This image has an empty alt attribute; its file name is Logo1-300x260.jpg

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
——————————
NY FITSARANA AVO MOMBA NY LAMAMPANORENANA

Araka ireto rijan-teny ireto:

  • Ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-640 tamin’ny 29 jona 2018 mamaritra ny fombafomba fampiharana ny fepetra sasantsasany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-641 tamin’ny 29 jona 2018 hanaikana ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena mialoha ny fotoana;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-642 tamin’ny 29 jona 2018 mamaritra ny modelin’ny singan-fitoriana sasantsasany foronin’ny mpilatsa-kofidiana rehetra amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena mialoha ny fotoana ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-643 tamin’ny 29 jona 2018, mametra ny habetsahan’ny fandraisana anjaran’ny mpilatsa-kofidiana amin’ny sara noraiketin’ny Fanjakana ho amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena mialoha ny fotoana ary koa ny fombafomba fanonerana sy famerenam-bola ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-644 tamin’ny 29 jona 2018, mametra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana ny Filoham-pirenena ;

Araka ireto fanapahana manaraka ireto:

  • Ny fanapahana laharana faha 26-HCC/D3 tamin’ny 22 aogositra 2018, mametra ny lisitra raikitry ny mpilatsa-kofidiana amin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filoham-pirenena hatao ny 7 novambra 2018 ;
  • Ny fanapahana laharana faha 017/CENI/D/2018 tamin’ny 28 aogositra 2018 mametra ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ;
  • Ny fanapahana laharana faha 018/CENI/D/2018 tamin’ny 3 septambra 2018, novàn’ny fanapahana laharana faha 027/CENI/D/2018 mametra ny foiben-toerana sy ny firafitry ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ;
  • Ny fanapahana lahara faha 048-CENI/D/2018 tamin’ny 27 desambra 218 amaranana sy amoahana ny vokatra vonjimaikan’ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika natao ny 19 desambra 2018;

Araka ireto antontan-taratasy ireto:

  • Ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ;
  • Ny voka-pifidianana voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato natao teo anivon’ny birao fandatsaham-bato;
  • Ny fitoriana mikasika ny fihodinana faharoan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 19 desambra 2018, nalefa taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Rahefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO:

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana etoana

  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny andininy faha 116.5, izy no « manambara ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakàna hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka» ;
  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 200, andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona » ;
  1. Ary ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika dia manampy fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra» ;
  1. Satria ny andininy faha 61 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 voalaza etsy ambony dia manambara fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manao ny fanambarana ôfisialy ny voka-pifidianana raikitra ao anatin’ny fe-potoana sivy (9) andro manomboka ny vaninandro namoahan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana ny voka-pifidianana vonjimaika”;
  1. Ary araka ny fanapahana laharana faha 048/CENI/D/2018 tamin’ny 27 desambra 2018, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana dia namarana sy namoaka ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 19 desambra 2018; koa ny fanambarana ôfisialy ny vokatra raikitra atao izao andron’ny 08 janoary 2019 izao dia tafiditra tsara anatin’ny fe-potoana voalaza;

Ny amin’ny tsy fahazoanana mandray ny fitoriana sasantsasany

  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 202 andàlana faha 4 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, “Ny fitakiana ny maha ara-dalàna ny raharaham-pifidianana dia misokatra ny ampitson’ny andro anaovana ny latsabato hatramin’ny famoahana ny vokatra vonjimaika ataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana”; ary araka ny andininy faha 66 andàlana faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009, ny fe-potoana hanaovana fampakaran-draharaha momba ny fifanolanana mikasika ny voka-pifidianana  “dia ferana ho roa (2) andro aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ataon’ny Vaomieram-panjakana Mahaleotena misahana ny fifidianana”; ka ny fe-potoana fampakaran-draharaha eto amin’ny FItsarana aminà raharam-pifidianana dia isaina andro feno, ho tombontsoan’ny mpitory ary ny fotoana farany fametrahana ny fitoriana dia noferana ho ny alatsinainy 31 desambra 2018 amin’ny efatra ora hariva;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 26 desambra 2018, misy solontenan’ny kandidaTGV-MAPAR nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanafoana ny latsabato nataon’Atoa RAFANOMEZANA Georget tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 340 102 010 102 ao Iakora; fa ny mpitory dia tsy manana fahefana hitondra raharaha eo anatrehan’ny Fitsarana etoana, araka ny voalazan’ny andininy faha 202 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana syny fitsapa-kevi-bahoaka;

Noho ny tsy fisian’ny kopian’ny kara-pifidianana voamarina ara-dalàna

  1. Satria ny andininy faha 204 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 dia milaza fa, mba tsy hahafoana azy, ny fitoriana dia tsy maintsy misy “ (…)ny kopia voamarina ara-dalàna amin’ny kara-pifidianany nomena maimaimpoana na ny fanamarinana nomen’ny Vaomiram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra araka ny fisehoan-javatra (…);
  1. Koa, noho izany, dia tsy azo raisina ny fitoriana nataon’ny delegen’ny kandida Marc RAVALOMANANA manohitra ny vokatry ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Bekofafa Morafeno II; ny fitoriana nataon’Atoa RADAVIDSON Abel Nirina tamin’ny 28 desambra 2018, mangataka ny hanafoanana ny vokatry ny fifidianana fihodinana faharoa manerana ny Nosy; ny fitoriana tamin’ny 29 desambra 2018 nataon’Atoa RAMIANDRARIVO Richard Olivier, mpifidy ao amin’ny Fokontanin’Ambohijanaka monina ao Ampiadianombalahy lot II A 64 Manjakandriana, izay mangataka ny hanafoanana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 19 desambra 2018 manerana ny Nosy; ny fitoriana nataon’Atoa RASOLONDRAIBE Haingotiana Ny Aina, monina ao Bemasoandro Itaosy lot IPB/94, mangataka ny hanafoanana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 19 desambra 2018 manerana ny Nosy; ny fitoriana nataon’Atoa HARILALA MIHARIMANANA Herimparany, monina ao Andobontany Ankadikely lot AD74 bis Antananarivo 101; ny fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA manohitra ny vokatra tao amin’ireo birao fandatsaham-bato manerana ny distrikan’Amboasary Atsimo; ny fitoriana nataon’ny “Rassemblement des Fédéralistes de Madagascar” RFM, sampana Toamasina izay mangataka ny hanintsanana tsotra izao ny kandida Andry Nirina RAJOELINA; ny fitoriana tsy misy daty voaray tao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny 26 desambra 2018, nataon’ireto olona ireto: RAZAFINDRAIBE Pascale, KATATA, FANOZARASOANIRINA Nomenjanahary Ortine, FANOMEZA ary LEZA, izay mitonona ho delege sy solontenan’ny mpifidy ny kandida Marc RAVALOMANANA, ka mangataka ny hanafoanana ny vokatry ny latsabato tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 340 102 010 103 EPP Tanandrefa Fokontanin’i Tanadrefa kaominina sy distrikan’Iakora; ny fitoriana nataon’Atoa RAKOTO Jean Bruno mangataka ny hanafoanana ny vokatry ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 19 desambra 2018;

Noho ny tsy fananana fahefana hangataka ny hanafoanana ny latsabato manerana ny tanim-pirenena

  1. Satria ny andininy faha 202 andàlana voalohany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 dia milaza fa “Izay rehetra mpifidy voasoratra ara-dalàna tao amin’ny lisi-pifidianana ary nandray anjara tamin’ny latsabato dia manana zo hampakatra raharaha eo anatrehan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny Fitsarana momba ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana, araka ny tranga misy, ny fitarainana sy fitsipahana rehetra mikasika ny maha ara-dalàna ny fizotry ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana tao amin’ny fari-piadidiam-pifidianana nisoratany, na mikasika ny maha ara-dalàna ny raharahan-datsabato tao amin’ny birao fandatsaham-bato nisoratany anarana”;
  1. Koa noho izany, tsy azo raisina ny fitoriana mangataka ny hanafoanana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, nataon’Atoa Herinirina TAFITALALAO sy Joseph Michael ANDRY, izay mpifidy ao amin’ny CEG Ampefiloha efitra voalohany; ny fitoriana nataon-dRtoa Bertine RAVAOARIMANANA, mpifidy ao amin’ny EPP Andafiavaratra efitra faharoa; ny fitoriana nataon’Atoa Lala RANDRIANARISOA, mpifidy ao amin’ny EPP Ankadifotsy efitra voalohany; ny fitoriana nataon-dRtoa Andrianjavony Gabrielle RAVELOARISOA, mpifidy ao Ambohipo; ny fitoriana nataon’Atoa Abraham Elysé RATSIMANIFY, ny fitoriana nataon’Atoa RAKOTO Jean Bruno, ny fitoriana nataon-dRtoa Faniry Manantsoa RAZAFIMANANTANY; ny fitoriana nataon-dRtoa Harilala Notahiana RASANDIMANANA; ny fitoriana nataon’Atoa Andrandraina RASOLONJATOVO sy Atoa Manitra Herizo RABETSIHALA; ny fitoriana nataon’Atoa Marka Daniela RANDRIANARIVONY;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 22 desambra 2018, Atoa RAKOTOTSIMBA Jacques Alfred dia mangataka ny hanafoanana ny birao fandatsaham-bato ao Tanambao Ambato Mialiloha, noho ny isam-bato nomena kandida hafa; fa ny mpitory dia tsy mitondra porofon’ny zavatra lazainy; koa noho izany, lavina ny fitoriana nataony;

Noho ny tsy nanaovana roa sosona ny fitoriana

  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 30 desambra 2018, Atoa Nomenjanahary Vonjiniaina RAKOTOROA dia nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanamarina ny tsy fetezan-javatra tamin’ny raharaham-pifidianana natao ny 19 desambra 2018;
  1. Satria ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia milaza ao amin’ny andininy faha 204 andàlana voalohany fa “Ny fitoriana, izay atao sosona roa tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana amboky, mba tsy hahafoana azy, dia tsy maintsy soniavina ary misy (…); koa ny fitoriana, natao sosony iray, dia tsy azo raisina;

Ny amin’ny tsy fisian’ny fototra ifaharan’ny fitoriana

  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 31 desambra 2018, voapetraka ny androtr’io ihany tao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny kandida tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika Arlette RAMAROSON, Tabera RANDRIAMANANTSOA ary Jean-Jacques RATSIETISON, dia nangataka ny Fitsarana etoana ny hanafoanana ny fifidianana Filohan’ny repoblika natao ny 7 novambra 2018 sy 19 desambra 2018, noho ny bileta nampiasaina tsy mifanaraka amin’ny lalàna, mangataka koa ny hanehoan’ny CENI ny bileta tsy nampiasaina ary ny tsy ahazoana mifidy ny kandida Andry Nirina RAJOELINA;
  2. Satria ny fangatahana ny hanafoanana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 7 novambra 2018 taorian’ny fanambarana ny vokatra ôfisialin’ny fihodinana voalohany sy ny fikarakarana ny fihodinana faharoan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 19 desambra 2018, dia tsy misy fototra ifaharany intsony; fa ireo mpanao fitoriana telo, taorian’ny faharesen’izy ireo tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 7 novambra 2018, dia tsy afaka intsony hitonon-tena ho kandida amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ary tsy afaka hitondra raharaha eto anatrehan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana amin’ny alàlan’izany; noho izany, tsy maintsy lazaina fa tsy azo raisina ny fitoriana nataon’izy ireo;

Ny amin’ny tsy fananan’ny Fitsarana fahefana handinika ny fangatahana mifandray amin’ny fifidianana

  1. Satria tsy misy ifandraisany ny fahefana nomen’ny Lalàmpanorenana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana; fa ny karazan-draharaha no mamaritra ny sahan’ny fahefany; fa ny Fitsarana etoana dia tsy mahefa handinika ny fangatahana manana fifandraiana amin’ny fifidianana; ka izany indrindra no miseho amin’ny fangatahana nataon’Atoa Théophile RAZAFINARIVO hanafoanana ny fandavan’ny CENI ny hanaovany “exit-poil”;

Ny amin’ny fangatahana hanao fanamarinana am-bava manoloana ny Fitsarana

  1. Satria ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia milaza ao amin’ny andininy faha 201 fa “Ny paika arahana manoloana ny fitsarana mahefa dia atao soratana indrindra. Na dia izany aza anefa, raha toa ka maka mpisolovava ny roa tonta, izy dia afaka maneho fanamarinana am-bava mandritra ny fotoam-pitsarana, raha ampahafantariny mialoha ny fitsarana”; koa, andaniny, ny fahazoana maneho fanamarinana am-bava dia apetraka amin’ny fandanjalanjan’ny Fitsarana etoana ary, ankilany, ny Fitsarana dia mahatsapa fa mazava tsara izay voalaza ao amin’ny fitoriana an-tsoratra ka tsy ilàna fanamarinana am-bava;
  1. Satria ankoatra izany, tery kely ny fotoana nomen’ny lalàna momba ny fifidianana hamoahana amin’ny fomba ôfisialy ny voka-pifidianana sady be dia be ny fitoriana napetraka; fa aminà fifidianana Filohan’ny Repoblika, tsy maintsy tsaraina avokoa ny fitoriana rehetra mialoha ny hanambarana ny voka-pifidianana ôfisialy ; noho izany, heverina ho tsy dia ilaina loatra ny hanaovana fanamarinana am-bava ka tsy azo raisina ity fangatahana manokana ity;

Ny amin’ny tsy fisian’ny laharam-panondroana amin’ny bileta manokana

  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 27 desambra 2018, ny kandida Marc RAVALOMANANA, izay manana an’i Maîtres ANDRIANJAKARIVONY Raobena sy ny namany, ho mpiaro ny tombontsoany, sy Atoa Rabena Auguste RASOLONDRAZAO, dia nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanafoana ny raharaham-pifidianana manerana ny Nosy na eo anivonà birao fandatsahambato na anivon’ny fari-piadidiam-pifidianana distrika sasantsasany, noho ny antony lazaina etsy ambany;
  1. Satria ny andininy faha 120 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia milaza fa “Ny taratasin-datsabato tokana rehetra dia ahitana ny laharam-panondroana manokana ho an’ny birao fandatsahambato tsirairay”; tsy iadian-kevitra izany fa ny mpanao lalàna dia nikendry ny hiaro ny latsabato sy hanao izay tsy isian’ny hosoka matoa nitaky io laharam-panondroana io; na izany aza anefa, tsy io fametahana laharana io ihany no hany fiarovana noheverin’ny lalàna ahazoana antoka ny raharaham-pifidianana;
  1. Satria araka io andininy io ihany, ao amin’ny andàlana faha 5, “Ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana dia omen-dàlana handray ny fepetra rehetra izay heveriny fa ilaina sy mifanaraka amin’izany mba hiarovana ny fikirakirana ny taratasin-datsabato tokana, ary hisorohana izay rehetra fampiasana hosoka amin’izany”; fa ankilan’izany, ny taratasy laharana 2901-18/CENI/SE/DEPSEF/SAJC nataon’ny CENI dia manazava ny fisian’ny laharam-panondroana amin’ny vodi-sosy ihany ka izany dia ho fanamafisana ny fomba natao tamin’ny fifidianana kaominaly tamin’ny taona 2015; koa satria hita fa mety sady ara-dalàna izany, dia nolanian’ny fivoriamben’ny CENI araka ny fanapahana laharana 016/CENI/D/2018 tamin’ny 26 jolay 2018;
  1. Satria tokoa mantsy ny lalàna dia mampanisy io laharam-panondroana io mba ampifandraisana ny bileta amin’ny birao fandatsaham-bato andefasana azy fa tsy amin’ny mpifidy; fa ny fametahana io laharam-panondroana io amin’ny bileta dia lasa ho nahafantarana ny mpifidy amin’ny alàlan’ny fitsiriana ataon’ny ratsy saina; koa mba hitsinjovana ny tsiambaratelon’ny latsabato, dia teo amin’ny vodi-sosy ihany no nasiana laharana;
  1. Satria , andaniny, voahaja ny fomba fiasa sy ny fiambenana ny birao fandatsahambato, ny fisianà delege sy mpanaramaso, indrindra mandritra ny fanamarinana mialoha sy fanakatonana ny vata fandatsahambato, ny fanasoniavana ny ao andamosin’ny bileta; ny fanokafana ny vata fandatsahambato sy ny fanisana ny vato dia natao ampahibemaso; ary toy izany koa, ny famenoana ny fitanana an-tsoratra hilazana sy hahitana ny tsy fetezan-javatra sy ny tsy ara-dalàna dia isan’ny zavatra natao isorohana ny fikasana hanao hosoka; koa raha voahaja ireo paika fiarovana amboniny ireo ka tsy misy zavatra mampiahiahy voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra, dia azo heverina fa tsy nisy ny hosoka;
  1. Satria ankoatra izay, amin’ny lalàna mikasika ny fifidianana, mba ahazoana manafoana ny latsabato rehetra manerana ny Nosy, ny tsy fetezan-javatra hita dia tena tsy maintsy goavambe ka mety hanova ny vokatry ny latsabato; ary ny fanarahamaso mandeha tsy voizina ireo fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato nataon’ny Fitsarana etoana dia tsy nahitana tsy fetezan-javatra goavambe;
  1. Noho izany, tsy mitombina io anton-javatra io raha ny amin’ny fitorian’ ny kandida Marc RAVALOMANANA tamin’ny 27 desambra 2018, nataon’ny mpisolovava Maîtres ANDRIAMADISON Hasina sy ireo namany, mangataka ny hanafoanana ny birao fandatsaham-bato manerana ny tanim-pirenena;

Ny amin’ny fisianà bileta voahisy marika mialoha 

  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 27 desambra 2018, ny kandida Marc RAVALOMANANA, izay manana an’i Maîtres ANDRIANJAKARIVONY Raobena sy ny namany, ho mpiaro ny tombontsoany, dia nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanafoana ny raharaham-pifidianana manerana ny Nosy na eo anivon’ny birao fandatsaham-bato noho ny fisianà bileta voahisy marika mialoha nandritra ny fifidianana tamin’ny 19 desambra 2018 manerana ny fari-pifidianana rehetra eto Madagasikara; fa nandritra ny famerenana ny fanisam-bato teo anivon’ny CENI, dia tsikaritra fa olona iray ihany no nanisy marika bileta maromaro; ary ho fanamafisana ny zavatra lazainy, ny mpanao fitoriana dia nandrotsaka ao amin’ny fehezan-taratasin’ady, bileta tokana izay heveriny fa olona iray ihany no nanisy marika mialoha azy ireo; ary nisy taratasy nalefa tany amin’ny CENI mangataka fanazavana mahakasika ireo anton-javatra kianina ireo;
  1. Satria ny taratasy laharana 2901-18/CENI/SE/DEPSEF/SAJC nataon’ny CENI dia milaza fa nandritra ny fanaterana ny bileta tany amin’ny birao fandatsaham-bato, dia tsy nahita bileta vita marika mialoha izy ireo; fa araka ny fanamarinana nataon’ny mpifidy, mpanaramao, delege-nà kandida, dia bileta tsy misy tomika no hita tamin’ny fisokafan’ny latsabato; fa ny fametahana sonia roa eo amin’ny bileta tokana dia tombony amin’ny maha ara-dalàna azy;                            
  1. Satria ny fitanana an-tsoratra natao teo anivon’ny Sampana mpanisa vato miandraikitra ny birao fandatsahambato, dia tsy nahita filazana fa nisy tsy fetezan-javatra amin’ireo taratasy momba ny latsabato na nandritra ny fanaterana ny antontan-taratasy avy any amin’ny birao fandatsahambato mankany amin’ny biraony;
  1. Satria eo anivon’ny birao fandatsahambato, dia toa tsikaritra fa tsy tao ny karne-nà bileta iray teo ampandraisana sy fanokafana ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fifidianana; ka io fisehoan-javatra io dia tsy voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratr’io birao voalaza io; fa tamin’ny fotoana nanaovan’ny mambran’ny biraom-pifidianana sonia, na tamin’ny fotoana nanendahana bileta iray tamin’ny vody sosy raha handeha ho ao amin’ny toerana fitokanana ny mpifidy, no toa hoe nahitana fa tsy ampy bileta iray na maromarao taminà karne iray; fa tsy milaza izany tranga izany ny fitanana an-tsoratra tao amin’ilay birao fandatsahambato;
  1. Fa tsy nisy fanamarihana, na fanambarana, na fitanana an-tsoratra milaza fa nisy vata fandatsaham-bato efa nisy bileta mialohan’ ny fanombohan’ny latsabato, na fanoloana ny bileta tao anatin’ny vata fandatsaham-bato nandritra ny latsabato na tamin’ny fotoana nanisana ny vato, na nisy fanafenana bileta nandritra ny fanisana; fa izany dia milaza, raha nisy tokoa izany, fa nisy fanoloana ny taratasy fanisam-bato sy ny fitanana an-tsoratra rehetra efa feno;
  1. Fa ny fitanana an-tsoratra mikasika izany dia tsy misy fanamarihana momba bileta tsy misy sonia na tsy misy ny sonian’ny mambran’ny biraom-pifidianana; ary ankoatra izany, ireo olona nanao sonia ny bileta dia natao antsapaka ny andron’ny fifidianana, ka izany dia mampananosarotra ny mety ho nampiasàna bileta voahisy marika mialoha; ary ny isan’ny bileta hita tao anatin’ny vata fandatsaham-bato dia tsy mihoatra ny isan’ny nandatsa-bato araka ny hita tamin’ny fitanana an-tsoratra tsirairay; noho izany, azo heverina tsara fa tsy nisy ary tsy nampiasaina izany bileta voahisy marika mialoha izany nandritra ny andron’ny fifidianana; 
  1. Satria ireo tarehin-javatra voatanisa eo ambony rehetra ireo dia manafoana ny fahazoana manakalo na mampiditra bileta voahisy marika mialoha ao anatin’ny vato nalatsaky ny mpifidy; sady tsy misy koa fijoroana vavolombelona manamafy ny fisiany sy ny fampiasana azy;
  1. Koa noho izany, tsy mitombina ny filazana miantehitra amin’ny fisianà bileta voahisy marika mialoha ho tombontsoanà kandida iray; ka izay indrindra no mitranga amin’ny fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA mikasika ny birao fandatsaham-bato laharana 440 315 030 103 distrikan’Antsohihy Faritra Sofia, ny distrikan’Ihosy, Befandriana Avaratra, Betioky Atsimo, Amboasary Atsimo sy ny fitoriana rehetra mitovy amin’izany;

Ny amin’ny fanatovanana ny lisitry ny mpifidy sy ny tsy fitovian’ny isan’ny mpifidy voasoratra

  1. Satria ny mpitory dia milaza fa ny isan’ny mpifidy isaky ny distrika, nivoaka tamin’ny tranokalan’ny CENI, sy ny isan’ireo mpifidy ireo ihany, navoaka ho fanta-bahoaka tamin’ny alàlan’ny taratasy “récapitulation district des élections présidentielles”, dia ahitana tsy fitoviana sy tovana maromaro; fa ny mpanao fitoriana dia nanasongadina fa araka ny voalazan’ny andininy faha 5 amin’ny didim-panjakana laharana faha 2018-1615 tamin’ny 30 novambra 2018 mamaritra ny fombafomba fandaminana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika mialoha ny fotoana, “ny lisi-pifidianana nofaranana tanteraka ny 15 aprily 2018 irery ihany no hany manan-kery ho an’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika mialohan’ny fotoana amin’ny taona 2018”; fa ny mpanao fitoriana dia nandrotsaka ao anaty antontan-taratasin’ady ny singan-taratasy manamarina ny anton-javatra kianina;
  1. Satria ny andininy faha 34 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia manambara fa “Ny raharaha momba ny fanavaozana ny lisi-pifidianana dia ataon’ny Vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny mpifidy eo anivon’ny Fokontany tsirairay (…); ary araka ny andininy faha 42 amin’io lalàna io ihany, “Raha tsy hoe misy ny fanovana nodidian’ny Filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny Rejisi-pifidianana eto amin’ny Firenena izay nofaranana tanteraka ny 15 mey amin’ny taona no hany manan-kery ho an’ny raharaham-pifidianana rehetra amin’ny taona diavina ary mijanona manan-kery hatramin’ny 15 mey amin’ny taona manaraka”;
  1. Satria ny adininy faha 5 amin’ny didim-panjakana laharana faha 2018-1615 mamaritra ny fombafomba fandaminana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika mialoha ny fotoana, dia mampanan-kery ho an’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika taona 2018, ny lisi-pifidianana nofaranana io taona io ihany;
  1. Satria ny fepetra voalazan’ny andininy faha 216 sy 217 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia manameloka izay olona manova na manandrana hanova lisi-pifidianana ivelan’izay lazain’ny andininy faha 34 sy 42 amin’ny lalàna voalaza etsy aloha; ary ireo zavatra ireo dia ambara fa fandikan-dalàna miteraka hosoka amin’ny fizakana ny zo handatsa-bato;
  1. Satria ny andininy faha 163 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka, dia milaza ao amin’ny andàlany voalohany fa “Ny mpilatsa-kofidina dia mahazo mifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray ao amin’ny fari-pifidianana izay nilatsahany ho fidina, raha tsy misy ny fepetra mifanohitra amin’izany voalazan’ireo rijan-teny manokana ho an’ny sokajim-pifidianana tsirairay”; ary araka ny andininy faha 133 amin’io lalàna io ihany, ao amin’ny andàlana voalohany, “Ny delegen’ny mpilatsa-kofidina (…) dia afaka mandatsa-bato ao amin’ny birao fandatsahambato izay anatontosainy ny iraka maha delege azy, afa-tsy amin’ny fepetra mifanohitra amin’izany voalazan’ny rijan-teny manokana ho an’ny sokajim-pifidianana tsirairay avy”;
  1. Satria ny andàlana farany amin’ny andininy faha 195 amin’io lalàna io ihany dia milaza fa “Ireo mpanaramaso eto amin’ny Firenena dia afaka mifidy eny amin’ny birao fandatsaham-bato izay anatanterahany ny iraka nanirahana azy ireo, amin’ny alàlan’ny fampisehoana ny kara-pifidianany ho an’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika sy fitsapa-kevi-bahoaka (…)”; ary ny andàlana voalohany amin’ny andininy faha 164 amin’io lalàna io ihany dia manamarika fa “Ny mpiasam-panjakana, mpitsara, mpitandro ny filaminana, miaramila na mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ireo rantsa-mangaikany, izay ivelan’ny Fokontany fonenany amin’ny andro fandatsaham-bato, nefa ao anatin’ny fari-piadidiam-pifidianana iray ihany, dia afaka mandray anjara amin’ny latsabato”;
  1. Satria, noho izany, ny hany fanovàna azo atao amin’ny lisi-pifidianana, dia tsy maintsy tanterahina, na eo anivon’ny Fokontany mialoha ny 15 mey, na araka ny didin’ny Filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany; ary ny mpanao lalàna dia tsy niheritreritra zavatra hafa hanaovana fanoratana fanampiny mandritra ny fifidianana; ary ny mpifidy voasoratra amin’io lisitra io ihany no mahazo mampiasa ny zony hifidy”;
  1. Ka ny hany fiatahana azo atao dia mikasika ny kandida afaka mifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato nosafidiany aminà fifidianana Filohan’ny Repoblika, ny delege sy mpanaramaso eto an-toerana izay afaka mandatsa-bato amin’ny birao nanomezana fahefana azy na koa sokajinà mpiasam-panjakana na olona manana baiko fanirahana (ordre de mission); koa araka izany, azo asiana tovana eo amin’ny lisitra fanaovan-tsonia ary marihina ao amin’ny fitanana an-tsoratra izany, fa tsy amin’ny lisi-pifidianana velively;
  1. Satria araka ny taratasy laharana 2901-18/CENI/SE/DEPSEF/SAJC, ny CENI dia manazava fa ny teny hoe “tovana” amin’ireo taratasiny dia amin’ny lisitra fanaovan-tsonia ihany no misy azy; fa lisi-pifidianana iray ihany no nampiasaina tamin’ny fihodinana voalohany sy faharoan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, araka izay hita ao amin’ny famaranana ny lisitra fanaovan-tsonia; fa ny tsy fahatakaran-javatra na savorovoro teo anivon’ny birao fandatsaham-bato no mety ho niteraka fahadisoana nahatonga ny tsy fitoviana;
  1. Fa ny tovana dia voazava tamin’ny fisian’ny mpanaramaso, kandida, mpiasam-panjakana mamita iraka, deleganà kandida sy mambranà birao fandatsaham-bato, izay nifidy taminà birao hafa noho ilay tokony hisy azy ireo; ka ny filazana ao amin’ny fitanana an-tsoratra fa nandatsa-bato izy ireo na ny fanovanana taratasy fanamarinana, araka ny voalazan’ny lalàna, dia mampanan-kery ireny tovana ireny;
  1. Noho izany, lavina ny fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana manerana ny distrikan’Ambalavao Faritra Matsiatra Ambony, distrikan’I Fianarantsoa Faritra Matsiatra Ambony, distrikan’Analalava Faritra Sofia, distrikan’I Maintirano, distrikan’I Sambava Faritra Sava, distrikan’I Betroka Faritra Anosy, distrikan’Ambovombe Androy Faritra Androy, distrikan’Antsohihy Faritra Sofia, distrikan’Antsalova Faritra Melaky, distrikan’I Fenoarivo Atsinanana, distrikan’Ifanadiana, birao fandatsahambato laharana 630 514 150 101 Fokontany tonga Maroara kaominina Maroara distrikan’I Betioky Atsimo, birao fandatsaham-bato laharana 630 513 050 101 Fokontany Fenoandalana kaominina Fenoandalana distrikan’I Betioky Atsimo, distrikan’I Befandriana Avaratra, distrikan’I Mitsinjo, distrikan’I Betioky Atsimo, distrikan’I Maroantsetra, distrikan’Amboasary Atsimo, distrikan’I Brickaville, distrikan’Ivohibe; dia toy izany koa ny amin’ireo fitoriana rehetra mtovy karazana amin’ity;

Ny amin’ny tsy fitovian’ny isan’ny bileta sy ny isan’ny nandatsa-bato 

  1. Satria ny isan’ny bileta sy ny isan’ny nandatsa-bato dia tsy mitovy; fa izany fanamarihana izany dia tsy voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratry ny Fitsarana Avo; koa heverina ho fahadisoana teo amin’ny fanoratana izany fa tsy zvatra tsy ara-dalàna akory;

Ny amin’ny fampiasana feutre marqueur

  1. Satria nandritra ny fampitahana ampahany nataon’ireo solontenan’ny kandida laharana faha 25 teny amin’ny CENI, hita fa nisy feutres marqueurs nampiasaina hanasiana marika ny bileta tokana; fa milaza ny mpanao fitoriana fa izany fomba fanao izany dia tsy mifanaraka amin’ny fepetra voalazan’ny andininy faha 21 amin’ny didim-panjakana laharana faha 2018-1615 tamin’ny 30 novambra 2018 amerana ny fombafomba hitantanana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, izay mametra fa “ny mpifidy dia maneho ny safidiny eo amin’ny bileta tokana amin’ny fanoratana ny marika “X” amin’ny alàlan’ny stylo tsotra manga, na fametahana ny lavotondron’ny fanondrony iray eo amin’ny toerana natokana ho amin’izany”; fa ny porofon’ny fampiasana feutre marqueur dia narotsaka ao amin’ny fehezan-taratasin’ady; fa ny mpanao fitoriana dia manamafy fa ny fankatoavana ny fomba ivelan’izay voalazan’ny lalàna dia manamafy ny tsy maha ara-dalàna ny raharaham-pifidianana tao amin’ny distrika izay angatahana fanafoanana;
  1. Satria io fepetra voalazan’ny didim-panjakana laharana faha 2018-1615 io dia manazava ny fepetra voalazan’ny andininy faha 156 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fepetra ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka; ary ankoatra izany, ny lalàna dia mangina amin’izay vokatry ny tsy fanarahana io fepetra io; koa tokony heverina ho iray amin’ireo fomba maro entina iarovana ny latsabato izany fa tsy fombafomba tsy maintsy arahana; ka ny zavatra hafa amin’ny paikady tokony arahana, toy ny sonia andamosin’ny bileta, ny fombafomba fanamarinana sy fanidina ny vata fandatsahambato, ny fampitahana ny lisi-pifidianana amin’ny karatry ny mpifidy sy ny karapanondro, ny fanaovana fitanana an-tsoratra, ireo rehetra ireo dia miara-miasa mba hisorohana ny tsy fahamarinana;
  1. Satria, ankoatra izany, ny fampiasana karazana stylo hafa dia tsy voatery ho haratsiam-panahy fa mety hisy antony hafa: tsy fahatakaran-javatra, ny stylo-ny ihany no nampiasain’ilay mpifidy, very ny stylo na tsy nanoratra teo anivon’ny birao ; ary araka ny taratasy laharana 2901-18/CENI/SE/DEPSEF/SAJC nataon’ny CENI, nisy feutres marqueurs nalefa niaraka tamin’ireo fitaovana momba ny fifidianana, mba hanoratana ny mombamomba ny birao fandatsaham-bato eo amin’ny valopy tsy azo tohinina; ka na dia teo aza ny fampianarana natao, dia nisy ny fahadisoana ka lasa ny marqueur indray no nanamarihana ny bileta, ary hitan’ny CENI tokoa izany raha nanao ny fanamarinana ny bileta nampiasaina tamin’ny latsabato ry zareo;
  1. Satria nandritra ny fanamarinana ny taratasin-datsabato, ny Fitsarana etoana dia nahatsapa fa ny fampiasana feutre marqueur na fomba hafa toy ny fitomboka nentin’ny mpifidy naneho ny safidiny, dia nety tamin’ny andaniny sy ny ankilany; noho izany, ny fampiasana marqueur ankoatra ny stylo tsotra manga dia tsy afaka hanafoanana ny raharaham-pifidianana raha tsy hoe angaha tena voaporofo marina ny fampiasana azy hanaovana hosoka; fa amin’ity raharaha ity, tsy mirona amin’izany ireo singan-taratasy nentina hanoanana ny fitakiana; koa tsy azo ekena ny fanafoanana ny raharaham-pifidianana;
  1. Noho izany, lavina ny fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana manerana ny distrikan’Antsohihy Faritra Sofia,i Bealanana Faritra Sofia, distrikan’Antsalova Faritra Melaky, distrikan’Analalava Faritra Sofia, distrikan’i Maintirano, distrikan’i Sambava Faritra Sava, distrikan’i Betroka Faritra Anosy, distrikan’Ambovombe Androy Faritra Androy, distrikan’I Fenoarivo Atsinanana, distrikan’I Morondava, distrikan’I Taolanaro; dia lavina toy izany koa ireo fitoriana rehetra mitovy amin’ity;

Ny amin’ny fiverimberenana sonia  

  1. Satria ny kandida Marc RAVALOMANANA dia mangataka ny hanafoanana ny vokatra tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 220 312 100 101 Antanandava kaominina Anjialava distrika Sambava, noho ny kopian’ny fitanana an-tsoratra nanaovana fampitahana teny amin’ny CENI mampiseho fa misy Sonia MT miverina inefatra; fa taorian’ny fanadihadiana dia marina ilay izy; nefa ny fisian’ireo sonia efatra mitovy ireo dia tsy antony matomboka hanafoanana ny vokatra tao amin’ny birao fandatsaham-bato manontolo; noho izany, fanitsiana ny vokatra fotsiny no natao; 

Ny amin’ny fampitahana amin’ny ampahany 

  1. Satria ny mpanao fitoriana dia mampisongadina fa ilaina ny mampitaha ireo taratasim-pifidianana isan-karazany; fa ny Fitsarana Avo dia efa nanao fanaraha-maso manontolo sy mandeha tsy voizina ireo antontan-taratasy nampitaina taminy, mba ho fitsinjovana ny safidin’ny mpifidy; ka tsy misy tsy fitoviana miharihary na mampiahiahy, maneho fa misy ny zavatra mety hanimba ny fahamarinan’ny latsabato; koa noho izany, tsy maintsy ahilika ny anton-javatra mahakasika ny ahiahy amin’ny fisian’ny hosoka na fanovàna ny hevitry ny latsabato;

Ny fitondràna porofo amin’ny raharaham-pifidianana

  1. Satria, amin’ny ankapobeny, dia ekena eo amin’ny lalàna mikasika fifidianana, fa ny latsabato, mandra-pisian’ny porofo mifandaka amin’izany, dia heverina fa manan-kery, ka ny filazana fotsiny zavatra hanafoanana azy dia tsy ampiova na inona na inona; koa anjaran’ny mpanao fitoriana ny manaporofo fa nisy ny fandikan-dalàna; fa raha tsy afaka mitondra porofo izy ka mamadika ho tena zavamisy tokoa ny ahiahy apetrany momba ny fananan’ny latsabato hery, dia voatery ho lavin’ny Fitsarana etoana ny fitoriana; ary ankoatra izany, tsy maintsy porofoin’ny mpitory fa misy fiantraikany amin’ny vokatry ny latsabato izany fandikan-dalàna izany;
  2. Noho izany, tsy mitombina ny fitoriana raha tsy misy porofo ampiarahana aminy (fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 320 424 100 101 Tanisoa kaominina Tsialofana, Vangaindrano sy manerana ny distrikan’i Vangaindrano, fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 630 511 160 101 Tsiborake Fokontanin’i Tsiborake kaominina sy distrikan’i Betioky Atsimo Faritra Atsimo Andrefana, fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana530 304 080 201 Fokontany Andrara EPP efitra 1 Ambodinonoka, fitoriana ho fanafoanana ny birao fandatsaham-baro laharana 110 607 060 101 Fokontany Andrononobe kaominina Ankadikely Ilafy distrikan’Antananarivo Avaradrano, ny fari-piadidian’ny distrikan’ Antananarivo Avaradrano, fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALAOMANANA hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 630 702 100 101  Fokontany Sarondrano Amboronabo Sakaraha, distrikan’I Sakaraha, birao fandatsaham-bato Fokontany Ambohibary Antanimena efitra faharoa Antananarivo III, fitoriana nataon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA hanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato Fokontany Antanimena efitra 13  Antananarivo III; dia tsy mitombina araka  izany koa ireo fitoriana rehetra mitovy amin’ity;
  1. Fa ny fitoriana koa dia tsy maintsy lazaina fa tsy mitombina raha vao tsy ampy ny porofo ( fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA ho fanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsahambato Magnaly laharana 620101 118 101 – Fokontany Erombazy laharana 620 101 114 101 – Fokontany Ianakafy Maroroke laharana 620 101 150 102 – Fokontany Ianakafy laharana 620 101 150 101 – Fokontany Bevalala DP laharana 620 101 110 101 – Fokontany Anarabajy laharana 620 101 010 101 – Fokontany SPSM laharana 620 101 210101 – Fokontany Berano Gallois laharana 620 101 100 101 – Fokontany Ankara Morafeno laharana 620 101 270 102 – Fokontany Bevala Gallois laharana 620 101 120 101 – Fokontany Morafeno laharana 620 101 190 102 – distrikan’Amboasary Atsimo Faritra Atsimo Andrefana- fokontany Marosavoa Ambony kaominina Soaserana distrika Betioky Atsimo Faritra Atsimo Andrefana – fitoriana mangataka ny hanamarinana ny maha ara-dalàna ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 630 505 060 101 biraom-pokontany Tonga Fokontanin’I tonga kaominina Ankilizato distrika Betioky Atsimo Faritra Atsimo Andrefana – fitoriana ho fanafoanana ny vokatry ny birao fandatsaham-bato laharana 630 524 070 101 EPP Fenoarivo Fokontany Fenoarivo I kaominina Tanambao Andrefana distrika Betioky Atsimo sy laharana 630 504 020 101 Betioky Atsimo    Fokontany Amparihy kaominina Ankazombalala distrika Betioky Atsimo Faritra Atsimo Andrefana – fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana manerana ny distikan’Iakora Faritra Ihorombe- fitoriana ho fanafoanana ny raharam-pifidianana manerana ny distrikan’I Nosy Varika Faritra Vatovavy Fitovinany, distrikan’I Vohipoeno Faritra Vatovavy Fitovinany, distrikan’I Mahanoro, Toamasina II, Antananarivo I, Mandritsara Faritra Sofia- fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA hanafoanana ny vato Azon’ny kandida RAJOELINA Andry Nirina manerana ny distrikan’I Vohipeno, Farafangana, Ambovombe Androy- fitoriana nataon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 110 901 040 105 CEG Antanimena efitra 16 Fokontany Tsaramasay distrikan’Antananarivo III – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA manerana ny distrikan’ Vangaindrano Faritra Atsimo Atsinanana – fitoriana nataon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA mba tsy handraisana ny fijoroana vavolombelona nataon’ ny delegen’ny kandida Marc RAVALOMANANA – fitoriana nantaon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA hanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandantsaham-bato Fokontany Ampanomahitsy efitra voalohany Ambohitrimanjaka Ambohidratrimo Analamanga, tao amin’ny fokontany Mandoa, Betafo, Vakinankaratra, tao amin’ny Fokontany Ambalavato Antsirabe I Vakinankaratra, tao amin’ny Fokontany Miadana efitrano voalohany Miarinarivo Itasy, tao amin’ny Fokontany Ankazotokana Atsimo efitra voalohany Manjakandriana Analamanga, tao Sahanivotry efitrano faharoa Manandona Antsirabe II, tao amin’ny Fokontany Antsapanimahazo Antsirabe II Vakinankaratra- fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida RAJOELINA Andry Nirina manerana ny distrikan’I Vohipeno, Farafangana, Ambovombe Androy – fitoriana nataon’Atoa Jules Prosper RAKOTO sy ny namany, mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny fari-pifidianana nisy azy ireo –fitoriana nataon’ny mpanaramaso eto antoerana antsoina hoe Mouvement Rohy sy FTMT hanafoanana ny raharaham-pifidianana taminà toerana miisa 12; tsy mitombina toy izany koa  ireo fitoriana hafa rehetra mitovy amin’ity;

Ny amin’ny fitanana an-tsoratra ampiasaina ho porofo

  1. Satria ny andininy faha 180 andàlana voalohany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 dia milaza fa “Atao sosona maromaro ny fitanana an-tsoratra arakaraka ireo izay handefasana azy, ary mitovy lanja amin’ny matoany izany”; ary ny andàlana faharoa amin’io lalàna io ihany dia manampy hoe: “Amin’ny tranga rehetra, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana na ny rantsa-mangaikany eny anivon’ny faritra, ny Fitsarana mahefa ary ny delege manatrika sy izay nandray anjara tamin’ny raharaha fanisam-bato dia andefana ny sosona iray amin’ny fitanana an-tsoratra”;

58.Satria, araka ny andininy faha 204 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, dia azo ampiarahana amin’ny fitoriana ny taratasy notoavina na ara-panjakana; ka ny fitanana an-tsoratra manora-tena, izay mitovy lanja amin’ny matoany, dia isan’ireo taratasy notoavina na ara-panjakana aminà raharaham-pifidianana; fa ny kandida dia heverina ho manana delege isaky ny birao fandatsaham-bato ka mahazo ny fitanana an-tsoratra voatokana ho an’ny delege; fa ireo fitanana an-tsoratra manora-tena fa tsy kopian’ny fitanana antsoratra dia azo atao porofo;

  1. Koa, ny fitoriana miantehitra aminà kopianà fitanana an-tsoratra dia tsy mitombina; noho izany, tsy mitombina ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana manerana ny distrikan’i Farafangana, ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 110 501 050 101 ao amin’ny Fokontanin’i Mahazoarivo Antananarivo; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny distrikan’Antananarivo II; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny distrikan’I Brickaville; ny fitoriana ho fanafoaana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny distrikan’I Maintirano faritra Melaky; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny distrikan’Ivohibe faritra Ihorombe; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 630 0570201 EPP Ambahy Fokontany Ranovy-Ambatra Betioky Atsimo; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 630 514 200 101 ao Vohitsevo Ambony kaominin’i Lazarivo Betioky Atsimo; ny fitoriana ho fanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 620 109 120 101 EPP Vohipaly kaominina Maromby Amboasary Atsimo; ny fitoriana ho fanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 440 401 100 101 EPP Betsimboraka Ambararata Befandriana Avaratra; ny fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 620 327 160 201 CEG Tolagnaro Fokontany Tanambao kaominin’i Tolagnaro; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 320 420 170 101 EPP Anakava kaominina Matagna Vangaindrano; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana manerana ny distrikan’Amboasary Atsimo; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 630 920 050 102 EPP Befanamy kaominina Mitsinjo Betanimena Tuléar; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 350 424 030 101 Vohitrendry kaominina Namorona distrikan’i Mananjary; ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana manerana ny distrikan’i Brickaville faritra Atsinanana, izay napetraky ny kandida Marc RAVALOMANANA; ny fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato laharana 520 314 110 101 Fokontany Mainimbato Manambolo Maroantsetra, laharana 220 327 050 101 Fokontany Bemanarana Andapa, laharana 630 518 010 101 fokontany Ambatokapike Betioky Atsimo Atsimo Andrefana; tsy mitombina toy izany koa izay fitoriana rehetra mitovy amin’ireo;
  2. Satria ny andininy faha 177 andàlana faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 dia milaza fa “Marihina ao anatin’ny fitanana an-tsoratra ny ora nisokafan’ny latsabato sy ny ora izay nanambarana fa nifarana izy io, ny fanatontosana izay fombafomba samihafa voadidin’ny lalàna ary izay rehetra zava-niseho nandritra ny raharaham-pifidianana”; koa ny fitakiana ataon’ny mpifidy na ny delegen’ny kandida na mpanaramaso sy ny fanapahana amin’antony noraisin’ny birao momba ny zavatra isan-karazany mety ho nitranga nandritra ny raharaham-pifidianana, dia soratana ao amin’ny fitanana an-tsoratra; ary raha ny tena izy, dia tena zava-dehibe tokoa ny fanoratana ny fanamarihana sy ny fanoherana ao amin’ny fitanana an-tsoratra; fa izany dia ahazoana ny mpitsara maharay fanoherana, mandanjalanja raha nisy tokoa ny tsy fetezan-javatra lazain’ny mpitory; koa azony lavina ny fangatahan’ny mpitory rehefa hitany fa tsy misy fanamarihana ao amin’ny fitanana an-tsoratra mahakasika ny zavatra tsy mety lazaina (jereo fanapahan’ny Conseil constitutionnel frantsay, 89-1130 AN, 7 novambra 1989, AN Gironde, 3è circonscription); koa ekena ny fitanana an-tsoratra mandra-pisian’izay mifanohitra amin’izany;
  1. Noho izany, lavina ireto fitoriana ireto: fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 110 501 050 101 CEG Ambohimiandra Fokontany Mahazoarivo kaominina Antananarivo Renivohitra distrikan’Antananarivo II – fitoriana mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana manerana ny distrikan’I Befandriana Avaratra Faritra Sofia – fitoriana mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana manerana ny distrikan’Antananarivo II – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA tao amin’ny fari-pifidianan’ny distrikan’i Vangaindrano Faritra Atsimo Atsinanana – fitoriana mangataka ny hanafoanana ny vokatry ny birao fandatsaham-bato laharana 320 419 030 101 EPP Behovitsy Masianaka Vangaindrano – fitoriana nataon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Laobatomanga Fokontany Laobatomanga kaominina Alakamisy Marososona distrikan’I Betafo Faritra Vakinankaratra – fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tamin’ireo birao fandatsaham-bato Fokontany Betaliny, crèche Ampasy, Nampahana Tolagnaro, Fokontany Ambavala EPP Ambavala efitra voalohany, Mananara Avaratra, Fokontany Ambatovory EPP Ambatovory Fianarantsoa, Fokontany Ampondrabe Mangindrano, Fokontany Andranonjanahary Ambalatany Ivongo Ivohibe, Fokontany Belafika Soalala laharana 420 603 040 101, Fokontany  Ambatomenavana Lycée Tsiaroso Ambanja laharana 210 103 130 101; lavina toy izany koa izay fitoriana rehetra mitovy amin’ireo;
  1. Satria araka ny fenitra hita ao amin’ny andàlana faha 58 amin’ity didim-pitsarana ity, raha tatitra tsotra ataonà vadintany dia tsy mahasolo ny matoan’ny fitanana an-tsoratra; noho izany, lavina ireto fitoriana ireto: fitoriana nataon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMAANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato Manendy efitra voalohany fokontany Manendy kaominina Anjamanga distrika Antanifotsy Faritra Vakinankaratra – fitoriana mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Ambohitrombala efitra voalohany kaominina Miadanandriana distrika Manjakandriana Faritra Analamanga – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Ambatofisaorana efitra voalohany Fokontany Ambatofisaorana kaominina Sadabe distrika Manjakandriana Faritra Analamanga – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Antokomaro Fokontany Antokomaro kaominina Ambohimasina distrika Betafo – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Ambalatokana Fokontany Alatsinainy Kely kaominina Alatsinainy Kely distrika Miarinarivo Faritra Itasy – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato Antokomaro kaominina Ambohimasina distrika Betafo – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Ambatofisaorana efitra voalohany Fokontany Ambatofisaorana kaominina Sadabe distrika Manjakandriana Faritra Analamanga – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Ambohitrombala efitra voalohany kaomina Miadanandriana distrika Manjakandriana Faritra Analamanga – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Manendy efitra voalohany Fokontany Manendy kaomina Anjamanga distrika Antanifotsy Faritra Vakinankaratra – fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Ambalatokana Fokontany Alatsinainy kely kaomina Altsinainy Kely distrika Miarinarivo Faritra Itasy – fitoriana nataon’ny kandida RAVALOMANANA Marc ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato Fokontany Betaliny, crèche Ampasy Nampahana Tolagnaro, Fokontany Ambavala EPP Ambavala efitra voalohany Mananara Avaratra, Fokontany Ambatovory EPP Ambatovory Fianarantsoa, Fokontany Ampoandrabe Mangindrano, Fokontany Andranonjanahary Ambalatany Ivongo Ivohibe, Fokontany Belafika Soalala laharana 420 603 040 101, Fokontany Ambatomenavana Lycée Tsiaroso Ambanja laharana 210 103 130 101; lavina toy izany koa izay fitoriana rehetra mitovy amin’ireo;

Ny amin’ny fividianana ny vaton’ny mpifidy

  1. Satria ny mpanao lalàna dia milaza fa ny fividianana ny vaton’ny mpifidy dia mitovy amin’ny heloka manakantsakana ny fahafahana sy ny fahamarinan’ny fifidianana sy ny latsabato; ary ny andininy faha 233 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka, dia milaza fa “Izay rehetra mivarotra na izay rehetra mividy vato amin’ny fifidianana dia dia hohelohina tsirairay avy amin’ny lamandy avo roa heny amin’ny vidin’ny zavatra noraisiny na nampanantenainy. Ankoatra izany, izay rehetra olona ka nividy na nivarotra vato iray, tamin’ny fisian’ny fifidianana na fitsapa-kevi-bahoaka, na ohatrinona na ohatrinona vidiny, dia verezin-jo tsy hizaka ny zo isam-batan’olona ananany no sady ambara fa tsy mahazo misahana asam-panjakana na raràna tsy hanao asa momba ny fifidianana mandritra ny dimy (5) ka hatramin’ny folo (10) taona”;
  2. Satria ny kandida Marc RAVALOMANANA dia miresaka ny tranga fividianana vaton’ny mpifidy ary mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 630 514 150 101 Fokontany Tonga Maroara kaominina Maroara distrikan’I Betioky Atsimo;
  1. Satria ny fividianana vato dia porofoina amin’ny fijoroana vavolombelona na taratasy mitovy lanja amin’ny tapakila na taratasy hafa maharesy lahatra; fa tsy misy taratasy toy izany natovana ny fitoriana; koa, noho izany, ny fitorohana fa nisy ny fividianana vato dia tsy misy fototra ifaharany;
  1. Koa lavina fa tsy mitombina, araka izany, ny fitoriana tamin’ny 29 desambra 2018 nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA, manana an’I Maître ANDRIAMADISON Hasina ho mpiaro ny tombontsoany, ho fanafoanana ny voka-pifidianana manerana ny distrikan’I Vangaindrano Faritra Atsimo Atsinanana; lavina toy izany koa izay fitoriana rehetra mitovy amin’ity;

Ny amin’ny fitarihana ny olona hifidy ny ankatoka sy ny andron’ny fifidianana

  1. Satria ny andàlana farany amin’ny andininy faha 56-n’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia milaza fa “Ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana sy fitsapa-kevi-bahoaka ôfisialy dia mifarana amin’ny tranga rehetra, efatra amby roapolo (24) ora mialoha ny andro anaovana ny fifidianana. Ny asa aman-draharaha rehetra momba ny fampielezan-kevitra dia raràna aorian’ny fikatonan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana”;
  1. Ary ny andininy faha 59 amin’io lalàna io ihany dia manapaka fa “Alohan’ny andro sy amin’ny andro anaovana ny latsabato, tsy misy olona, tsy misy mpilatsa-kofidina, na ny solontenany, na ny komity mpanohana azy na dia iray aza afaka manao fanambarana ampahibemaso ho an’ny na manohitra mpilatsa-kofidina iray, lisitry ny mpilatsa-kofidina na safidy, na amin’ny endriny sy akalana manao ahoana na manao ahoana, na dia eo aza ny sazy voalazan’ny andininy faha 227 amin’ity lalàna fehizoro ity”; ary ny andininy faha 96 amin’io lalàna io ihany dia manampy fa “Mialohan’ny anaovana ny latsabato amin’ny misasakalina, izay ahitana ny fiafaran’ny fe-potoana ara-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana, dia voarara ny fizarana na manao fizarana ny taratasin-datsabato, tenimita ary tahirin-kevitra hafa; famoahana na manao famoahana amin’ny alalan’ny fitaovana rehetra momba ny serasera ho an’ny besinimaro na amin’ny alalan’ny elekronika; fanaovana fiantsoana an-tariby mandeha ho azy mifanesisesy ny mpifidy mba hampirisihana hifidy ho an’ny mpilatsa-kofidina”;
  1. Satria tsy misy fijoroana vavolombelona na taratasy notoavina na ara-panjakana milaza ny fisian’ireo zavatra tsy ara-dalàna voatanisa etsy ambony ireo; tsy misy taratasy maha resy lahatra manohana ny antony lazaina ao amin’ny fitoriana; koa, noho izany, ny anton-javatra mahakasika ny tsy fanajana ny fahanginana mialohan’ny andron’ny latsabato dia tsy misy porofo; noho izany, lazaina fa tsy mitombina ny fitoriana nataon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA mikasika ny CEG Antanimena efitra faha 14 Fokontany Antanimena distrikan’Antananarivo III; lavina toy izany koa izay fitoriana rehetra mitovy amin’ity;

Ny amin’ny fitarihana ny olona hifidy ny kandida Marc Ravalomanana ny andron’ny fifidianana 19 desambra 2018

  1. Satria ny andininy faha 35 amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia milaza fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (…) no manafoana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato voakasik’izany raha voaporofo fa ny zava-mitranga na ny raharaha  toherina dia nampivaona ny fandatsaham-bato amin’ny hitsiny sy nanova ny hevitra nokendren’ny mpifidy (…)”; ary ankoatra izany, ny andininy faha 65 andàlana faha 2 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana Filohan’ny Repoblika dia milaza fa ny Fitsarana etoana “irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra”;
  1. Satria ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia milaza ao amin’ny andininy faha 204 fa “(…)tsy maintsy ampiarahana amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana; ka ireo singan-taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika an-tsoratra, izany dia mety ho mahaleotena na iombonana (…)”; ary ny andininy faha 204 andàlana farany dia manamafy fa “ Masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ireo singan-taratasy novokarina ho porofo ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana  na ny Fitsarana momba ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana”;
  1. Satria nisy fitoriana napetraky ny kandida Andry Nirina RAJOELINA, mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana taminà birao fandatsaham-bato noho ny komity mpanohana sy mpomba ny kandida Marc RAVALOMANANA, nandritra ny fifidianana tamin’ny 19 desambra 2018, nitarika ny mpifidy handatsa-bato ho an’io kandida io; fa raha ny isany, tsy voamarina fa nisy fiantraikany mivantana tamin’ny voka-pifidianana izany, koa tsy voatohintohina izany ny fahamarinan’ny latsabato; 
  1. Noho izany, ambara fa tsy mitombina ny fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 130 115 040 101 Fokontany Miakadaza kaomina Imerintsiatosika, tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Mahatsara efitra voalohany kaomina Ambohitrandriamanitra distrika Manjakandriana Faritra Analamanga, tao amin’ny birao fandatsaham-bato Belanitra kaominina Ampanotokana distrika Ambohidratrimo Faritra Analamanga, tao amin’ny birao fandatsaham-bato CEG Antanimena efitra 14 Antananarivo III, tao amin’ny birao laharana 110 901 080 101 Fokontany Ambohibary Antanimena distrikan’Antananarivo III, birao fandatsaham-bato Ambohimilemaka Fokontany Ambohimilemaka kaominina Mahitsy distrikan’Ambohidratrimo, birao fandatsaham-bato CSB 1 Antrafonomby efitra faharoa Fokontany Antrafonomby kaominina Ambohibary distrikan’Antsirabe II, birao fandatsaham-bato EPP Ankazoabo efitra voalohany Fokontany Ankazoabo kaominina Ambatomiady distrikan’Antanifotsy, birao fandatsaham-bato EPP Maromanana efitra fahatelo Fokontany Alakamisy kaominina Alakamisy distrikan’Antsirabe II, birao fandatsaham-bato EPP Ambalatokana kaominina Alatsinainikely Miarinarivo, EPP Manendy efitra voalohany kaominina Anjamanga distrika Antanifotsy Faritra Vakinankaratra, EPP Ambohitrombalahy efitra voalohany kaominina Miadanandriana distrika Manjakandriana Faritra Analamanga, EPP Ambatofisaorana kaominina Sadabe distrika Manjakandriana, distrikan’I Vangaindrano Faritra Atsimo Atsinanana, EPP Antokomaro kaominina Ambohimasina distrikan’I Betafo Faritra Vakinankaratra, EPP Ambohitsitakatra kaominina Ambohimanjaka distrika Miarinarivo Faritra Itasy, EPP Antseza efitra voalohany kaominina Miadanandriana distrika Manjakandriana Faritra Analamanga, Toby Secaline Bemalaza Atsimo Fokontany Fierenana kaominina Mahitsy Ambohidratrimo, EPP Ankerana efitra voalohany Mangarano Antsirabe II Faritra Vakinankaratra, ny fitorian’ny kandida Marc RAVALOMANANA ho fanafoanana ny vokatra manerana ny distrikan’I Mahajanga I Faritra Boeny; Tsy mitombina toy izany koa izay fitoriana rehetra mitovy amin’ireo;
  1. Satria anefa, ny andininy faha 227 amin’io lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 io ihany dia milaza fa “na iza na iza manao fanambarana eo imasom-bahoaka ho an’ny na manohitra ny mpilatsa-kofidina, ny lisitry ny mpilatsa-kofidina na ny fisafidianana ny andro mialoha sy ny andro anaovana ny latsabato, dia saziana amin’ny lamandy 2 000 000 Ar ka hatramin’ny 5 000 000 Ar”;

Ny amin’ny firafitry ny biraom-pifidianana 

  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 24 desambra 2018, ny kandida RAVALOMANANA Marc dia mangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanafoana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 640 108 250 101 Lycée Avaradrova fokontany Soatsioky kaominina sy distrikan’i Belo/Tsiribihina, birao fandatsaham-bato laharana 110 605 120 102 Fokontany Ambodivoanjo kaominina Ambohimangakely distrikan’Avaradrano, laharana 640 102 070  101 Fokontany Bevava Soahazo kaominina Amboalimena distrika Belo/Tsiribihina, laharana 430 503 030 101 Fokontany Ambodiriana kaomina Morafenobe distrika Morafenobe sy ny laharana 440 622 090 101 Fokontany Antsahamelokabe kaominina Kalandy distrika Mandritsara;
  1. Satria ny mpitory dia niantehitra tamin’ny andininy faha 127 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka izay milaza fa “Ny biraom-pifidianana dia misy mpikambana dimy: ny filoha, ny filoha lefitra, mpitsara mpanampy roa ary sekretera iray”; ka tamin’io birao fandatsaham-bato voalaza io, dia tsy ampy iray ny mpikambana (misy sari-tsoratra narotsaka anamafisana izany);
  1. Satria anefa, ny tsy fisianà mpikambana iray na roa ao amin’ny biraom-pifidianana dia tsy antony velively ahasakana ny izoran’ny latsabato tsara; ary mazava ny lazain’ny andininy faha 130 andàlana farany amin’ny lalàna laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka: “Na inona na inona zava-miseho, dia tsy maintsy misy mpikambana telo (3) farafahakeliny ao amin’ny birao tokony ho hita ao amin’ny birao fandatsaham-bato mandritra ny latsabato”; koa noho izany, tsy mitombina ny fitoriana;

Ny amin’ny fampiasana lavotondro tokana amin’ny lisi-pifidianana manontolo 

  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 22 desambra 2018, voaray tao amin’ny firaketantsoratry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, Atoa RAKOTOTSIMBA Jacques Alfred, monina ao Atsimotsena kaominin’i Belo/Tsiribihina, solontenan’ny kandida Marc RAVALOMANANA araka ny fanomezam-pahefana tamin’ny 12 desambra 2018, dia mangataka ny hanafoanana ny vokatry ny fifidianana tao amin’ny birao fandatsahambato Magnaritoka kaominin’Amboalimena, noho ny fisianà lavotondro miisa zato raha kely indrindra, nataon’olona iray tamin’ny lisi-pifidianana;
  1. Satria araka ny andàlana faha 2 hatramin’ny faha 5- n’ny andininy faha 204 amin’ny lalàna laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka, “Tsy maintsy ampiarahana amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra hanaporofoana ny antony amaharana. Ireo taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika an-tsoratra, izany dia mety ho mahaleotena na iombonana. Ny fanambarana mahaleotena dia soniavin’ny vavolombelona roa (2) na maromaro nanatrika, miaraka amin’ny filazana ny anaran’izy ireo. Ireo singan-taratasy ireo dia afaka tohanana amin’ny fomba rehetra na akalana izay heverin’ny mpitory fa ilaina. Masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ireo singan-taratasy novokarina ho porofo ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (…)”;
  1. Satria ho fampiarana ireo fepetra ireo, anjaran’ny mpanao fitoriana ny mitondra porofon’ny zavatra lazainy ary masi-mandidy ny Fitsarana etoana handanjalanja ny porofo nentina; ny zavatra lazain’ny mpanao fitoriana dia tsy misy fanamarinana na iray aza ahafahan’ny Fitsarana etoana mijery ny maha marim-pototra azy; koa noho ny tsy fisian’ny porofo, dia lavina ny fangatahana; koa lavina ny fangatahana fanafoanana ny vokatry ny fifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato ao Magnaritoka kaominin’Amboalimena distrikan’i Belo/Tsiribihina, tao amin’ny birao fandatsam-bato laharana 630 514 150 101 Fokontany Tonga Maroara kaominina Maroara distrika Betioky Atsimo, laharana 630 513 050 101 fokontany Fenoandalana kaominina Fenoandalana distrika Betioky Atsimo, laharana 630 503 020 101 Fokontany Ankady kaominina Ankazomanga Andrefana distrika Betioky Atsimo; 

Ny amin’ny fanakianana ny vato azon’ny kandida 

  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 27 desambra 2018, voaray ny androtr’io tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny kandida Marc RAVALOMANANA, monina ao Faravohitra Ambony lot A 7, Antananarivo, manana ny mpisolovava Maîtres ANDRIANJAKARIVONY Raobena, RAKOTONDRAVONY Miharisoa Tahiana, RANDRIANJAFINIONY & RANARIVELO, RAZAFIMAHEFA Franczesca, RALALASAHONDRA Sylvia, HERINAVALONA Haga ary RAKOTONIRINA Paul Noël, ho mpiaro ny tombontsoany, dia mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 620 301 070 101 EPP Marovotry Fokontanin’i Marovotry kaominin’Ambatoabo  distrikan’iTaolagnaro;
  1. Satria ny mpanao fitoriana dia milaza fa tsy mazava ny vato azon’ny kandida ary tsy voasoratra amin’ny tabilao tokony asiana azy; ka anohanany ny fitoriany, nampiarahany ny kopian’ny fitanana an-tsoratra natokana ho an’ny CENI; fa rehefa nodinihina ilay fitanana an-tsoratra, dia hita mazava tsara ny vato azon’ireo kandida ary tena voasoratra tsara mihitsy eo amin’ny tabilao natao ho amin’izany; ka ny kandida Andry Nirina RAJOELINA nahazo vato 108 ary ny kandida Marc RAVALOMANANA nahazo vato 23; ka izany dia tena mitovy tsara amin’ny vato voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra natokana ho an’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana; koa tsy mitombina izany ny fangatahana ka tsy maintsy lavina; 
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 22 desambra 2018, Atoa SALIMO RACHIDY, solontenan’ny MAPAR ao Soalala, dia mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA, noho Atoa NAKIBOU Djamaldine, mpiasam-panjakana, nampiasa moto-n’ny fanjakana anaovana fampielezan-kevitra ary mpikambana tao amin’ny birao fandatsaham-bato no delege sady solontenan’ny TIM; ary ny vadiny, na dia mpiasam-panjakana aza, dia nanao fampielezan-kevitra ho an’ny TIM; fa tsy nisy porofo an-taratasy sady maha resy lahatra nampiarahana tamin’ny fitoriana; koa noho izany, tsy maintsy lavina izany fa tsy misy porofo;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 29 desambra 2018, ny kandida Andry Nirina RAJOELINA dia mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Analakely (salles 1,2,3,4,5) kaominin’Antananarivo Ambonivohitra distrikan’Antananarivo I, faritra Analamanga, noho Rtoa Hanitra RAZAFIMANANTSOA niantsy mpifidy vitsivitsy sady nanakana azy ireo tsy hifidy ny andron’ny latsabato fa hoe misy tsy ara-dalàna ny karapanondron’izy ireo;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 29 desambra 2018, ny kandida Andry Nirina RAJOELINA dia mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny birao fandatsaham-bato Fokontany Antongombato Est kaominin’i Mahitsy distrikan’Ambohidratrimo faritra Analamanga, noho ny fitondran’olona badge misy ny lokon’io kandida io, manodidina ny birao fandatsaham-bato; fa izany zavatra izany dia tsy mandika ny lalàna momba ny fifidianana na antony miteraka fanafoanana ary tsy manohintohina ny fahamarinan’ny latsabato;

Ny amin’ny tsy fahampian’ny isan’ny mpanisa vato

  1. Satria ny mpanao fitoriana dia mitoroka ny fisian’ny mpanisa vato fotsiny tamin’ny fifidianana ny 19 desambra 2018;  fa araka ny andàlana voalohan’ny amin’ny andininy faha167-n’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-nahoaka, “Raha toa ireo delege ka tsy niroso tamin’ny fanendrena ireo mpanisa vato, dia ny birao no manendry amin’ny mpifidy manatrika eo, mpanisa vato ampy isa tsara, mahay mamaky teny sy manoratra izay mizara efatra (4) isaky ny latabatra farafahakeliny”;
  1. Satria ny isan’ny mpanisa vato takiana, raha jerena izay lazain’ny andinin-dalàna voatanisa etsy aloha, dia tsy voafaritra mazava; fa ny filohan’ny birao fandatsaham-bato dia tompon-teny amin’ny hoe “isa sahaza” mikasika ny mpanisa vato; ka io isa io koa dia miankina amin’ny isan’ny olona manatrika ny fanisana vato sy ny fahaizany mamaky teny sy manoratra; ary ankoatra izany, ny lalàna dia tsy maneho ny “isa sahaza” tsy azo ialàna, raha ny momba ny mpanisa vato ka ny tsy fanajana izany dia tsy mety hitarika fanafoanana ny raharaham-pifidianana; ary farany, ny fitanana an-tsoratra nalefa taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia milaza fa nizotra ara-dalàna ny latsabato; koa noho izany, tsy azo atao ny hanafoana ny raharaham-pifidianana tamin’ny 19 desambra 2018 tao amin’ny birao fandatsaham-bato Fokontany Antongombato Atsinanana kaominina Mahitsy distrikan’Ambohidratrimo Faritra Analamanga; tsy azo atao koa ny manafoana ny raharaham-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato laharana 430 503 030 101 Fokontany Ambodiriana kaominina sy distrikan’I Morafenobe, laharana 320 501 020 101 Fokontany Fenoaomby kaominina Ambohimana distrika Vondrozo,laharana 430 502 010 101 CEG Beravina Fokontany sy kaominina Beravina distrika Morafenobe, laharana 440 614 030 201 EPP Ankijanimena Fokontany Ambiabe kaominina Ankiakabe Fonoko distrika Mandritsara Faritra Sofia;

Ny amin’ny tsy fanoratana ny ora nifaranan’ny latsabato     

  1. Satria ny andininy faha 147 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia milaza fa “Ny latsabato dia misokatra amin’ny enina (6) ora maraina ary mikatona amin’ny dimy (5) ora hariva”; 
  1. Satria ny andininy faha 177 andàlana faha 2 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia milaza fa “Marihina anatin’ny fitanana an-tsoratra ny ora nisokafan’ny latsabato sy ny ora izay nanambarana fa nifarana izy io, ny fanatontosana izay fombafomba samihafa voadidin’ny lalàna sy izay rehetra zava-niseho nandritra ny raharaham-pifidianana”;
  1. Satria ny lalàna dia tsy milaza izay tokony atao raha tsy voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra ny ora ikatonan’ny latsabato; ary ny fanadihadiana nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ireo fitanana an-tsoratra isan-karazany dia nahitana fa ny tsy fisian’izany tamin’ny iray tamin’ireo fitanana an-tsoratra ireo dia noho ny fanadinoana; koa fantatra sady ara-dalàna ny ora nifaranan’ny raharaham-pifidianana; ka ny fanadinoana tamin’ny fitanana an-tsoratra tany amin’ny delege dia tsy milaza inona; tsapa ary fa nisy ny tsy fahafantarana ny andininy faha 147 voalaza etsy aloha fa tsy fanahy niniana akory;
  1. Koa noho izany, lavina ireo fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tamin’ny 24 desambra 2018, mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 640 208 030 101 Fokontany Mahabobe kaominina sy distrikan’i Mahabo, laharana 110 801 080 101 Ambohitsoa, laharana 640 505 110 101 EPP Centrale Fokontany Morondava Centre kaominin’I Morondava ambonivohitra, laharana 430 503 030 101 Fokontany Ambodiriana kaominina sy distrikan’I Morafenobe, laharana 320 501 020 101 Fokontany Fenoaomby kaominina Ambohimana distrika Vondrozo, ny birao fandatsaham-bato manerana ny distrikan’I Fianarantsoa I Faritra Matsiatra Ambony, manerana ny distrikan’I Farafangana;

Ny amin’ny tsy fisian’ny isan’ny vato manan-kery sy ny isan’ny vato maty sy fotsy ao amin’ny fitanana an-tsoratra 

  1. Satria araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, ny tsy fisian’ny isan’ny vato manan-kery sy ny isan’ny vato maty sy fotsy ao amin’ny fitanana an-tsoratra dia tsy antony mahafoana ny raharaham-pifidianana; fa izany fanadinoana izany dia tsy manohintohina ny fahamarinan’ny latsabato; ary ankoatra izany, ny Fitsarana etoana dia afaka nanao ny fanamarihana ilaina rehetra avy amin’ny alàlana ny taratasy fanisam-bato;
  1. Noho izany, tsy mitombina ny fangatahana hanafoanana miankina amin’io antony io; koa lazaina fa tsy mitombina ny fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaha-bato laharana 110 650 070 106 Mahatazana Manantenasoa kaomina Ambohimangakely distrika Antananarivo Avaradrano, tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 110 701 030 101 EPP Andavamamba Anjezika kaominina Antananarivo Renivohitra;
  1. Satria ny Fitsarana etoana , tanatin’ny fandinihana ny taratasim-pifidianana sy fitsarana ny fitoriana, dia nanamarina ny vato azon’ny ktsirairay, isaky ny birao fandatsaham-bato, arak’ireo fitanana an-tsoratra sy ny taratasy fanisam-bato tonga teo aminy, na araka ny antontan-taratasy avy amin’ny Sampana mpanisa vato;
  1. Satria araka ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 tamin’ny 11 jona 2018 mikasika ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra. Mandritra ny fanarahamaso ny fitanana an-tsoratry ny biraom-pifidianana sy ny sampana miandraikitra ny fanisam-bato, dia afaka mampaka-draharaha avy hatrany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na tsy misy fitarainana aza, raha toa ka heveriny fa misy fandikana ny fepe-dalàna na didy amam-pitsipika na antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”;
  1. Ka io fomba fanarahamaso ny isam-bato io dia ahazoan’ny Fitsarana manitsy ny fahadisoana tsy nahy hitany amin’ny taratasim-pifidianana (fitanana an-tsoratra, taratasy fanisam-bato) izay ampitaina aminy mandritra ny fanadihadiana; ary io fomba io koa dia ahafahan’ny Fitsarana manome valiny ny fitoriana ataon’ny mpitory; noho izany, ny antony lazaina mahakasika ny fanisana indray ny vato nataon’ny mpitory dia efa voavahan’io fomba fiasa io;           

Ny amin’ny bileta fotsy sy maty tsy nampiarahana tamin’ny fitanana an-tsoratra 

  1. Satria araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka, ao amin’ny andininy faha 173 andàlana faha 2 mikasika ny bileta fotsy sy maty, “Izany dia atovana amin’ny fitanana an-tsoratra sy tovanana ny sonian’ny mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato ary tsy maintsy misy ireo filazana ny antony nanovanana azy ireo”;
  1. Satria ny andininy faha 175 amin’io lalàna voalaza io dia mandidy fa “Raha tsy vita ny fampiarahana ireo singan-taratasy voalaza eo amin’ny andininy faha 173 sy faha 174 amin’ity lalàna fehizoro ity, izany toe-javatra izany dia mitarika ny fanafoanana ny raharaham-pifidianana raha voamarina tokoa fa nanohintohina ny fahamarinan’ny latsabato izay zava-kinendry tamin’izany”;
  1. Satria ny fitanana an-tsoratra dia tsy nahitana filazana fa hoe nisy bileta fotsy sy maty tsy natovana; ary ny mpanao fitoriana dia tsy nampiaraka tamin’ny fangatahana nataony, na fijoroana vavolombelona na taratasy notoavina anamafisany izay lazainy; koa noho izany, ny tsy fisian’ny porofo dia manery ny Fitsarana Avo hilaza fa tsy mitombina ny tsy fanatovanana bileta fotsy sy maty; koa lavina ny fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA tao amin’ny distrikan’Ifanadiana mahakasika ny birao fandatsaham-bato laharana 520 304 010 101 EPP Anandrivola Fokontany sy kaominina Anandrivola distrika Maroantsetra; ary lavina koa ny fitoriana hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 303 707 030 101 EPP Amindrabe Fokontany Amindrabe kaominina Androy distrikan’I Lalangina Faritra Matsiatra Ambony, laharana 620 327 160 202 CEG efitra faha 4 Fokontany Tanambao kaominina sy distrika Taolagnaro;

Ny amin’ny famelomana  bileta maty 

  1. Satria nisy bileta maty novelomina ary nisy bileta tsy nampiasaina nanjavona; fa andraikitry ny mpitory ny mitondra ny porofo ny amin’izany; fa tsy nampiarahana ny taratasy ahazoana manamarina izany fanambarana izany;
  1. Satria ankoatra izany, ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 dia milaza fa “Mandritra ny fanarahamaso ny fitanana an-tsoratry ny biraom-pifidianana sy ny sampana miandraikitra ny fanisam-bato, dia afaka mampaka-draharaha avy hatrany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana noho ny tsy fisian’ny fitarainana, raha toa ka heveriny fa misy fandikana ny fepe-dalàna na didy amam-pitsipika na antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”; ka momba izany, ny Fitsarana etoana dia nanaramaso, nanisa indray ny vato ary nampanan-kery ny vato voalaza fa fotsy sy maty;

Ny amin’ny tsy fahampian’ny filazana ao amin’ny fitanana an-tsoratra 

  1. Satria nisy mpitory nilaza fa tsy ampy ny filazana ao amin’ny fitanana an-tsoratra hanoanana ny fitorian’izy ireo; fa ao amin’ny fitanana an-tsoratra manora-tena anjaran’ny fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia misy ny filazana rehetra; ka ny Fitsarana etoana dia manao ny andraikiny araka ny fitanana an-tsoratra manora-tena natokana ho azy; koa raha misy ny filazana rehetra ilaina amin’izy ireny dia ambara fa tsy mitombina ny fitoriana momba izany;

Ny amin’ny fanilikilihana ny delegen’ny kandida Marc Ravalomanana teo anivon’ny Vaomiera mpanisa vato 

  1. Satria ny andininy faha 188 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka dia milaza fa “Ny solontenan’ny mpilatsa-kofidina (…) ny mpanohana azy ireo ary ny mpanaramaso eto amin’ny firenena, dia manana zo feno hanatrika ny asa fanisam-bato amin’ny ankapobeny sy afaka manao fanaraha-maso mikasika ny fizotran’ireo asa voalaza ireo. Raketina ao anatin’ny fitanana an-tsoratra fanamarinana izany fanaraha-maso izany”;
  1. Satria ny fitanana an-tsoratra nataon’ny Vaomiera mpanisa vato, nalefa taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy misy milaza izany fanilikilihana ny delegen’ny kandida RAVALOMANANA Marc izany; tsy misy fijoroana vavolombelona na taratasy milaza fanilikilihana delege; koa satria ny Fitsarana etoana tsy manana eo am-pelatànany porofo maha resy lahatra amin’ny fisian’izany tsy fetezan-javatra izany, dia tsy maintsy lazaina fa tsy mitombina ny fitoriana; noho izany, lavina ny fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA mikendry ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 630 514 150 101 Fokontany Tonga Maroara kaominina Maroara distrika Betioky Atsimo, laharana 630 513 050 101 Fokontany Fenoandala kaomina Fenoandala distrika Betioky Atsimo, laharana 630 503 020 101 Fokontany Ankady kaominina Ankazomanga Andrefana Betioky Atsimo, manerana ny distrikan’Ihosy sy Mitsinjo; noho izany, lavina ny fitoriana ho fanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato manerana ny distrika Toliara I Faritra Atsimo Andrefana, manerana ny distrikan’I Maintirano Faritra Melaky, manerana ny distrikan’Ambalavao Faritra Matsiatra Ambony, manerana ny distrika Analalava  Faritra Sofia, manerana ny distrikan’I Sambava Faritra Sava, manerana ny distrikan’I Betroka Faritra Anosy, distrikan’Ambovombe Androy Faritra Androy, laharana 630 524 070 101 EPP Fenoarivo I kaominina Tanambao Andrefana distrika Betioky Atsimo, laharana 620 327 160 202 CEG laharana 630 504 020 101 Fokontany Amparihy kaominina Ankazombalala distrika Betioky Atsimo Faritra Atsimo Andrefana, laharana 630 515 070 101 Fokontany Mihaiky kaominina Manaloba distrika Betioky Atsimo Faritra Atsimo Andrefana, Fokontany Tanambao kaominina sy distrika Tolagnaro, sy izay fitoriana rehetra mitovy amin’ireo;

Ny amin’ny fangatahana fanilihana

  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 26 desambra 2018, Atoa Andriamamony LETSARA, mpifidy ao amin’ny Fokontanin’I Belambanana kaominin’Andoharanofotsy distrikan’Antananarivo Atsimondrano, dia mangataka ny hanilihana ny kandida Marc RAVALOMANANA, noho izy nanaratsy ny CENI sy ny Governemanta, nanindry ny CENI sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana; fa ny mpitory dia mihanina amin’ny filazan-javatra fotsiny fa tsy mitondra porofo; koa noho izany, lavina ny fitoriana fa tsy misy porofo;

Ny amin’ny fanitsiana ny vokatra

  1. satria, amin’ny maha mpitsara ny fifidianana azy, ny Fitsarana etoana dia manana fahefana feno hanamarina ny fanisana; fa ny fanarahamaso ataony dia tsy mihanina fotsiny amin’ireo tranga lazain’ny fanoherana; fa io fanarahamaso io dia azony atao amin’ny tranga rehetra mety hisy fiantraikany amin’ny fanisana ny antsasa-manila; ka anisan’izany ny zava-kinendry tamin’ny fanarahamaso mandeha tsy voizina mba hisian’ny voka-pifidianana tena izy; koa izany fomba izany dia efa mamaly ny anton-javatra voalaza ao amin’ireo fitoriana isan-karazany;

 

Ny amin’ny fanafoanana vokatra taminà birao fandatsaham-bato roa

  1. Satria araka ny fitoriana napetraka ny 27 desambra 2018, ny kandida Marc RAVALOMANANA dia mangataka ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato laharana 440 507 090 101 Ankisompy sy laharana 440 507 030 301 Ambatomainty kaomina Komajia distrika Mampikony satria tsy nisy fifidianana tamin’ireo birao fandatsaham-bato roa ireo noho ny fanafihan-dahalo ny ankatoky ny fifidianana; araka izany, ny mpitory dia manakiana ny fisian’ny taratasim-pifidianana, anisan’izany ny fitanana an-tsoratra, izay toa manamarina ny fisian’ny latsabato tamin’ireo birao roa ireo; ary anohanana izany, ny mpitory dia mitondra taratasy manamarina ny tsy fisian’ny latsabato tamin’ireo birao roa ireo; fa misy fijoroana vavolombelona, miendrika fanambarana an-tsoratra, manamarina izany; fa io toe-javatra io dia amafisin’ny fitoriana nataon’ny mpanaramaso avy amin’ny KMF/CNOE voapetraka ao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana etoana; fa ny Fitsarana Avo dia masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ny porofo aseho, araka izay lazain’ny andininy faha 204 andàlana farany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka; koa ilaina ny hanafoanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 440 507 090 101 sy laharana 440 507 030 301;
  2. Satria nandritra ny fanarahamaso manontolo sy mandeha tsy voizina nataon’ny Fitsarana etoana, dia hita fa tao amin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI, dia nisy fahadisoam-panoratana telo ho an’ny vokatra iray taminà birao fandatsaham-bato roa (birao fandatsaham-bato laharana 320 409 050 101 EPP Mahaly Bevato Vangaindrano, 320 409 050 201 EPP Ambalavao Bevata Vangaindrano, 610 106 680 101 EPP Ekonka Maromainty efitra voalohany Ambovombe Androy, 610 106 530 101 case notable Maromainty Ambovombe Androy, 610 407 290 101 EPP Bezavato efitra faha 5 Tsihombe, 610 407 360 101 EPP Behavoa Nord Tsihombe); koa nanao fanarenana ny Fitsarana etoana;

Ny amin’ny fandikan-dalàna ara-keloka

  1. Satria ny andininy faha 237 andàlana voalohany amin’ny lalàna fehizoro dia milaza fa “Na dia eo aza ny sazy nambaran’ny antokom-pitsarana momba ny fifidianana, ny Mpitsara mpampanoa lalàna dia manenjika ny tsy fanarahan-dalàna rehetra mampiseho endrika ady heloka, voalazan’ity lalàna fehizoro ity”; ary ny andininy faha 238 dia manampy fa “Ny Lehiben’ny antokom-pitsarana momba ny fididianana, ny Vaomiram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana sy izay rehetra manampahefana ara-pitondrana dia afaka mitondra ny raharaha eo anatrehan’ny Mpitsara mpampanoa lalàna mahefa mba hanenjika ireo tompon’antoka amin’ny fandikan-dalàna voatanisa ao amin’ity lalàna fehizoro ity izay fantany ny fisiany”; koa ho fampiarana izany fepetran-dalàna izany, ny antontan-taratasin’ady mikasika fandikan-dalàna ara-keloka dia hampitaina any amin’ny Fampanoavana mahefa;

Ny amin’ny fitanana an-tsoratra tsy fahatomombanana (procès-verbal de carence)

  1. Satria ny lisitry ny fitanana an-tsoratra nataon’ny Vaomiera mpanisa vato tonga taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia nahitàna fitanana an-tsoratra tsy fahatomombanana miisa enina; koa tsy misy vokatra azo lazaina ho manan-kery amin’ireto birao fandatsaham-bato ireto:
  • Birao fandatsaham-bato laharana 610 116 200 101 ao amin’ny Fokontanin’i Tsimikaboke, kaominin’i Maroalopoty distrikan’Androy;
  • Birao fandatsaham-bato laharana 620 216 100 101 ao Imotra Fokontanin’Imotra I Betroka;
  • Birao fandatsaham-bato laharana 440 507 130 101 case notable Fokontanin’Antsiranandrano kaominin’i Komajia distrikan’i Mampikony, noho ny fanafihan-dahalo;
  • Birao fandatsaham-bato laharana 440 507 120 101 biraom-pokontany Tsararano kaominin’i Komajia distrikan’i Mampikony, noho ny tsy naha teo ny fokonolona taorian’ny fanafihan-dahalo mialohan’ny fihodinana voalohany;
  • Birao fandatsaham-bato laharana 620 105 110 101 Fokontanin’i Mandoha kaominin’Esira distrikan’Amboasary Atsimo, noho ny filefasan’ny fokonolona taorian’ny fanafihan-dahalo;
  • Birao fandatsaham-bato laharana 620 105 150 101 fokontanin’Emantsaky kaominin’Esira distrikan’Amboasary Atsimo, noho ny filefasan’ny fokonolona noho ny asan-dahalo;

 

Noho ireo antony ireo

ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

dia mamoaka izao didy izao :

Andininy voalohany.- Lazaina fa tsy azo raisina ny fitoriana ho fanafoanana ny latsabato nataon’Atoa Georget RAFANOMEZANA, napetraky ny solontenan’ny kandida TGV-MAPAR.

Andininy faha 2.- Tsy azo raisina ireo fitoriana voatanisa ao amin’ny andàlana faha 9, noho izy ireo tsy misy kaara-pifidianana voamarina ara-dalàna.

Andininy faha 3.- Tsy azo raisina ny fitoriana napetrak’Atoa Nomenjanahary Vonjiniaina RAKOTOROA, noho izy tsy natao roa sosona.

Andàlana faha 4.- Lazaina fa tsy misy fototra ifaharany intsony, arak any antonantony voalaza ao amin’ny andàlana faha 16, ny fitoriana napetra-dRtoa Arlette RAMAROSON, Atoa isany Tabera RANDRIAMANANTSOA ary Jean Jacques RATSIETISON.

Andininy faha 5.- Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy mahefa mandinika ny fangatahana mifandraika amin’ny fifidianana nataon’Atoa Théophile RAZAFINARIVO.

Andininy faha 6.- Lazaina fa tsy mitombina, araka ny antonantony voalaza ao amin’ny andàlana faha 21, 22, 23, 24 ary 25, ireo fitoriana nataon’ny kandida RAVALOMANANA ao amin’ny andàlana faha 20 sy 26.

Andininy faha 7.- Lazaina fa tsy mitombina ny fitoriana miantehitra amin’ny fisianà bileta voahisy marika mialoha ao amin’ny andàlana faha 27 sy 34, araka ny antonantony ao amin’ny andàlana 28 hatramin’ny 33.

Andininy faha 8.- Lavina, araka ny antonantony ao amin’ny andàlana 35 hatramin’ny 44, ireo fitoriana mikasika tovana ao amin’ny lisi-pifidianana sy tsy fitovian’ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ao amin’ny andàlana faha 45.

Andininy faha 9.- Lavina, araka ny antonantony ao amin’ny andàlana 47 hatramin’ny 50, ny fitoriana mahakasika fampiasana feutre marqueur ao amin’ny andàlana faha 51.

Andininy faha 10.- Lavina ny fangatahana hanafoananany raharaham-pifidianana manerana distrika sasantsasany, nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA, arak any antonantony novelabelarina ao amin’ny andàlana faha 52.

Andininy faha 11.- Lazaina fa tsy mitombina, araka ny antonantony lazaina ao amin’ny andàlana faha 54, ireo fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA sy Andry Nirina RAJOELINA, araka ny antonantony tanisaina ao amin’ny andàlana faha 56.

Andininy faha 12.- Lazaina fa tsy mitombina, araka ireo antonantony lazaina ao amin’ny andàlana faha 57 sy 58, ireo fitoriana tanisaina ao amin’ny andàlana faha 59.

Andininy faha 13.- Lavina ireo fitoriana tanisaina ao amin’ny andàlana 61 sy 62, noho ny antonantony lazaina ao amin’ny andàlana faha 60.

Andininy faha 14.- Lavina ireo fitoriana tanisaina ao amin’ny andàlana 64 sy 66, noho ny antonantony lazaina ao amin’ny andàlana faha 63 et 65.

Andininy faha 15.- Lazaina fa tsy mitombina ireo fitoriana nataon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA ao amin’ny andàlana faha 69, araka ny antonantony voalaza ao amin’ny andàlana 67 sy 68.

Andininy faha 16.- Lazaina fa tsy mitombina, arak any antonantony voalaza ao amin’ny andàlana 70 sy 71, ireo fitoriana nataon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA sy Marc RAVALOMANANA ao amin’ny andàlana 72 sy 73.

Andininy faha 17.- Lazaina fa tsy mitombina, araka ny antonantony voalaza ao amin’ny andàlana 76 sy 77, ireo fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA ao amin’ny andàlana  75.

Andininy faha 18.- Lavina, araka ny antonantony ao amin’ny andàlana 79, ireo fitoriana tanisaina ao amin’ny andàlana 78 sy 80.

Andininy faha 19.- Lazaina fa tsy mitombina, araka ny antonantony ao amin’ny andàlana 82, ny fitoriana nataon’ny kandida Marc RAVALOMANANA ao amin’ny andàlana 81.

Andininy faha 20.- Lavina, noho ny tsy fisian’ny porofo, ny fitoriana nataon’Atoa SALIMO RACHIDY ao amin’ny andàlana 83.

Andininy faha 21.- Lavina, noho ny tsy fahampian’ny porofo, ireo fitoriana nataon’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA ao amin’ny andàlana 84 sy 95.

Andininy faha 22.- Lavina, noho ny antonantony voalaza ao amin’ny andàlana 86 sy 87, ireo fitoriana tanisaina ao amin’ny andàlana 87.

Andininy faha 23.- Lavina, araka ny antonantony voalaza ao amin’ny andàlana 88 sy 90, ireo fitoriana tanisaina ao amin’ny andàlana 91.

Andininy faha 24.-Lazaina fa tsy mitombina, araka ny antonantony ao amin’ny andàlana 92, 94, 95 ary 96, ireo fitoriana hita ao amin’ny andàlana 93.

Andininy faha 25.- Lazaina fa tsy mitombina, araka ny antonantony ao amin’ny andàlana 97 sy 98, ireo fitoriana ao amin’ny andàlana 99.

Andininy faha 26.- Lazaina fa tsy mitombina, araka ny antonantony ao amin’ny andàlana 103 sy 104, ireo fitoriana hita ao amin’ny andàlana 104.

Andininy faha 27.- Lavina, noho ny tsy fisian’ny porofo, ny fitoriana hanilihina ny kandida Marc RAVALOMANANA nataon’Atoa Andriamamonjy LETSARA.

Andininy faha 28.- Foanana ny vokatry ny birao fandatsaham-bato ao Ankisompy sy Ambatomainty, kaominina Komajia distrikan’I Mampikony.

Andininy faha 29.- Hampitaina any amin’ny Fampanoavana mahefa ireo antontan-taratasy mahakasika fandikan-dalàna eo amin’ny raharaham-pifidianana.

Andininy faha 30.- Noho ny tsy fisian’ny fahatomombanana hita taratra, dia tsy misy vokatra manan-kery ao amin’ny birao fandatsaham-bato tanisaina ao amin’ny andàlana 109.

Andininy faha 31.- Toy izao manaraka izao ny vokatry ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 19 desambra 2018 :

Isan’ny mpifidy voasoratra anarana : 9 913 599 

Tonga naneho ny safidiny : 4 767 342

Vato maty sy fotsy : 119 557

Vato manankery : 4 647 785

Taham-pahavitrihana : 48, 09%

Laharana

Anarana sy Fanampin’anarana

Vato

Salanisa

13

RAJOELINA Andry Nirina

2 586 938

55,66%

25

RAVALOMANANA Marc

2 060 847

44,34%

Andininy faha 32.-  Ambara fa Atoa Andry Nrina RAJOELINA no lany ho Filohan’ny Repoblika. Handray ny asany izy manomboka ny fotoana hanaovany fianianana mandritra ny fotoam-pitsarana manetriketrika hataon’ny Fitsarana Avo mmba ny Lalàmpanorenana. Araka ny andininy faha 48 amin’ny Lalàmpanorenana, ny famindram-pahefana  ôfisialy dia hifanaovan’ny Filoha teo aloha sy ny Filoha izay vao voafidy, atrehin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana.

Andininy faha 33.- Izao didim-pitsarana izao dia hampahafantarina ny Filohan’ny Repoblika mpisolotoerana, ny Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolotoerana, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta, havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao petadrindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana etoana.

Nifampidinihana araka izany tao amin’ny foiben-toerany mba hambara amin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, ny talata valo janoary taona sivy ambin’ny folo sy roa arivo, tamin’ny telo ora tolakandro, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :

  • AndriamatoaRAKOTOARISOA Jean-Eric, Filoha
  • RamatoaANDRIANARISOA RAVELOARISOA Fara Alice, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
  • TSABOTOJacques Adolphe, Mpanolotsaina Avo
  •  
  • AndriamatoaTIANDRAZANA Jaobe Hilton, MpanolotsainaAvo
  • RamatoaRAMIANDRASOA Véronique Jocelyne Danielle, Mpanolotsaina Avo
  • AndriamatoaDAMA Andrianarisedo Retaf Arsène, MpanolotsainaAvo
  • RamatoaRANDRIAMORASATA Maminirina Sahondra,  MpanolotsainaAvo
  • AndriamatoaZAFIMIHARY Marcellin, MpanolotsainaAvo
  • RamatoaRABETOKOTANY Tahina, MpanolotsainaAvo

Ary natrehin’i MaîtreRALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketantsoratra