This image has an empty alt attribute; its file name is Logo1-300x260.jpg

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
——————————
HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

MANDRITRA NY FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA AMOAHANA NY VALIM-PIFIDIANA OFISIALY NY FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

————————————

(TALATA 2 JOLAY 2019)

————–

Andriamatoa Praiministra Lehiben’ny Governementa,

Andriamatoa Filohan’ny Antenimieran-doholona,

Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao amin’ny Governementa,

Andriamatoa sy ramatoa isany lehiben’ny masoihivoho vahiny eto Madagasikara,

Andriamatoa sy Ramatoa isany Filohana Rafi-panjakana izay manatrika etoana,

Ramatoa ben’ny tananan’Antananarivo,

Ianareo olomboafidy sy olom-boatendry, Mpikambana amin’ireny Andrim-panjakana sy Rafi-panjakana ireny, tompon’andraiki-pitsarana sy lehiben’ny Fibaikona isan’ambaratonga avy, sivily sy miaramila,

Ry vahoaka Malagasy tsy vakivolo,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Miarahaba anareo tonga indray androany eto amin’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana, tonga nanome voninahitra an’izao fotoam-pitsarana manetriketrika izao. Androany tokoa mantsy ny fotoana nifanomezana anambarana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana solombavambahoaka izay notanterahina tamin’ny 27 mey lasa teo.

Ny andininy faha 116.5 ny Lalampanorenana dia milaza fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana no “manambara ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakàna hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka”. Ity andrim-panjakana ity dia miandraikitra ny maha ara-dalàna sy mamoaka ny valim-pifidianana ny solombavambahoaka.  

Nanomboka tamin’ny asabotsy 29 mey 2019, andro nahatongavan’ny antontan-taratasy voalohany teto, dia niasa andro aman’alina ny mpiara-miasa rehetra tsy ankanavaka, mikasika ny fikirakirana ny valim-pifidianana. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanatanteraka ny asa fanisana sy ny fanaraha-maso napetraka aminy ny Fitsarana. Nijery ihany koa ireo fitoriana voaray. Averina foana fa na tsy misy aza ny fitoriana dia tsy maintsy misy izay mason-tsivana izay.

Nisy ny fanitsina ny diso, nisy ny fanarenana ny lesoka, nisy ny fitadiavana ny tena valim-pifidianana marina teo anivon’ny birao pifidianana. Tao aorinan’izany asa be izany, no namoahana an’izao valim-pifidianana ofisialy izao.

Vita iny ny dingana vaovao eto amin’ny tantaram-pirenena dia ny fiverenan’ny Antenimieram-pirenena izay nahato ny asany satria efa lany andro ny fotoam-piasan’ny solombavambahoaka teo aloha. Manomboka izao dia feno ny Parlementa ary afaka miasa tsara.

 Ny zavatra tsy azo afenina dia nihena ny taham-pahavitrian’ny mpifidy tamin’ny 27 mey lasa teo. Betsaka ny resaka sy ny famisavisana maro samy hafa. Tsy azo atao modian-tsy hita io mpifidy betsaka tsy nandray anjara io. Mila fandinihana lalina. Misy ny manam-pahaizana malagasy afaka mandalina izany araky ny fomba ara-tsiansa. Antenaina fa hisy ny fikarohana momba izany afahan-tsika rehetra misintona lesona sy manarina ny tsy mety.   

Noho io tahan’ny tsy fandraisana anjara izay avo tamin’ny andron’ny fifidianana io dia manana adidy lehibe sy faran’izay mavesatra ianareo depiote vao lany: voalohany dia ny femerenana ny hasin’ny Antenimieram-pirenena izay tokony ho Andrimpanjakana manana ny toerany sy ny hajany eto amin’ny Firenena; faharoa dia ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny olomboafidy. Noho izany dia na dia rahampitso ihany aza dia tokony miverina mihaino ampanetren-tena ny hetahetan-ny vahoaka ianareo ary mampiseho fa ho tena solontena sy ho mpitondra-tenin’izy ireo.        

Tsy mora izany hoe solombavambahoaka izany. Tsarovy fa ny vahoaka dia tsy ny mponina an-tanan-dehibe ihany. Ny vahoaka dia ny olom-bahoaka (ny ray aman-dreny), ny valala be mandry, ny valala tsy mandady harona, ny atody orokoroka izany hoe ny sara-baben’ny vahoaka. Tsarovy fa ny biraom-pifidianana isam-pokontany no nihavianareo. Misy hevi-dehibe fonosin’ny voambolana “fokontany” izay fanambarana ny hoe “foko”, dia ny foko 22 eto Madagasikara izany, sy ny “tany” izay masina ho antsika Malagasy.Tompony manjakamanana an’ity Madagasikara ity ny foko 22 fa tsy ny vahiny.

Tsy zoviana aminareo ny maha zava-dehibe ny lalàna eo amin’ny fitondram-panjakana raha tiana hirindra sy hilamina ny fiaraha-monina. Tanteraho ny adidy nomen’ny Lalampanorenana anareo dia ny famolavolana, fandinihana sy fandaniana lalàna. Tokony ho tarigetranareo ny handamina ny Fanjakana sy ny fiaraha-monina mba hiaina amin’ny hitsiny sy ny fahamarinana araka ny vaninandro hiainantsika izao.

Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy miaina eo anivon’ny vahoaka ianareo, mba ho avy amin’ny zavatra hita sy tsapa no hipoiran’ny lalàna. Ny lalàna dia natao hiarovana ny vahoaka sy hapirindra ny fiarahamonina fa tsy ho an’ny tombotsoan’ny mpitondra na ho an’olom-bitsy. Aza akipy ny maso fa jereo ny fahoriam-bahoaka, ny fijalian’ny kamboty sy ny mananon-tena ary ny malahelo sy ny fadiranovana. Olom-pirenena toa antsika ireny. Iray rà amintsika ireny.

Izany rehetra izany dia takiana aminareo fa araky efa nolazaiko teto ombieny ombieny dia tonga ny fotoana famerenana ny   fampiasana ampahibemaso ny hasim-piandrianan’ny Firenena, ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana. Tokony ho tonga saina amin’izany ny Malagasy rehetra manerana ny nosy ary mandray ny andraikiny amin’izay tandrify azy avy.

Ny Fanjakana tsy mba hifandroritana fa hifandimbiasana sy hifanarahana. Ny fanjakana tsy hifanolanana fa hifanarahana sy hifandaminana. Saintsaino lalina izany hafatra feno fahendrena napetraky ny razantsika izany.

Koa eto ampamaranana dia mamelahy ahy anolotra ny arahaba anareo lany ho solombavambahokan’I Madagasikara amin’ny anaranay mpanolotsaina avo ato amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana sy ny mpiara-miasa rehetra ato amin’ity andrim-panjakana ity.

Misaotra tompokovavy, mankatelina tompokolahy.