REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fitiavana–Tanindrazana–Fandrosoana
——————————
HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE
——————————-
MAHAJANGA
ATRIKASA FAMPAHAFANTARANA NY LALAMPIFIDIANANA
VARAVARANA MISOKATRA MOMBA NY HCC
7-8 aogositra 2018

Anjaran’i Mahajanga indray no mandray ny atrikasa fampahafantarana ireo lalàna vaovao mahakasika ny fifidianana ka tanterahina ao amin’ny Hôtel Les Roches Rouges izany.
Ny zava-dresahina dia miompana amin’ny zo hifidy, ny lisi-pifidianana, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny filatsahan-kofidiana, ny propagandy, ny raharaham-pifidianana, ny adim-pitsarana mahakasika ny fifidianana sy ny fikirakirana ny voka-pifidianana.
NY Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomiera Mahaleo tena momba ny Fifidianana, ireo Ministera samihafa toy ny Ministeran’ny Atitany, ny Filakevim-panjakana, ireo sampandraharaha toy ny BIANCO, SAMIFIN, dia samy nikarakara izao atrikasa izao avokoa amin’ny sehatra mahakasika azy ary mizara izany amin’ireo Fiaraha-monim-pirenana, ny antoko politika, ireo mpanao gazety, ireo manampahefana rehetra momba ny fifidianana ka voakasiky ny fizotram-pifidianana.
Eo ankilan’izany atrikasa izany dia misy ihany koa ny varavarana misokatra hamelabelarana ny andraikitra sy ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
Izany hetsika rehetra izany dia atao miaraka amin’ny projet Soutien Au Cycle Électoral de Madagascar (SACEM), vatsian’ny Fikambanana eoropeana, ny USAID, Norvezy, Alemana, Frantsa, Korea Atsimo, Suisse, Australie vola ary tanterahina eo anivon’ny Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD).