F I L A Z A N A

——————————

Ilazana ireo rehetra hametraka antontan-taratasy filatsahan-kofidiana Filoham-pirenena eto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa :

  • Eo amin’ny vavahady ambany, ankilan’ny biraon’ny Faritany, no miditra,
  • Tsara raha mitondra taratasy avy amin’izay kandida naniraka azy, manamarina fa izy tokoa no nirahina hanatitra ny antontan-taratasy,
  • Mety raha hampiarahana amin’ny antontan-taratasy ny fanazavana antsoratra ny mari-panavahan’ny kandida (caractéristiques).

Antananarivo, faha 20 jolay 2018

Ny Lehiben’ny Firaketan-tsoratra

Ralison Samuel  Andriamorasoa