Ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana;
Araka ny lalampanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2008-002 tamin’ny 27 febroary 2008 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Antenimierandoholona;
Araka ny didim-pitsarana laharana faha 01-HCC/AR tamin’ny 11 aprily 2008 mametra ny lisitry ny mpilatsaka hofidina ho mpikambana ao amin’ny Antenimierandiholona ny 20 aprily 2008;
Araka ny didim-pitsarana laharana faha 02-HCC/AR tamin’ny 25 aprily 2008 anambarana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona natao ny 20 aprily 2008;

Rehefa nohenoina ny mpampakateny;
Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

Satria araka ny taratasy laharana faha 457/09-Sénat/P tamin’ny 6 janoary 2009, ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia mangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hijery ifotony ny fahabangan-toerana senatera ao amin’ny Antenimierandoholona taorian’ny nanendrena an’Atoa BEZARA Manassé Jean de la Croix ho Minisitra sy hanolo azy;

Satria araka ny andininy faha 68, andalana voalohany, ao amin’ny Lalàmpanorenana,“Tsy azo ampirafesina amin’ny andraikitra hafa maha-olomboafidim-bahoaka sy izay mety ho fisahanana asam-panjakana hafa afa-tsy ny fampianarana ny asan’ny solombavambahoaka“;

Satria ireo fepetra ireo dia azo ampiharina koa amin’ny Antenimierandoholona ary mahafehy ny voalazan’ny andininy faha 82 ao amin’ny Lalàmpanorenana;

Satria araka ny andininy faha 30 amin’ny hitsivolana laharana faha 2008-002 tamin’ny 27 febroary 2008 voalaza etsy ambony,“……………………..“;

Satria araka ny didim-panjakana laharana faha 2009-001 tamin’ny 4 janoary 2009 manova ny firafitry ny Mpikambana ao amin’ny Governemanta, dia notendrena ho Minisitra Atoa BEZARA Manassé Jean de la Croix , Senatera voafidy tamin’ny lisitra “Tiako i Madagasikara“ ao amin’ny Faritra Atsinanana;

Koa ho fampiharana ny fepetra voalazan’ny andininy faha 68, andalana voalohany, ao amin’ny Lalàmpanorenana voalaza etsy ambony dia ilaina ny mizaha fototra ny fahabangan-toerana Senatera iray amin’ny Antenimierandoholona sy ny hanambara fa voafidy ho Senatera ao amin’ny Antenimierandoholona ny mpisolo toerana voalohany amin’ny lisitra “Tiako i Madagasikara “ ao amin’ny Faritra Atsinanana;

Noho ireo antony ireo
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana
Dia mamoaka izao didim-pitsarana izao :

Andininy voalohany.- Hita fototra ny fahabangan-toerana Senatera iray ao amin’ny Antenimierandoholona taorian’ny nanendrena an’Atoa BEZARA Manassé Jean de la Croix ho minisitra.

And. 2.- Ambara fa Atoa RATELOLAHY, mpisolo toerana voalohany amin’ny lisitra “Tiako i Madagasikara” ao amin’ny faritra Atsinanana, dia voafidy ho Senatera ao amin’ny Antenimierandoholona eo amin’ny toeran’Atoa BEZARA Manassé Jean de la Croix.

And. 3.- Havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika izao didim-panjakana izao.

Nifampidinihana araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso ny alatsinainy roa ambin’ny folo janoary taona sivy sy roarivo, tamin’ny folo ora maraina, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :

Atoa RAJAONARIVONY Jean Michel, Filoha
Atoa IMBOTY Raymond, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Rtoa RAHALISON RAZOARIVELO Rachel Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Atoa RABENDRAINY Ramanoelson, Mpanolotsaina Avo
Atoa ANDRIAMANANDRAIBE RAKOTOHARILALA Auguste, Mpanolotsaina Avo
Rtoa RASAMIMANANA RASOAZANAMANGA Rahelitine, Mpanolotsaina Avo
Atoa RABEHAJA –FILS Edmond, Mpanolotsaina Avo
Atoa RAKOTONDRABAO ANDRIANTSIHAFA Dieudonné, Mpanolotsaina Avo
Rtoa DAMA RANAMPY Marie Gisèle, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.