisian’ny antony sy tohan-kevitra.

Andininy faha 3.– Ambara fa azo raisina ny fitoriana nataon’Andriamatoa isany MONJA Roindefo Zafitsimivalo, LAHINIRIKO Jean, VONINAHITSY Jean Eugène, TEHINDRAZANARIVELO Alain Djacoba, NOELSON William, mangataka ny hanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny 25 oktobra 2013 nefa lavina fa tsy mitombina.

Andininy faha 4.– Ambara fa azo raisina ny fitoriana nataon’Andriamatoa Rakoto Rahasinina Andrianjo RAZANAMASY mangataka ny hanintsanana ny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA nefa lavina.

Andininy faha 5.– Ambara fa azo raisina ny fitoriana nataon’ny kandida Camille Albert VITAL sy Pierrot RAJAONARIVELO mangataka ny hampitahàna ny vokatry ny latsabato amin’ireo taratasin-datsabato tao amin’ny vata fandatsaham-bato nefa lavina ireo fitoriana ireo fa tsy mitombina.

Andininy faha 6.– Raisina ny fangatahana fampitahàna fitanana antsoratra ny raharaham-pifidianana tamina birao fandatsahambato sasantsasany nataon’ny kandida Hajo ANDRIANAINARIVELO.
Andininy faha 7.– Ambara fa azo raisina ny fitoriana nataon’Andriamatoa isany RANAIVOMANANA Justin, RATIARISOA Albert, RALAINGITA Edouard Escard, solontenan’ny antoko politika Malagasy Miara Miainga (MMM), RATOHANAINA Besoin Calixte sy ny solontenan’ny antoko politika Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (MDM) sy nataon’Andriamatoa Hajo ANDRIANAINARIVELO, mangataka ny hanafoanana ny voka-pifidianana tamina birao fandatsaham-bato sasantsasany nefa lavina izy ireo fa tsy mitombina.
Andininy faha 8.- Ambara fa azo raisina ny fitoriana nataon-dRAKOTOVAO Paul, HANTAMALALA Florence, MARINESY Baptistine, FIDIMANANA Angelo Patrick, RAVELOARISOA Roberthine, MARIJAONA, nitoroka amin’ny Fitsarana etoana ny fampiasana fiaram-panjakana nefa lavina izany fa tsy mitombina.
Andininy faha 9.-Foana, noho ny fanarahamaso ny fanarahan-dalàna, ny raharaham-pidianana tamina birao fandatsaham-bato miisa 111 izay atovana ity didim-pitsarana ity ny lisitra mahakasika izany, izay mitontaly vato miisa 21.474.
Foana ny isam-bato miisa 5.774 azon’ny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA teo anivon’ny kaominina Ambodimanga Distrika Toamasina I, kaominina Fénérive-Est Distrika Fénérive-Est, Kaominina Mahambo Distrika Fénérive-Est, Kaominina sy Distrika Manakara ary kaominina sy Distrika Ambovombe-Androy.
Andininy faha 10.– Ambara araka izao manaraka izao ny vokatra raikitra ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 25 oktobra 2013:

– Isan’ny mpifidy voasoratra anarana………………………….= 7.839.268
– Isan’ny nandatsa-bato………………………………………………= 4.826.156
– Isan’ny vato fotsy sy tsy manan-kery………………………..= 335.609
– Isan’ny vato manan-kery…………………………………………..= 4.490.547
– Antsasa-manila…………………………………………………………= 2.245.274
– Taham-pahavitrihana………………………………………………..= 61,56%
– Vato sy ampahambato azon’ny kandida tsirairay:

LF kandida Isambato Salanisa
01 RAVALISAONA Clément Zafisolo 51 693 1.15%
03 RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Martial 711 534 15.85%
04 RABEHARISON Roland Dieu Donné dit VAHÖMBEY 31 744 0.71%
05 RATSIRAKA Iarovana Roland 404 103 9.00%
06 ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona 473 508 10.54%
07 RAKOTO ANDRIANIRINA Fetison 49 295 1.10%
08 RABEMANANANTSOA Brigitte Ihantanirina 62 298 1.39%
09 RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin 100 242 2.23%
10 VITAL Albert Camille 307 477 6.85%
11 RAKOTO Jean Pierre 9 777 0.22%
12 DOFO Mickaël Bréchard 15 342 0.34%
13 RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin 104 578 2.33%
15 RAJAONARY Patrick Ratsimba 38 449 0.86%
16 RABEHARISOA Saraha épouse GEORGET 202 956 4.52%
18 TINASOA Freddy 9 652 0.21%
19 RAZAFIARISON Laza 39 635 0.88%
20 MONJA Roindefo Zafitsimivalo 68 121 1.52%
22 TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Alain 25 760 0.57%
23 RAJEMISON RAKOTOMAHARO 38 507 0.86%
25 LAHINIRIKO Jean 39 488 0.88%
27 VONINAHITSY Jean Eugène 96 257 2.14%
28 RAJAONARIVELO Pierrot Jocelyn 120 511 2.68%
31 RANDRIAMANANTSOA Tabera 39 890 0.89%
32 RATREMA William 95 391 2.12%
33 JEAN-LOUIS Robinson Richard 949 987 21.16%
34 RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noé 195 053 4.34%
35 RAHARIMANANA Venance Patrick 19 584 0.44%
36 RATRIMOARIVONY Guy 10 921 0.24%
37 RAZAFIMANAZATO Julien 71 938 1.60%
38 FAHARO RATSIMBALSON 24 437 0.54%
39 RABETSAROANA Willy Sylvain 57 592 1.28%
40 NOELSON William 13 786 0.31%
41 LEZAVA Fleury Rabarison 11 041 0.25%
Totaliny 4 490 547 100%

Hita fototra fa tsy misy kandida nahazo ny antsasa-manila tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany.

Andininy faha 11.– Ny kandida Jean Louis ROBINSON sy Hery RAJAONARIMAMPIANINA, izay nahazo vato be indrindra, no hany mahazo miatrika ny fihodinana faharoa.

Andininy faha 12.– Didina ny hamerenana amin’Andriamatoa isany Jean Louis ROBINSON, Hery RAJAONARIMAMPIANINA sy Hajo ANDRIANAINARIVELO ny antobola narotsany tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana (caisse de dépôt et consignation) .

Andininy faha 13.– Havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika izao didim-pitsarana izao.

Nifampidinihana ary nambara tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso natao teto Antananarivo ny zoma roa amby roapolo novambra taona telo ambin’ny folo sy roarivo tamin’ny folo ora misandratrandro, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana:

Andriamatoa RAKOTOZAFY François, Filoha
Andriamatoa RAHARINARIVONIRINA Alisaona, Mpikambana
Andriamatoa RAZAFINDRABE JOSOA Jean Clément, Mpikambana
Andriamatoa RAMANGASON Jean Marie, Mpikambana
Ramatoa PELIARIMANANA Augustine Elysée, Mpikambana
Andriamatoa RASIVIARSON Félicien, Mpikambana
Andriamatoa RAKOTONDRABAO ANDRIATSIHAFA Dieudonné, Mpikambana
Andriamatoa RAJERISON Arsène, Mpikambana
Andriamatoa MAHAZAKA Clermont Gervais, Mpikambana
Ramatoa RANAMPY Marie Gisèle, Mpikambana
Andriamatoa BEFOUROUACK William, Mpikambana
Andriamatoa RANDRIANTSOA Mong Wai-Tune Serge Lucky, Mpikambana
Andriamatoa ANJARARISON Ken, Mpikambana
Andriamatoa IMBIKI Herilaza, Mpikambana
Andriamatoa RABARISOA Andrianaina, Mpikambana
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpikambana
Ramatoa RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpikambana
Andriamatoa ANDRIAMAMPIANDRA Mamy Jaona, Mpikambana

Ary natrehan’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny firaketantsoratra.