This image has an empty alt attribute; its file name is Logo1-300x260.jpg

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
——————————
FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

I- FOMBA ARA-PANJAKANA ARAHINA MIALOHA NY HAMPAKARAN-DAHARAHA EO AMIN’NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA 

Rijan-teny fototra : 

  • Lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ;
  • Lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana ireo Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena, andininy faha 24 sy ny manaraka ;
  • Didim-panjakana laharana faha 2019-059 tamin’ny 01 febroary 2019 mamaritra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana Solombavambahoaka, andininy faha 3, 6 ary faha 7 ;

AMETRAHANA NY ANTONTAN-TARATASY FILATSAHAN-KOFIDIANA

  • Eo amin’ny Rafitra misahana ny fanamarinana sy ny firaketana am-boky ny filatsahan-kofidiana(OVEC) ao amin’ny fari-pifidianana voakasik’izany, miasa ao amin’ny biraon’ny rantsa-mangaikan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana eo anivon’ny Distrika na amin’ny toeran-kafa ao anatin’ny renivohitry ny fari-piadidiana ara-panjakana isam-paritra izay ferana amin’ny alàlan’ny lisitra araka ny fanapahana raisin’ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI);
  • Manomboka ny talata 26 febroary 2019 amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny talata 12 martsa 2019 amin’ny 5 ora hariva ;
  • Valin-tenin’ny OVEC : 72 ora aorian’ny andraisany ny antontan-taratasy tsirairay.

NY TSY MAINTSY ITONDRANA NY RAHARAHA MIALOHA EO AMIN’NY CENI RAHA NOLAVIN’NY OVEC NY FIRAKETANA AM-BOKY NY FILATSAHAN-KOFIDIANA

  • Ny olona mangataka: ny mpilatsaka hofidiana izay nolavina ny filatsahany hofidiana ;
  • Fe-potoana anaovana fangatahana: 48 ora aorian’ny nandraisana ny fandavana nataon’ny OVEC ;
  • Endriky ny fangatahana: fanambaràna tsotra an-tsoratra ;
  • Valin-tenin’ny CENI: 24 ora aorian’ny nandraisany ny fanambaràna.

II- PAIKADY EO AMIN’NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

 Rijan-teny fototra:

  • Andininy faha 30 amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay milaza fa « fitoriana famakiana ady no itondrana ny raharaha ho tapahin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ary, miankina amin’ny fototry ny raharaha, araka ireo fitsipika manan-kery soritan’ny rijan-teny manokana mifehy ny anton-javatra izay nampakaran’ady taminy» ;
  • Andininy faha 48 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena izay manambara fa « ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa amin’ny fandinihina ny fitoriana rehetra mahakasika ny karazam-panapahana rehetra noraisina mialoha momba ny raharaham-pifidianana sy mahakasika ny fizotry ny latsabato»;
  • Ny andininy faha 50 dia manampy hoe : « ny fizotry ny paikady arahina eo anatrehan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, momba ny fifanolanana mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka, dia atao araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 202 hatramin’ny faha 207 amin’ny lalàna fehizoro mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ankoatra ny fe-potoana fitoriana sy ny fe-potoana fanaovana ny lahateny fiarovana» ;
  • Ny andininy faha 30 andàlana faha 2 sy ny manaraka amin’io lalàna fehizoro io ihany, raha ny momba izany fe-potoana izany ;
    • Olona afaka mitory: ny kandidà izay nolavina ny filatsahany hofidiana ;
    • Fe-potoana anaovana ny fitoriana: 48 ora aorian’ny nampahafantarana ny kandidà ny fanapahana noraisin’ny CENI ;
    • Fomba fanaovana fitoriana:
      • Atao roa sosona, tsy andoavana sara momba ny hajia sy saram-panoratana
      • Soniavina
      • Misy ny anarana, fanampin’anaran’ny mpitory, ny fonenany, ny antony sy tohan-kevitra amaharana
      • Ampiarahina ny kopian’ny kara-pifidianana voamarina na fanamarinana nomen’ny CENI na ny rantsa-mangaikany manerana ny Nosy
      • Ampiarahina ny taratasy rehetra anaporofoana ny tohan-kevitra amaharana : taratasy notoavina na ara-panjakana, tenin’ny vavolombelona natao an-tsoratra tsirairay (soniavin’ny vavolombelona tsirairay), na iraisana (soniavin’ny vavolombelona roa na maromaro izay nanatrika ny fitrangan-javatra ary misy ny anarany) ary ireo porofo hafa rehetra heverin’ny mpitory fa ilaina ;
    • Toerana ametrahana ny fitoriana : isafidianana amin’ireto manaraka ireto:
      • Mivantana ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay manome tapakila fanamarinana ny fandraisany ny fitoriana ;
      • Atao taratasy tsy very mandeha miaraka amin’ny taratasy fanamarinam-pandraisana (misolo ny tapakila fanamarinana ny naharaisana) alefa ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
      • Na amin’ny alalan’ny taratasy fanerena avy amin’ny vadintany apetraka mivantana ao amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany izay iankinan’ny toerana nandatsaham-bato na ny fonenan’ilay mpitory; manome ny tapakila fanamarinana ny naharaisna izany eo no ho eo ihany ny firaketan-draharaha ary mandefa ny fitoriana amin’ny fomba faran’izay haingana indrindra any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
      • Ao amin’ny lehiben’ny boriborintany ara-panjakana ho an’ny toerana tsy misy sampandraharahan’ny paositra manome rosia izay mahasolo ny tapakila fanamarinam-pandraisana. Ity manampahefana ity no mandefa io fitoriana io amin’ny fomba faran’izay haingana any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
      • Ao amin’ny CENI na ny iray amin’ireo rantsa-mangaikany izay mandefa azy any amin’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.
    • Fanapahana raisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana: 24 ora aorian’ny nandraisany ny antontan-taratasin’ady.