Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny hitsivolana lf.2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Araka ny lalàna fehizoro lf.2015-007 tamin’ny 3 marsa 2015 mametra ny fitsipika mikasika ny fomba fiasan’ny Antenimieran-doholona ary ny fomba fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara;

Araka ny lalàna fehizoro lf.2012-005 tamin’ny 22 marsa 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana;

Araka ny lalàna lf.2015-020 tamin’ny 20 oktobra 2015 mikasika ny rafi-pirenena mahaleotena misahana ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana antsoina hoe “Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana”;

Araka ny fanapahana lf.008-CENI/D/2015 noraisin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana tamin’ny 23 novambra 2015;

Araka ny fitoriana nataon’ny lisitra “Princesses d’Avaradrano” tamin’ny 25 novambra 2015, noho ny fandavana ny filatsahany ho fidina loholona;

Rehefa nohenoina ny mpampakateny;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

Ny amin’ny fahazoana mandray ny fitoriana

Satria ny lisitra “Princesses d’Avaradrano” dia nitondra ny raharaha teo anatrehan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny 25 novambra 2015 noho ny fandavana ny filatsahany ho fidina loholona ;

Satria araka ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no “mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona”;

Satria ny andininy faha 131 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia milaza fa “ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana solombavambahoaka sy ireo loholona”; ary ny andininy faha 136 dia manamarika fa “ ny fotoriana izay atao sosony roa tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana am-boky, mba tsy hahafoana azy, dia tsy maintsy nosoniavina ary misy:
– Ny anaran’ny mpitory;
– Ny fonenany;
– Ny kopia voamarina ara-dalànan’ny kara-pifidianany nomena maimaimpoana na fanamarinana nomen’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra, araka ny fisehoan-javatra;
– Ny antony amaharana sy tohan-kevitra entina mangataka fanafoanana
”;

Satria tsy najain’ny mpitory ny fepetra sasantsasany ahazoana mandray ny fitoriana, indrindra fa ny fitoriana atao sosony roa, ny filazana ny toeram-ponenana ary ny kopian’ny kara-pifidianana voamarina ara-dalàna;

Ny amin’ny antony mahakasika ny fandavana ny lisitra “Princesses d’Avaradrano”

Satria ny andininy faha 91 amin’ny lalàna fehizoro lf.2015-007 mametra ny fitsipika mikasika ny fomba fiasan’ny Antenimieran-doholona ary ny fomba fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara, dia mitanisa ireo singan-taratasy ilaina amin’ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidina, raha tsy izany dia tsy azo raisin any filatsahan-kofidina; koa ny fanapahana noraisin’ny Rafitra misahana ny fanamarinana sy fandraiketana ny filatsahan-kofidina (OVEC) nandà ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidin’ny lisitra “Princecsses d’Avaradrano”, noho ilay antontan-taratasy tsy feno, dia namafisin’ny fanapahana lf.008-CENI/D/2015 noraisin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana tamin’ny 23 novambra 2015; koa na manao ahoana na manao ahoana, ny fitondrana ny raharaha eo anatrehan’ny CENI sy ny fampakaran-draharaha eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia tsy ahazoana manarina ny tsy mety sy mameno ny tsy ampy ao amin’ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidina;

Satria noho ireo voalaza eo aloha ireo, tsy azo raisina ny fitoriana voalaza etsy ambony;

Noho ireo antony ireo,
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana
dia mamoaka izao didy izao :

Andininy voalohany.- Lavina ny fitoriana nataon’ny lisitra “Princesses d’Avaradrano” voalaza etsy ambony.

Andininy faharoa.- Hampahafantarina ny mpitory sy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ity didim-pitsarana ity ary havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika.

Nifampidinihana araka izany nandritra ny fotoam-pitsarana tsy ampahibemaso, natao teto Antananarivo ny zoma fito amby roapolo novambra taona dimy ambin’ny folo sy roarivo tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro, ka ireto no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :

Atoa RAKOTOARISOA Jean-Eric, Filoha;
Rtoa ANDRIANARISOA RAVELOARISOA Fara Alice, Mpanolotsaina Avo-Zokiolona;
Roa RASAMIMANANA RASOAZANAMANGA Rahelitine, Mpanolotsaina Avo;
Rtoa RAHARISON RANOROARIFIDY Yvonne Lala Herisoa, Mpanolotsaina Avo;
Atoa TSABOTO Jacques Adolphe, Mpanolotsaina Avo;
Atoa RABEHAJA-FILS Edmond, Mpanolotsaina Avo;
Rtoa RAMIANDRASOA Véronique Jocelyne Danielle, Mpanolotsaina Avo;
Atoa DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène, Mpanolotsaina Avo ;
Atoa ZAFIMIHARY Marcellin, Mpanolotsaina Avo;

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny firaketan-tsoratra.