Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana;
Araka ny Lalàmpanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 marsa 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana;
Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-016 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ireo solombavam-bahoakan’ny Repoblika Fahaefatra
Araka ny lalàna laharana faha 2011-014 tamin’ny 28 desambra 2011 ampidirana ny tondrozotra ao amin’ny antanantohatry ny lalàna anatiny;
Araka ny lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 Jolay 2012 anaganana rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny lalàna laharana faha 2013-008 tamin’ny 01 aogositra 2013 manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 Jolay 2012 ananganana rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny didim-panjakàna laharana faha 2013-155 tamin’ny 12 Martsa 2013 mametra ny fampiharana ny Lalàna fehizoro laharana faha 2012-016 tamin’ny 01 Aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ny Solombavambahoakan’ny Repoblika Fahaefatra;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2013-340 tamin’ny 15 May 2013 manova ny andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakàna laharana faha 2013-155 tamin’ny 12 Martsa 2013 mametra ny fampiharana ny Lalàna fehizoro 2012-016 tamin’ny 01 Aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ny Solombavambahoakan’ny Repoblika Fahaefatra;
Araka ny didim-panjakàna laharana faha 2013-606 tamin’ny 09 Aogositra 2013 anafoanana ny didim-panjakàna laharana faha 2012-978 tamin’ny 07 novambra 2012 sy anamarihana ny fanendrena ireo mpikambana vaovao voafidy sy voatendry ho ao amin’ny rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny FItsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 002-CENI-T/D/2014 tamin’ny 10 janoary 2014 namoahana ny vokatra vonjimaika amin’ny fifidianana voalohany ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenenan’ny Repoblika faha efatra n,atao ny 20 desambra 2013;
Araka ny fitoriana sy antontan-taratasim-pifidianana voaray tao amin’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana;
Rehefa nohenoina ireo mpampakateny;
Rehefa nifampidinihana araka ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna;

I- NY AMIN’NY FAHEFA-MITSARA ANKAPOBEN’NY FITSARANA MANOKANA MISAHANA ny FIFIDIANANA:
Satria araka ny voalazan’ny andalana faha 11 anatin’ny Tondrozotra nosoniavin’ny mpanao politika Malagasy tamin’ny 17 Septambra 2011 nampidirina ao amin’ny antanan-tohatry ny lalàna anatiny tamin’ny alalan’ny lalàna laharana faha -2011-014 tamin’ny 28 Desambra 2011: “Hatsangana noho ny antony manokana sy vonjimaika ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana. Hiandraikitra ny Fifanolanana eo amin’ny lafin’ny fifidianana sy ny fanambarana ny voka-pifidianana raikitra ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka izy.”
Koa ho fampiharana ny andininy voalohany andalana faharoa ny Lalàna laharana faha 2012-014 nananganana ny Rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana” (CES)eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana: “Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana dia misahana feno ny fari-pahefana nomena ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mikasika ny fifidianana ao anatin’ny faritry ny fifidianana voalohany ny FIlohan’ny Repoblika sy ny solombavambahoaka ao amin’ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny Repoblika Fahaefatra.
Izy no manapaka ny fananan-kerin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika voalohany ao amin’ny Repoblika Fahaefatra, ary koa ny amin’ny maha-ara-dalàna ny fifidianana voalohany ny solombavambahoaKa ao amin’ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny Repoblika Fahaefatra sy mandinika ny fitarainana sy fifanolanana mikasika ny raharaham-pifidianana mifandraika amin’izany.
Izy no manambara ny voKatra raikitr’ireo fifidianana ireo.”
Fa ankoatr’izay araka ny voalazan’ny andininy faha-56 ny Lalàna fehizoro laharana faha- 2012-016 tamin’ny 01 Aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ireo solombavambahoakan’ny Repoblika Fahaefatra : “Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana no manam-pahefana amin’ny fandinihana ny fangatahana na fandavana rehetra mety hitranga na eo amin’ny soratra fanamarinana izay anisan’ny mialoha ny raharaham-pifidianana na amin’izay rehetra mifandraika amin’ny fizotry ny latsabato.
Izy no hany manam-pahefana hanamarina ny fanafoanana tanteraka na amin’ny ampahany, izay mety ho vokatry ny fanadinoana ireo fombafomba fototra. Mandritra ny fanaraha-maso ny fitànana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato sy ireo Sampana misahana ny fanisam-bato, ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, na dia tsy misy fitarainana aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazan’ny lalàna na ny fitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka.”
Arak’izany dia tafiditra anatin’ny fari-pahefa-mitsaran’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana ny mitsara ireo fitoriana mahakasika ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin’ny 20 Desambra 2013 sy mamoaka ny voka-pifidianana raikitra;

II- NY AMIN’NY FE-POTOANA FANAMBARANA VOKA-PIFIDIANANA:
Satria ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena ho an’ny Tetezamita dia nanambara ny voka-pifidianana vonjimaika ny fifidianana solombavam-bahoka natao tamin’ny 20 Desambra 2013 ny 10 Janoary 2014 ;
Satria ny andininy faha 53 andalana faharoa ny Lalàna fehizoro laharana faha-2012-016 tamin’ny 1 Aogositra 2012 mahakasika ny fifidianana ny solombavambahoaka ao amin’ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny Repoblika Fahaefatra dia milaza fa: « Ny Fitsarana misahana ny Fifidianana no mamoaka ny voka-pifidianana raikitra, raha ela indrindra, ao anatin’ny fe-potoana telopolo andro manomboka amin’ny vaninandro amoahana ny vokatra vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana hoan’ny Tetezamita » ;
Koa noho izany dia tafiditra anatin’ny fe-potoana napetraky ny lalàna ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana ataon’ny Fitsarana etoana anio 06 Janoary 2014;

III- NY AMIN’NY FANATSOAHAM-PITORIANA:

Satria taorian’ny fametrahana taratasy famakian’ady, ireo mpitory voatanisa any amin’ny tovana amin’ity didy ity dia nanatsoaka indray ny fitoriany teo anoloan’ny Firaketan-draharahan’ny Fitsarana etoana; koa noho izany dia tokony ho toavina izany fanatsoaham-pitoriana izany;

IV- NY AMIN’NY TSY FISIAN’NY ANTONY HITSARANA INTSONY:

Satria ny Fitsarana etoana dia niroso tamin’ny fanamarinana ny fitanana an-tsoratry ny raharaham-pifidianana tonga eto aminy, ary nanitsy ireo fahadisoana sy tsy fitoviana tarehimarika izay hitany araka ny fahefana nomen’ny lalàna azy;
Koa noho izany ny momba ireo fitoriana nangataka ny fanitsiana tarehimarika dia lazaina fa tsy misy antony intsony tokony hitsarana azy ireo satria efa niroso tamin’izany fanitsiana izany rahateo ny Fitsaràna na dia tsy nisy fitoriana aza;

V- NY AMIN’NY FAHEFAN’NY FITSARANA MANOKANA MISAHANA ny FIFIDIANANA:

a- Ny amin’ireo fangatahana fanasaziana:
Satria ny fahefa-mitsara dia mifanaraka amin’ny vontoanton-draharaha, koa noho izany ireo famazaina ireo tsy fandikan-dalàna momba ny fifidianana izay sazian’ny Fehezan-dalàna ara-keloka dia fahefana manokan’ny Fitsaràna ady heloka;

b- Ny amin’ny fangatahana fanilihana mpikambana anivon’ny antoko politika tsy handray anjara amin’ny fifidianana:
Satria ny Fitsaràna etoana dia naharay fitoriana avy amin’ny antoko politika mangataka ny handraràna ny mpikambana amin’izany antoko izany tsy hirotsaka hofidiana satria nandika ny fitsipika anatin’izany antoko politika izany;
Satria raha ny voalazan’ny andininy faha 19 ny lalàna laharana faha – 2011-012 tamin’ny 09 Septambra 2011 mikasika ny antoko politika dia anjaran’ity farany no mandamina ny disadisa misy ao aminy amin’ny alalan’ny fampiharana ny fitsipika anatiny, koa noho izany tsy anjaran’ny Fitsarana etoana ny mahafantatra izany fitoriana izany;

c- Ny amin’ny fahefan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita:
Satria ny Fitsarana etoana dia naharay fitarainana maro izay mangataka fanasaziana na fanoloana mpikambana maromaro amina birao fandatsaham-bato na Vaomiera-pifidianana anivon’ny Distrika; saingy ireo fitoriana ireo dia tsy tafiditra anatin’ny fari-pahefan’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana fa an’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana hoan’ny Tetezamita;

VI- NY AMIN’NY FAHAZOA-MANDRAY NY RAHARAHA:
a – Ny amin’ny fahafaha-mitory sy ny amin’ny fe-potoana fitoriana:
Satria araka ny voalazan’ny andininy faha-132 ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana: “Izay rehetra mpifidy tena voasoratra tokoa tao amin’ny lisi-pifidianana dia manana zo hitondra ny fitarainana sy fitsipahana rehetra mikasika ny maha ara-dalàna ireo asa nentina nanatanteraka ny fampielezan-kevitra sy ny raharaha momba ny latsabato izay nizotra tao amin’ny faritra iadidian’ny birao fandatsaham-bato nisoratany anarana, hotapahin’ny Fitsarana Manokana mahakasika ny Fifidianana na ny Fitsarana momba ny fifanolanana amin’ny Fanjakana, araka ny fisehoan-javatra, ary izany dia atao ao anatin’ny folo andro katroka aorian’ny fifaranan’ny fifidianana.
Manana zo mitovy amin’izany koa ny mpilatsaka hofidina tsirairay avy na ny delegen’ny mpilatsaka hofidina eo amin’ilay fari-pifidianana manontolo na ny ampahany ihany amin’izany ka voakasika noho ny filatsahany hofidina tao. Azony toherina toy izany koa ireo vokatry ny fifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato nisy azy na ampangaina fa nisy tsy fanajana ireo fepetra sy fomba ary filazana ny tokony atao voadidin’ny lalàna tao, ary izany dia araka ny fombafomba voalazan’ny fizarana faha IV entin’ity Fehezan-dalàna ity.
Izay rehetra mpanaramaso teratany dia mizaka ihany koa io zo fitakiana, fitsipahana sy fiampangana ananan’ireo mpilatsaka hofidina na delegen’ny mpilatsaka hofidina io, araka izay voalazan’ireo andalana roa etsy aloha, ary izany dia manerana ny birao fandatsaham-bato rehetra izay nahazoany fahefana hanaovany ny asany.”
Satria hita mivoitra arak’io andinin-dalàna io fa ny fahafaha-mitondra fitarainana eto anoloan’ny Fitsarana dia mifamatotra amin’ny maha-voasoratra ny mpitory amin’ny lisi-pifidianana, sy ny fandraisany anjara tamin’ny latsa-bato, ary amin’ny maha-kandidà na solon-tenan’ny kandidà azy, na amin’ny maha-mpanara-maso fifidianana teratany;
Satria araka ny voalazan’io andinin-dalàna io, dia lazaina fa tsy azo raisina noho tsy fahafaha-mitory ireo fitoriana izay atovana ity didy ity, izay nataon’ny mpifidy ny amin’ny maha ara-dalàna ny fampielezan-kevitra ivelan’ny fari-pifidianana izay misy azy na ny amin’ireo fizotry ny latsa-bato ivelan’ny birao fandatsaham-bato izay isoratany anarana, na koa ireo fitoriana avy amin’ny komity mpanohana kandida na ireo solontenany izay tsy nandrotsaka taratasy fanamarinana;
Satria torak’izany dia nolazaina fa tsy azo raisina koa ireo fitoriana napetraky ny mpifidy nangataka ny fanitsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny listra MAPAR (Miaraka Amin’ny Prezida Andry Rajoelina) manerana ny Nosy na ny fanafoanana manontolo ny isam-bato azon’io lisitra io;

b – Ny amin’ny mahakasika ny fombafomba fitoriana
Satria araka ny voalazan’ny andininy faha-136 ny Fehezan-dalàna mahakasika ny Fifidianana: “Ny fitoriana izay atao sosona roa tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana am-boky, mba tsy hahafoana azy, dia tsy maintsy soniavina ary misy :
– ny anaran’ny mpitory
– ny fonenany
– ny kopia voamarina ara-dalànan’ny kara-pifidianany nomena maimaim-poana, na ny didim-pitsarana nomen’ny nomen’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny fidianana na ireo ratsa-mangaikany eny anivon’ny faritra araka ny fisehoan-javatra;
– ny fanondroana ny safidy na ny anarana sy fanampin’anaran’ilay na ireo olom-boafidy, araka ny fisehoan-javatra, izay toherina ny fifidianana azy;
– ny antony amaharana sy tohan-kevitra ho fanafoanana izany.
Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana.”
Satria ho fampiharana io andinin-dalàna io, dia lazaina fa tsy azo raisina ireo fitoriana tsy voasonia, ireo izay tsy misy antony amaharana sy tohan-kevitra, ireo tsy nanondro ny anaran’ny olom-boafidy toherina, ireo izay mitanisa fotsiny ireo tranga fandikan-dalàna ary indrindra ireo fitoriana tsy nampiarahina ny kopian’ny kara-pifidianany;

VII- NY AMIN’NY FANDAVANA IREO FITORIANA:
a – Ny amin’ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny porofo :
Satria araka ny andalana telo farany amin’ny andininy faha- 136 ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana voalaza teo ambony dia: “Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana.
Ireo taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika fanambarana an-tsoratra sy mitambatra ary voasonian’ny vavolombelona telo nanatrika farafahakeliny miaraka amin’ny filazan’izy ireo ny anarany.”
Satria araka ny famakiana io andinin-dalàna io dia anjaran’ny mpitory ny manaporofo ireo tranga hitany ka masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ireo singan-taratasy novokarina ho porofo ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana;
Satria noho izany dia nolavin’ny Fitsarana etoana fa tsy mitombina ireo fitoriana izay tsy ampy porofo na tsy nahitana porofo na dia iray aza ho fanohanana ireo antom-pamaharana;
Satria torak’izany dia nolavin’ny Fitsarana etoana fa tsy mitombina ireo fitoriana izay narahana porofo fa saingy noheverin’ny Fitsarana fa tsy mafonja; koa toa izany indrindra ireo taratasy vavolombelona ara-dalàna saingy notsipahin’ireo singan-taratasy hafa ao anatin’ny taratasy famakian’ady; ary toa izany koa ireo fitanana an-tsoratra nataon’ny vadin-tany izay mitatitra tranga tsy ara-dalàna nisy tamin’ny fifidianana saingy efa natao andro maromaro taorian’ny andro fandatsaham-bato;

b- Ny amin’ny fanitsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana:
Satria ny Fitsarana etoana dia naharay fitoriana maro momba ny fangatahana ho fanitsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana kandida maromaro; ny anton’ireo fitoriana ireo dia mifahatra amin’ ny fisian’ny fividianana safidy, ny fampiasana fahefam-panjakana nataon’ny mpiasam-panjakana, olom-boafidy, manam-pahefana nandritra ny fampielezan-kevitra, ny fanaovana fampielezan-kevitra ivelan’ny fotoana ara-dalàna, ary koa ny fiantraikan’ny fanafoanana ny didim-panjakàna laharana faha- 2013-593 tamin’ny 06 aogositra 2013 manova andininy sasantsasany amin’ny Didim-panjakàna laharana faha-2013-270 tamin’ny 16 aprily 2013 ho fampiharana ny Lalàna fehizoro laharana faha- 2012-005 tamin’ny 22 Martsa 2012 momba ny Fehezan-dalàna mahakasika ny Fifidianana mandritry ny fampielezan-kevitra;
Satria ny andininy faha -134 andalana voalohany amin’ny Lalàna laharana faha – 2012-005 momba ny Fehezan-dalàna mahakasika ny Fifidianana dia milaza fa : “Noho ny fangatahan’izay te-hanao izany na noho ny fizahana fototra nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotoena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra, dia azo esorina tsy ho anisan’ny mpilatsa-kofidiana ny mpitondra fanjakana, ny mpilatsa-kofidiana izay nampiasa ny fahefam-panjakana izay ananany hoentina manova ny safidin’ny mpandatsa-bato.”
Satria tamin’ny ankamaroan’ny fitoriana, hita nivoitra araka ny antontan-taratasin’ady fa ireo mpilatsa-kofidiana toriana dia, na tsy misy rohy intsony amin’ny Fanjakana, na efa nametra-pialàna tamin’ny asa nitazomany fahefam-panjakana araka ny takian’ny andininy faha-07 ny Fehezan-dalàna mahakasika ny Fifidianana;
Koa noho izany, ireo mpilatsa-kofidiana voalaza teo ambony ireo dia tsy azo heverina ho misy rohy intsony amin’ny Fanjakana na afaka hitàna fahefam-panjakàna velively ka noho izany tsy voakasiky ny andininy faha 134 voalaza teo ambony io;
Koa tsy azo tazomina ho tompon’andraikitra ny amin’izay tranga itoriana azy izy ireo satria tsy manam-pahefana intsony, fepetra takiana ho fanitsanana mpilatsa-kofidiana; noho izany dia tokony holavina ny antom-pamaharana mahakasika ny fampiasana ny fahefam-panjakàna;
Satria ankoatr’izay ny fividianana safidy na ny fanenjehana ny fampielezan-kevitra ivelan’ny fe-potoana ara-dalàna dia iharan’ny sazy ara-keloka voalazan’ny andininy faha -155 sy 162 ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana; Koa noho izany ireo antom-pamaharana ireo dia tsy azo raisina ho antony hanitsanana mpilatsa-kofidiana;
Satria farany ny Fitsaràna etoana dia efa nanipaka ny fiantraikan’ny fanafoanana ny didim-panjakàna laharana faha- 2013-593 tamin’ny 06 Aogositra 2013, tsy ho azo atao ho antony fanitsanana mpilatsa-kofidiana araka ny fitsipika ankapobeny hoe lalàna vao sazy “nulla poena sina lege” ;
Koa noho izany dia tsy manankery izany antom-pamaharana izany;

c – Ny amin’ny fandavana ny fangatahana fanafoanana isam-bato:
Satria ny Fitsaràna etoana dia naharay fitoriana mangataka fanafoanana isam-bato azon’ny mpilatsa-kofidiana maromaro; ka anisan’ny antom-panafoanana amin’izany ny fanaovana fampielezan-kevitra ivelan’ny fotoana ara-dalàna sy mandritry ny androm-pifidianana, ny fanohanana mibaribary ataon’ny manam-pahefana sy mpiasam-panjakana sasany mpilatsaka hofidiana, ary ny fiantraikan’ny fanafoanana ny Didim-panjakàna voalaza teo ambony ;
Satria ny andininy faha -133 ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana dia milaza fa: “ Mitarika ny fanafoanana ny vato mety ho azony tamin’ny safidy na ny mpilatsa-kofidiana na ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana voakasika ny fampiasana fananam-panjakana ary koa ny fahefam-panjakana ho amin’ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana ao amin’ny toerana na ireo toerana nahitana fototra ny fandikan-dalàna, tsy tohinina ny fampiharana ny sazy voalaza ao amin’ny andininy faha-148 amin’ity Fehezan-dalàna ity ho an’ireo olona nanao izany fandikan-dalàna izany.”
Satria hita araka ny voalazan’io andininy io sy ny didy raikitra eto anivon’ny Fitsarana etoana, fa ireo antom-pamaharana mahakasika ny fampielezan-kevitra ivelan’ny fotoana ara-dalàna, sy ny fanohanana mpilatsa-kofidiana ataon’ny manam-pahefana sasany sy mpiasa-panjakana nandritry ny fampielezan-kevitra dia tsy azo lazaina ho antom-panafoanana isam-bato, indrindra fa ny fiantraikan’ny fanafoanana ny didim-panjakàna voalaza teo ambony teo;

VIII- NY AMIN’NY MAHA-MARI-POTOTRA IREO FITORIANA:
a- Ny amin’ny fanintsanana tsy ho mpilatsa-kofidiana:
Satria araka ny andininy faha -134 andalana voalohany amin’ny Lalàna laharana faha – 2012-005 momba ny Fehezan-dalàna mahakasika ny Fifidianana voalaza teo ambony dia azo angatahan’izay te-hanao izany na noho ny fizahana fototra nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotoena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra, ny fanesorana tsy ho anisan’ny mpilatsa-kofidiana ny mpitondra fanjakana, ny mpilatsa-kofidiana izay nampiasa ny fahefam-panjakana izay ananany hoentina manova ny safidin’ny mpandatsa-bato.”
Satria koa ankilan’izany, ny Lalàna fehizoro laharana faha 2012-016 tamin’ny 01 Aogositra 2012 mahakasika ny fifidianana voalohany ireo Solombavam-bahoakan’ny Repoblika Fahaefatra ao amin’ny andininy faha 25 andalana faharoa dia milaza fa: “Ny antoko na fikambanana politika rehetra mijoro ara-dalàna, izay rehetra fiarahan’ny antoko politika, izay rehetra fikambanana mijoro ara-dalàna, izay rehetra fivondronan’olona mahaleotena mizaka ny zon’isam-batan’olona sy ny zo ara-politika, dia afaka manolotra mpilatsa-kofidiana miaraka amin’ny mpisolo toerana roa isaky ny fari-pifidianana.”
Satria raha araka ny voalazan’’ireo andinin-dalàna ireo, ny mpilatsaka hofidiana mpisolo toerana amin’ny lisitra mpilatsaka hofidiana dia fepetra tsy maintsy takiana mba tsy hahafoanany filatsahan-kofidiana;
Satria tao amin’ny fari-pifidianana Befandriana Avaratra, Ranaivoson Delphin izay mbola Ben’ny Tanàna am-perin’asa, tsy nametra-pialàna, ao amin’ny Kaominina Ankarongana, mpilatsaka hofidiana mpisolo toerana amin’ny lisitra tarihin’Atoa Jonah Parfait PREZARALY ;
Satria Atoa Ranaivoson Delphin izay iantefan’ny fitoriana mangataka ny fanitsanana azy ho mpilatsaka hofidiana noho izy nanararaotra ny fahefana mbola teo ampelatanany sy ireo mpiasan’ny Kaominina nampiasainy nialoha sy nandritry ny fampielezan-kevitra; koa izany fihetsika fandikan-dalàna izany dia manamarina ny fanitsanana tsy ho mpilatsa-kofidiana an’Atoa Jonah Parfait PREZARALY sy ireo mpisolo toerana azy;

b- Ny amin’ny fanafoanana isam-bato azon’ireo mpilatsa-kofidiana:
Satria ho fampiharana ny andininy faha -133 ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana voalaza teo, ary araka ny fanadihadiana nataon’ny Fitsaràna dia nofoanana ny isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana tamin’ireto fari-pifidianana manaraka ireto;

– Fari-pifidianana Ankazoabo Atsimo:
Satria hita araka ny fanadihadiana fa tao amin’ny Distrika Ankazoabo Atsimo, Atoa MARA Niarisy , mpilatsaka hofidiana, sy ny ekipany dia nivory matetika tao amin’ny tranon’ny Kaominina Fotivolo, izay rahalahin’ity farany ny Ben’ny Tanànan’io Kaominina io;
Fa nisy koa moto izay fananan’io Kaominina io nampiasaina tamin’ny fampielezan-kevitra, tamin’ireto Koaminina ireto: Ankazoabo Atsimo, Fotivolo, Tandrano sy Berenty koa noho izany dia foanana ny isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana MARA Niarisy tamin’ireo Kaominina ireo ;
Satria tao amin’io Distrika Ankazoabo Atsimo io ihany, Atoa VONJY Albert, mpilatsaka hofidiana, Ben’ny Tanàna am-perin’asan’ny Kaominina Ambanivohitra Ankazoabo Atsimo dia nampiasa fahefam-panjakàna teo am-pelatanany hoentina manova ny safidin’ny mpandatsa-bato, tamin’ny alalan’ny Sefo Fokontany maromaro; fa izy dia nampifidy olona tsy nitondra kara-panondro tao amin’ny birao fandatsaham-bato Tranompokonolona, Kaominina Ankazoabo Atsimo;
Koa noho izany dia foanana ireo isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana VONJY Albert ao amin’ny Kaominina Ankazoabo Atsimo;

– Fari-pifidianana Fénérive-Est
Satria tamin’ny fari-pifidianana Fénérive-Est, Atoa JEAN Louis, mpisolo toeran’ny mpilatsaka hofidiana Ramananirina Ian Wilfried, izay tsy nametra-pialàna tamin’ny maha – Sefo Fokontany azy dia nanery ireo mpifidy tao amin’ny Kaominina Ambodimanga II, Antsiasiaka sy Vohipeno mba hampandany ny mpiray lisitra aminy;
Koa noho izany dia foanana ny isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana Ramananirina Ian Wilfried tamin’ireo Kaominina ireo;

c- Ny amin’ny fepetra tsy ahazoana milatsaka ho fidiana:
Satria araka ny voalazan’ny andininy faha – 8 andalana faha- 8 ny Lalàna fehizoro laharana faha- 2012-016 mikasika ny fifidianana voalohany ireo solombavambahoakan’ny Repoblika Fahaefatra dia : “Azo fidina ho mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny olom-pirenena rehetra mahafeno ireo fepetra lazaina manaraka ireto:…..Ara-dalàna eo anatrehan’ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika momba ny hetra ary indrindra efa nahaloa ny hetra sy ny haba rehetra isan-karazany notakiana nandritra ny telo taona farany.”
Satria araka ny fanadihadiana nataon’ny Fitsarana tao amin’ny fari-pifidianana Antsiranana I, ny mpilatsaka hofidiana Papa Soulé dia mbola tsy nahaloa ireo hetra tany tokony haloany amin’ny Kaominina ambonivohitra Antsiranana I, araka ny Titre de perception laharana faha 0027/2013 tamin’ny 17 Jiona 2013 izay nampahafantarina azy ny 03 Jolay 2013;
Satria noho izany dia lazaina fa tsy afaka milatsaka ho fidiana Atoa Papa Soulé;
d- Ny amin’ny fanafoanana raharaham-pifidianana :
e-
– Fari-pifidianana Mandoto:
Satria ho fampiharana ny andinin-dalàna laharana faha 91 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana dia: “Aorian’ny fandrotsahan’ny mpifidy ny taratasin-datsabato ao anatin’ny vata fandatsaham-bato, dia soniaviny ny lisitra fanamarihan-tsonia eny an-tsisiny; raha tsy mahay manoratra izy, dia ny lavotondrony no apetany ao amin’ny lisitra fanamarihan-tsonia. Manoloana ireo toe-javatra roa, dia tovanan’ny mpikambana iray ao amin’ny birao fandatsaham-bato ny soniany, isaky ny mandeha, ny an’ilay mpifidy na ny lavotondron’izy io eo amin’ny lisitra fanamarinan-tsonia.”
Satria hita araky fitsirihana ny lisi-pifidianana voasonia sy araky ny fijoroana vavolombelona voarotsaka amin’ny antontan-taratasin’ady, fa tao amin’ny birao fandatsaham-bato Ambatofotsikely, Kaominina Vinany sy Distrika Mandoto, dia ny Lefitry ny Sefo Fokontany izay tsy mpikambana amin’izany birao fandatsaham-bato izany no nanao ny fanamarinan-tsonia ny lisi-pifidianana; fa izany dia fandikan-dalàna izany dia mitarika avy hatrany ny fanafoanana ny raharaham-pifidianana ao amin’io birao fandatsaham-bato io;

– Fari-pifidianana Beroroha:
Satria nisy koa fandikan-dalàna momba ny Fifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato tao Ambatovory, sy Tanamary ao amin’ny Distrika ny Beroroha araka ny fahitàna ireo tovana tsy ara-dalàna tamin’ny lisi-pifidianana, sy tsy fisian’ny lisi-pifidianana sy hosoka mibaribary tamin’ny fanamarinan-tsonia;

– Fari-pifidianana Ambilobe, Besalampy sy Maevatanàna:
Satria ny andininy faha -98 ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana dia milaza fa: “Aorian’ny fifaranan’ny fandatsaham-bato dia miroso avy hatrany amin’ny fanisam-bato.”
Satria hita araka ny fanadihadiana fa nisy fanisam-bato notontosaina ivelan’ny birao fandatsaham-bato, indrindra tany amin’ny biraon’ny Kaominina na tamin’ny tranom-panjakàna ary natrehan’ny manam-pahefana tamin’ny faritra maromaro;
Satria izany tranga izany dia fandikàna ireo fombafomba tsy maintsy arahina ka mitarika avy hatrany ny fanafoanana raharaham-pifidianana notanterahina tamin’ny tranoben’Antenimeram-pirenena ao Matiakoho, Amoronala, Kaominina Ambilobe; tao amin’ny birao fandatsaham-bato Soanenga, Kaominina Soanenga fari-pifidianana Besalampy; tao amin’ny birao fandatsaha-bato EPP Marokoro, Abri ad’hoc Ankerika, EPP Andoharano, EPP Tsianjarafa, Abri Ad’hoc Ambatolmapy sy EPP Andranomangatsiaka, izay samy ao amin’ny Kaominina Marokoro, Distrika Maevatanàna;

– Fari-pifidianana Toliara II:
Satria tao amin’ny Distrika Toliara II, dia nisy birao fandatsaham-bato nakatona tamin’ny 11ora, tamin’ny 12 ora antoandro sy tamin’ny 03 ora tolak’andro, ary ankoatr’izay tamin’ny fitsirihana ireo lisi-pifidianana, ny Fitsarana etoana dia nahita sonia mampiahiahy tamin’ny faritra tokony hanaovan’ny mpifidy sonia; koa tamin’izany indrindra no nahitàna sonia miendrika litera izay tsy misy ifandraisany akory amin’ny anaran’ny mpifidy;
Satria noho ireo antony ireo dia foanana ireo raharaham-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato Ankiliteahana, Analabo, Ampifalia, Anjamala sy Marohala;
– Fari-pifidianana Lalangina:
Satria tao amin’ny birao fandatsaham-bato EPP Manatsara, ireo raharaham-pifidianana dia nahantona nandritra ny fotoana tsy voafaritra mba nahafahan’ireo mpikambana ao aminy hisakafo antoandro; fa tamin’io fe-potoana io, dia nisy olona tsy mpikambana amin’izany birao-pifidianana izany, dia ny Sefo Fokontany, no nasaina niambina izany;
Fa izany fihetsika izany dia mifanipaka amin’ny voalazan’ny andininy faha- 66 andalana fahatelo amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana izay milaza fa : “Na inona na inona fisehoan-javatra, mpikambana telo ao amin’ny birao farafahakeliny no tsy maintsy hita ao amin’ny birao fandatsaham-bato mandritra ny fotoana izoran’ny fifidianana.”
Satria koa tao amin’ny birao fandatsaham-bato Salle 2 Alakamisy Ambohimaha, dia sady tara fahatongavana ireo bileta tokana no tsy ampy koa izy ireo mitaha amin’ny isan’ny mpifidy voasoratra;
Koa noho izany dia foanana ny raharaham-pifidianana tao amin’ireo birao fandatsaham-bato ireo.

– Fari-pifidianana Maintirano:
Satria tao amin’ny fari-pifidianana Maintirano, dia nahitana fandikan-dalàna mibaribary sy tsy fanajàna ireo fombafomba takian’ny lalàna tamina birao fandatsaham-bato miisa 37 izay misy fiantraikany amin’ny fahamarinan’ny latsa-bato tao amin’ireo birao fandatsaham-bato ireo; Koa noho izany dia tokony ho foanana ireo voka-pifidianana tao amina birao fandatsaham-bato miisa 09 tao amin’ny Kaominina Belitsaky, birao fandatsaham-bato miisa 10 ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Marohazo, birao fandatsahm-bato miisa 08 ao amin’ny Kaominina Antsaidoha Bebao, ary birao fandatsaham-bato miisa 10 ao amin’ny Kaominina Antsonjondava;

f- Ny amin’ny fanafoanana ny raharam-pifidianana noho ny tsy fisian’ny antontan-taratasim-pifidianana:
Satria araka ny andininy faha 112 ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana voalaza teo ambony dia milaza fa atao sosona maro ny ny fitanana an-tsoratra arakaraka izay handefasana azy ary mitovy lanja amin’ny matoany izany. Na izany aza anefa, tsy maintsy handefasana ny sosony iray ny fitànana an-tsoratra mialohan’ny rehetra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny FIfidianana sy ny ratsa-mangaikany eo anivon’ny lafintany sy ny fitsarana mahefa;
Koa arak’izany andinin-dalàna izany, fa Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana izay fitsarana mahefa amin’ity fifidianana solobavam-bavoaka ity dia tokony andefasana soson’ny fitanana an-tsoratr’ireo birao fandatsaham-bato;
Kanefa noho tsy fahatongavan’ireo fitanana an-tsoratra miisa 09, na dia efa natao aza izay fomba rehetra azahoana izany, izay ilaina indirndra amin’ny fanaraha-maso ny maha ara-dalàna ny fandatsaham-bato teny anivon’ireo birao fandatsaham-bato isan-karazany, dia voatery nanafoana ny raharaham-pifidianana ny Fitsarana teo anivon’ireo birao fandatsaham-bato izay atovana amin’ity didy ity ny lisitra;

g- ny amin’ny lesoka mahakasika ireo voka-pifidianana tamin’ny birao-pifidianana:
Satria araka ny andininy faha 119 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana amin’ny andalana fahatelo, raha noho ny antony tsy azo anoharana no tsy tonga tany amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ireo vokatry ny fifidianana avy amin’ireo birao fandatsaham-bato iray na maromaro, dia manao fitànana an-tsoratra momba izany lesoka izany izy;
Fa ny Fitsaràna etoana dia naharay fitànana an-tsoratra momba ny lesoka tamina birao fandatsaham-bato miisa 12 izay atovana ity didy ity ny lisitra momba izany;
Koa tokony ho toavina izany;

h- Ny amin’ny fanafoanana manontolo ireo raharaham-pifidianana tamina fari-pifidianana maromaro:

– Fari-pifidianana Marovoay:
Satria tao amin’ny fari-pifidianana Marovoay, dia nahitàna hosoka faobe ireo fitanana an-tsoratra tamin’ny alalan’ny fisian’ny kosokosoka mampiahiahy; fa ankoatr’izay dia nisy koa fanodikodinana fitaovam-pifidianana; fa ireo tranga ireo dia misy fiantraikany marina tamin’ny fahamarinan’ny latsa-bato teo anivon’io Distrika io, koa noho izany dia foanana manontolo ny raharaham-pifidianana tao amin’io fari-pifidianana io;

– Fari-pifidianana Sainte-Marie:
Satria tao amin’ny fari-pifidianana Sainte-Marie, dia nisy fandikan-dalàna momba ny fifidianana, teo andaniny, ny filoha lefitry ny antoko MAMAN dia notendrena ho Filohana birao fandatsaham-bato, ary ankilany , nisy mpikambana iray ao amin’ny Vaomieram-pifidianana eo anivon’ny Distrika dia nanao fampielezan-kevitra niaraka tamin’ny mpilatsaka hofidiana natolotry ny antoko MAMAN;
Koa ny Fitsarana etoana dia mihevitra fa izany tranga izany dia misy fiantraikany amin’ny fahamarinan’ny latsa-bato ary noho izany dia manafoana manontolo ny fifidianana tao amin’izany fari-pifidianana izany;

– Fari-pifidianana Belo Tsiribihana sy Ambanja:
Satria tao amin’ny fari-pifidianana Belo Tsiribihana sy Ambanja, dia nahitana kosokosoka maro tamin’ny fitanana an-tsoratra maro izay niteraka hosoka faobe amin’ny voka-pifidianana tao amin’io distrika io; koa ireo tranga ireo dia misy fiantraikany amin’ny fahamarinan’ny latsa-bato koa foanana ny raharaham-pifidianana manontolo tao amin’ireo Fari-pifidianana ireo;

Noho ireo antony ireo,
Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana dia mamoaka izao didy izao:

Andininy voalohany: – Toavina ireo fanatsoaham-pitoriana.
Andininy 2: – Tsy misy antony intsony hitsarana ny amin’ireo fitoriana izay tovanana amin’ity didy ity.
Andininy 3: – Lazaina fa tsy mahefa mitsara ireo fitoriana mangataka fanasaziana ara-keloka, fitoriana mahakasika ny fandaminana anatiny ny antoko politika, fitoriana mahakasika ny fahefana manokana an’ny Vaomieram-pirenenana Mahaleotena mikasika ny Fifidianana hoan’ny Tetezamita.
Andininy 4: – Lazaina fa tsy azo raisina ireo fitoriana nataon’olona na vondron’olona tsy manana fahafaha-mitory na dila paik’andro;
Andininy 5: – Lazaina fa tsy azo raisina tsy mahafeno fepetra na tsy misy ireo singa takian’ny lalàna.
Andininy 6: – Lavina fa tsy mitombina ireo fitoriana tsy misy porofo na nisy porofo tsy mitombina.
Andininy 7: – Lavina fa tsy mitombina ireo fitoriana ho fanitsanana mpilatsaka hofidiana izay mifahatra amin’ny antony ankoatry ny fampiasana fitaovam-panjakàna sy fahefam-panjakana.
Andininy 8: – Lavina fa tsy mitombina ireo fitoriana mangataka fanafoanana isam-bato izay mifahatra amin’ny antony ankoatry ny fampiasana fitaovam-panjakàna sy fahefam-panjakana.
Andininy 9: – Lazaina fa mihintsana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny lisitra tarihin’Atoa Jonah Parfait PREZARALY ao amin’ny Distrika Befandriana Avaratra.
Andininy 10: – Foana ny isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana MARA Niarisy tao amin’ny Kaominina Fotivolo, sy ny isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana VONJY Albert tao amin’ny Kaominina Ankazoabo Atsimo.
Foana ny isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana Ramananirina Ian Wilfried ao amimn’ny Kaominina Ambodimanga II, Antsiatsiaka sy Vohipeno Distrika Fénérive –Est.
Andininy 11: – Lazaina fa hita ny fepetra tsy ahazoana milatsaka ho fidiana an’ Atoa Papa Soulé ao amin’ny Distrika Antsiranana I.
Andininy 12: – Foana ny raharaham-pifidianana tamina birao fandatsaham-bato miisa 59 noho ny tsy fanatanterahana ireo fepetra takian’ny lalàna.
Foana ny raharaham-pifidianana tamina birao fandatsaham-bato miisa 09 noho tsy fisian’ny antontan-taratasim-pifidianana.
Foana ny raharaham-pifidianana tamina birao fandatsaham-bato miisa 12 noho ny fisian’ny lesoka momba ny voka-pifidianana.
Andininy 13: – Foana ny raharaham-pifidianana tao amin’ny fari-pifidianana Ambanja, Belo Tsiribihana, Marovoay sy Sainte-Marie.
Didiana ny famerenana ny fifidianana Solombavam-bahoaka amin’ireo fari-pifidianana voalaza teo ireo araka ny andininy faha -36 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana sy ny andininy voalohany amin’ny Lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 Jolay 2012, izay karakarain’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita, ary andraisan’ireo mpilatsaka hofidiana anjara manontolo.
Andininy 14: – Lazaina fa namoahana didy ireo fitoriana miisa 609 voaray tao amin’ny Firaketan-draharahan’ny Fitsaràna Manokana misahana ny Fifidianana.
Andininy 15: – Ambara fa voafidy ho Solombavambahoaka amin’ny Antenimeram-pirenena ho amin’ny Repoblika Fahaefatra ny voalaza anarana manaraka ireto:

Ireo Solombavambahoaka voafidy

Ireo Solombavambahoaka voafidy (Version PDF)

Andininy 16: – Avoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika izao didim-pitsarana izao.
Nifampidinihana ary nambara tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso natao teto Antananarivo ny alakamisy enina febroary taona efatra ambin’ny folo sy roarivo tamin’ny folo ora misandratrandro, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana:

Andriamatoa RAKOTOZAFY François, Filoha
Andriamatoa RAHARINARIVONIRINA Alisaona, Mpikambana
Andriamatoa RAZAFINDRABE JOSOA Jean Clément, Mpikambana
Andriamatoa RAMANGASON Jean Marie, Mpikambana
Ramatoa PELIARIMANANA Augustine Elysée, Mpikambana
Andriamatoa RASIVIARSON Félicien, Mpikambana
Andriamatoa RAKOTONDRABAO ANDRIATSIHAFA Dieudonné, Mpikambana
Andriamatoa RAJERISON Arsène, Mpikambana
Andriamatoa MAHAZAKA Clermont Gervais, Mpikambana
Ramatoa RANAMPY Marie Gisèle, Mpikambana
Andriamatoa BEFOUROUACK William, Mpikambana
Andriamatoa RANDRIANTSOA Mong Wai-Tune Serge Lucky, Mpikambana
Andriamatoa ANJARARISON Ken, Mpikambana
Andriamatoa IMBIKI Herilaza, Mpikambana
Andriamatoa RABARISOA Andrianaina, Mpikambana
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpikambana
Ramatoa RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpikambana
Andriamatoa ANDRIAMAMPIANDRA Mamy Jaona, Mpikambana

Ary natrehan’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketantsoratra