TOLIARA : 29-30 aogositra 2018, Hôtel Amazone

ATRIKASA FAMPAHAFANTARANA NY LALAMPIFIDIANANA VAOVAO

VARAVARANA MISOKATRA MOMBA NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

 Any Toliara indray no anatanterahina ny atrikasa fampahafantarana ny lalàmpifidianana vaovao mandritra ny roa andro. Izany hetsika izany dia karakarain’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ny Vaomiera Nasionaly Mahaleo Tena momba ny Fifidianana ary tohanan’ny Tetikasa Soutien Au Cycle Électoral de Madagascar (SACEM) tanterahina eo anivon’ny Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD). Ny tanjona moa dia ny hanamafisana hatrany ny demokrasia sy ny tany tandalàna eto Madagasikara.

Ny kabary fanokafana ofisialy dia notononin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana teo anatrehan’ireo Mpanolotsaina Avo rehetra sy ny Filoha lefitry ny Vaomiera Nasionaly Mahaleo Tena momba ny Fifidianana, ny Solontenam-panjakana eo anivon’ny Faritra, ary ny solotenan’ny Mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana eto Madagasikara izay naneho ny fankasitrahany izany hetsika izany.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny fikarakarana ny atrikasa ary mbola mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatanterahana izany ihany koa ireo Minisitera isan-tsokajiny sy ireo Sampandraharaha toa ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Minisiteran’ny Atitany, ny BIANCO, ny SAMIFIN… Ny fifidianana tokoa mantsy dia adidin’ny rehetra satria iankinan’ny ain-dehiben’ny Firenena. Ireo votoatin-dresaka dia mahakasika ny zo hifidy, ny lisi-pifidianana, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny raharaham-pifidianana, ny adim-pitsarana mahakasika ny fifidianana sy ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Nasaina mba hahafantatra ny zo aman’andraikiny ny Fiaraha-monim-pirenana, ny antoko politika, ireo mpanao gazety, ireo manampahefana rehetra momba ny fifidianana ka voakasiky ny fizotram-pifidianana

Eo ankilan’izany atrikasa izany dia misy ihany koa ny varavarana misokatra ho an’ny Vahoaka sy ny mpianatra hamelabelarana ny andraikitra sy ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.