Repoblikan’iMadagasikara

Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana

————————————

FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

————————————–

FANAMBARANA

—————————————-

            Ampahafantarina ny antoko na vondron’antoko hanolotra kandidà ho amin’ny fifidianana Filoham-pirenena fa ny fanamarinana hatao eto anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia miompana amin’ny « lisitry ny antoko pôlitika miorina ara-dalàna » nampitain’ny Ministeran’ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana tamin’ny 30 jolay 2018.

Ny fisian’antoko iray na maromaro ao amin’ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidiana nefa tsy ao anatin’io lisitra voalaza etsy ambony io, dia miteraka fanintsanana avy hatrany.

Natao teto Antananarivo, ny 31 jolay 2018.