This image has an empty alt attribute; its file name is Logo1-300x260.jpg

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
——————————
FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

FIFANOLANANA MAHAKASIKA NY FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA 2019

I- NY LISI-PIFIDIANANA SY NY ZO HANDATSA-BATO

Andininy faha 22 sy ny manaraka ao amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018

A- Fitakiana momba ny lisi-pifidianana

Ny fitakiana dia mandalo dingana roa (2) mba hahafahana misoratra amin’ny lisitra na hahafahana manakiana fisoratana tsy manara-dalàna :

Dingana tsy ara-pitsarana

  • Fahefana mahefa : Ny Vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny mpifidy.
  • Fe-potoana ahafahana manao fitakiana :
    • Ho an’ny olom-pirenena tsy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana : 20 andro aorian’ny petadrindrina manambara ny fisian’ny lisi-pifidianana eny amin’ny biraom-pokontany.
    • Ho an’ny olom-pirenena tsy voasoratra ao anaty lisitra noho ny fahadisoana : 10 andro aorian’ny petadrindrina manambara ny fisian’ ny lisi-pifidianana eny amin’ny biraom-pokontany.
    • Ho an’ny olom-pirenena rehetra izay mitsipaka izay voasoratra ao anaty lisi-pifidianana : 20 andro aorian’ny petradrindrina manambara ny fisian’ ny lisi-pifidianana eny amin’ny biraom-pokontany.

Fifanolanana ara-pitsarana

  • Fitsarana mahefa : ny Fitsarana ambaratonga voalohany mahefa eo an-toerana.
  • Fe-potoana ahafahana manao fitakiana :
    • 15 andro aorian’ny fampahafantaran’ny Vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny  mpifidy  ny  fandavana  ny  fangatahana fisoratana anarana;
    • 5 andro aorian’ny fampahafantaran’ny Vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny  mpifidy  ny  fandavana  ny  fanakianana fisoratana anarana.

Ny lisi-pifidianana ampiasaina dia ny lisitra voafetra farany amin’ny datin’ny 15 mey 2019 (didim-panjakana lf 2019-059 tamin’ny 1 febroary 2019 mametra ny fomba fikarakarana ny fifidianana solombavambahoaka.

B- Ny amin’ny ady heloka

Andininy faha 216 sy 217 ao amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018.

  • Ny Fampanoavana no manenjika ary afaka mampaka-draharaha amin’izany ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomiera mahaleo tena mihasana ny fifidianana ary ny tompon’andraiki-panjakana hafa rehetra;
  • Heloka sy sazy :
    • Fanitsakitsahana ny fitsipika fanoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana ataon’ny olom-pirenenana manampahefana na mpiray tsikombakomba : sazy roa (2) ka hatramin’ny dimy (5) taona antranomaizina ary lamandy 400 000 Ar ka hatramin’ny 4 000 000 Ar na iray amin’ireo sazy ireo ihany.
    • Fanovana na fikasana hanova ny lisi-pifidianana : sazy roa (2) ka hatramin’ny dimy (5) taona antranomaizina ary lamandy 400 000 Ar ka hatramin’ny 4 000 000 Ar Ar na iray amin’ireo sazy ireo ihany sy/na sazy mandrara ny fahafahana milatsaka hofidiana roa (2) ka hatramin’ny dimy (5) taona.

II- NY FILATSAHAN-KOFIDIANA

A- Fomba ara-panjakana arahina mialoha ny hampakaran-daharaha eo amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana

  • Rijan-teny fototra :
    • Lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka.
    • Lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana ireo Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena, andininy faha 24 sy ny manaraka.
    • Didim-panjakana laharana faha 2019-059 tamin’ny 01 febroary 2019 mamaritra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana Solombavambahoaka, andininy faha 3, 6 ary faha 7.
  • Fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan kofidiana:
    • Eo amin’ny Rafitra misahana ny fanamarinana sy ny firaketana am-boky ny filatsahan-kofidiana(OVEC) ao amin’ny fari-pifidianana voakasik’izany, miasa ao amin’ny biraon’ny rantsa-mangaikan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana eo anivon’ny Distrika na amin’ny toeran-kafa ao anatin’ny renivohitry ny fari-piadidiana ara-panjakana isam-paritra izay ferana amin’ny alàlan’ny lisitra araka ny fanapahana raisin’ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI).
    • Manomboka ny talata 26 febroary 2019 amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny talata 12 martsa 2019 amin’ny 5 ora hariva.
  • Valin-tenin’ny OVEC : 72 ora aorian’ny andraisany ny antontan-taratasy tsirairay.
  • Ny tsy maintsy itondrana ny raharaha mialoha eo amin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana raha nolavin’ny ovec ny firaketana am-boky ny filatsahan-kofidiana
  • Ny olona mangataka : ny mpilatsaka hofidiana izay nolavina ny filatsahany hofidiana.
  • Fe-potoana anaovana fangatahana : 48 ora aorian’ny nandraisana ny fandavana nataon’ny OVEC.
  • Endriky ny fangatahana : fanambaràna tsotra an-tsoratra.
  • Valin-tenin’ny CENI : 24 ora aorian’ny nandraisany ny fanambaràna.

B- Paikady eo amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana

  • Rijan-teny fototra :
    • Andininy faha 30 amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay milaza fa « fitoriana famakiana ady no itondrana ny raharaha ho tapahin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ary, miankina amin’ny fototry ny raharaha, araka ireo fitsipika manan-kery soritan’ny rijan-teny manokana mifehy ny anton-javatra izay nampakaran’ady taminy » ;
    • Andininy faha 48 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena izay manambara fa « ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa amin’ny fandinihina ny fitoriana rehetra mahakasika ny karazam-panapahana rehetra noraisina mialoha momba ny raharaham-pifidianana sy mahakasika ny fizotry ny latsabato » ;
    • Ny andininy faha 50 dia manampy hoe : « ny fizotry ny paikady arahina eo anatrehan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, momba ny fifanolanana mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka, dia atao araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 202 hatramin’ny faha 207 amin’ny lalàna fehizoro mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ankoatra ny fe-potoana fitoriana sy ny fe-potoana fanaovana ny lahateny fiarovana » ;
    • Ny andininy faha 30 andàlana faha 2 sy ny manaraka amin’io lalàna fehizoro io ihany, raha ny momba izany fe-potoana izany ;
  • Olona afaka mitory : ny kandidà izay nolavina ny filatsahany hofidiana ;
  • Fe-potoana anaovana ny fitoriana : 48 ora aorian’ny nampahafantarana ny kandidà ny fanapahana noraisin’ny CENI ;
  • Fomba fanaovana fitoriana :
    • Atao roa sosona, tsy andoavana sara momba ny hajia sy saram-panoratana
    • Soniavina
    • Misy ny anarana, fanampin’anaran’ny mpitory, ny fonenany, ny antony sy tohan-kevitra amaharana.
    • Ampiarahina ny kopian’ny kara-pifidianana voamarina na fanamarinana nomen’ny CENI na ny rantsa-mangaikany manerana ny Nosy.
    • Ampiarahina ny taratasy rehetra anaporofoana ny tohan-kevitra amaharana : taratasy notoavina na ara-panjakana, tenin’ny vavolombelona natao an-tsoratra tsirairay (soniavin’ny vavolombelona tsirairay), na iraisana (soniavin’ny vavolombelona roa na maromaro izay nanatrika ny fitrangan-javatra ary misy ny anarany) ary ireo porofo hafa rehetra heverin’ny mpitory fa ilaina ;
  • Toerana ametrahana ny fitoriana : isafidianana amin’ireto manaraka ireto :
    • Mivantana ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay manome tapakila fanamarinana ny fandraisany ny fitoriana ;
    • Atao taratasy tsy very mandeha miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandraisana (misolo ny tapakila fanamarinana ny naharaisana) alefa ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
    • Amin’ny alalan’ny taratasy fanerena avy amin’ny vadintany apetraka mivantana ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany izay iankinan’ny toerana nandatsaham-bato na ny fonenan’ilay mpitory; manome ny tapakila fanamarinana ny naharaisana izany eo no ho eo ihany ny firaketan-draharaha ary mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
    • Ao amin’ny lehiben’ny boriborintany ara-panjakana ho an’ny toerana tsy misy sampandraharahan’ny paositra izay manome rosia mahasolo ny tapakila fanamarinam-pandraisana. Ity manampahefana ity no mandefa io fitoriana io amin’ny fomba faran’izay haingana any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
    • Ao amin’ny CENI na ny iray amin’ireo rantsa-mangaikany izay mandefa azy any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.
  • Fanapahana raisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana : 24 ora aorian’ny nandraisany ny antontan-taratasin’ady.

III- FAMPIELEZAN-KEVITRA SY RAHARAHAM-PIFIDIANANA

A- Fahefan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay afaka mandray andraikitra avy hatrany na tsy misy fitoriana aza

Andininy faha 48 lalana fehizoro lf 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018.

Fitsipika manokan’ny fampielezan-kevitra

  • Fanombohan’ny fampielezan-kevitra : iraika amby roapolo (21) andro mialoha ny fifidianana
  • Fiandohan’ny fampielezan-kevitra : Alatsinainy 06 Mey 2019 amin’ny 6ora maraina
  • Fiafaran’ny fampielezan-kevitra : Sabotsy 25 Mey 2019 misasak’alina.

Fitsipika ikambanan’ny fampielezan-kevitra sy raharaham-pifidianana

  • Tanjon’ny fifanolanana : fanaraha-maso sy fiantohana ny maha ara-dalàna ny fampielezan-kevitra sy ny raharaham-pifidianana (andininy faha 202 andalana voalohany ao amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018).
  • Paikady: an-tsoratra saingy afaka manao fanamarinana am-bava ny mpisolovava izay mila mampilaza mialoha ny Fitsarana.
  • Fe-potoana ahafahana mitory: ny ampitson’ny andron’ny fifidianana mandra-pamoahan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ny vokatra vonjimaika (andininy faha 202 andalana faha 4 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018).
  • Olona afaka mitory :
    • Izay rehetra mpifidy voasoratra ara-dalàna tao amin’ny lisi-pifidianana ary nandray anjara tamin’ny latsabato
    • Ireo mpilatsa-kofidiana na lisitry ny mpilatsa-kofidiana
    • Ireo delege ao amin’ny faripiadidiana manontolo na ny ampahany voakasiky ny filatsahan-kofidiana
    • Ireo mpanara-maso malagasy
  • Fepetra ahazoana mandray ny fitoriana Ny fitoriana dia na:
    • apetraka mivantana ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
    • alefa amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandraisana eo amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
    • apetraka mivantana amin’ny alalan’ny taratasy avy amin’ny vadintany eo amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany izay iankinan’ny toerana nandatsaham-bato na ny fonenan’ilay mpitory; manome ny tapakila fanamarinana ny naharaisana izany eo no eo ihany ny firaketan-draharaha ary mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
    • apetraka eo amin’ny lehiben’ny boriborintany arahina tapakila fanamarinana ny naharaisana izany ho an’ireo toerana tsy misy paositra. Ny lehiben’ny boriborintany dia mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
  • apetraka eo amin’ny Vaomeram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny iray amin’ireo rantsa-mangaikany, izay mandefa azy amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

Ny fitoriana izay atao sosona roa tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana dia tsy maintsy soniavina ary misy :

  • ny anaran’ny mpitory
  • ny fonenany
  • ny kopia voamarina ara-dalànan’ny kara-pifidianany nomena maimaimpoana na ny fanamarinana nomen’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra
  • ny fanondroana araka ny fisehoan-javatra, ny anarana sy fanampin’anaran’ilay na ireo olom-boafidy, izay toherina ny fifidianana azy
  • ny antony amaharana sy tohan-kevitra ho fanafoanana izany (andininy faha 203 sy 204 amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018).

Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy rehetra anaporofoana ny antony amaharana.

B- Ady heloka

  • Ny Fampanoavana no manenjika ary afaka mampaka-draharaha amin’izany ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomiera mahaleo tena mihasana ny fifidianana ary ny tompon’andraiki-panjakana hafa rehetra.
  • Fanamelohana sy sazy mifandraika amin’ny fampielezan-kevitra (andininy 218 sy ny manaraka amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018)
    • Kabary, na soratra natao hanohatohana ny filaminam-bahoaka : sazy an-tranomaizina enim-bolana (6) ka hatramin’ny telo (3) taona ary lamandy 2 000.000 Ar ka hatramin’ny 20.000.000 Ar na iray amin’ireo sazy ireo ihany,
    • Fanararaotam-pahefana ataon’ny tompon’andraikitra ambony amin’ny Fanjakana: lamandy Ar 2.000.000 ka hatramin’ny Ar 5.000.000.
    • Fampiasana ny loharanom-bolam-panjakana sy fahefam-panjakana: roa (2) hatramin’ny dimy (5) taona an-tranomaizina.
    • Fanalam-baraka:lamandy 2.000.000Ar ka hatramin’ny 5.000.000 Ar.
    • Fanaratsiana ireo manam-pahefana na fanevatevana ireo Andrimpanjakana eto amin’ny Fanjakana Malagasy: sazy enina (6) volana ka hatramin’ny telo (3) taona an-tranomaizina ary sazy enina (6) volana na lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.10.000.000 na iray amin’ireo sazy roa ireo ihany.
    • Fanodikodinam-bolam-panjakana sy ny fananam-bahoaka toy ny fiara-panjakana: sazy voalazan’ny andininy faha-168 sy ny andininy faha-171 amin’ny Fehezan-dalàna famaizana
    • Fanaovana hosoka na fandikana ny fitsipika mifehy ny fampielezan-kevitra (toy ny fisarahan’ny asan’ny fahefana mpanatanteraka sy ny hetsiky ny antoko politika, fanajana ny fetrandro anaovana fampielezan-kevitra, fanajana ny firaisam-pirenena sy ny Fihavanana Malagasy, ny tsy fiandanian’ny Sampan-draharaham-panjakàna toy ny haino aman-jery, ny tsy fampiandaniana ny toeram-pivavahana, ny fitovian-jon’ny kandidà, ny fangaraharan’ny loharanom-bolan’ny fampielezan-kevitra sy ny fampiasana izany, ny fiarovana ny zo ara-batana, ny hajan’ny kandidà sy ny mpifidy, ny fiaina-manokan’ny kandidà, ny fandraràna ny fanavakavahana sy ny fampirisihana amin’ny fankahalàna, ny fitandroana ny filaminam-bahoaka) : sazy an-tranomaizina enina (6) volana ka hatramin’ny telo(3) taona ary lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar. 20.000.000 na iray amin’ireo sazy ireo ihany izay.
    • Fandotoana na fandrovitana ny peta-drindrina momba ny fifidianana, na inona na inona mety ho endriny : lamandy 1.000.000 Ar ka hatramin’ny 10.000.000 Ar ary mety hiaraka na tsia amin’ny sazy an-tranomaizina iray (1) volana ka hatramin’ny enina (6) volana.
    • Fanankorontanana ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny ady, fifanjevoana, vono olona, ratra, fanimbana fananana, na mivantana na elanelanin’olonkafa na vondron’olona : hiharan’ny sazy voalazan’ny Fehezan-dalàna momba ny ady heloka arakaraka ny antonjavatra tsirairay.
    • Fanaovana fanambarana eo imasom-bahoaka ho an’ny/ na manohitra ny mpilatsa-kofidiana, ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana ny andro mialoha sy ny andro anaovana ny latsabato : lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.5.000.000.
    • Fandraisan’ireo mpiasam-panjakana sivily na miaramila, na olona miasa amin’ny Fanjakana na ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana amin’ny fampielezan-kevitra mandritra ny ora fiasany: lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.5.000.000.
    • Famoahana amin’ny alalan’ny akalana rehetra ny vokatry ny fankan-kevitra mivantana na ankolaka mifandray amin’ny fifidianana, ary koa ny fandinihana sy fanazavana ataon’ny mpanao gazety mifandraika amin’izany mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ary mandritra ny vanimpotoana tsy ahazoana maneho hevitra amin’ny fifidianana ny andro mialohan’ny anaovana ny latsabato: lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.5.000.000.
    • Famotsiambola sy tsy fanajana ny fitsipika mahakasika ny famatsiambolan’ ny fampielezan-kevitra : ireo sazy rehetra voalazan’ny lalàna.
  • Fanamelohana sy   sazy   mifandraika   amin’nyraharaham-pifidianana (andininy 229 amin’ny Lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018):
    • Fakana an-keriny na familiana làlana ny fitaovana sy ny taratasim-pifidianana ary koa ireo kojakoja hafa momba ny fifidianana, na ny fiarakodia izay mitatitra izany : sazy an-tranomaizina roa (2) ka hatramin’ny enina (6) taona ary lamandy 1.000.000 Ar ka hatramin’ny 10.000.000Ar na iray amin’ireo sazy ireo ihany ; sazy dimy (5) ka hatramin’ny folo (10) taona an-tranomaizina   sy   lamandy   Ar.2.000.000    ka hatramin’ny Ar.20.000.000 raha misy fampiasana fitaovam-piadiana.
    • Fanaovana fihetsika na famelana fotsiny ny fanaovana izany fihetsika izany mba hoenti-manohintohina na hikasana hanohintohinana ny fahamarinan’ny latsabato, hamoahana na hikasana hamoahana ny tsiambaratelon’ny latsabato, hisakanana na hikasana hisakanana ny fifidianana na hanakorontanana izany : iray ka hatramin’ny dimy (5) taona antranomaizina sy lamandy Ar.600.000 ka hatramin’ny Ar.6.000.000.
    • Fanerena na fanararaotam-pahefana narahin-kerisetra na tsia mba ho entina hanodinana na hanovana ny safidin’ny mpifidy iray na maromaro : dimy (5) ka hatramin’ny folo (10) taona antranomaizina sy lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.20.000.000 ankoatr’ireo sazy hafa
    • Fanakanana ny olom-pirenena iray na maromaro tsy hampiasa ny zo isambatan’olona ananany amin’ny alalan’ny fitangoronana arahin-tabataba, fanerena na fandrahonana : enina (6) volana ka hatramin’ny roa (2) taona antranomaizina, fandrarana tsy hizaka ny zo handatsa-bato sy hofidiana mandritra ny dimy(5) taona raha haingana indrindra ary folo (10) taona raha ela indrindra.
    • Fivarotana na   fividianana   vato   amin’ny fifidianana : fanamelohana ny tsirairay avy amin’ny lamandy avo roa heny amin’ny sandan’ny zavatra noraisiny na nampanantenaina ary fahaverezan-jo tsy hizaka ny zo isambatan’olona ananany sy tsy fahazoana misahana asam-panjakana na momba ny fifidianana mandritra ny dimy (5) ka hatramin’ny folo (10) taona.
    • Tsy fanajana ny fikatonan’ny fampielezan-kevitra sy tsy fanajana ny fandrarana tsy hitondrana fitaovam-piadiana ao anaty birao fandatsaham-bato: sazy telo (3) volana hatramin’ny roa (2) taona an-tranomaizina sy lamandy Ar.400.000 à Ar.4.000.000, ankoatr’ireo sazy mavesatra kokoa voalazan’ny lalàna.
    • Tsy fanajana ny fitsipika mahakasika ny fanisam-bato ataon’ny manampahefana voakasik’izany: sazy an-tranomaizina iray (1) hatramin’ny dimy taona ary lamandy Ar.600.000 ka hatramin’ny Ar.6.000.000.

IV -NY VOKA-PIFIDIANANA

A- Andraikitry ny Fitsarana Avo Momba Ny Lalàmpanorenana mahakasika ny vokam-pifidianana

  • Tanjon’ny fifanolanana :  fanaraha-maso  sy fiantohana ny fahamarinan’ny voka-pifidianana.
  • Paikady: an-tsoratra saingy afaka manao fanamarinana am-bava ny mpisolovava izay mila mampilaza mialoha ny Fitsarana.
  • Fe-potoana ahafahana mitory: ferana ho roa andro aorian’ny famoahana ny vokatra vonjimaika (andininy faha 50 tapany faha 2 amin’ny lalàna fehizoro 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018).
  • Fehinteny fiarovana : roa (2) andro aorian’ny nampahafantarana ny fitoriana.
  • Olona afaka mitory :
    • Izay rehetra mpifidy voasoratra ara-dalàna tao amin’ny lisi-pifidianana ary nandray anjara tamin’ny latsabato.
    • Ireo mpilatsa-kofidiana na lisitry ny mpilatsa-kofidiana.
    • Ireo delege ao amin’ny faripiadidiana manontolo na ny ampahany voakasiky ny filatsahan-kofidiana.
    • Ireo mpanara-maso malagasy.
  • Fepetra ahazoana mandray ny fitoriana dia na:
    • Apetraka mivantana ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
    • Alefa eo amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandraisana,
    • Apetraka mivantana amin’ny alalan’ny taratasy avy amin’ny vadintany eo amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany izay iankinan’ny toerana nandatsaham-bato na ny fonenan’ilay mpitory; manome ny tapakila fanamarinana ny naharaisana izany eo no eo ihany ny firaketan-draharaha ary mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
    • Apetraka eoamin’ny lehiben’ny boriborintany arahina tapakila fanamarinana ny naharaisana izany ho an’ireo toerana tsy misy paositra. Ny lehiben’ny boriborintany dia mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, 
    • Apetraka eo amin’ny Vaomeram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny iray amin’ireo rantsa-mangaikany, izay mandefa azy amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

Ny fitoriana izay atao sosona roa tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana dia tsy maintsy soniavina ary misy :

  • ny anaran’ny mpitory
  • ny fonenany
  • ny kopia voamarina ara-dalànan’ny kara-pifidianany nomena maimaimpoana na ny fanamarinana nomen’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra
  • ny fanondrona ny anarana sy fanampin’anaran’ilay na ireo olom-boafidy, izay toherina ny fifidianana azy
  • ny antony amaharana sy tohan-kevitra ho fanafoanana izany (andininy faha 203 sy 204 amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018).

Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy rehetra anaporofoana ny antony amaharana.

B- Ny amin’ny ady heloka

  • Ny Fampanoavana no manenjika ary afaka mampaka-draharaha amin’izany ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomiera mahaleo tena mihasana ny fifidianana ary ny tompon’andraiki-panjakana hafa rehetra.
  • Heloka sy sazy (andininy 230 ao amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018): Fanaovana fihetsika na famelana fotsiny ny fanaovana izany fihetsika izany mba hanovana na hikasana hanovana ny voka-pifidianana : sazy an-tranomaizina iray (1) hatramin’ny dimy (5) taona sy lamandy Ar.600 000 hatramin’ny Ar.6 000.000.

Version PDF