Ho fiarovana sy ho fandalàna ny hasin’ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES) izay natsangana manokana tamin’ny alàlan’ny tondro-zotra (convention politique), ny Filoha sy ny Mpikambana ao amin’ny C E S dia manao izao fanambarana izao:

1-MOMBA NY ANTOM-PISIAN’NY CES
Vokatry ny fifanarahan’ireo mpanao politika tamin’ny alàlan’ny Tondro-zotra, izay nampidirina ho anisan’ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenentsika, no nametrahana ny CES, tao anaty vanim-potoana izay tsy nahitana vahaolana sy marimaritra iraisana tamin’ireo vondrona politika mpifanandrina, afa-tsy ny firosoana amin’ny fifidianana.
Noho izany , dia nomena andraikitra manokana ny CES mba hitondra ny anjara birikiny amin’ny famoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy lava reny, amin’ny alalan’ny fitandroana ny safidim-bahoaka, izay havoitry ny Fifidianana.
2-MOMBA NY FITAOVANA SY NY LALANA NOMENA HO AMPIASAINY
– Ny lalam-panorenan’ny Repoblika faha-efatra izay tsy mampitovy hevitra ny antoko politika sy olona maro,
– Ny Tondrozotra, izay fifanarahana politika nefa natao ho lalàna velona.
– Ny lalàna mifehy ny fifidianana,
– Ny lalàna fehizoro laharana 2012-015 tamin’ny voalohan’ny volana aogositra 2012 mikasika ny fifidiana ny Filoha voalohan’ny Repoblika faha efatra,
– Ary koa ireo fifanarahana iraisam-pirenena izay notoavin’i Madagasikara, izay tsy azo hodian-tsy hita.
Tsy noheverina ho isan’ireo kosa ny fifanarahana nifanaovana tsy navadika ho lalàna na ireo fifanarahana voasoratra fa tsy navadika ho lalàna.
Rehefa nanamarina ny antontan-taratasy voarotsaky ny mpifaninana ny fitsarana dia nahita tokoa ( afa- tsy ireo izay tsy nandrotsaka ny vola ilaina amin’ny filatsahan-kofidiana), fa samy nandrotsaka ireo taratasy voafaritry ny lalàna avokoa izy rehetra, toy ny taratasy fanamarinam-ponenana (certificat de résidence), ny taratasy manamarina ny maha malagasy azy, ny taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra, ary indrindra ny fanamarinana ny fanoratana ny anarany anaty lisi-pifidianana, eny, hatramin’ireo mpifaninana hafa izay noheverin’ny vahoaka fa nanana fonenana any ivelany aza. Ankoatra izay dia nisy ireo mpilatsaka hofidina nandrotsaka taratasy hafa (plaidoyer), miendrika fanazavan-kevitra na fiarovan-tena na fitoriana mihitsy aza, mba hanamarinany ny filatsahany.

Vokatr’izay dia nihevitra ny fitsarana fa tsy mety amin’izao toe-javatra miseho izao ny ampihatra fotsiny ny andininy faha 5 amin’ny lalàna fehizoro laharana 2012-015 voalaza etsy ambony, fa tokony heverina koa ny lalàna hafa toy ny lalàna iraisam-pirenena izay mametraka ho zava-dehibe ny fanajana ny ZO fototra, hahafahan’ny vahoaka haneho an-kalalahana ny safidiny ny amin’izay olona tiany marina hitondra ny fireneny,ka mety hampiravona ny olana, ary hampivoaka an’I Madagasikara amin’izao krizy tsy misy fiafarany izao.Tamin’izany dia ny fomba fijery “téléologique”, izay mifahatra amin’ny tanjona sy izay tian’ny lalàna ahatongavana no nampiharin’ny fitsarana.
NOHO IREO ANTONY REHETRA IREO DIA MANAMAFY NY CES FA MIFANARAKA AMIN’NY LALÀNA SY NY FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA MANKATO NY ZO FOTOTRA NY DIDY NAVOAKANY, ARY MAMETRAKA NY VAHOAKA HO TOMPON’NY TENY FARANY AMIN’NY FISAFIDIANANA AN-KALALAHANA TANTERAKA IZAY OLONA SITRANY HITONDRA AN’I MADAGASIKARA.
HO AN’IREO FIRENENA ANATY KRIZY, KA TENA MANANA FINIAVANA HIVOAKA AMIN’IZANY, DIA NY FIFIDIANANA HANDRAISAN’NY DAHOLOBE ANJARA, TSY MISY FANILIKILIHANA, FA MIFOTOTRA AMIN’NY ARA-DRARINY, IZAY IHANY NO VAHA-OLANA.
NY C E S DIA MANAMAFY FA HIARO TOY NY ANAKANDRIAMASO IZAY TENA SAFIDIN’NY VAHOAKA MARO AN’ISA MARINA AMIN’NY LATSABATO ATAONY, ARY TSY HAMADIKA NA OVIANA NA OVIANA, ARY NA AMIN’NY FOMBA AHOANA NA AMIN’NY FOMBA AHOANA NY HETAHETAM-BAHOAKA, KA MIHEVITRA MANDRAKARIVA NY TOMBOTSOA AMBONY NY FIRENENA.

Natao teto Antananarivo androany 13 may 2013
Ny Filoha sy ny Mpikambana ao amin’ny Cour Electorale Spéciale (C E S )