Ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana;
Araka ny lalampanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2002-004 tamin’ny 3 oktobra 2002 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Antenimierampirenena ;
Araka ny didim-pitsarana laharana faha 02-HCC/AR tamin’ny 23 aogositra 2007 mametra ny lisitry ny mpilatsaka hofidina ho mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena ny 23 septambra 2007;
Araka ny didim-pitsarana laharana faha 18-HCC/AR tamin’ny 13 oktobra 2007 anambarana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena natao ny 23 septambra 2007;

Rehefa nohenoina ny mpampakateny;
Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

Satria araka ny taratasy laharana faha 005-AN/P/SG tamin’ny 13 febroary 2009, ny Filohan’ny Antenimierampirenena dia mangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hijery ifotony ny fahabangan-toerana iray amin’ny Mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena taorian’ny nanendrena an’Atoa ALY Hassan ho lehiben’ny Faritra DIANA sy hanolo ny toerany;

Satria araka ny andininy faha 68, andalana voalohany, ao amin’ny Lalàmpanorenana,“Tsy azo ampirafesina amin’ny andraikitra hafa maha-olomboafidim-bahoaka sy izay mety ho fisahanana asam-panjakana hafa afa-tsy ny fampianarana ny asan’ny solombavambahoaka“;

Satria araka ny andininy faha 78 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2004-004 tamin’ny 3 oktobra 2004 voalaza etsy ambony,“……………………..“;

Satria araka ny didim-panjakana laharana faha 2009-141 tamin’ny 3 febroary 2009 mikasika ny fanendrena ny lehiben’ny Faritra DIANA, dia notendrena ho lehiben’ny Faritra DIANA Atoa ALY Hassan , Mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena voafidy tamin’ny lisitra ,“Tiako i Madagasikara“ ao amin’ny fari-pifidianana Nosy Be;

Hita fototra ny fahabangan-toerana iray amin’ny Mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena ary ambara fa voafidy ho Mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena ny mpisolo toerana voalohany amin’ny lisitra “Tiako i Madagasikara “ ao Nosy Be ;
Noho ireo antony ireo
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana
Dia mamoaka izao didim-pitsarana izao :

Andininy voalohany : Hita fototra ny fahabangan-toerana iray amin’ny Mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena taorian’ny nanendrena an’Atoa ALY Hassan ho lehiben’ny Faritra DIANA.

And. 2 : Ambara fa Rtoa JAMES Marie Eliette Dona, mpisolo toerana voalohany amin’ny lisitra “Tiako i Madagasikara” dia voafidy ho Mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena eo amin’ny toeran’Atoa ALY Hassan.

And. 3 : Havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika izao didim-panjakana izao.

Nifampidinihana araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso ny alarobia valo ambin’ny folo febroary taona sivy sy roarivo, tamin’ny folo ora maraina, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :

Atoa RAJAONARIVONY Jean Michel, Filoha
Atoa IMBOTY Raymond, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Rtoa RAHALISON RAZOARIVELO Rachel Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Atoa RABENDRAINY Ramanoelson, Mpanolotsaina Avo
Atoa ANDRIAMANANDRAIBE RAKOTOHARILALA Auguste, Mpanolotsaina Avo
Rtoa RASAMIMANANA RASOAZANAMANGA Rahelitine, Mpanolotsaina Avo
Atoa RABEHAJA –FILS Edmond, Mpanolotsaina Avo
Atoa RAKOTONDRABAO ANDRIANTSIHAFA Dieudonné, Mpanolotsaina Avo
Rtoa DAMA RANAMPY Marie Gisèle, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.