Repoblikan’i Madagasikara

Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana

—————

Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

——————

Firaketan-tsoratra

Firaketana an-tsoratra ny fianianana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

 

Androany, telo amby roapolo jona, taona enina ambinifolo sy roa arivo, tamin’ny iraika ambin’ny folo ora misandratrandro;

Tao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Araka ny fepetran’ireto didy aman-dalàna ireto:

-andininy faha 114 amin’ny Lalàmpanorenana,

-andininy faha 12 amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

-ny didim-panjakana laharana faha 2016-760 tamin’ny 21 jona 2016, anamarihana ny nahavoafidy ireo mpikambana roa ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, avy amin’ny Antenimierandoholon’i Madagasikara;

Teo amin’ny lanonam-panjakana, natrehan’:

-Ny Filohan’ny Repoblika,

-Ny Filohan’ny Antenimierandoholona;

-Ny Solontenan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena;

-Ny Solontenan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta;

-Ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta;

Dia noraisin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fianianan’ireto Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana ireto:

  • Andriamatoa TIANDRAZANA Jaobe Hilton
  • Ramatoa RANDRIAMORASATA Maminirina Sahondra

Izay nanambara toy izao, teo ampananganana ny tànany havanana: “Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tsy hiandany, na amin’iza na amin’iza, fa handray fanapahan-kevitra ankalalahana, ka ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna manankery ary ireo foto-kevi-dehibe raiketiny, no hany hibaiko ahy amin’izany.

Miniana koa aho fa hitandro mandrakariva ny tsiambaratelon’ny diniky ny Fitsarana.”

 Rehefa izany, dia nomarihin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa vita fianianana araka ny lalàna izy ireo ka nambarany fa voapetraka ara-dalàna hiandraikitra ara-panjakana ny fahefany.

Araka izany dia nataonay, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra eto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izao firaketana izao, izay havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika.