Ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana;
Araka ny lalàmpanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 marsa 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana;
Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra;
Araka ny lalàna laharana faha 2011-014 tamin’ny 28 desambra 2011 ampidirana ny tondrozotra ao amin’ny antanantohatry ny lalàna anatiny;
Araka ny lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 jolay 2012 ananganana rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny lalàna laharana faha 2013-008 tamin’ny 01 aogositra 2013 manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 jolay 2012 ananganana rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2013-002 tamin’ny 12 aogositra 2013 anaovana ny lalàna fehizoro manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra;
Araka ny didim-panjaka laharana faha 2013-154 tamin’ny 12 marsa 2013 amerana ny fampiharana ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana ny Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2013-606 tamin’ny 9 aogositra 2013 anafoanana ny didim-panjakana laharana faha 2012-978 tamin’ny 7 novambra 2012 sy anamarihana ny fanendrena ireo mpikambana vaovao voafidy sy voatendry ho ao amin’ny rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka didim-pitsarana laharana faha 01-CES/AR tamin’ny 22 novambra 2013 anambarana ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika tamin’ny 25 oktobra 2013;

Araka ny fanapahana laharana faha 001/CENI-T/D/2014 tamin’ny 3 janoary 2014 amoahana ny vokatra vonjimaika amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika fahaefatra natao ny 20 desambra 2013;
Araka ny fitoriana sy antontan-taratasim-pifidianana voaray tao amin’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana;
Rehefa nohenoina ireo mpampakateny;
Rehefa nifampidinihana araka ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna;

Satria ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita dia nanambara ny 03 janoary 2014 ny voka-pifidianana vonjimaikan’ ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa natao tamin’ny 20 desambra 2013;

Satria ny andininy faha 27 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 tamin’ny 01 aogositra 2012 mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika Fahaefatra dia milaza fa: « Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana no mamoaka ny voka-pifidianana raikitra, raha ela indrindra, ao anatin’ny fe-potoana dimy ambin’ny folo andro manomboka amin’ny vaninandro amoahana ny vokatra vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita »;

Koa tafiditra anatin’ny fe-potoana napetraky ny lalàna ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana ataon’ny Fitsarana etoana anio 17 Janoary 2014 ;

I- NY AMIN’NY FAHAZOA-MANDRAY NY RAHARAHA:
Ny amin’ny fahazoa-mandray ny raharaha mahakasika fahafaha-mitory

Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 132 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 martsa 2012 mahakasika ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia afaka mitory eto anivon’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana ao anatin’ny folo andro katroka aorian’ny fiafaranan’ny fifidianana ny:
– mpifidy tena voasoratra tokoa tao amin’ny lisitry ny mpifidy ny amin’ny maha ara-dalàna ireo asa nentina nanatanteraka ny fampielezan-kevitra sy ny raharaha momba ny latsabato izay nizotra tao amin’ny faritra iadidian’ny birao fandatsaham-bato nisoratany anarana;
– mpilatsaka hofidiana tsirairay na ny delegeny n any solontenany eo amin’ilay farim-pifidianana manontolo na ny ampahany ihany amin’izany;
– mpanaramaso teratany manerana ny birao fandatsaham-bato rehetra izay nahazoany fahefana hanaovany ny asany ;

Satria hita mivoitra arak’io andinin-dalàna io fa ny fahafaha-mitondra fitarainana eto anoloan’ny Fitsarana dia mifamatotra amin’ny maha-voasoratra ny mpitory amin’ny lisi-pifidianana sy ny fandraisany anjara tamin’ny latsa-bato ary amin’ny maha-kandidà na solon-tenan’ny kandidà azy na amin’ny maha-mpanara-maso fifidianana teratany azy;

Satria ho fampiharana ireo andinin-dalàna voalaza teo ambony ireo dia nambara fa tsy azo raisina ny fangatahana nataon’ Andriamatoa RAHARISON Jean Claude ho fanitsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny kandida Robinson JEAN LOUIS, ireo fitoriana mangataka fanafoanana ny fifidianana nataon-dRamatoa sy Andriamatoa isany RALAIMAMPISAINARINONY Manoel, misolo tena ny GTT International Genève, RASOLDIER Julia, RAHARINOSINJATOVO Josiana Sahondra, RANAIVOARIVELO Bakoly, RASOANANDRASANA Viviane sy RANDRIAMANALINA Paul Romule, ireo fangatahana ny fanafoanana ny vato azon’ny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA napetrak’Andriamatoa isany ANDRIAMIARISOA Bienvenu, Pasitera KOTOSOA, RAMIANDRISOA Josoa sy ny namany, RAKOTOFIRINGA Jean Pierre, RAZAFINDRALAMBO Arsène, KENY Urella sy ny namany, IBRAHIM Abdallah sy ny namany, TIANA sy ny namany ary farany ny fangatahana ho fanamarinana ireo biletà tokana sy ny famerenana fanisana indray ireo vato azon’ny kandida tsirairay nataon’ny Komity ho amin’ny Fampihavanam-pirenena satria tsy manana fahafaha-mitory eto anatrehan’ny Fitsarana manokana misahana ny Fifidianana, na koa efa maty paik’andro izany fitoriany izany;

Ny amin’ny fahazoa-mandray momba ny antonanton’ny fitoriana :
Satria araka ny fitoriana tamin’ny 08 Janoary 2014, napetraka teo anivon’ny Firaketan-draharahan’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana io andro io ihany, ny kandida Robinson JEAN LOUIS dia nangataka amin’ny Fitsarana etoana hanatsoaka ny didy mitondra ny laharana faha-03-CES/AR.14 tamin’ny 07 Janoary 2014;

Satria araka ny andininy faha 120 andalana farany amin’ny Lalam-panorenana, izay naverin’ny andininy faha 43 andalana fahatelo amin’ny didy hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 mahakasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana: “Ireo didim-pitsarana sy fanapahana avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana dia tsy azo anaovana fampakarana hafa intsony. Tsy maintsy ampiharin’ny fahefam-panjakana rehetra ary koa izay manam-pahefana amin’ny fitondrana sy ny fitsarana izy ireny.”

Satria ny fangatahana fanatsoahana fitoriana dia manainga ny Fitsarana etoana handinika indray ny maha-marim-pototra ny didy navoakany; saingy ho fampiharana ny fitambaran’ireo andinin-dalàna voalaza teo ireo, ny Fitsaràna Manokana misahana ny Fifidianana dia tsy afaka ny handinika indray ny didy efa navoakany izay efa tsy azo ivalozana;
Koa ho fampiharana io andinin-dalàna io dia lazaina fa tsy azo raisina ny fangatahana nataon’Andriamatoa Robinson JEAN LOUIS momba ny fanatsoahana didim-pitsarana;

II – NY AMIN’NY MAHA-MARIM-POTOTRA IREO FITORIANA VOARAY EO ANIVON’NY FITSARANA MANOKANA MISAHANA NY FIFIDIANANA:
Ny amin’ny fangatahana fanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa tamin’ny 20 desambra 2013 manerana an’i Madagasikara:

Satria araka ny fitoriana tamin’ny 31 desambra 2013, ny kandida Robinson JEAN LOUIS dia mangataka ny fanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin’ny 20 desambra 2013 noho ny antony fa ny lisi-pifidianana dia nasiam-panovàna sy nokitikitihan’ireo mpitondra mba hanomezana vahana ny kandidan’ireto farany, ary manaraka izany dia tsindrian’izy ireo fa ireo isan’ny mpifidy nandatsa-bato dia niova be raha mitaha ny fihodinana voalohany sy faharoa ka nitarika ny fanilihana mpifidy voasoratra miisa 90.475 ary ankoatr’izay dia tsikaritra kosa fa nisy fitomboan’ny isan’ny mpifidy voasoratra teny anivon’ireo faritra izay nandresen’ny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA;

Satria araka ny didy savaravina mitondra ny laharana faha 05-CES/AR.14 tamin’ny 08 Janoary 2014, ny Fitsarana etoana dia nandidy ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita handrotsaka eto anoloany ireo lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fihodinana voalohany sy faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo anivon’ireo Distrika manaraka ireto: Soanierana Ivongo, Ambanja, Ambovombe, Bekily, Toliara, Amboasary Atsimo, Betroka, Mahajanga I ary Marovoay;

Satria ho fampiharana io didy savaravina io, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita dia nanatitra ireo lisi-pifidianana nampiasaina sy ny dika anaty solosaina ireo lisi-pifidianana voalaza teo ireo, nofaranana tamin’ny 09 oktobra 2013, nampiasaina tamin’ireo fihodinana roa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ka niampy ireo lisitra fanampiny tamin’ireo mpifidy tsy voasoratra tamin’ny fihodinana voalohany;

Satria ny faha 14 Janoary 2014 tamin’ny 11 ora, tamin’ny alalan’ny fitsarana am-pahibemaso , ny Fitsarana dia nihaino ireo fanamarihana am-bava nataon’ireo mpisolovavan’ireo kandida roa tonta;

Satria tamin’izany fotoam-pitsarana izany, ny mpisolovavan’ ny kandida Robinson JEAN LOUIS dia tsy afaka nanaporofo teto anatrehan’ny Fitsarana ny fisian’ireo fanesorana mpifidy voasoratra tamin’ny lisi-pifidianana miisa 90.475 tamin’ireo Distrika sivy (09) voalaza teo ambony; saingy hita mivoitra araky ny fanamarinana nataon’ny Fitsarana dia nahitana fa ny isan’ireo mpifidy voasoratra tao amin’ireo DIstrika ireo dia nahitana kosa fitomboan’ny isa noho ny fisian’ny lisitra fanampiny nodidian’ny lalàna, izany dia taorian’ny fampitahana ny dika amin’ny solosaina avy amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita sy ireo isan’ny mpifidy voasoratra hita avy amin’ny fitanana an-tsoratra tonga teo anivon’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, araka ny fitsirihana natao;

Satria noho izany, dia tsy mitombina ny antony fangatahana fanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa notontosaina tamin’ny 20 desambra 2013 noho ny tsy fahampian’ny porofo;
Koa dia lavina araka izany ny fitorian’Andriamatoa Robinson JEAN LOUIS satria tsy mitombina;
Ny amin’ny fangatahana fanafoanana ireo isam-bato azon’ny kandida roa tonta :

Satria tamin’ny alalan’ny didy laharana faha 09-CES/AR.14 tamin’ny 15 Janoary 2014, dia nolavin’ny Fitsaràna etoana ny fitoriana nataon’ny kandidà Robinson JEAN LOUIS izay angatahany ny fanafoanana ireo isam-bato azon’ny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ary ny fitoriana setriny nataon’ity farany izay mangataka ny fanafoanana ireo isam-bato azon’ny kandida Robinson JEAN LOUIS manerana an’i Madagasikara;

Satria voalohany, ny antom-panafoanana momba ny fandraisan’ireo manam-pahefana anjara tamin’ny fampielezan-kevitra dia tsy mitombina; ary faharoa, ny antom-panafoanana ifarahana momba ireo fanodinam-pahefana natao hanampiana kandida nataon’ ny Fanjakàna dia tsy marim-pototra ihany koa, ary farany ny antom-panafoanana hifaharana momba ny fiantraikan’ny fanafoanana didim-panjakàna dia tsy azo raisina ho antom-panafoanana;
Ny amin’ny fanintsanana kandidà:

Satria araka ny didy navoakan’ny Fitsarana etoana mitondra ny laharana faha-03-CES/AR.14 tamin’ny 07 Janoary 2014, dia nolaviny ny fangatahana ho fanintsanana tsy ho kandidà an’Andriamatoa RAJAONARIMAMPIANINA Heryamin’ny fifidianana filoham-pirenena, nataon’Andriamatoa Robinson JEAN LOUIS , ary torak’izany koa ny fangatahan’Andriamatoa RAJAONARIMAMPIANINA Hery ho fanitsanana tsy ho kandidà an’Andriamatoa Robinson JEAN LOUIS;

Satria tamin’ny alalan’io didy io, ny Fitsarana etoana dia nanamarika fa ireo kandida roa ireo dia tsy azo sokajiana ho anisan’ny manam-pahefana voalazan’ny andininy faha 134 intsony koa tsy afaka hampiasa na oviana na oviana tombom-pahefana avy amin’ny herim-panjakana na fitaovam-panjakàna;

Koa noho izany dia tsy azo ampiharina amin’izy ireo ny andininy faha-134 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, dia lavina ireo fangatahana fanintsanana tsy ho kandidà satria tsy marim-pototra;
Ny amin’ny fampitahana, fanamarinana ary ny famerenana fanisana ifanatrehana ireo biletà tokana :

Satria ny kandidà Robinson JEAN LOUIS dia mangataka amin’ny Fitsarana etoana ny handidiana ny fampihatoana ny famoahana ny voka-pifidianana am-pahany mba hanamarinana sy hanisana ireo biletà tokana tsy nampiasaina tamin’ny fifidianana, ary koa ny fanamarinana sy fanisana indray ifanatrehana ireo bileta tokana nampiasaina hijerena ireo laharan’ny bileta mba hahitana ny marina, izany rehetra izany dia eo anatrehan’ireo solontenany;

Fa soritany manokana amin’izany fa io paika io dia ilaina hatao, manoloana ny ahiahy ny amin’ny fisian’ny hosoka sy hala- bato faobe nandritra iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa iny, ary indrindra ny mba hisian’ny fitsarana marina;

Satria tsara ny manamarika mialoha fa teo anivon’ireo birao fandatsaham-bato , ny fanisam-bato dia ataon’ireo mpikambana eo anivon’ny birao fandatsaham-bato sy ireo mpanisa vato ampahibemaso mandritra ny fanisam-bato araka ny voalazan’ny andininy faha-98 hatramin’ny 114 amin’ny lalàna laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 martsa 2012 momba ny fehezan-dalàna momba ny fifidianana;

Satria ho fampiharana ireo andininy faha 112 sy 114 amin’ny fehezan-dalàna voalaza teo, ny delegen’ny kandida tsirairay, izay manatrika ny fanisam-bato, dia mahazo sosona amin’ny fitanana an-tsoratry ny fizotry ny raharaham-pifidianana, ary mitovy lanja toy ny matoa izany sosona izany;

Satria ny andininy faha 122 andalana faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 martsa 2012 mahakasika ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia milaza fa: “Raha ilaina, ny fampitahana ireo fitanana an-tsorat’ireo biraom-pifidianana dia azo atao, eo anatrehan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana, na amin’ireo rantsan-mangaikany, na eo anatrehan’ny fitsarana mahefa, araka ny fangatahan’ny kandidà na ireo solontenany.”

Fa tsara anefa ny manindry fa anjaran’ny mpitory no manendry ireo birao-pifidianana izay itakiany ny fampitahana ny
fitanana an-tsoratra, ary mitondra ireo porofo mahakasika izay hosoka mety hisy amin’izany;

Satria ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana dia mihevitra fa tsy ilaina intsony ny famerenana indray ny fanisam-bato azon’ny kandida tsirairay manerana ireo birao fandantsaham-bato manerana ny Nosy manoloana ireo antoka maro omen’ny didy aman-dalàna;

Satria na manao ahoana na manao ahoana , ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, na dia tsy misy fitoriana aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazan’ny lalàna na ny fitsipika, na manitsy na manafoana ampahany na manontolo ireo vokam-pifidianana, eo am-pitsirihana ny fitanana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato sy ny Sampana misahana ny fanisam-bato;

Satria koa anefa ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana dia nametraka fepetra miantoka ny fampangaraharahan’ny raharaham-pifidianana ary koa ahafahan’ny kandidà tsirairay mitory ireo fandikan-dalàna isan’ambaratongany;
Fa amin’izany indrindra dia zon’ny kandidà tsirairay ny manana solontena eny anivon’ny birao fandatsaham-bato amin’ny alalan’ny delege izay natao hanara-maso ny fifidianana araka ny voalazan’ny andininy faha-69 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana;

Fa ankoatr’izay, ny kandida ho Filoham-pirenena dia afaka manendry solontena eny anivon’ny Vaomieram-pirenana Mahaleotena momba ny Fifidianana hoan’ny Tetezamita sy ireo rantsa-mangaikany mba hanatrika ny asan’io Vaomiera io amin’ny maha-mpanaramaso azy;

Satria araka ny Fanapahana mitondra ny laharana faha 25-CES/D tamin’ny 28 desambra 2013, ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana dia nandà ny fitorian’Andriamatoa Robinson JEAN LOUIS;
Satria tamin’ny alalan’ny fitoriana samihafa tamin’ny 30 desambra 2013, Andriamatoa Robinson JEAN LOUIS, izay manana ho mpisolovava an’i Maître Hasina ANDRIAMADISON, Mpikambana ao amin’ny Holafitry ny Mpisolovava, dia mangataka ny fampitahàna sy ny famerenana fanisàna indray ary ifanatrehana ireo biletà tokana nampiasaina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 20 desambra 2013 amin’ny birao fandatsaham-bato miisa 196 izay atovany amin’ity didy ity; ary raha tsy izany, ny hanafoanana manontolo ny voka-pifidianana tamin’ireo birao-pifidianana voatanisa ireo;

Satria ny Vaomieram-pirenana Mahaleotena misahana ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita dia nanatitra teto anoloan’ny Fitsaràna ireo antontan-taratasim-pifidianana mifandraika amin’ireo biraom-pifidianana ireo;

Fa ny Fitsaràna etoana dia niroso tamin’ny fanamarinana sy ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra avy amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana amin’ny Tetezamita tamin’ireo fitanana an-tsoratra eny am-pelatanan’ny mpitory sy ireo eto anivon’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana;

Fa ankoatr’izay, ny Fitsarana etoana dia nitsirika ny fahamarinan’ireo biletà tokana izay tonga teo anivony, ary nahita fa ny laharan’ireo bileta tokana nampiasaina dia nifanandrify tamin’ny voasoratra amin’ny fitanana an-tsoratry ny raharaham-pifidianana;

Koa tamin’izany, ny Fitsarana dia tsy nahita tsy fahatomombanana na dia iray aza,koa dia lavina ny fangatahany;
Ny amin’ ireo tsy fanarahan-dalàna nisy tamin’ny raharaham-pifidianana teny anivon’ny birao fandatsaham-bato:
Satria tamin’ny alalan’ireo mpisolo vava izay voatonona manaraka ireto, dia Maîtres Nicole ANDRIANARIVOSONA, Lala RATSIRAHONANA,Sahondra RANDRIAMORASATA, Henry RABARY-NJAKA, Armand Fredon RATOVONDRAJAO sy Rakoto F. RANAIVOMANANA, ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA dia mangataka amin’ny Fitsaràna etoana ny fanafoanana ny isam-bato azon’ny kandida Robinson JEAN LOUIS teo anivon’ireto biraom-pifidianana amin’ny Distrika Antsirabe I manaraka ireto:
-Fokontany Ivory, EPP Karmaly salles 1, 2 et 4
-Fokontany Andrangy, EPP Andrangy, salles 1 et 2
-Fokontany Ambositrakely, EPP Fananana Ambositrakely, salle 1
-Fokontany Mahazina, EPPAmbavahadimangatsiaka, salles 1-2-3
-Fokontany Antanety, EPP Mandaniresaka salles 2, 3
-Fokontany Ambalavato 601, EPP Fitsindronana, salle 1
-Fokontany Ambohimanarivo, EPP Ambohimanarivo, salles 1 et 2
-Fokontany Ambohimanga, EPP Ambohimanga, salle 1;

Ho fanohanana ny fangatahany dia milaza ny mpitory fa:

Ramatoa RAZAFIARISOA Hanta Pascaline, mpikambana amin’ny Komitim-pifidianana momba ny Fifidianana tao Antsirabe I ary mpikambana amin’ny movansy RAVALOMANANA, dia nitazona ary nitondra ny fitanana an-tsoratra miisa dimy amby folo momba ny raharaham-pifidianana hoany an-trano fonenany, izay tsy naveriny teny anivon’ny Sampana misahana ny fanisam-bato raha tsy tamin’ny 21 Desambra 2013;

Fa izany tranga izany dia nohamarinin’ny Filohan’ny Komiti-pifidianana eny anivon’ny Distrika;

Fa izany fandikan-dalàna izany dia nohamarinin’ny vavolombelona miisa iraika amby folo (11), ary narotsaka ao anatin’ny antontan-taratasin’ady ny dika mitovin’ny kara-pifidianana sy ny karapanondron’ireo vavolombelona ireo;

Satria koa ny fizarana vola ho tambin’ny fifidianana kandidà iray dia fividianana vato, izay fandikan-dalàna ara-keloka ary tsy anjaran’ny Fitsarana etoana ny mandinika izany;

Satria tsy tonga eto ampelantanan’ny Fitsaràna koa ny porofo ny amin’ny fisian’ny faneriterena nataon’ny mpikambana amin’ny birao-pifidianana tamin’ireo mpifidy, ary koa ny amin’ny fametrahana marika ny biletà alohan’ny hampidirana azy ao anatin’ny vata fandatsaham-bato;

Satria kosa hita araka ny fanadihadiana ireo antontan-taratasin’ady, dia voamarina fa tao amin’ny Distrika Antsirabe I, Ramatoa RAZAFIARISOA Hanta Pascaline dia nitondra nody ireo fitanana an-tsoratra izay mirakitra ireo voka-pifidianana tany an-trano fonenany izay tsy nomeny ny Sampana fanisana vato raha tsy ny 21 Desambra 2013; koa izany tranga izany dia mandika ny andininy faha-113 ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana, ary misy fiantraikany amin’ny fahamarinan’ny latsa-bato, izay mitarika avy hatrany ny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana teo anivon’ireo birao-pifidianana voalaza teo, fa tsy fanafoanana ny vato azon’ny kandidà iray ihany;

Koa noho izany dia foanana ny raharaham-pifidianana amin’ireo birao-pifidianana voalaza teo ireo, izay ao amin’ny Distrika Antsirabe I avokoa;

Satria araka ny fitoriana tamin’ny 31 Desambra 2013, Ramatoa RABENJAMINA teraka JEAN LOUIS Laura dia mangataka amin’ny Fitsaràna etoana ny fanafoanana ny isam-bato azon’ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA tao amin’ny Distrika ANTANANARIVO Atsimondrano, Kaominina Ambalavao, Fokontany Ambohimamory, Birao fandatsaham-bato laharana faha – 110503060101;

Satria tamin’ny fanisam-bato, ny kandidà Robinson JEAN LOUIS sy RAJAONARIMAMPIANINA Hery dia nahazo isam-bato 24 sy 50 avy; koa amin’ny dika mitovin’ ny fitanana an-tsoratra voarain’ireo delege, ny isam-bato azon’ireo kandida dia 42 ho an’ny kandida Robinson JEAN LOUIS ary 50 ho an’ny kandida RAJAONARIMAMPIANINA Hery;

Satria taorian’ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra sy ny famerenana fanisàna ireo isam-bato, ny Fitsarana etoana dia tsy nahita tsy fitoviana tarehimarika teo amin’ny taratasy fanisam-bato sy ny fitanana an-tsoratra; koa noho izany ny tsy fitoviana tarehimarika nokianin’ny kandida Robinson JEAN LOUIS dia tsy hita afa-tsy tao amin’ny fitanana an-tsoratry ny delege solontenany ihany;

Koa noho izany dia lavina ny fitoriana nataon-dRamatoa RABENJAMINA teraka JEAN LOUIS Laura;

Satria tamin’ny fitoriana tamin’ny 31 Desambra 2013, ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA, tamin’ny alalan’ny mpisolovavany izay tarihin’ny Maître Nicole ANDRIANARIVOSON, dia mangataka amin’ny Fitsaràna etoana fanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny birao-pifidianana mitondra ny laharana faha -410209010101 salle n° 01 EPP Marokoro, distrika Maevatanàna, satria ny fitanana an-tsoratry ny raharaham-pifidianana tao amin’io toerana io dia nadika tany amin’ny biraon’ny Kaominina teo anatrehan’ny Ben’ny Tanàna ;

Fa narotsaky ny mpitory amin’ny antontan-taratasin’ady ny fanambarana mitokana nataon’ny vavolombelona telo;

Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 136 andalana faha- 4 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, ny Fitsarana dia masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny porofo narotsaka ao amin’ny antontan-taratasin’ady;
Satria araka izany, heverin’ny Fitsarana fa ireo fijoroana vavolombelona ireo dia tsy ampy ho porofo hahazoana manafoana ny latsabato tao amin’ilay biraom-pifidianana;

Koa noho izany dia lavina ny fitoriana noho izy tsy marim-pototra;

Ny amin’ny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana noho ny tsy fankatoavan-dalàna:
Satria ho fampiharana ny andininy faha- 32 andalana faharoa amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 momba ny Fifidianana Filoham-pirenena hoamin’ny Repoblika Fahaefatra, ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, na dia tsy misy fitoriana aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazan’ny lalàna na ny fitsipika, na manitsy na manafoana ampahany na manontolo ireo voka-pifidianana, eo am-pitsirihana ny fitanana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato sy ny Sampana misahana ny fanisam-bato;

Koa izany indrindra no tranga niseho tamin’ny fahitana ny fahabangan’ny sonia sy ny anaran’ireo mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato ao anatin’ny fitanana an-tsoratry ny raharaham-pifidianana;

Fa noho ireo antony ireo dia mendrika ny hofoanana ny raharaham-pifidianana teo anivon’ny birao fandatsaham-bato miisa 27, izay atovana ity didy ity ny lisitra mahakasika izany;

Ny amin’ny fanafoanana ny raharaham-pifidianana noho ny fandikan-dalàna ara-keloka
Satria ny andininy faha-159 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana dia milaza fa ireo izay manao fihetsika na mamela fotsiny ny fanaovana izany fihetsika izany, na dia tany ivelan’ny birao fandatsaham-bato aza, mba ho enti-manohintohina na hikasana hanohintohinana ny fahamarinan’ny latsa-bato, hamoahana na hikasana hamoahana ny tsiambaratelon’ny latsabato, hisakanana na hikasana hisakanana ny fifidianana, na hisakanana ny fizotry ny fifidianana izay nanova na nikasa hanova ny voka-pifidianana avy amin’ny alalan’izany fihetsika izany na ny fitazanam-potsiny izany fihetsika izany dia hiharan’ny sazy herintaona ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy lamandy Ar 600.000 ka hatramin’ny 60.000.000;

Satria ankoatr’izay araka ny andininy faha 162 io Fehezan-dalàna io ihany: “ Izay rehetra mivarotra na izay rehetra mividy vato amin’ny fifidianana dia hohelohina tsirairay avy handoa lamandy avo roa heny amin’ny vidin’ny zavatra noraisiny na nampanantenaina.
Ankoatra izany, izay rehefa olona ka, nividy na nivarotra vato iray, tamin’ny fisian’ny fifidianana na fitsapa-kevi-bahoaka, na ohatrinona na ohatrinona vidiny, dia verezin-jo tsy hizaka ny isam-batan’olona ananany no sady hambara fa tsy mahazo misahana asam-panjakana na raràna tsy hanao asa momba ny fifidianana mandritra ny dimy taona ka hatramin’ny folo taona.

Satria tamin’ny alalan’ny fitoriana tamin’ny 31 desambra 2013, Ramatoa RAZAFIARIVONJY Henriette dia mangataka ny hanafoanana ny isam-bato azon’ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA na ny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana tao amin’ny birao-pifidianana laharana faha- 501108040101 sy 501108040102, Kaominina Andilanatoby, Distrika Ambatondrazaka, satria fa ireo delegen’ity kandidà ity dia mbola nanao fampielezan-kevitra tamin’ny andron’ny fifidianana ary nividy ny vaton’ny kandidàn’izy ireo;

Satria tamin’ny alalan’ny fitoriana tamin’ny 31 desambra 2013, Andriamatoa RAKOTOARIMANANA Jean William dia mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny birao-pifidianana laharana faha – 510104040101, Kaominina Ambatosoratra, Fokontany Ambatosoratra- Ambodivoara, satria fa ny delegen’ny kandida Robinson JEAN LOUIS dia niharan’ny herisetra sy voaratra tamin’ny fanisam-bato ny alin’ny 20 Desambra 2013;

Satria ireo tranga voalaza teo ambony ireo dia tsy antony azo raisina hanafoanana ny raharaham-pifidianana fa kosa fandikan-dalàna ara-keloka izay anjaran’ny Fitsarana ady heloka no mandinika izany; koa lavina ireo fitoriana ireo ;

Ny amin’ny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana noho ny tsy fisian’ny antontan-taratasi-pifidianana:/strong>
Satria araka ny andininy faha 112 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana voalaza teo ambony, ny fitanana an-tsoratr’ireo birao-pifidianana dia atao sosona maromaro mitovy lanja, ka andefasana sosona amin’ireo fitanana an-tsoratra ireo ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana amin’ny Tetezamita, na ireo rantsa-mangaikany eny amin’ny faritra, sy ny fitsarana mahefa, mialoha ny hafa;

Koa hita mivoitra avy amin’izany andinin-dalàna izany, fa ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, izay fitsarana mahefa amin’ity fifidianana filoham-pirenena ity, dia tokony andefasana soson’ny fitanana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato;

Kanefa noho ny tsy fahatongavan’ireo fitanana an-tsoratra miisa 13, na dia efa natao aza izay fomba rehetra azahoana izany, izay ilaina indrindra amin’ny fanaraha-maso ny maha ara-dalàna ny fandatsaham-bato teny anivon’ireo birao fandatsaham-bato isan-karazany, dia voatery ny Fitsarana manafoana ny raharaham-pifidianana teo anivon’ireo birao fandatsaham-bato izay atovana amin’ity didy ity ny lisitra;

II- NY AMIN’NY LESOKA MAHAKASIKA IREO VOKA-PIFIDIANANA TAMIN’NY BIRAO-PIFIDIANANA:

Satria araka ny andininy faha 119 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana amin’ny andalana fahatelo, raha noho ny antony tsy azo anoharana no tsy tonga tany amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ireo vokatry ny fifidianana avy amin’ireo birao fandatsaham-bato iray na maromaro, dia manao fitànana an-tsoratra momba izany lesoka izany izy;

Fa ny Fitsaràna etoana dia naharay fitànana an-tsoratra momba ny lesoka tamina birao fandatsaham-bato miisa 22 izay atovana ity didy ity ny lisitra momba izany;
Koa tokony ho toavina izany;

III- NY AMIN’NY TOVANA TAFAHOATRA AMIN’NY LISI-PIFIDIANANA:
Satria ny andininy faha-97 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia milaza fa: “Ireo mpiasam-panjakana, mpitsara, miaramila, na ireo mpikambana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana na ireo ratsa-mangaikany, izay tsy eo amin’ny Fokontany misy azy amin’ny andro fifidianana, saingy kosa ao amin’ny fari-pifidianany ihany, dia afaka mandray anjara amin’ny latsa-bato raha mampiseho ny “ordre de mission” na taratasy hafa fanamarinana, sy ny kara-pifidianany ary ny kara-panondrom-pirenena, amin’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato amin’ny toerana izay misy azy ireo amin’io fotoana io.

Satria arak’izany, ny maha-mpifidy ara-dalàna ny olona iray dia noho izy voasoratra ao amin’ny lisim-pifidianana na ny fanatovanana azy ao amin’izany lisitra izany amin’ny alalan’ny fampisehoana ireo taratasy fanamarinana voalaza teo amin’ny andinin-dalàna voalaza teo ambony teo;

Koa noho izany, izay fanatovanana ao anaty lisi-pifidianana ivelan’ny voalazan’ny lalàna dia tsy ara-dalàna;
Satria arak’izany, ny Fitsarana etoana dia niroso, tamin’ny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana noho ny fisian’ireo fanatovanana amin’ny lisi-pifidianana diso tafahoatra, izay tsy arahina taratasy fanamarinana kanefa nanova ny voka-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa 03, izay atovana amin’ity didy ity ny lisitr’izy ireo ;

Satria ny andininy faha 27 amin’ny Lalàna fehizoro lahara faha 2012-015 tamin’ny 1 aogositra 2012 mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena dia milaza fa: « Ny Fitsarana misahana ny Fifidianana no mamoaka ny voka-pifidianana raikitra, raha ela indrindra, ao anatin’ny fe-potoana dimy ambin’ny folo andro manomboka amin’ny vaninandro amoahana ny vokatra vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana hoan’ny Tetezamita » ;

Koa ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, araka ny voalazan’ny andininy faha -28 amin’ny lalàna voalaza teo ambony, dia manambara ampahibemaso amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana raikitra, ary mamaritra mazava:
– Ny isa manontolon’ny mpifidy voasoratra anarana;
– Ny isa manontolon’ny mpifidy tonga nandatsa-bato;
– Ny isan’ireo vato nambara fa fotsy sy tsy manan-kery ;
– Ny isan’ny manontolon’ny vato manan-kery;
– Ny isan’ny vato manan-kery azon’ny mpilatsaka hofidina tsirairay;
Satria ho fampiharana ny andininy faha-30 amin’ny lalàna voalaza tetsy ambony, dia ambara fa lany tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa ny mpilatsa-kofidina nahazo vato be indrindra tamin’ny vato manan-kery.

Noho ireo antony ireo,
Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana,
Dia mamoaka izao didim-pitsarana izao:

Andininy voalohany: Lazaina fa tsy azo raisina ny fangatahana nataon’ Andriamatoa RAHARISON Jean Claude ho fanitsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny kandida Robinson Jean Louis, ireo fitoriana mangataka fanafoanana ny fifidianana nataon’dRamatoa sy Andriamatoa isany RALAIMAMPISAINARINONY Manoel, ny mpisolo tena ny GTT International Genève, RASOLDIER Julia, RAHARINOSINJATOVO Josiana Sahondra, RANAIVOARIVELO Bakoly, RASOANANDRASANA Viviane sy RANDRIAMANALINA Paul Romule, ireo fangatahana ny fanafoanana ny vato azon’ny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA napetrak’Andriamatoa isany ANDRIAMIARISOA Bienvenu, Pasitera KOTOSOA, RAMIANDRISOA Josoa sy ny namany, RAKOTOFIRINGA Jean Pierre, RAZAFINDRALAMBO Arsène, KENY Urella sy ny namany, IBRAHIM Abdallh sy ny namany, TIANA sy ny namany, ary farany ny fangatahana ho fanamarinana ireo biletà tokana sy ny famerenana fanisana indray ireo vato azon’ny kandida tsirairay nataon’ny Komity ho an’ny Fampihavanam-pirenena.

Andininy faha-2: Lazaina fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’ Atoa Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanatsoahana ny didim-pitsarana mitondra ny laharana faha 03-CES/AR.14 tamin’ny 07 Janoary 2014.

Andininy faha-3: Lavina fa tsy mitombina ny fitoriana nataon’ny kandidà Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 20 Desambra 2013.

Andininy faha-4: Lavina fa tsy mitombina ny fitoriana nataon’ny kandidà Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ary toy izany koa ny fitoriana nataon’ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA mangataka ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà Robinson JEAN LOUIS manerana ny Nosy

Andininy faha-5: Lavina fa tsy mitombina ny fitoriana nataon’ny kandidà Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanintsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ary toy izany koa ny fitoriana setriny nataon’ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA mangataka ny fanintsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny kandidà Robinson JEAN LOUIS .

Andininy faha-6.- Lavina ny fitoriana nataon’ny kandidà Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanamarinana, ny fampitahàna ary ny famerenana fanisana ifanatrehana indray ireo biletà tokana nampiasaina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa tamin’ny 20 desambra 2013.
Lavina ihany koa ny fitoriana samihafa nataon’ny kandidà Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanamarinana , ny fampitahàna ary ny famerenana fanisana ifanatrehana indray ireo biletà tokana nampiasaina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa tamin’ny 20 desambra 2013 tamin’ny birao-pifidianana miisa 196 araka ny lisitra atovana ity didim-pitsaràna ity.

Andininy faha-7.- Lavina fa tsy mitombina ny fitoriana nataon’ny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny birao-pifidianana Fokontany Marokoro, Distrika Maevatanàna;
Lavina fa tsy mitombina ihany koa ny fitorian-dRtoa RABENJAMINA, teraka JEAN LOUIS Laura mangataka ny fanafoanana ny isam-bato azon’ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA amin’ny birao-pifidianana laharana faha- 110503060101 ao amin’ny Distrika Antananarivo Atsimondrano.

Andininy faha-8.- Lavina ny fitorian-dRtoa RAZAFIARIVONJY Henriette mangataka ny fanafoanana ny isam-bato azon’ny kandidà Hery RAJAONARIMAMPIANINA na ny fanafoanana ny latsa-bato tamin’ny birao-pifidianana laharana faha 501108040101 sy 501108040102, Kaominina Andilanatoby, Distrikan’Ambatondrazaka.

Lavina ihany koa ny fitorian’Atoa RAKOTOARIMANANA Jean William mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny birao-pifidianana laharana faha 510104040101, Kaominina Ambatosoratra, Fokontany Ambatosoratra- Ambodivoara.

Andininy faha-9.- Foana ny latsabato tamin’ny biraom-pifidianana miisa 27, mitontaly isam-bato 8.601 araka ny lisitra atovana ity didim-pitsarana ity vokatry ny fanarahamaso ny fankatoavan-dalàna,.
Foana ny latsa-bato tamin’ny biraom-pifidianana miisa 03, mitontaly isam-bato 1.154 noho ny fisian’ny tovana tafahoatra amin’ny lisi-pifidianana araka ny lisitra atovana ity didim-pitsarana ity.
Foana ny latsabato tamin’ny birao-pifidianana miisa 13 noho ny tsy fisian’ny antontan-taratasim-pifidianana araka ny lisitra atovana ity didim-pitsarana ity.
Hita fototra ny lesoka mahakasika ny voka-pifidianana tamin’ny biraom-pifidianana miisa 22 araka ny lisitra atovana ity didim-pitsarana ity.

Andininy faha-10: Ferana araka izao manaraka izao ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana fihodinana faharoa ny Filohan’ny Repoblika natao ny 20 desambra 2013:
Isan’ny mpifidy voasoratra…………………………………………………7.971.790
Isan’ny nandatsabato…………………………………………………………4.043.246
Isan’ny taratasin-datsabato fotsy na tsy manankery………….…191.786
Isan’ny vato manankery…………………………………………………..…3.851.460
Salam—pahavitrihana……………………………………………………………50,72%.

Vato sy salan’isa azon’ny kandida tsirairay avy:

– RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Martial : 2.060.124 na 53,49%
– Robinson Richard JEAN LOUIS : 1.791.336 na 46,51%.

Andininy faha-11.– Ambara fa voafidy ho Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kandida RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Martial.

Andininy faha-12: Avoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika izao didim-pitsarana izao.

Nifampidinihana ary nambara tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso natao teto Antananarivo ny zoma fito ambin’ny folo janoary taona efatra ambin’ny folo sy roarivo tamin’ny folo ora misandratrandro, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana:

Andriamatoa RAKOTOZAFY François, Filoha
Andriamatoa RAHARINARIVONIRINA Alisaona, Mpikambana
Andriamatoa RAZAFINDRABE JOSOA Jean Clément, Mpikambana
Andriamatoa RAMANGASON Jean Marie, Mpikambana
Ramatoa PELIARIMANANA Augustine Elysée, Mpikambana
Andriamatoa RASIVIARSON Félicien, Mpikambana
Andriamatoa RAKOTONDRABAO ANDRIATSIHAFA Dieudonné, Mpikambana
Andriamatoa RAJERISON Arsène, Mpikambana
Andriamatoa MAHAZAKA Clermont Gervais, Mpikambana
Ramatoa RANAMPY Marie Gisèle, Mpikambana
Andriamatoa BEFOUROUACK William, Mpikambana
Andriamatoa RANDRIANTSOA Mong Wai-Tune Serge Lucky, Mpikambana
Andriamatoa ANJARARISON Ken, Mpikambana
Andriamatoa IMBIKI Herilaza, Mpikambana
Andriamatoa RABARISOA Andrianaina, Mpikambana
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpikambana
Ramatoa RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpikambana
Andriamatoa ANDRIAMAMPIANDRA Mamy Jaona, Mpikambana

Ary natrehan’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketantsoratra.