REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
——————————
HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

LAHATENIN’ANDRIAMATOA FILOHAN’NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAM-PANORENANA NANDRITRA NY FOTOAM-PITSARANA AMPAHIBEMASO NAMOAHANA NY VALIM-PIFIDIANA OFISIALIN’NY FIHODINANA VOALOHAN’NY FIFIDIANANA NY FILOHAN’NY REPOBLIKA
————————————
(ALAROBIA 28 NOVAMBRA 2018)
—————— 

Andriamatoa Praiministra, Lehiben’ny Governemanta,
Andriamatoa Filohan’ny Antenimieran-doholona mpisolotoerana,
Andriamatoa sy Ramatoa isany lehiben’ny masoihivoho vahiny eto Madagasikara ,
Andriamatoa sy Ramatoa isany Filohana Rafi-panjakana izay manatrika etoana,
Ramatoa Ben’ny tananan’Antananarivo,

Ianareo olomboafidy sy olom-boatendry, Mpikambana amin’ireny Andrim-panjakana sy Rafi-panjakana ireny, tomponandraiki-pitsarana sy lehiben’ny Fibaikona isan’ambaratonga avy, sivily sy miaramila,

Ry vahoaka Malagasy tsy vakivolo,
Tompokolahy sy Tompokovavy,

Miarahaba anareo tonga androany eto amin’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana, tonga manome voninahitra izao fotoan-dehibe izao.

Ny andininy faha 116.5 amin’ny ny Lalampanorenana dia milaza fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana no “manambara ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakana hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka”. Ity andrim-panjakana ity dia miandraikitra ny maha ara-dalàna sy mamoaka ny valim-pifidianana.

Nanomboka tamin’ny asabotsy 10 novambra 2018, andro nahatongavan’ny antontan-taratasy voalohany teto, dia niasa andro aman’alina ny mpiara-miasa rehetra tsy ankanavaka, izay isaorako ampahibemaso eto, mikasika ny fikirakirana ny valim-pifidianana. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanatanteraka ny asa fanisana sy ny fanaraha-maso napetraka aminy ny Fitsarana. Nijery ihany koa ireo fitoriana voaray.Na tsy misy aza ny fitoriana dia tsy maintsy misy izay fanaraha-maso izay.

Nisy ny fanitsiana ny diso, nisy ny fanarenana ny lesoka, nisy ny fitadiavana ny tena valim-pifidianana marina teo anivon’ny birao pifidianana. Tao aorinan’izany asa be izany, na dia fohy aza ny fotoana nomen’ny lalàna, no namoahana an’izao valim-pifidianana ofisialy izao.

Vita iny ny dingana iray lehibe na dia nisy aza ny sakana sy ny faminganana maro samy hafa. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana dia nanao ny asany araka ny rariny sy ny hitsiny. Ampahatsiahivina ny tsirairay fa tsy ny Fitsarana no mifidy ny mpilatsaka ho fidina ho lany fa ny vahoaka Malagasy izay ny mpifidy rehetra no misolo-toerana azy. Ny asan’ny Fitsarana dia ny hampanaja ny tena safidin’ny mpifidy. Raha resaka fifidianana dia tsy misy ny fahagagana na ny magie.

Nampiseho fahamatorana tanteraka ny mpifidy nandritra iny fihodinana voalohany iny. Adidintsika mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana no mampiseho fahendrena sy fahamatorana toy ireo mpifidy.

Mila misintona lesona mikasika ny fihodinana voalohany isika. Ohatra, ny CENI sy ireo mifanandrina amin’ny fihodinana faharoa dia tokony miara misalahy mametraka ny resaka informatika, hitokisan’ny rehetra. Ny tombotsoan’ny mpifidy no lolohavina ambonin’ny loha amin’izany ary ankitsipo no anaovana azy. Tokony misy fepetra ho raisina ihany koa hizarana ny karatry ny mpifidy izay be loatra no tavela. Tohizana ihany koa, na dia fohy aza ny fotoana, ny fanabeazana ny olom-pirenena mikasika ny fifidianana. Sombitsombiny ihany ireo fa mila hatsaraina amin’ny ankapobeny ny fikarakarana ny fifidianana.

Ho an’ireo kandida roa hiatrika ny fifidianana fihodinana faharoa: mpifaninana ianareo fa tsy mpifahavalo. Samy Malagasy ianareo ary ny firenena iombonana. Ny iray aminareo no hitondra ny tany sy ny fanjakana manomboka amin’ny fianianana amin’ny volana janoary. Ho filoham-pirenenan’ny Malagasy tsy ankanavaka. Koa fadio izay mety hampiady, hampisaraka, handratra, ny mifampiantsy fa mila ny firaisankinan’ny Malagasy rehetra izay hitondra eo. Tezao amin’izany ny mpomba anareo.

Misy zavatra anankiray tsara ho fantatrareo. Ireo izay mahalala ny tantaran’i Madagasikara, ny tantara tena izy fa tsy ny tantara ofisialy, dia mahafantatra fa ity taona 2018 ity dia fotoana tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana Malagasy izay very sy novonoina ary nofafana tamin’ny fanjanahantany. Adidintsika ankehitriny, indrindra izay manantena ny hitondra ny tany sy ny fanjakana, no manantanteraka izany. Ka asakasak’izay mitady hitsivalana amin’izany fa masina ny tanindrazana.

Mampitandrina dieny izao an’ireo izay alaim-panahy mikotrika sy handrehitra adim-poko eto amin’ny firenena. Tsy azo leferina izany ary tsy maintsy mandray andraikitra amin’izany ny governemanta sy ny mpitandro ny filaminana. Mazava ny valim-pifidianana: tsy mila korontana ny vahoaka Malagasy.

Manantena antsika rehetra hiroso ampilaminana any amin’ny fihodinana faharoa, ampanajana ny soatoavina Malagasy. Ny mpifidy no tompon’ny teny farany.
Misaotra tompokovavy, mankatelina tompokolahy.