Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana
————-————————————————–
                            

Firaketan-tsoratra

 Firaketana an-tsoratra ny fianianana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

Androany, roa ambinifolo marsa, taona efatra ambinifolo sy roa arivo, tamin’ny efatra ora tolakandro;
Tao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny fepetran’ireto didy aman-dalàna ireto:
-andininy faha 114 amin’ny Lalàmpanorenana,
-andininy faha 12 amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
-ny didim-panjakana laharana faha 2014-102 tamin’ny 27 febroary 2014 anafoanana ny didim-panjakana laharana faha 2002-826 tamin’ny 14 aogositra 2002 ary anendrena mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, avy amin’ny Filohan’ny Repoblika;
Teo amin’ny lanonam-panjakana, natrehan’ :
-ny Filohan’ny Repoblika,
-Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta
-ny Solontenan’ny Antenimierampirenena;
Dia noraisin’ny Mpanolotsaina Avo Zokiolona ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fianianan’ireto Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana ireto:
– Andriamatoa Jean-Eric RAKOTOARISOA
– Ramatoa Yvonne RAHARISON
– Ramatoa Fara Alice ANDRIANARISOA née RAVELOARISOA,
Izay nanambara toy izao, teo ampananganana ny tànany havanana: “Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tsy hiandany, na amin’iza na amin’iza, fa handray fanapahan-kevitra ankahalalahana, ka ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna manankery ary ireo foto-kevi-dehibe raiketiny, no hany hibaiko ahy amin’izany.
Miniana koa aho fa hitandro mandrakariva ny tsiambaratelon’ny diniky ny Fitsarana.

Rehefa izany dia nomarihin’ny Mpanolotsaina Avo Zokiolona fa vita fianianana araka ny lalàna izy ireo ka nambarany fa voapetraka ara-dalàna hiandraikitra ara-panjakana ny fahefany.
Araka izany dia nataonay, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izao firaketana izao, izay havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika.