Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana;

Araka ny Lalàmpanorenana;

Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 marsa 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana;

Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-016 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ireo solombavam-bahoakan’ny Repoblika Fahaefatra;

Araka ny lalàna laharana faha 2011-014 tamin’ny 28 desambra 2011 ampidirana ny tondrozotra ao amin’ny antanantohatry ny lalàna anatiny;

Araka ny lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 Jolay 2012 anaganana rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Araka ny lalàna laharana faha 2013-008 tamin’ny 01 aogositra 2013 manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 Jolay 2012 ananganana rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Araka ny didim-panjakàna laharana faha 2013-155 tamin’ny 12 martsa 2013 mametra ny fampiharana ny Lalàna fehizoro laharana faha 2012-016 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ny Solombavambahoakan’ny Repoblika Fahaefatra;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2013-270 tamin’ny 16 aprily 2013 mametra ny fampiharana ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 marsa 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2013-340 tamin’ny 15 may 2013 manova ny andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakàna laharana faha 2013-155 tamin’ny 12 martsa 2013 mametra ny fampiharana ny Lalàna fehizoro 2012-016 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ny Solombavambahoakan’ny Repoblika Fahaefatra;

Araka ny didim-panjakàna laharana faha 2013-606 tamin’ny 09 Aogositra 2013 anafoanana ny didim-panjakàna laharana faha 2012-978 tamin’ny 07 novambra 2012 sy anamarihana ny fanendrena ireo mpikambana vaovao voafidy sy voatendry ho ao amin’ny rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana (CES)” eo anivon’ny FItsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Araka ny Didim-pitsarana laharana faha 11-CES/D.14 tamin’ny 6 febroary 2014 nanambaràna ny vokatra raikitra tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka natao ny 20 desambra 2013;

Araka ny didim-panjakàna laharana faha 2014-316 tamin’ny 14 Mai 2014 nanapahana ny datin’ny fifidianana ampahany ireo Solombavam-bahoakan’ny fari-pifidianana: Ambanja, Belo sur Tsiribihina, Marovoay ary Sainte-Marie;

Araka ny didim-panjakàna laharana faha 2014-317 tamin’ny 14 Mai 2014 fiantsoana ny mpifidy ho amin’ny fifidianana ampahany ireo Solombavam-bahoakan’ny fari-pifidianana: Ambanja, Belo sur Tsiribihina, Marovoay ary Sainte-Marie;

Araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 009-CENI-T/D/2014 tamin’ny 05 Septembre 2014 namoahana ny vokatra vonjimaika amin’ny fifidianana voalohany ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenenan’ny repoblika faha efatra natao ny 29 aogositra 2014;

Araka ny Didim-pitsarana laharana faha 12-CES/AR tamin’ny 13 septambra 2014 mikasika fitoriana fanaisorana an-daharana kandida tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ampahany natao ny 29 aogositra 2014;

Rehefa nohenoina ireo mpampakateny;

Rehefa nifampidinihana araka ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna;

I- NY AMIN’NY FAHEFA-MITSARA ANKAPOBEN’NY FITSARANA MANOKANA MISAHANA NY FIFIDIANANA:

Satria ho fampiharana ny andininy faha 13 amin’ny didim-pitsaràna laharana faha 11-CES/AR tamin’ny 06 Febroary 2014 nanambaràna ny vokatra raikitra ny fifidianana Solombavam-bahoaka natao ny 20 desambra 2013, dia nodidiana ny famerenana ny fifidianana Solombavam-bahoaka tamin’ireto fari-pifidianana ireto: Ambanja, Belo sur Tsiribihina, Marovoay ary Sainte-Marie,fandatsaham-bato izay notanterahina ny 29 aogositra 2014;

Koa ho fampiharana ny andininy voalazan’ny Lalàna laharana faha 2012-014 tamin’ny 26 Jolay 2012, nasiam-panovan’ny lalàna 2013-008 tamin’ny 01 aogositra 2013 nananganana ny Rantsana manokana antsoina hoe “Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana” (CES)eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ny ny Lalàna fehizoro laharana faha- 2012-016 tamin’ny 01 Aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ireo solombavambahoakan’ny Repoblika Fahaefatra, dia anjaran’ ny “Fitsarana Manokana voalaza teo ambony ny manapaka ny amin’ny maha-ara-dalàna ny fifidianana voalohany ny solombavambahoaka ao amin’ny Antenimieram-pirenena ao amin’ny Repoblika Fahaefatra sy mandinika ny fitarainana sy fifanolanana mikasika ny raharaham-pifidianana mifandraika amin’izany”; noho izany koa izy, no manambara ny vokatra raikitry ny fifidianana solombavam-bahoaka ampahany notontosaina tamin’ny 29 aogositra 2014;

II- NY AMIN’NY FE-POTOANA FANAMBARANA VOKA-PIFIDIANANA:

Satria ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena ho an’ny Tetezamita dia nanambara ny voka-pifidianana vonjimaika ny fifidianana solombavam-bahoka ampahany natao tamin’ny 29 Aogositra 2014 ny 05 septambra 2014 ;

Satria ny Andininy faha 53 andalana faharoa amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha 2012-016 tamin’ny 01 aogositra 2012 mahakasika ny fifidianana ny solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena ao amin’ny Repoblika Fahaefatra dia milaza fa: « Ny Fitsarana misahana ny Fifidianana no mamoaka ny voka-pifidianana raikitra, raha ela indrindra, ao anatin’ny fe-potoana telopolo andro manomboka amin’ny vaninandro amoahana ny vokatra vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita » ;

Koa noho izany dia tafiditra anatin’ny fe-potoana napetraky ny lalàna ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana ataon’ny Fitsarana etoana anio 26 septambra 2014;

III- NY AMIN’NY FANDAVANA IREO FITORIANA:

a – Ny amin’ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny porofo :

Satria araka ny andalana telo farany amin’ny andininy faha 136 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana voalaza teo ambony dia: “Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana.
Ireo taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika fanambarana an-tsoratra sy mitambatra ary voasonian’ny vavolombelona telo nanatrika farafahakeliny miaraka amin’ny filazan’izy ireo ny anarany.

Satria araka ny famakiana io andinin-dalàna io dia anjaran’ny mpitory ny manaporofo ireo tranga hitany, ka masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ireo singan-taratasy novokarina ho porofo ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana;

Satria noho izany dia nolavin’ny Fitsarana etoana fa tsy mitombina ireo fitoriana izay tsy ampy porofo na tsy nahitana porofo na dia iray aza ho fanohanana ireo antom-pamaharana;

Satria torak’izany dia nolavin’ny Fitsarana etoana fa tsy mitombina ireo fitoriana izay narahina porofo fa saingy noheverin’ny Fitsarana fa tsy mafonja; koa toa izany indrindra ireo taratasy fijoroana vavolombelona ara-dalàna saingy notsipahin’ireo singan-taratasy hafa ao anatin’ny taratasy famakian’ady; ary toa izany koa ireo fitanana an-tsoratra nataon’ny vadin-tany izay mitatitra tranga tsy ara-dalàna nisy tamin’ny fifidianana saingy efa natao andro maromaro taorian’ny andro fandatsaham-bato;

Satria noho izany dia lavina ireo taratasy famakian’ady nataon’ny mpilatsaka hofidiana SOATRA Catherine izay mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ireto biraom-pifidianana ireto: EPP Begavo, efitra voalohany sy faharoa, Ankatafahely, Ambanja Centre, Ambolodimaka Ramena, Antsahampano, Ambolokapiky, sy ireo fitoriana napetraky ny mpilatsaka hofidiana SOLAIMANA Mahamodo nangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny Kaominina Anorontsangana ary ny fitoriana napetraky ny mpilatsaka hofidiana SAORY Christian nangataka ny fanafoanana ireo isam-bato azon-d RAKOTOZANAKOLONA Paul;

b – Ny amin’ny fandavana ny fangatahana fanafoanana isam-bato:

Satria ny Fitsaràna etoana dia naharay fitoriana mangataka fanafoanana isam-bato azon’ny mpilatsa-kofidiana maromaro; ka anisan’ny antom-panafoanana amin’izany ny fanaovana fampielezan-kevitra ivelan’ny fotoana ara-dalàna sy mandritry ny androm-pifidianana, ny fanohanana mibaribary ataon’ny manam-pahefana sy mpiasam-panjakana sasany mpilatsaka hofidiana, ary ny fiantraikan’ny fanafoanana ny didim-panjakàna voalaza teo ambony;

Satria ny andininy faha 133 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana dia milaza fa: “ Mitarika ny fanafoanana ny vato mety ho azony tamin’ny safidy na ny mpilatsa-kofidiana na ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana voakasika ny fampiasana fananam-panjakana ary koa ny fahefam-panjakana ho amin’ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana ao amin’ny toerana na ireo toerana nahitana fototra ny fandikan-dalàna, tsy tohinina ny fampiharana ny sazy voalaza ao amin’ny andininy faha 148 amin’ity Fehezan-dalàna ity ho an’ireo olona nanao izany fandikan-dalàna izany.

Satria hita araka ny voalazan’io andininy io sy ny didy raikitra eto anivon’ny Fitsarana etoana, fa ireo antom-pamaharana mahakasika ny fampielezan-kevitra ivelan’ny fotoana ara-dalàna, sy ny fanohanana mpilatsa-kofidiana ataon’ny manam-pahefana sasany sy mpiasa-panjakana nandritry ny fampielezan-kevitra dia tsy azo lazaina ho antom-panafoanana isam-bato, indrindra fa ny fiantraikan’ny fanafoanana ny didim-panjakàna voalaza teo ambony teo;

Satria noho izany, dia lavina ireo taratasy famakian’ady nataon’ny mpilatsaka hofidiana SYLLA Yvette mangataka ny fanafoanana ny isam-bato azon’I TSIVOULANGNE Maximim tao amin’ny biram-pifidianana ao Ifotatra sy Ambodifotatra, Distrikan’I Sainte Marie, sy ny fitoriana nataon’ny mpilatsaka hofidiana SOATRA Catherine izay mangataka ny fanafoanana ny isam-bato azon’i SOLAIMANA Mahamodo tao Ambohimena, Distrikan’Ambanja;

d- Ny amin’ny fandavana ireo taratasy famakian’ady noho ireo antom-pamaharana tsy manan-kery:

Satria nisy fitoriana maro nangataka fanafoanana isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana na biraom-pifidianana iray tonga teto anoloan’ny Fitsarana izay nifototra tamin’ny fandikan-dalàna famaizana; koa mahakasika izany indrindra ireo kabary fanalam-baraka, na mitory fanavakavahana nandritry ny fampielezan-kevitra, tsy fanajàna ny tsy fitanilàna nataon’ny mpikambana amin’ny birao fifidianana na mpanara-maso fifidianana, ary ny fanohanan’ny mpilatsaka hofidiana mpifaninana aminy;

Satria tsara ny mampahatsiahy fa ny antom-pamaharana iray lazaina fa tsy manan-kery dia noho izy tsy misy fiantraikany amin’ny valin’ny fitoriana, na koa ireo tranga na ireo andinin-dalàna ifotorany dia tsy azo ampiharina velively amin’ny ady iray;

Satria ireo tranga voalaza teo ambony, na dia marina aza fa voasazin’ny lalàna famaizana momba ny fifidianana, dia tsy mitarika ny fanafoanana ny isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana iray araka ny voalazan’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana sy ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana solombavam-bahoaka, satria ireo tranga ireo dia tsy nisy fiantraikany tamin’ny fahamarinan’ny latsa-bato na nanova ny safidim-bahoaka; arak’izany dia tsy manan-kery ireo antom-pamaharana ireo;

Satria noho izany dia lavina ny taratasy famakian’ady nataon’ny mpilatsaka hofidiana SYLLA Yvette izay nangataka ny fanafoanana ny isam-bato azon’i TSIVOULANGNE Maximin tao amin’ny fari-pifidianana Sainte Marie, ny taratasy famakian’ady nataon’ity farany nangataka ny fanafoanana ny isam-bato azon’i SYLLA Yvette tao amin’ny birao fifidianana Vohilava;

Satria tao amin’ny fari-pifidiananan’i Belo sur Tsiribihana, SAORY Christian dia mangataka ny fanafoanana ny isam-bato azon-dRAKOTOZANAKOLONA Paul noho i BORIDA Jocelyn, mpandraharaha nahazo tolotr’asa tamin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana mba hitatitra fitaovam-pifidianana, dia hita fa nanohana kandida;

Satria ny andininy faharoa amin’ny lalàna laharana faha 2012-004 tamin’ny 01 febroary 2012 mametra ny fandaminana, ny fahefana ary ny andraikitry ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana dia milaza fa ity farany dia rafitra iaraha-mitantana natao hiandraikitra sy hitantana, anatin’ny fahaleovan-tena tanteraka, tsy mitanila ny raharaham-pifidianana mandritry ny Tetezamita. Izy koa no miantoka ny fahamarinan’ny latsa-bato.

Satria ny fitoriana etoana dia mikendry ny tsy fanajàn’ny Vaomieram-pifidianana ny fahaleovan-tenany sy ny tsy fitanilàny ;

Satria anefa ny tranga izay nolazain’ny mpitory dia tsy misy fiantraikany amin’ny safidin’ny mpandatsa-bato;
Koa noho izany dia tokony ho lazaina fa tsy manan-kery io antom-pamaharana nentin’ny mpitory io;

e- Ny amin’ny fandavana ireo taratasy famakian’ady nifototra tamin’ny fampiasana fitaovam-panjakana nanditry ny fampielezan-kevitra:

Satria tao amin’ny fari-pifidianan’i Sainte Marie, TSIVOULANGNE Maximin dia nangataka ny fanafoanana manontolo ny isam-bato azon’ny mpilatsaka hofidiana SYLLA Yvette noho ity farany ampangainy ho nampiasa tranom-panjakana miorina ao amin’ny “Ilot Madame” izay voasokajy ho vakoka manan-tantara, ary nataony “Quartier Général” nandritry ny fampielezan-kevitra;

Satria ity tranom-panjakana ity, araka ny taratasy voarotsaka ao amin’ny antontan-taratasin’ady, indrindra fa tamin’ny alalan’ny fanapahana laharana faha 020-DIST/SM/ASS noraisin’ny Lehiben’ny Distrikan’i Sainte Marie tamin’ny 02 febroary 2007, dia nomena malalaka hampiasain’ny fikambanana tarihin-dRtoa SYLLA Yvette mandritry ny 10 taona;

Koa noho izany dia tsy azo ampiharina amin’ity tranga ity ny andininy faha 133 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana;

f- Ny amin’ny fandavana ireo fitoriana mifototra amin’ny fampiasana fahefam-panjakana sy fitaovam-panjakana:

Satria tao amin’ny fari-pifidianan’i Belo sur Tsiribihina, SAORY Christian dia mangataka ny fanafoanana ny isam-bato azon-dRAKOTOZANAKOLONA Paul tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tsaraotana sy Tsimafana, ary koa ny fanafoanana ny raharaham-fifidianana tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Antsoha sy Masoarivo noho ity farany tsy nametra-pialàna tamin’ny maha Ben’ny Tanàna azy;

Satria alohan’izany, ny andininy faha 7 amin’ ny Fefehezan-dalàna momba ny fifidianana andalana faha 4 dia milaza fa: “Ny manam-pahefana ara-politika rehetra dia tsy maintsy mametra-pialàna amin’ny asany manomboka ny vaninandro amoahana ny lisitra ofisialin’ireo mpilatsaka hofidiana.

Satria manaraka izany, ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-012 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ireo solombavam-bahoakan’ny Repoblika Fahaefatra ao amin’ny andininy faha 19 andàlana faha 3 dia milaza ihany koa fa ny manam-pahefana ara-politika mpilatsaka hofidiana ho Solombavambahoaka dia lazaina fa heverina ho nametra-pialana avy hatrany manomboka amin’ny fanambarana ofisialy ny lisitry ny mpilatsaka hofidiana ;

Satria ankoatr’izany, ny Teny midina nataon’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana mitondra ny laharana faha 4246-MININTER/MINDEC tamin’ny 05 novambra 2013 izay mametra ny fandaminana ny raharaham-pitondrana eny anivon’ny Kaominina manoloana ny filatsahan-kofidian’ireo Ben’ny Tanàna na Filohan’ny Delegasiona Manokana, dia milaza fa: “...ireo ben’ny Tanàna izay milatsa-kofidiana amin’ny fifidianana Solombavam-bahoaka dia mamindra ny fitantanan-draharaha amin’ny lefiny, tsy mpilatsa-kofidiana, araka ny filaharan’ny fanendrena…
Satria ny Ben’ny Tanàna dia heverina fa manam-pahefana politika;

Satria araka ny fanapahana laharana faha 022-DIST/BELO/PERS tamin’ny 05 desambra 2013, RAKOTOZANAKOLONA Paul dia nanatontosa ny famindram-pahefana tamin’ny lefiny RAKOTOBE Henri Christian, ny 26 novambra 2013;

Koa araky ny andininy faha 19 amin’ny lalàna fehizoro voalaza teo ambony, dia tsy takiana intsony ny taratasy fametraham-pialana satria heverina fa efa nametra-pialàna avy hatrany RAKOTOZANAKOLONA Paul;

Noho izany dia lavina ny fangatahan’i SAORY Christian;

IV)- NY AMIN’IREO FITORIANA MANGATAKA NY HANARAHA-MASO NY VOKA-PIFIDIANANA:

a- Ny amin’ny lesoka mahakasika ny fandikana ireo voka-pifidianana:

Satria tao amin’ny fari-pifidinan’i Sainte Marie ihany, TSIVOULANGNE Maximin dia mangataka ny fanafoanana ireo voka-pifidianana tao amin’ny biraom-pifidianana tao Ifototra noho ny safidim-bahoaka niova tanteraka satria ny isan’ny vato manankery dia ambony lavitra raha mihoatra amin’ny isan’ny olona tonga nifidy; satria tao amin’ny birao fifidianana Ambatorao, SYLLA Yvette dia nahatsikaritra fa tsy nitovy ny isam-bato nambaran’ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifidianana sy ny taratasy fanamarinana ny isam-bato mahakasika ny isan’ny vato avy tao amin’ny vata fandatsaham-bato sy ny vato manankery;

Satria tao amin’ireo birao fifidianana ireo, ny Fitsarana etoana dia niroso tamin’ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra sy ny taratasy fanamarinana ny isam-bato teo am-pelatanany sy ny avy amin’ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifidianana, ka tsy nahitany lesoka;
Satria noho izany dia lavina ny fitoriana;

b- Ny amin’ny fitoriana mangataka ny fandinihana indray ireo taratasim-bato nambara ho maty sy fotsy:

Satria tao amin’ny fari-pifidianan’i Sainte Marie, SYLLA Yvette dia nangataka ny mba handinihana indray sy ny hanamarinana ireo taratasim-bato izay nambaran’ny birao fandatsaham-bato fa vato maty sy vato fotsy;

Satria ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifidianana, araka ny Andininy faha faha-51 amin’ny lalàna laharana faha 2012-016 tamin’ny 01 aogositra 2012, dia nampita tety anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ireo taratasim-bato maty sy fotsy tao amin’ny fari-pifidianan’i Sainte Marie, ary ny taratasy mitondra ny laharana faha 971/14/CENIT tamin’ny 05 septambra 2014 izay manamarika fa misy mampiahiahy ireo vato maty sy vato fotsy sasantsasany;

Satria ao anatin’ny fampiasany ny fahefany, ny Fitsarana etoana dia niroso tamin’ny fitsirihana ny fahamarinan’ireo safidy nataon’ny mpandatsa-bato;

Satria ny andininy faha faha 104 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2012-005 tamin’ny 22 martsa 2012 dia milaza fa maty na fotsy ny taratasin-datsabato iray raha tsy voamarika ny safidy, na voamarika daholo ny safidy roa na mihoatra; koa ho fampiharana ny andininy faha 105, ny vato fotsy, izay tsy feno ny fanondroana raiketiny ny safidin’ny mpifidy na koa izay nasian’ny mpandatsabato famantarana ny tenany, ireo taratasin-datsabato misy marika ao anatiny na ety ivelany mba hahafantarana azy, ireo taratasin-datsa-bato ahitana endrin-javatra famantarana na sary nakoa soritra manompa ny safidy, ny mpilatsa-kofidiana na olon-kafa dia tsy miditra ho anisan’ny vato azon’ny safidy tsirairay ho an’ny mpilatsa-kofidiana iray;

Satria araka ny andininy faha 27 amin’ny didim-panjakàna laharana faha 2013-155 tamin’ny 12 martsa 2013 izay mametra ny fampiharana ny Lalàna fehizoro laharana faha 2012-016 tamin’ny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana voalohany ny Solombavambahoakan’ny Repoblika Fahaefatra dia milaza fa ny mpifidy dia maneho ny safidiny amin’ny taratasin-datsabato tokana amin’ny alalan’ny marika eo amin’ny toerana voatokana ho amin’izany;

Satria raha araka ny hevitry ny lalàna sy ny eritreritry ny mpanao lalàna, fa indrindra ny fanajàna ny latsa-bato malalaka nataon’ny mpifidy, ny marika nataon’ny mpifidy dia isaina ho latsa-bato manankery rehefa tsy misy ny fisalasalàna mahakasika ny fanamarinana marina ny safidy nataony;

Satria noho izany, ny Fitsarana etoana dia nanamarina ireo taratasin-datsabato nolazaina fa fotsy na maty; koa arak’izany dia lazaina fa manankery ny marika napetraka eo amin’ny sarin’ny kandida, na eo amin’ny laharany, na ivelan’ny toerana voatokana amin’izany saingy ahafantarana tsy isalasalana ny safidy voasoratra, na ny marika mitaingina amin’ny kandida roa saingy ahitana soritra kosa fa miantefa amin’ny kandida iray; ankoatr’izay dia manankery koa ny safidy mazava hoan’ny kandida iray natao tamin’ny alalan’ny lavotondro saingy nihoatra tsy nahy amin’ny faritra misy ny kandida mpifaninana aminy tamin’ny famoretana ny taratasin-datsabato;

Satria noho izany, taorian’ny fanamarinana natao, ny Fitsarana etoana dia nampanankery taratasin-datsabato miisa 49 izay nambara fa fotsy na maty, izay mitsinjara toy izao: 23 ho an’i SYLLA Yvette, 19 ho an’I TSIVOULANGNE Maximin, 01 ho an’I BOTODIA Jean Brunel, 01 ho an’i ANDRONIQUE, 03 ho an’I BEZARA Josée Myrah, 01 ho an’I GOULAMOSSEN François dit MANGOUSTAN ary 01 ho an’I HIRMANSE Jean Claude;

V) NY AMIN’NY TSY FISIAN’NY ANTONTAN-TARATASIM-PIFIDIANANA TAMIN’NY BIRAO FANDATSAHAM-BATO IRAY:

Satria araka ny andininy faha 119 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana amin’ny andalana fahatelo, raha noho ny antony tsy azo anoharana no tsy tonga tany amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ireo vokatry ny fifidianana avy amin’ireo birao fandatsaham-bato iray na maromaro, dia manao fitànana an-tsoratra momba izany lesoka izany izy;

Fa araka ny fitànana an-tsoratra tamin’ny 02 septambra 2014, ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ireo vokatry ny fifidianana dia nitatitra ny lesoka tamin’ny birao fandatsaham-bato laharana 640 111 010 101 ao Ampanihy, Fokontany Ampihamy, Kaominina Berobaka, Distrikan’i Belo sur Tsiribihana ;

Koa tokony ho toavina izany;

Noho ireo antony ireo,
Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana dia mamoaka izao didy izao:

Andininy voalohany: – Lavina ny taratasy famakian’ady nataon’i SOATRA Catherine, SOLAIMANA Mahamodo, SAORY Christian, SYLLA Yvette sy TSIVOULANGNE Maximin.

Andininy faha 2: – Lazaina fa manankery ny taratasin-datsabato tokana miisa sivy amby efapolo (49) izay nolazaina fa maty na fotsy araka izao manaraka izao : 23 ho an’i SYLLA Yvette, 19 ho an’i TSIVOULANGNE Maximin, 01 ho an’i BOTODIA Jean Brunel, 01 ho an’i ANDRONIQUE, 03 ho an’i BEZARA Josée Myrah, 01 ho an’i GOULAMOSSEN François dit MANGOUSTAN ary 01 ho an’i HIRMANSE Jean Claude.

Andininy faha 3: – Didiana ny famerenana ny fandraisana anjara tamin’ny fanontana ireo taratasin-datsabato hoan’ireo kandida nahazo 10 % amin’ny vato manan-kery.

Andininy faha 4: – Toavina ny tsy fisian’ny antontan-taratasim-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato laharana 640 111 010 101 ao Ampanihy, Fokontany Ampihamy, Kaominina Berobaka, Distrikan’i Belo sur Tsiribihana.

Andininy faha 5: – Ambara fa voafidy ho Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimeram-pirenena ireto voalaza anarana manaraka ireto:
-fari-pifidianan’Ambanja: SOLAIMANA Mahamodo
-fari-pifidianan’i Belo sur Tsiribihina: RAKOTOZANAKOLONA Paul
-fari-pifidianan’i Marovoay: RAVONINJATOVO Sahoby
-fari-pifidianan’i Sainte Marie: TSIVOULANGNE Maximin.

Andininy faha 6.-Avoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika izao didim-pitsarana izao.

Nifampidinihana ary nambara tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso natao teto Antananarivo ny zoma enina amby roapolo septambra taona efatra ambin’ny folo sy roarivo tamin’ny folo ora misandratrandro, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana:

Andriamatoa RAKOTOZAFY François, Filoha
Andriamatoa RAHARINARIVONIRINA Alisaona, Mpikambana
Andriamatoa RAZAFINDRABE JOSOA Jean Clément, Mpikambana
Andriamatoa RAMANGASON Jean Marie, Mpikambana
Ramatoa PELIARIMANANA Augustine Elysée, Mpikambana
Andriamatoa RASIVIARSON Félicien, Mpikambana
Andriamatoa RAKOTONDRABAO ANDRIATSIHAFA Dieudonné, Mpikambana
Andriamatoa RAJERISON Arsène, Mpikambana
Andriamatoa MAHAZAKA Clermont Gervais, Mpikambana
Ramatoa RANAMPY Marie Gisèle, Mpikambana
Andriamatoa BEFOUROUACK William, Mpikambana
Andriamatoa RANDRIANTSOA Mong Wai-Tune Serge Lucky, Mpikambana
Andriamatoa ANJARARISON Ken, Mpikambana
Andriamatoa IMBIKI Herilaza, Mpikambana
Andriamatoa RABARISOA Andrianaina, Mpikambana
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpikambana
Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpikambana
Andriamatoa ANDRIAMAMPIANDRA Mamy Jaona, Mpikambana

Ary natrehan’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketantsoratra