Antsiranana indray no mampiantrano ny atrikasa fampahafantarana ireo lalàna vaovao mahakasika ny fifidianana. Andriamatoa Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika tao ao amin’ny Hôtel de la Poste. Nanotrona izany fanokafana izany ireo Mpitsara Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Filohan’ny Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana sy ireo mpikambana ao aminy, ny solotenan’ny Préfet ary ny Mpisolo tena ny PNUD.
Eo ankilan’izany koa dia misy hatrany ny varavarana misokatra mahakasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanazavana amin’ny olom-pirenena ny andraikitra sahanin’izany Fitsaràna izany, ny fomba fiasa sy ireo mpikambana ao aminy.
Ny tanjona moa raha tsiahivina dia ny handinihana sy hifampizarana ireo lalàm-pifidianana vaovao ka hahafahan’ny Fiaraha-monim-pirenana, ny antoko politika, ireo mpanao gazety, ireo manampahefana rehetra momba ny fifidianana, mahalala ny zo aman’andraikiny ka hisian’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra.
Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-mientan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomiera Mahaleo tena momba ny Fifidianana, ireo Minisitera samihafa toy ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Minisiteran’ny Atitany, ireo sampandraharaha toa ny BIANCO, SAMIFIN. Ny projet Soutien Au Cycle Électoral de Madagascar (SACEM), vatsian’ny Fikambanana eoropeana, ny USAID, Norvezy, Alemana, Frantsa, Korea Atsimo, Suisse, Australie vola, ary tanterahina eo anivon’ny Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD) kosa no manohana ny atrikasa.