REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana

——————————

HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

I- NY LISI-PIFIDIANANA SY NY ZO HANDATSA-BATO

(Andininy faha 22 sy nu manaraka ao amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018)

A- Fitakiana momba ny lisi-pifidianana

Ny fitakiana dia mandalo dingana roa (2) mba hahafahana misoratra amin’ny lisitra na hahafahana manakiana fisoratana tsy manara-dalàna :

Dingana tsy ara-pitsarana

  • Fahefana mahefa: Ny Vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny mpifidy
  • Fe-potoana ahafahana manao fitakiana :
  • Ho an’ny olom-pirenena tsy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana : 20 andro aorian’ny petadrindrina manambara ny fisian’ny lisi-pifidianana eny amin’ny biraom-pokontany
  • Ho an’ny olom-pirenena tsy voasoratra ao anaty lisitra noho ny fahadisoana: 10 andro aorian’ny petadrindrina manambara ny fisian’ ny lisi-pifidianana eny amin’ny biraom-pokontany
  • Ho an’ny olom-pirenena rehetra izay mitsipaka izay voasoratra ao anaty lisi-pifidianana: 20 andro aorian’ny petradrindrina manambara ny fisian’ ny lisi-pifidianana eny amin’ny biraom-pokontany.

Fifanolanana ara-pitsarana

  • Fitsarana mahefa: ny Fitsarana ambaratonga voalohany mahefa eo an-toerana.
  • Fe-potoana ahafahana manao fitakiana :
  • 15 andro aorian’ny fampahafantaran’ny Vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny mpifidy ny fandavana ny fangatahana fisoratana anarana
  • 5 andro aorian’ny fampahafantaran’ny Vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny mpifidy ny fandavana ny fanakianana fisoratana anarana.

B- Ady heloka : (andininy faha 216 sy 217 ao amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 may 2018)

  • Ny Fampanoavana no manenjika ary afaka mampaka-draharaha amin’izany ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomiera mahaleo tena mihasana ny fifidianana ary ny tompon’andraiki-panjakana hafa rehetra.
  • Heloka sy sazy:
  • Fanitsakitsahana ny fitsipika fanoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana ataon’ny olom-pirenena na manampahefana na mpiray tsikombakomba: sazy roa (2) ka hatramin’ny dimy (5) taona antranomaizina ary lamandy 000 Ar ka hatramin’ny  4.000.000 Ar  na iray amin’ireo sazy ireo ihany
  • Fanovana na fikasana hanova ny lisi-pifidianana: sazy roa (2) ka hatramin’ny dimy (5) taona antranomaizina ary lamandy  000 Ar ka hatramin’ny  4.000.000 Ar Ar  na iray amin’ireo sazy ireo ihany sy/na sazy mandrara ny fahafahana milatsaka hofidiana roa (2) ka hatramin’ny dimy (5) taona.

 II- NY FILATSAHAN-KOFIDIANA

A-Fametrahana ny filatsahan-kofidiana : dingana tsy mahakasika fifanolanana

  • Fahefana : ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana
  • Fetrandro : hatramin’ny daty farany ahafahana mametraka ny filatsahan-kofidiana
  • Olona afaka mametraka, mameno na manitsy ny antontan-taratasy : ireo mpisolo tena ny antoko, na vondron’antoko na ireo olom-boafidy manohana ilay kandidà
  • Ireo taratasy ilaina (atao dika anankiroa miampy ny lisitr’ireo taratasy rehetra)

1-Fanambarana ny filatsahana ho kandidà misy sonia izay voamarin’ny manam-pahefana

2–Kopia lava iray na dikan’ny karapanondro voamarina fa mitovy amin’ny tena izy

3–Taratasy fanamarinana ny zom-pirenena Malagasy izay navoakan’ny tribonaly ambaratonga voalohany latsaky ny enim-bolana

4–Taratasy fitanisan-tsazy laharana faha 3 navoakan’ny fampanoavana

5-Dika mitovy amin’ny karapifidianana na fanamarinana ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana.

6-Ny taratasy fanamarinana nomen’ny manampahefana momba ny hetra izay manamarina fa ny olona voakasik’izany dia nanatanteraka ny adidiny amin’ny hetra sy ny haba  isan-karazany tao anatin’ny telo taona farany

7–Fanambarana aneken’ny kandidà fa izy dia nandoa ny hetra sy ny haba rehetra nahakasika azy tao anatin’ny ny telo taona lasa

8– Fanambaran’ny kandidà itanisany ny fananàny rehetra sy ny momba ny vola fivelomany sy karama raisiny

9– Taratasy fanamarinam-ponenana izay manamarina ny fipetrahan’ilay kandidà eto amin’ny tanin’ny Repoblika Madagasikara mandritra ny enim-bolana farafahakeliny mialoha ny andro farany hametrahana ny filatsahan-kofidiana

10-Fanamarinana ny fanendrena ny kandidà avy aminantoko politika miorina ara-dalàna na avy amin’ny vondron’antoko politika, na avy amin’olom-boafidy  miisa 150

11–Fanambarana aneken’ny kandidà fa hanaja ny fepetra voalazan’ny Lalàm-panorenana izy

12- Ny tapakila nohamafisin’ny fanamarinana nosoniavin’ny lehiben’ny Caisse des Dépôts et Consignations manamarina ny fametrahana ny fandraisana anjara amin’ny vidin’ny fanontam-pirintin’ny mitentina dimampolo tapitrisa ariary (Ar 50 000 000)

13-Ny modely elektronika misy ny endrika mampiavaka ny momba ny kandidà sy ny vatom-pifidianana ary ny famaritana azy ireo izay iandreketan’ny voakasik’izany

14-Dika mitovy amin’ny rosia manamarina ny fametrahana ny fanambaranam-pananana

15-Fanambarana fa manaiky ny kandidà hanaja ireo fepetra mifehy ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra, indrindra ireo mifandray amin’ny  fangaraharana, ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny  kolikoly.

B-Fitakiana ho fanesorana tsy ho isan’ny kandidà : fifanolanana ara-pitsarana

  • Olona afaka manao fitakiana : ny mpifidy voasoratra anaty lisi-pifidianana eo amin’ny fari-pifidianana voakasik’izany
  • Antony azo aroso:

– kandidà manana andraikitra avo sy ny toerana sivily sy miaramila ambony an’ny Fanjakana izay tsy nametra-pialana tamin’ny asany

– kandidà izay nanao fanambaràna ampahibemaso manaratsy ny fitantanan-draharaha mahakasika ny fifidianana na ny Fitsaràna na mikendry ny hanao tsindry bokotra amin’ireo voatonona ireo.

III- FAMPIELEZAN-KEVITRA SY RAHARAHAM-PIFIDIANANA

A- Fahefan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay afaka mandray andraikitra avy hatrany na tsy misy fitoriana aza (andininy faha 65 lalana fehizoro lf 2018-009 tamin’ny 11 mey 2018)

  • Tanjon’ny fifanolanana : fanaraha-maso sy fiantohana ny maha ara-dalàna ny fampielezan-kevitra sy ny raharaham-pifidianana (andininy faha 202 andalana voalohany ao amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018)
  • Paikady: an-tsoratra saingy afaka manao fanamarinana am-bava ny mpisolovava izay mila mampilaza mialoha ny Fitsarana
  • Fe-potoana ahafahana mitory: ny ampitson’ny andron’ny fifidianana mandra-pahamoahan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ny vokatra vonjimaika (andininy faha 202 andalana faha 4 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018)
  • Olona afaka mitory :
  • Izay rehetra mpifidy voasoratra ara-dalàna tao amin’ny lisi-pifidianana ary nandray anjara tamin’ny latsabato
  • Ireo mpilatsa-kofidiana na lisitry ny mpilatsa-kofidiana
  • Ireo mpisolotenan’ny vondrona miaro safidy iray, na ireo delege ao amin’ny faripiadidiana manontolo na ny ampahany voakasiky ny filatsahan-kofidiana
  • Ireo mpanara-maso eto amin’ny firenena
  • Fepetra ahazoana mandray ny fitoriana

Ny fangatahana dia atao amin’ny alalan’ny taratasy famakiana ady izany na:

  • apetraka mivantana ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
  • alefa amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandraisana eo amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
  • apetraka mivantana amin’ny alalan’ny taratasy avy amin’ny vadintany eo amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany izay iankinan’ny toerana nandatsaham-bato na ny fonenan’ilay mpitory; manome ny tapakila fanamarinana ny naharaisana izany eo no eo ihany ny firaketan-draharaha ary mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
  • apetraka eo amin’ny lehiben’ny boriborintany arahina tapakila fanamarinana ny naharaisana izany ho an’ireo toerana tsy misy paositra. Ny lehiben’ny boriborintany dia mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
  • apetraka eo amin’ny Vaomeram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny iray amin’ireo rantsa-mangaikany, izay mandefa azy amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

Ny fitoriana izay atao sosona roa tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana dia tsy maintsy soniavina ary misy :

  • ny anaran’ny mpitory
  • ny fonenany
  • ny kopia voamarina ara-dalànan’ny kara-pifidianany nomena maimaimpoana na ny fanamarinana nomen’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra
  • ny fanondrona araka ny fisehoan-javatra, ny safidy na ny anarana sy fanampin’anaran’ilay na ireo olom-boafidy, izay toherina ny fifidianana azy
  • ny antony amaharana sy tohan-kevitra ho fanafoanana izany (andininy faha 203 sy 204 amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018).

Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy rehetra anaporofoana ny antony amaharana.

B- Ady heloka

  • Ny Fampanoavana no manenjika ary afaka mampaka-draharaha amin’izany ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomiera mahaleo tena mihasana ny fifidianana ary ny tompon’andraiki-panjakana hafa rehetra.
  • Fanamelohana sy sazy mifandraika amin’ny fampielezan-kevitra( andininy 218 sy ny manaraka amin’ny lalàna fehizoro lf2018-008 tamin’ny 11 mey 2018)
  • kabary, na soratra natao hanohatohana ny filaminam-bahoaka : sazy an-tranomaizina enim-bolana (6) ka hatramin’ny telo (3) taona ary lamandy  000.000 Ar ka hatramin’ny  20.000.000 Ar  na iray amin’ireo sazy ireo ihany,
  • fanararaotam-pahefana ataon’ny tompon’andraikitra ambony amin’ny Fanjakana: lamandy Ar 2.000.000 ka hatramin’ny Ar 5.000.000.
  • fampiasana ny loharanom-bolam-panjakana sy fahefam-panjakana: roa (2) hatramin’ny dimy (5) taona an-tranomaizina.
  • fanalam-baraka:lamandy 2.000.000Ar ka hatramin’ny 5.000.000 Ar.
  • fanaratsiana ireo manam-pahefana na fanevatevana ireo Andrimpanjakana eto amin’ny Fanjakana Malagasy: sazy enina (6) volana ka hatramin’ny telo (3) taona an-tranomaizina ary sazy enina (6) volana na lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.10.000.000 na iray amin’ireo sazy roa ireo ihany.
  • fanodikodinam-bolam-panjakana sy ny fananam-bahoaka toy ny fiara-panjakana: sazy voalazan’ny andininy faha-168 sy ny andininy faha-171 amin’ny Fehezan-dalàna famaizana
  • fanaovana hosoka na fandikana ny fitsipika mifehy ny fampielezan-kevitra (toy ny fisarahan’ny asan’ny fahefana mpanatanteraka sy ny hetsiky ny antoko politika, fanajana ny fetrandro anaovana fampielezan-kevitra, fanajana ny firaisam-pirenena sy ny Fihavanana Malagasy, ny tsy fiandanian’ny Sampan-draharaham-panjakàna toy ny haino aman-jery, ny tsy fampiandaniana ny toeram-pivavahana, ny fitovian-jon’ny kandidà, ny fangaraharan’ny loharanom-bolan’ny fampielezan-kevitra sy ny fampiasana izany, ny fiarovana ny zo ara-batana, ny haja sy ny hasin’ny kandidà sy ny mpifidy, ny fiaina-manokan’ny kandidà, ny fandraràna ny fanavakavahana sy ny famirisihana amin’ny fankahalàna, ny fitandroana ny filaminam-bahoaka) : sazy an-tranomaizina enina (6) volana ka hatramin’ny telo(3) taona ary lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar. 20.000.000 na iray amin’ireo sazy ireo ihany izay.
  • fandotoana na fandrovitana ny peta-drindrina momba ny fifidianana, na inona na inona mety ho endriny : lamandy 1.000.000 Ar ka hatramin’ny 10.000.000 Ar ary mety hiaraka na tsia amin’ny sazy an-tranomaizina iray (1) volana ka hatramin’ny enina (6) volana.
  • fanankorontanana ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny ady, fifanjevoana, vono olona, ratra, fanimbana fananana, na mivantana na elanelanin’olonkafa na vondron’olona : hiharan’ny sazy voalazan’ny Fehezan-dalàna momba ny ady heloka arakaraka ny antonjavatra tsirairay.
  • fanaovana fanambarana eo imasom-bahoaka ho an’ny/ na manohitra ny mpilatsa-kofidiana, ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana na ny safidy ny andro mialoha sy ny andro anaovana ny latsabato :lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.5.000.000.
  • fandraisan’ireo mpiasam-panjakana sivily na miaramila, na olona miasa amin’ny Fanjakana na ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana amin’ny fampielezan-kevitra mandritra ny ora fiasany: lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.5.000.000.
  • famoahana amin’ny alalan’ny akalana rehetra ny vokatry ny fankan-kevitra mivantana na ankolaka mifandray amin’ny fifidianana sy fitsampankevi-bahoaka, ary koa ny fandinihana sy fanazavana ataon’ny mpanao gazety mifandraika amin’izany mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana na fitsampankevi-bahoaka ofisialy ary mandritra ny vanimpotoana tsy ahazoana maneho hevitra amin’ny fifidianana, ny andro mialoha anaovana  ny latsabato: lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.5.000.000.
  • famotsiambola sy tsy fanajana ny fitsipika mahakasika ny famatsiambolan’ ny fampielezan-kevitra : ireo sazy rehetra voalazan’ny lalàna.
  • Fanamelohana sy sazy mifandraika amin’ny raharaham-pifidianana (andininy 229 amin’ny Lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018):
  • Fakana an-keriny na familiana làlana ny fitaovana sy ny taratasim-pifidianana ary koa ireo kojakoja hafa momba ny fifidianana, na ny fiarakodia izay mitatitra izany : sazy an-tranomaizina roa (2) ka hatramin’ny enina (6) taona ary lamandy 1.000.000 Ar ka hatramin’ny 10.000.000Ar na iray amin’ireo sazy ireo ihany; sazy dimy (5) ka hatramin’ny folo (10) taona an-tranomaizina sy lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.20.000.000 raha misy fampiasana fitaovam-piadiana.
  • Fanaovana fihetsika na famelana fotsiny ny fanaovana izany fihetsika izany mba hoenti-manohintohina na hikasana hanohintohinana ny fahamarinan’ny latsabato, hamoahana na hikasana hamoahana ny tsiambaratelon’ny latsabato, hisakanana na hikasana hisakanana ny fifidianana na hanakorontanana izany : iray ( 1) ka hatramin’ny dimy (5) taona antranomaizina sy lamandy Ar.600.000 ka hatramin’ny Ar.6.000.000.
  • Fanerena na fanararaotam-pahefana narahin-kerisetra na tsia mba ho entina hanodinana na hanovana ny safidin’ny mpifidy iray na maromaro : dimy (5) ka hatramin’ny folo (10) taona antranomaizina sy lamandy Ar.2.000.000 ka hatramin’ny Ar.20.000.000 ankoatr’ireo sazy hafa
  • Fanakanana ny olom-pirenena iray na maromaro tsy hampiasa ny zo isambatan’olona ananany amin’ny alalan’ny fitangoronana arahin-tabataba, fanerena na fandrahonana: enina (6) volana ka hatramin’ny roa (2) taona antranomaizina, fandrarana tsy hizaka ny zo handatsa-bato sy hofidiana mandritra ny dimy (5)taona raha haingana indrindra ary folo (10) taona raha ela indrindra.
  • Fivarotana na fividianana vato amin’ny fifidianana: fanamelohana ny tsirairay avy amin’ny lamandy avo roa heny amin’ny vidin’ny zavatra noraisiny na nampanantenaina ary fahaverezan-jo tsy hizaka ny zo isambatan’olona ananany sy tsy fahazoana misahana asam-panjakana na momba ny fifidianana mandritra ny dimy (5) ka hatramin’ny folo (10) taona.
  • Tsy fanajana ny fikatonan’ny fampielezan-kevitra, ny fandrarana tsy hitondrana fitaovam-piadiana ao anaty birao fandatsaham-bato: sazy telo (3) volana hatramin’ny roa (2) taona an-tranomaizina sy lamandy Ar.400.000 à Ar.4.000.000, ankoatr’ireo sazy mavesatra kokoa voalazan’ny lalàna.
  • Tsy fanajana ny fitsipika mahakasika ny fanisam-bato ataon’ny manampahefana voakasik’izany: sazy an-tranomaizina iray (1) hatramin’ny dimy (5) taona ary lamandy Ar.600.000 ka hatramin’ny Ar.6.000.000.

III -NY VOKA-PIFIDIANANA

A- Andraikitry ny Fitsarana Avo Momba Ny Lalàmpanorenana mahakasika ny vokam-pifidianana

  • Tanjon’ny fifanolanana : fanaraha-maso sy fiantohana ny fahamarinan’ny voka-pifidianana.
  • Paikady: an-tsoratra saingy afaka manao fanamarinana am-bava ny mpisolovava izay mila mampilaza mialoha ny Fitsarana
  • Fe-potoana ahafahana mitory:ferana ho roa andro aorian’ny famoahana ny vokatra vonjimaika (andininy faha 66 tapany faha 2 amin’ny Lalàna fehizoro 2018-009 tamin’ny 11 mey 2018)
  • Olona afaka mitory :
  • Izay rehetra mpifidy voasoratra ara-dalàna tao amin’ny lisi-pifidianana ary nandray anjara tamin’ny latsabato
  • Ireo mpilatsa-kofidiana na lisitry ny mpilatsa-kofidiana
  • Ireo mpisolotenan’ny vondrona miaro safidy iray, na ireo delege ao amin’ny faripiadidiana manontolo na ny ampahany voakasiky ny filatsahan-kofidiana
  • Ireo mpanara-maso eto amin’ny firenena
  • Fepetra ahazoana mandray ny fitoriana

Ny fangatahana dia atao amin’ny alalan’ny taratasy famakiana ady na:

  • apetraka mivantana ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
  • alefa amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandraisana eo amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
  • apetraka mivantana amin’ny alalan’ny taratasy avy amin’ny vadintany eo amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany izay iankinan’ny toerana nandatsaham-bato na ny fonenan’ilay mpitory; manome ny tapakila fanamarinana ny naharaisana izany eo no eo ihany ny firaketan-draharaha ary mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
  • apetraka eo amin’ny lehiben’ny boriborintany arahina tapakila fanamarinana ny naharaisana izany ho an’ireo toerana tsy misy paositra. Ny lehiben’ny boriborintany dia mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
  • apetraka eo amin’ny Vaomeram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny iray amin’ireo rantsa-mangaikany, izay mandefa azy amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

Ny fitoriana izay atao sosona roa tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana dia tsy maintsy soniavina ary misy :

  • ny anaran’ny mpitory
  • ny fonenany
  • ny kopia voamarina ara-dalànan’ny kara-pifidianany nomena maimaimpoana na ny fanamarinana nomen’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra
  • ny fanondrona araka ny fisehoan-javatra, ny safidy na ny anarana sy fanampin’anaran’ilay na ireo olom-boafidy, izay toherina ny fifidianana azy
  • ny antony amaharana sy tohan-kevitra ho fanafoanana izany (andininy faha 203 sy 204 amin’ny lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018).

Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy rehetra anaporofoana ny antony amaharana.

B- NY AMIN’NY ADY HELOKA:

  • Ny Fampanoavana no manenjika ary afaka mampaka-draharaha amin’izany ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomiera mahaleo tena mihasana ny fifidianana ary ny tompon’andraiki-panjakana hafa rehetra.
  • Heloka sy sazy (andininy 230 ao amin’ny lalàna fehizoro lf2018-008 tamin’ny 11 mey 2018)

Fanaovana fihetsika na famelana fotsiny ny fanaovana izany fihetsika izany mba hanovana na hikasana hanovana ny voka-pifidianana : sazy an-tranomaizina iray (1) hatramin’ny dimy  (5) taona sy lamandy Ar.600 000 hatramin’ny Ar.6 000.000.