Ny FItsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Araka ny Lalàmpanorenana;

Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 marsa 2O12 anaovana ny Fehezana-dalàna momba ny fifidianana

Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007 tamin’ny3 marsa 2015 amerana ny fitsipika mikasika ny fampandehanana ny Antenimierandoholona ary koa ny fombafomba fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2015-1330 tamin’ny 28 septambra 2015 anaikana ny vondron’ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana voalohany ny Loholona ao amin’ny Repoblika Fahefatra;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2015-1455 tamin’ny 27 octobra 2015 amerana ny fomba fikarakarana ny fifidianana voalohany ny Loholona ao amin’ny Repoblika Fahefatra;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2015-1456 tamin’ny 27 oktobra 2015 amerana ny fandraisana anjaran’ireo mpilatsaka hofidina sy ny famerenana ny lany tamin’ny fanotana ny  taratasin-datsabato tamin’ny fifidianana voalohany ny Loholona ao amin’ny Repoblika Fahefatra;

Araka ny Fanapahan-kevitra laharana faha 019-CENI/D/2015 tamin’ny 24 desambra 2015 amerana ny lisitra ôfisialin’ireo mpilatsaka hofidina amin’ny fifidianana voalohany ireo Loholona natao ny 29 desambra 2015;

Araka ny Fanapahana laharana faha 001-CENI/2015 tamin’ny 29 oktobra 2015 novàn’ny Fanapahana laharana faha 198-CENI/2015 tamin’ny 21 desambra 2015 amerana ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana voalohany ny Loholona ao amin’ny Repoblika Fahefatra;

Araka ny Fanapahana laharana faha 152-CENI/2015 tamin’ny 18 novambra 2015 amerana ny foiben-toerana sy ny firafitry ny Sampana mpanisa vato ho an’ny fifidianana loholona;

Araka ny Fanapahana laharana faha 155-CENI/2015 tamin’ny 29 novambra 2015 novàn’ny Fanapahana laharana faha 196-CENI/2015 tamin’ny 18 desambra 2015 anendrena ireo mpikamba ao amin’ny vaomiera misahana ny famaranana  ny lisi-pifidianana amin’ny fifidianana Loholona;

Araka ny Fanapahana laharana faha 156-CENI/2015 tamin’ny 29 novambra 2015 novàn’ny Fanapahana laharana faha 208-CENI/2015 tamin’ny 28 desambra 2015 anendrena ireo mpikambana eo anivon’ny Sampana mpanisa vato ho an’ny fifidianana voalohany ny loholona ao amin’ny Repoblika Fahefatra;

Araka ny antontan-taratasim-pifidianana sy fitànana an-tsoratra avy amin’ireo Sampana mpanisa vato;

Araka ny fitoriana mikasika ny fifidianana voalohany ny loholona ao amin’ny Repoblika Fahefatra voasoratra tao amin’ny firaketan-tsoratra hatramin’ny 8 janoary 2016;

Rehefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

Ny amin’ny fahefan’ny Fitsarana  :

  1. Satria araka ny andininy faha 116.4 ao amin’ny Lalàmpanorenana: “Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andiny hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no …mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona”; ary araka ny andininy faha 116.5, izy no “manambara ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, mpanao lalàna ary ny fakàna ny hevitra amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka”;
  1. Satria araka ny andininy faha 118 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007 amerana ny fitsipika mikasika ny fampandehanana ny Antenimierandoholona ary koa ny fombafomba fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’I Madagasikara, amafisin’ny andininy faha 66 amin’ny didim-panjakana laharana faha 2015-1455 amerana ny fomba fikarakarana ny fifidianana loholona voalohany ao amin’ny Repoblika Fahefatra: “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mety hiseho eo amin’ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona.
    Izy irery ihany no mahefa manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny tsy fanarahana ny fombafomba fototra. Mandritra ny fanarahamaso ny fitanana an-tsoratra ireo birao fandatsaham-bato sy ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na tsy misy fampakaran-draharaha aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany, raha heveriny fa misy fandikàna ny fepetra voalazan’ny lalàna na didy amam-pitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”;
  1. Satria ny andininy faha 116 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007 dia milaza fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mamoaka, amin’ny alàlan’ny didim-pitsarana, ny voka-pifidianana raikitra, fara fahatarany, ao anatin’ny fe-potoana dimy ambin’ny folo andro manomboka ny vaninandro amoahana ny voka-pifidianana vonjimaika nataon’ny rafitra mahaleotena eto amin’ny firenena misahana ny fifidianana”;
  1. Satria araka ny Fanapahan-kevitra laharana faha 001-CENI/D/2016 tamin’ny 9 janoary 2016, ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana dia namarana sy namoaka ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana voalohany ny loholona ao amin’ny Repoblika Fahefatra natao ny 29 desambra 2015; koa ny famoahana amin’ny fomba ôfisialy ny vokatra raikitra amin’ity andron’ny 22 janoary 2016 ity dia tafiditra tsara anatin’ny fe-potoana voatondro;

Ny amin’ny fitoriana :

  1. Satria araka ny andininy faha 132, andàlana voalohany ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, “Izay rehetra mpifidy voasoratra ara-dalàna tao amin’ny lisi-pifidianana ary nandray anjara tamin’ny latsabato dia manana zo hampakatra fitsarana eo anatrehan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny Fitsarana momba ny ady atao amin’ny Fanjakana, araka ny tranga misy, ny fitarainana sy fitsipahana rehetra mikasika ny maha-ara-dalàna ny fizotry ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana tao amin’ny fari-piadidiam-pifidianana nisoratany, na mikasika ny maha-ara-dalàna ny raharahan-datsabato izay nizotra tao amin’ny fari-piadidian’ny birao fandatsaham-bato nisoratany anarana, ao anatin’ny folo andro katroka aorian’ny fikatonan’ny fandatsaham-bato”;
  1. Satria ny antsoina hoe andro katroka dia andro miisa 0 hatramin’ny 24 ora; koa io fe-potoana voalaza io dia manomboka ny ampitson’ny androm-pifidianana ary mifarana ny andro fahafolo misasakalina; koa noho izany, mifarana ny zoma 8 janoary 2016 misasakalina ny fandraisana ny fitoriana; ary mialoha io fetra-potoana tsy azo iodivirana io, araka ny andininy faha 135 ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, ny fitoriana dia tsy maintsy aterina mivantana ao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na alefa tsy very mandeha ao amin’ny firaketan-tsoratr’io Fitsarana io, ny fitomboky ny paositra no anamarina izany, na ao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana Ambaratonga voalohany rehetra, na any amin’ny lehiben’ny boriborintany, ho an’ireo toerana tsy misy paositra, fa raha tsy izany dia tsy maintsy hambara ho tsy azo raisina; ary ny fametrahana na fandefasana tsy amim-piheverana ny fitoriana any amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana dia tsy mampiatona io fe-potoana io;
  1. Koa araka izany, tsy maintsy hambara fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’i :
  • RAHERINIRINA Celce Boniface, mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny Distrikan’I Vohipeno, napetraka tao amin’ny firaketan-tsoratra ny 11 janoary 2016;
  • TSABOTOKAY Francisse Séraphin, mangataka ny hanafoanana ny lisitra HVM tao amin’ny Distrikan’I Vohipeno, napetraka tao amin’ny firaketan-tsoratra ny 11 janoary 2016;
  • RADIMIARISON Yveau Arnel, mangataka ny hanafoanana ny lisitra HVM ao Manakara, napetraka tao amin’ny firaketan-tsoratra ny 11 janoary 2016;
  • RAMALASON Olga Vololonirina, manana an’i Maître ANDRIANJAKARIVONY Raobena, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava, ho mpiaro ny tombontsoany, mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny lisitra HVM tao amin’ny Faritr’Itasy, napetraka tao amin’ny firaketan-tsoratra ny 11 janoary 2016;
  • NAPETOKE Marcel, manana an’i Maître ANDRIANJAKARIVONY Raobena, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava, ho mpiaro ny tombontsoany, mangataka ny hanafoanana ny voka-pifidianana tamina kaomina maro ao Toliara, napetraka tao amin’ny firaketan-tsoratra ny 11 janoary 2016;
  • NAPETOKE Marcel, manana an’i Maître ANDRIANJAKARIVONY Raobena, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava, ho mpiaro ny tombontsoany, mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny lisitra HVM tao amin’ny Faritanin’I Toliara, napetraka tao amin’ny firaketan-tsoratra ny 11 janoary 2016;
  • BERIZIKY Jean Omer, mangataka ny hanafoanana ny maha voafidy ny kandidà HVM tao amin’ny Faritanin’Antsiranana, napetraka tao amin’ny firaketan-tsoratra ny 11 janoary 2016;
  • NAKANY Charly Zafimagnely, mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny lisitra HVM ao amin’ny Faritanin’i Toliara, napetraka tao amin’ny firaketan-tsoratra ny 12 janoary 2016;
  1. Satria araka ny andininy faha 132 ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, ny zo ahazoana mampakatra raharaham-pifidianana dia natokana ho an’ny olona misoratra amin’ny lisi-pifidianana ihany ka nandray anjara tamin’ny fifidianana, natokana koa ho an’ny kandidà na ny delegeny na ny solotenany, ao amin’ny fari-pifidianana manontolo na ampahany voakasiky ny filatsahany hofidina, natokana koa ho an’ny mpanaramaso teratany; ary raha ny voalazan’io rijan-teny io, tsy azo raisina ny fitoriana natao amin’ny anarana antoko politika na dia misoratra amin’ny lisi-pifidianana aza ilay olona mitarika izany antoko na fikambanan’antoko izany na koa kandidà ao amin’ilay fari-pifidianana izay kianina ny latsabato; ary amin’ny raharaham-pifidianana, tsy azo raisina ny fitoriana ataona fikambanana mizaka ny zo aman’andraikitra; ka izany fitsipika izany dia tsoahina avy amin’ny foto-kevitra izay milaza fa amin’ny anaran’ny tena ihany ny fanaovana fitoriana amina raharaham-pifidianana;
  1. Koa noho izany, tsy maintsy hambara fa tsy azo raisina ny fitoriana roa nataon’ny antoko MONIMA, manana an’i Maître Voahangy RASOAVOLOLONA, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava, ho mpiaro ny tombontsoany, mangataka ny hanafoanana ny voka-pifidianana loholona ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ao amin’ny Faritanin’I Toliara ka anisan’izany ny tao Taolagnaro;
  1. Satria araka ny fitoriana natao ny 5 janoary 2016, voaray sy voasoratra tao amin’ny firaketan-tsoratra ny 7 janoary 2016, Atoa RABEMANANTSOA Benjamin Edward, monina ao Alakamisy Ambohimaha,Kaominin’io ihany, Distrikan’I Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony, solontenan’ny lisitra TIAKO I MADAGASIKARA (TIM) tamin’ny fifidianana loholona tao amin’ny fari-pifidianan’ny Faritanin’i Fianarantsoa, manana an’i Maître RAMIARINJAONA Denis Robert, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava, ho mpiaro ny tombontsoany, dia mangataka ny hanafoanana ny voka-pifidianana loholona natao ny 29 desambra 2015 manerana ny kaominina miisa 87 ao anatin’io fari-pifidianana voalaza io;
  1. Satria lazain’ny mpitory fa misy zavatra tsy mety hita tamina birao fandatsaham-bato isankarazany; ary nisy fandikàna ny andininy faha 13, 36, 91, 94, 100, 104, 105, 109, 112 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, fandikàna ny andininy faha 47 amin’ny didim-panjakana laharana faha 2015-1455 amerana ny fomba fikarakarana ny fifidianana Loholona ; ary noho ireo fandikan-dalàna ireo dia heverina fa nisy ny hosoka sy fanohintohinana ny fahamarinan’ny latsabato  mety hanova mihitsy ny fironan’ny latsabato araka ny voalazan’ny andininy faha 108 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-007;
  1. Satria araka ny fehinteny fiarovana natao ny 18 janoary 2016, voasoratra ao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny antoko HERY VAOVAO HO AN’I MADAGASIKARA (HVM), izay manana an’I Maître Sahondra RANDRIAMORASATA, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava, ho mpiaro ny tombontsoany, dia mangataka ny tsy handraisana ny fitoriana nataon’Atoa RABEMANANTSOA Benjamin ary, raha ilaina, ny fandavana ny fangatahana fanafoanana ny voka-pifidianana loholona tamin’ireo kaominina miisa 87 kianina, satria ny fangatahana nataon’ny mpitory dia tsy narahana taratasy manamarina ny maha solontenan’ny antoko TIM azy ao amin’ny fari-pifidianan’I Fianarantsoa; ary ankoatra izay, tsy misy fanamarinana mikasika ny tsy fetezan-javatra na fandikan-dalàna tanisain’ny mpitory natovana ny fitoriana; koa tsy misy izany porofo nentina anamafisina ny zavatra lazaina;
  1. Satria araka ny andininy faha 136 andalana faha 2 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha2012-005 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, “Tsy maintsy ampiarahana amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana”; koa ny fandinihana ny antontan-taratasin’ady dia nahatsapana fa ny mpitory dia mianina fotsiny amin’ny filazana zavatra tsy mety tamina birao fandatsaham-bato isankarazany fa tsy mitondra ny porofo rehetra anamafisany ny zavatra lazainy; 
  1. Satria koa taorian’ny fanarahamaso natao, ny Fitsarana etoana dia mahatsapa fa nizotra ara-dalàna ny raharaham-pifidianana tao amin’ireo birao fandatsam-bato voalaza ireo ary ny fitanana an-tsoratra tamin’ireo birao fandatsaham-bato ireo dia tsy nahitàna fanamarihana na fanoherana na fandavana; koa mety ny hanambarana fa lavina ny fitoriana fa tsy mitombina;
  1. Satria araka ny fitoriana natao ny 8 janoary 2016, Rtoa RAMALASON Olga Vololonirina, kandidàn’ny lisitra TIM tamin’ny fifidianana loholona tao amin’ny fari-pifidianan’ny Faritanin’Antananarivo, izay manana an’i Maître ANDRIANJAKARIVONY Raobena, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava eto Madagasikara, ho mpiaro ny tombontsoany, dia mangataka ny hanintsanana ny lisitra HVM, tarihin’Atoa RANDRIAMBOLOLONA Mananjara, tao amin’ny fari-pifidianam-paritany voalaza io; ary lazainy fa azo raisina ny fitoriana nataony tanatin’ny fe-potoana voadidy;
  1. Satria amin’ny foto-draharaha, manazava izy fa nandritra ny fampielezan-kevitra, ny kandidàn’ny lisitra HVM, izay Lehibena Faritra nametra-pialàna, dia nampiasa fananam-panjakana ary nampiasa fahefam-panjakana teo ampelatànany mba hamiliana ny safidin’ny mpifidy; ary tao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy Faritra Bongolava, ny Lehiben’ny Faritra sy ny Prefen’ny Faritra dia nampiantso ny mpifidy vaventy tao amin’io Distrika io mba hanerena azy ireo handatsabato ho an’ny lisitra HVM;
  1. Satria hanamafisana ny fangatahany, ny mpitory dia nadrotsaka ao amin’ny antontan-taratasin’ady singan-taratasy manamarina ny fanambarana nataon’ny mpifidy vaventy RABEMANANTSOA Maurice, RANDRIAMANANTENA Bienvenu Joseph, RAKOTONDRAMIANDRY Marcel ary RASOAMAHEFA Angèle;
  2. Satria araka ny andininy faha 133 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-015 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, “Mitarika ny fanafoanana ny vato mety ho azony tamin’ny safidy na ny mpilatsa-kofidiana na ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana voakasika ny fampiasana fananam-panjakana ary koa ny fahefam-panjakana ho amin’ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana ao amin’ny toerana na ireo toerana nahitana fototra ny fandikan-dalàna, tsy tohinina ny fampiharana ny sazy voalaza ao amin’ny andininy faha 148 amin’ity Fehezan-dalàna ity ho an’ireo olona nanao izany fandikan-dalàna izany”;
  1. Satria araka ny didim-pitsarana fototra laharana faha 11-CES/AR navoakan’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana tamin’ny 6 febroary 2014, nanambarana ny vokatra raikitry ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 20 desambra 2013, ny Fitsarana dia nanapaka fa ny fampiasan’ny kandidà fananam-panjakana anaovana fampielezean-kevitra amina toerana iray dia mitarika fanafoanana ny vato azon’izany kandidà izany;
  1. Satria tamin’ny fehinteny setriny nataony, ny antoko HVM, izay manana an’I Maître Sahondra RANDRIAMORASATA, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava, dia milaza eo ampiandohana fa tsy azo raisina ny fitoriana noho izy tsy nanaja ny andininy faha 31 amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana; ary ny fitoriana napetraky Rtoa RAMALASON Olga Vololonirina dia tsy nahitana taratasy ahafantarana ny momba azy;
  1. Satria eo amin’ny fototr’ady, raha ilaina, ny torina dia milaza koa fa tsy misy nampiarahana, na iray aza, fanamarinana ny fanambaràn’ny vavolombelona tanisaina ao amin’ny fitoriana; koa noho ny fangatahany tsy misy porofo fanamarinana, ny mpitory dia tsy manana antony sy tohan-kevitra mafonja ho entiny mangataka ny hanintsanana ny lisitra natolotry ny antoko HVM;
  1. Satria tokoa mantsy Atoa RANDRIAMBOLOLONA Mananjara, mitarika ny lisitry ny antoko HVM, noho izy efa nametra-pialàna tamin’ny maha Lehiben’ny Faritra Analamanga azy, tsy hita izay anomezan-tsiny azy hoe nampiasa fahefam-panjakana satria izy tsy manana izany intsony;
  1. Satria mba hanamafisany ny tohan-kevitra hiarovany tena, ny toriana dia mampahatsiahy ny didim-pitsarana laharana faha 01-CES/AR tamin’ny 22 novambra 2013;
  1. Satria araka ny andininy faha 118 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007 amerana ny fitsipika mikasika ny fampandehanana ny Antenimierandoholona ary koa ny fombafomba fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara, “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mety hiseho eo amin’ny lafiny toe-javatra momba ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana na ireo nandritra ny fifidianana”;
  1. Satria araka ny andàlana telo farany amin’ny andininy faha 136 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, “Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana.
    Ireo taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika fanambarana an-tsoratra sy mitambatra ary voasonian’ny vavolombelona telo nanatrika farafahakeliny miaraka amin’ny filazan’izy ireo ny anarany.
    Masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ireo singan-taratasy novokarina ho porofo ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana […]”; 
  1. Satria araka ny fepetran-dalàna voalaza etsy ambony, anjaran’ny mpitory ny manaporofo fa mitombina ny fangatahany; koa amin’ity raharaha ity, na dia nitondra singan-taratasy isankarazany aza ny mpitory, dia tsy mifanaraka amin’izay voalazan’ny andininy faha 136 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidian ana izy ireo satria tsy misy soniana vavolombelona telo takian’ny lalàna; koa noho izany, satria tsy ampy ny porofo, dia heverin’ny Fitsarana Avo fa mety kokoa ny handavana ny fitoriana fa tsy mitombina; 
  1. Satria araka ny fitoriana natao ny 29 sy 30 desambra 2015, namafisin’ny fitoriana natao ny 4 janoary 2016 izay voaray tao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny 6 janoary 2016, avy tamin’Atoa CHANFIDINE Jobimadio, solontenan’ny antoko MIARAKA AMIN’NY PREZIDA RAJOELINA (MAPAR) ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga, Atoa isany RANDRIANASOLO Daniel, mpanolotsaina avy amin’ny antoko MAPAR ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Tsararano Distrikan’I Maevatanana Faritra Betsiboka sy Atoa BETOTO Ferdinand, kandidà loholona avy amin’ny antoko MAPAR sady mpanolotsaina ao amin’ny kaominina ambonivohitra Maevatanana Faritra Betsiboka, dia samy nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanafoana ny vato azon’ny lisitra HVM sy ny lisitra TIM tao anatin’ny Distrikan’i Maevatanana tamin’ny fifidianana loholona satria, nandritra ny fampielezan-kevitra, tsy nanaja ny lalàna manan-kery ny antoko HVM sy ny antoko TIM; 
  1. Satria anefa, araka ny taratasy natao ny 12 janoary 2016 nalefa tamin’Atoa Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, Atoa RANDRIANASOLO Daniel dia manambara fa tsy nanao izany fangatahana izany mihitsy izy sady tsy nitory na iza na iza na antoko politika iza; ka io taratasy io dia midika ho fanatsoahan’ny mpitory ny fitoriana nataony;
  1. Satria araka ny fitoriana voaray tao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny 6 sy 7 janoary 2016, Atoa CHANFIDINE Jobimadio,solontenan’ny antoko politika MAPAR ao amin’ny Faritanin’I Mahajanga dia mangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanafoana ny vato azon’ny lisitra HVM tamin’ny fifidianana loholona tao amin’ny Distrikan’I Mampikony, Soalala ary Marovoay, ao anatin’ny Faritanin’I Mahajanga, noho ny lehiben’ny Distrika sy ny ben’ny tanàna tsy nanaja ny lalàna manan-kery fa mbola nanao fampielezan-kevitra ivelan’ny ora ara-dalàna sady nizara kitapo sy akanjo HVM ary lelavola;
  1. Satria tao amin’ny fehinteny setriny nataony, Maître Sahondra RANDRIAMORASATA, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava, mpiaro ny tombontsoan’ny antoko HVM, dia mangataka, ety ampanombohana, eo amin’ny fombafomba tokony arahana, ny tsy handraisana ny fitoriana nataon’Atoa CHANFIDINE Jobimadio     ary, raha ilaina, eo amin’ny fototr’ady, ny handavana ny fangatahana fanafoanana ny vato azon’ny kandidà HVM tamin’ny fifidianana loholona tao amin’ny Distrikan’I Maevatanana satria izany fitoriana izany dia tsy ahitana taratasy milaza fa izy no solontenan’ny antoko MAPAR ao amin’ny Faritanin’I Mahajanga;
  1. Satria ny antoko TIM kosa, izay manana an’I Maître Raobena ANDRIANJAKARIVONY, Mpisolovava ao amin’ny Olafitry ny Mpisolovava, ho mpiaro ny tombontsoany, dia mangataka koa ny Fitsarana hanambara fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’Atoa CHANFIDINE Jobimadio amin’ny anaran’ny antoko MAPAR ary, raha ilaina, handà ankitsirano izao ny fitoriana nataony, noho ny mpitory tsy nampiseho kopianny karapanondrony voamarina, na fanamarinana avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana;
  1. Satria, voalohany, ny taratasy nataon’Atoa RANDRIANASOLO Daniel, izay heverina ho fanatsoahana fitoriana, dia tsy misy fiantraikany amin’ny fandinihana ny antontan-taratasin’ady satria ny solontenan’ny antoko MAPAR izay misy azy, dia efa nametraka fitoriana amin’ny anarany ary tsy nanatsoaka fitoriana; ary araka ny andininy faha 31 ao amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, “Ny fitarainana izay atao roa sosona, izay tsy andoavana sara momba ny hajia sy sara-panoratana, mba tsy ahafoana azy, dia tsy maintsy soniavina ary misy ny anarana sy fanampin’anaran’ny mpitory, ny fonenany, ny taratasy milaza ny momba azy, ny anton’ny fangatahana, ny fitaovana sy ny tohan-kevitra voalaza”; ary Atoa CHANFIDINE Jobimadio dia nandrotsaka ao amin’ny antontan-taratasin’ady taratasy datin’ny 10 novambra 2015 avy amin’Atoa VELONTSARA Paul Bert, manendry azy ho solontenan’ny lisitry ny kandidà MAPAR amin’ny fifidianana loholona ao amin’ny fari-pifidianan’ny Faritanin’I Mahajanga;
  1. Satria ireo fitoriana ireo dia napetraka tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tanatin’ny fe-potoana voalazan’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana; ka ny anton-javatra voalaza dia tafiditra ao amin’ny fahefan’ny Fitsarana etoana; ary ny nanao ny fitoriana dia na ny kandidà izy tenany ary namafisin’ny solontena (toy ny an’I BETOTO Ferdinand ao Maevatanana), na mpifidy vaventy ary namafisin’ny solontena (toy ny an-dRANDRIANASOLO Daniel ao Maevatanana), na ny solontena (toy ny tao Mampikony, Soalala ary Marovoay); noho izany, tsy maintsy hambara fa azo raisina izy ireo;
  1. Satria milaza ny mpitory fa nisy trangana kolikoly, teritery, fampitahorana ary fandrahonana nataona lehiben’ny Distrika, ben’ny tanàna ary mpanolotsaina avy amin’ny antoko HVM, handresena lahatra ny mpifidy vaventy handatsabato ho an’ny lisitra HVM, raha tsy izay, hiharan’ny fanonganana na tsy mahazo famatsiam-bola hampandrosoana ny faritra misy azy ireo;ary ireo mpitory tsirairay dia samy nandrotsaka ao amin’ny antontan-taratasin’ady fanambaràna an-tsoratra nataona vavolombelona telo samihafa;
  1. Satria ny andininy faha 136 andàlana faha 3 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia milaza fa “Ireo taratasy ireo (ny singan-taratasy narotsaka izany), dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika fanambarana an-tsoratra sy mitambatra ary voasonian’ny vavolombelona telo nanatrika farafahakeliny miaraka amin’ny filazan’izy ireo ny anarany”; koa ny singan-taratasy narotsaka ao amin’ny antontan-taratasin’ady dia nahitana fa ny fanambarana an-tsoratra dia nosoniavin’izy tenany ihany fa tsy misy ny sonian’ny vavolombelona telo araka ny voalaza ny andininy etsy ambony;
  1. Satria ny porofon’ny zavatra lazain’ny mpitory dia tsy maintsy atovana ny fitoriana araka izay ameran’ny andininy faha 136 andàlana faha 2 ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana azy; koa ny kapila manjelatra sy ny sary nentin’ny mpitory dia tsy porofo maha resy lahatra sy ara-dalàna hampitombina ny fitoriana; noho izany, tsy maintsy ho lavina ny fitoriana fa tsy mitombina;

Ny amin’ny fanarahamaso mandeha tsy voizina ny fanarahan-dalàna:

  1. Satria araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 118 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007 amerana ny fitsipika mikasika ny fampandehanana ny Antenimierandoholona ary koa ny fombafomba fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara, “[…]Mandritra ny fanarahamaso ny fitanana an-tsoratra ireo birao fandatsaham-bato sy ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na tsy misy fampakaran-draharaha aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany, raha heveriny fa misy fandikàna ny fepetra voalazan’ny lalàna na didy amam-pitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”; koa taorian’ny fanarahamaso ny raharaham-pifidianana sy ny fanajàna ny lalàna dia nisy tsy fetezan-javatra maromaro tsikaritra;
  1. Satria tokoa mantsy, milaza ny andininy faha 84 ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana fa “amin’ny anaran’ny tena ihany ny latsabato sady miafina”; koa ny fomba voalohany ampiarana io foto-kevitra miafina io dia ny fisian’ny hefitra fitokanana; ary manamafy ny andininy faha 89 andàlana faha 3 ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana fa “Mbola tsy mivoaka ny efitrano ilay mpifidy, dia tsy maintsy mandeha irery ao amin’ny faritra iray efa voaomana mba tsy ahitan’ny olona azy rehefa manamarika ny taratasin-datsabato”; koa ny fandalovana ao amin’ny efitra fitokanana dia zavatra tsy azo ialàna fa io ihany no ahazoana milaza fa miafina ny latsabato; noho izany, ny tsy fisian’ny efitra fitokanana no mitarika ny hanafoanana manontolo ny vato tao amin’ny birao fandatsahambato laharana faha 110.516 kaominin’Anosizato Andrefana Distrikan’Antananarivo Atsimondrano;
  1. Satria ny andininy faha 66 andàlana voalohany amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia mametra fa ny birao fandatsahambato dia ahitàna Filoha iray, Filoha lefitra iray, mpitsara mpanampy roa ary mpitantsoratra iray; ary ny andàlana faha 3 amin’io andininy io dia manamarika fa “Na inona na inona fisehoan-javatra, mpikambana telo ao amin’ny birao farafahakeliny no tsy maintsy hita ao amin’ny birao fandatsaham-bato mandritra ny fotoana izoran’ny fifidianana”; koa ny tsy fanajana io isa farafahakeliny io ao amin’ny firafitry ny birao fandatsaham-bato dia miteraka fanohintohinana ny fahamarinan’ny latsabato; satria tsy nisy afa-tsy roa ny isan’ny mpikambana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana faha 140.403 kaominin’Ambano Distrikan’Antsirabe II; noho izany, izany tsy fetezan-javatra izany dia miteraka fanafoanana manontolo ny vato tao amin’izany birao fandatsaham-bato izany;
  1. Satria araka ny andininy faha 91 andàlana voalohany ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, “Aorian’ny fandrotsahan’ny mpifidy ny taratasin-datsabato ao anatin’ny vata fandatsaham-bato, dia soniaviny ny lisitra fanamarihan-tsonia eny antsisiny; raha tsy mahay manoratra izy dia ny lavotondrony no apetany ao amin’ny lisitra fanamarihan-tsonia”; koa zava-dehibe sady ataon’ny tena ny fanaovana sonia; ary ny mpifidy tsirairay ihany no tsy maintsy manamarina fa nandatsa-bato izy; ary ny sonia na lavotondro dia maha to ny latsabato; koa ny tsy fanarahana izany taky izany dia mitarika fanafoanana manontolo ny vato amina birao fandatsaham-bato; ary ny lisitra fanamarihan-tsonia tsy misy sonia sy/na lavotondro amina birao fandatsaham-bato iray dia mitarika fanafoanana manontolo ny vato ao amin’izany birao izany;
  1. Satria ny andininy faha 109 andàlana farany dia manery fa ny fitanana an-tsoratra ny raharaham-pifidianana dia tsy maintsy vita sonian’ny mpikambana roa farafahakeliny ao amin’ny birao fandatsaham-bato, miaraka amin’ny anarana; ary ny fitanana an-tsoratra no itokiana mandrapisian’izay zavatra mifanohitra aminy; koa raha nametraka io isan’ny mpanao sonia farafahakeliny io ny mpanao lalàna, dia nataony ho fombafomba tena mavesa-danja izany; ary ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny sonia mihitsy ao amin’ny fitanana an-tsoratra dia mametraka ahiahy ny amin’ny maha to ny taratasin-draharaha sy ny fahamarinan’ny latsabato; koa ny tsy fanajana io fombafomba tena mavesa-danja io dia manafoana manontolo ny vato amina birao fandatsaham-bato;
  1. Satria ny andininy faha 103 ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia milaza fa “Ny mpanisa vato no mamarana sy manao sonia ny taratasy fanisam-bato sy ny fanisana izany. N’inon’inona antony, dia tsy azo atao ny mametraka lavotondro amin’ny taratasy fanisam-bato voalaza io. Raha tsy mety manao sonia ny taratasy fanisam-bato ireo mpanisa vato, dia marihana ao anaty fitanana an-tsoratra izany. Na izany aza anefa, ny tsy fanatanterahiny izany dia tsy zary antony hanafoanana ny raharahan-datsabato ao amin’io birao fandatsaham-bato voakasika io”; koa ho fampiharana ireo fepetra ireo, raha toa ka tsy antony mahafoana ny latsabato ny tsy fisian’ny sonia ao amin’ny taratasy fanisam-bato, ny tsy fisiana, miaraka amin’izany, filazana ao amin’ny fitanana an-tsoratra fa tsy nety nanao sonia ny mpanisa vato, dia manohintohina ny fahamarinan’ny latsabato; noho izany, foana manontolo ny vato amin’izay birao fandatsaham-bato voakasik’izany;
  1. Satria araka ny andininy faha 105 andàlana voalohany ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana, “Ny vato fotsy, izay tsy feno ny fanondroana raiketiny ny safidin’ny mpifidy na koa izay nasian’ny mpandatsabato famantarana ny tenany, ireo taratasin-datsabato misy marika ao anatiny na ety ivelany mba hahafantarana azy, ireo taratasin-datsabato ahitana endrin-javatra famantarana na sary na koa soritra manompa ny safidy, ny mpilatsa-kofidina na olon-kafa dia tsy miditra ho anisan’ny vato azon’ny safidy tsirairay ho an’ny mpilatsa-kofidiana iray na ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana”;
  1. Satria heverina ho marika famantarana ahazoana mamantatra ilay mpifidy ny fametahana ao amin’ny taratasim-bato sonia, sary, fampiasana miverimberina anatina Distrika iray marika famantarana anatiny sahala ny litera samihafa   amin’ny alfabeta na marika mitovy tsy mahazatra; ka ny fanao toy izany dia finiavana tsy hanaja ny tsiambaratelon’ny latsabato; noho izany, foanana ny vato azon’ny lisitra tamina birao fandatsaham-bato voakasik’izany;

Noho ireo antony ireo,

Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

dia mamoaka izao didim-pitsarana izao :

 

Andininy voalohany.- Ambara fa tsy azo raisina, satria tara, ny fitoriana nataon-dRAHERINIRINA Celce Boniface, TSABOTOKAY Francisse Séraphin, RADIMIARISON Yveau Arnel, RAMALASON Olga Vololonirina, NAPETOKE Marcel, BERIZIKY Jean Omer ary NAKANY Charly Zafimagnely.

Andininy faha 2.- Ambara fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’ny antoko MONIMA noho izy tsy manana fahefana hanao izany.

Andininy faha 3.- Ambara fa lavina fa tsy mitombina ny fitoriana nataon- dRAMALASON Olga Volonirina, RABEMANANTSOA Benjamin Edward, RANDRIANASOLO Daniel, BETOTO Ferdinand ary CHANFIDINE Jobimadio

Andininy faha 4.- Atovana ity didim-pitsarana ity ny lisitry ny birao fandatsaham-bato misy fanafoanana ampahany na manontolo sy ny vokatra isaky ny birao fandatsaham-bato.

Andininy faha 5.- Ambara amin’ny fomba ôfisialy araka izao manaraka izao ny voka-pifidianana sy ireo voafidy ho mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona:

FARITANY: 1 ANTANANARIVO

BV RECUS : 313 SUR: 313

Inscrits 2440

Votants 2327

Blancs et nuls 29

Suffrages exprimés: 2298 QE: 328,29

Taux de participation: 95,37%

LISTE VOIX % S au QE S moyenne Tot sièges
GASIKARA MAINTSO 4 0,17% 0 0 0
MARINA 197 8,57% 0 0 0
HVM 1579 68,71% 4 2 6
MAPAR 57 2,48% 0 0 0
MMM 31 1,35% 0 0 0
NY MANGARANO MALAZA 22 0,96% 0 0 0
AREMA 0 0,00% 0 0 0
ASSOCIATION MALAGASY SAMBATRA 16 0,70% 0 0 0
TIM 392 17,06% 1 0 1

Résultats détaillés Antananarivo

Annulation totale Antananarivo

LISTE DES 7 SENATEURS ELUS

Nom et prénoms LISTE
RANDRIAMBOLOLONA Mananjara 1 HVM
RASON Vola Hanta 2 HVM
RAVELOMANANTSOA Léon Richard 3 HVM
RANDRIAMANANTSOA Jafetra 4 HVM
RAMAHAVALISOA Hanitra Eliane 5 HVM
RANDRIAMIHAINGO Lalao Berthin 6 HVM
RAMALASON Olga Vololonirina 1 TIM

FARITANY: 2 ANTSIRANANA

BV RECUS : 152 SUR: 152

Inscrits 1116

Votants 1094

Blancs et nuls 28

Suffrages exprimés: 1066 QE: 152,29

Taux de participation: 98,03%

LISTE VOIX % S au QE S moyenne Tot sièges
HVM 687 64,45% 4 2 6
MAPAR 52 4,88% 0 0 0
MAMIMAD 85 7,97% 0 0 0
Indépendant : ZMT 30 2,81% 0 0 0
AREMA 0 0,00% 0 0 0
LEADER FANILO 201 18,86% 1 0 1
TIM 11 1,03% 0 0 0

Résultats détaillés Antsiranana

Annulation totale Antsiranana

LISTE DES 7 SENATEURS ELUS

Nom et prénoms LISTE
BEMATANA Martin 1 HVM
AMIDO 2 HVM
BEFOTOTO Angelin 3 HVM
TOMBOSON Sylvestre 4 HVM
ABDOULBASTUI MAHAMODO 5 HVM
TOTOBENAZARA Jean Lüther 6 HVM
RAZAFINDRATOVO RAVOLOLONIRINA 1 LEADER FANILO

 

FARITANY: 3 FIANARANTSOA

BV RECUS : 429 SUR: 431

Inscrits 3179

Votants 3023

Blancs et nuls 83

Suffrages exprimés: 2940 QE: 420,00

Taux de participation: 95,09%

LISTE VOIX % S au QE S moyenne Tot sièges
MAPAR 148 5,03% 0 0 0
LEADER FANILO 112 3,81% 0 0 0
Indépendant : 66 2,24% 0 0 0
MTS 15 0,51% 0 0 0
INDEPENDANT : FANOROLAHY 287 9,76% 0 1 1
HVM 2 007 68,27% 4 2 6
AREMA 19 0,65% 0 0 0
TIM 281 9,56% 0 0 0
INDEPENDANT :GASY MINDRAY 5 0,17% 0 0 0

Résultats détaillés Fianarantsoa

Annulation totale Fianarantsoa

Annulation partielle Fianarantsoa

LISTE DES 7 SENATEURS ELUS

Nom et prénoms LISTE
RANDRIANANDRASANA Auguste 1 INDEPENDANT : FANOROLAHY
ANDRIAMANDAVY VII Riana 1 HVM
RATONGAVELONAHARY Modeste 2 HVM
THU-JAUNE Horace Mann 3 HVM
TSANGANDAHY Eugène Simon 4 HVM
ANDRIARILALA Hery Germain 5 HVM
MANESOR Bernard 6 HVM

 

FARITANY: 4 MAHAJANGA

BV RECUS : 246 SUR: 246

Inscrits 1796

Votants 1704

Blancs et nuls 81

Suffrages exprimés: 1623 QE: 231,86

Taux de participation: 94,88%

LISTE VOIX % S au QE S moyenne Tot sièges
INDEPENDANT : ASSOCIATION 8 0,49% 0 0 0
TIM 223 13,74% 0 1 1
MANARANARA FANILO 17 1,05% 0 0 0
AREMA 7 0,43% 0 0 0
MAPAR 395 24,34% 1 1 2
HVM 973 59,95% 4 0 4

Résultats détaillés Mahajanga

Annulation totale Mahajanga

LISTE DES 7 SENATEURS ELUS

Nom et prénoms LISTE
FERNAND Jeannot 1 TIM
VELONTSARA Paul Bert 1 MAPAR
LYLYSON René de Rolland Urbain 2 MAPAR
BERANTO Alexandre Edmond 1 HVM
MANJANY Bienvenu 2 HVM
RASOAMIHANTA Jasmina Issa 3 HVM
RANDRIAMAHAZAKA Henri dit Saleh 4 HVM

 

FARITANY: 5 TOAMASINA

BV RECUS : 249 SUR: 249

Inscrits 1909

Votants 1830

Blancs et nuls 58

Suffrages exprimés: 1772 QE: 253,14

Taux de participation: 95,86%

LISTE VOIX % S au QE S moyenne Tot sièges
MAPAR 66 3,72% 0 0 0
FAHAIZANA SY FAHENDRENA 3 0,17% 0 0 0
MIFANASOA 217 12,25% 0 1 1
MTS 29 1,64% 0 0 0
FIRAISAN-KINA NO HERY 6 0,34% 0 0 0
AREMA 15 0,85% 0 0 0
HVM 1 163 65,63% 4 1 5
TIM 273 15,41% 1 0 1

Résultats détaillés Toamasina

Annulation totale Toamasina

LISTE DES 7 SENATEURS ELUS

Nom et prénoms LISTE
RAMAROSOA Emiline 1 MIFANASOA
MALO Benoīt 1 HVM
RAFIDIARISON Jean Rémi Gabriel 2 HVM
RABENONY Andrianirina 3 HVM
RAZANAJATO Virginie 4 HVM
BENESSY Harison Sébastien 5 HVM
RANDRIANTSALAMA Jackie 1 TIM

 

FARITANY: 6 TOLIARY

BV RECUS : 304 SUR: 304

Inscrits 2222

Votants 2110

Blancs et nuls 370

Suffrages exprimés: 1740 QE: 248,57

Taux de participation: 94,96%

LISTE VOIX % S au QE S moyenne Tot sièges
HVM 1 139 65,46% 4 3 7
IND AJFO 8 0,46% 0 0 0
OBAMA 20 1,15% 0 0 0
FITIBA 54 3,10% 0 0 0
AVOTSE TANINDRAZA 7 0,40% 0 0 0
AREMA 4 0,23% 0 0 0
MAPAR 15 0,86% 0 0 0
IND OMBILAHY MAHERY 93 5,34% 0 0 0
IND MIARA-DIA 155 8,91% 0 0 0
TIM 114 6,55% 0 0 0
IND MASOANDRO 3 0,17% 0 0 0
IND TSIMANAVAKE 40 2,30% 0 0 0
MONIMA 88 5,06% 0 0 0

Résultats détaillés Toliary

Annulation totale Toliary

Annulation partielle Toliary

LISTE DES 7 SENATEURS ELUS

Nom et prénoms LISTE
KOLO CHRISTOPHE Laurent Roger 1 HVM
ANDRIANJAKA Samson Coulzar 2 HVM
RAVELOSON Thierry Francis 3 HVM
RANDRIANANTENAINA Lucien Luc 4 HVM
MAMITIANA Fabergé Gabriel 5 HVM
GEORGES 6 HVM
RAMBINIMANANA Abel 7 HVM

Andininy faha 6.- Didina ny hamerenana ny fandraisana anjara tamin’ny saran’ny fanontàna printy ny taratasim-bato, ho antoka, amin’ny kandidà nahazo folo isan-jaton’ny vato manankery farafahakeliny.

Andininy faha 7– Hampahafantarina ny Filohan’ny Repoblika, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ity didim-pitsarana ity, havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao peta-drindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana etoana.

Nifampidinihina araka izany tao amin’ny foiben-toerany mba hambara amin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso ny zoma roa amby roapolo janoary taona enina ambin’ny folo sy roarivo, tamin’ny folo ora misandratr’andro, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :

Atoa RAKOTOARISOA Jean-Eric, Filoha

Rtoa ANDRIANARISOA RAVELOARISOA Fara Alice, Mpanolotsaina Avo Zokiolona

Rtoa RASAMIMANANA RASOAZANAMANGA Rahelitine, Mpanolotsaina Avo

Rtoa RAHARISON RANOROARIFIDY Yvonne Lala Herisoa, Mpanolotsaina Avo

Atoa TSABOTO Jacques Adolphe, Mpanolotsaina Avo

Atoa RABEHAJA-FILS Edmond, Mpanolotsaina Avo

Rtoa RAMIANDRASOA Véronique Jocelyne Danielle, Mpanolotsaina Avo

Atoa DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène, Mpanolotsaina Avo

Atoa ZAFIMIHARY Marcellin, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny firaketan-tsoratra.