Repoblikan’i Madagasikara
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
————————————————

Firaketan-tsoratra
——————-
Lf.01-HCC/PV

Androany alakamisy valo aprily taona iraika amby roapolo amby roa arivo, tamin’ny folo ora misandratrandro ;

Teto amin’ny efitrano fitsarana eto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ao Ambohidahy, Antananarivo ;

Araka ny fepetr’ireto didy aman-dalàna ireto :

  • Andininy faha 114 amin’ny Lalàmpanorenana
  • Didim-panjakana laharana faha 2021-384 tamin’ny 1 aprily 2021 anendrena sy anamarihana ny fifidianana mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;

Teo amin’ny fotoam-pitsarana manetriketrika natrehan’ny :

  • Filohan’ny Repoblika
  • N Filohan’ny Antenimierandoholona
  • Ny Filohan’ny Antenimierampirenena
  • Ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta
  • Ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta ;

Dia noraisin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fianianan’ireto Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana voalaza anarana manaraka ireto :

  • Ramatoa RAKOTOBE ANDRIAMAROJAONA Vololoniriana Christiane
  • Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette
  • Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle
  • Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin
  • Ramatoa RAKOTONIAINA RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia
  • Ramatoa RANAIVOSON Rojoniaina
  • Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa
  • Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly,

Izay nanambara toy izao, teo ampananganana ny tànany havanana : « Mianiana aho fa hatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tsy hiandany na amin’iza na amin’iza fa handray fanapahan-kevitra ankahalalahana ka ny fanajana ny Lalampanorenana sy ny lalàna manankery ary ireo foto-kevidehibe raiketiny no hany hibaiko ahy amin’izany. Mianiana koa aho fa hitandro mandrakariva ny tsiambaratelon’ny diniky ny Fitsarana”.   

Rahefa izany dia nomarihin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa vita fianianana araka ny lalàna izy ireo, koa nambarany fa voapetraka ara-panjakana amin’ny toerany avy izy ireo. 

Araka izany, dia nataonay, Lahiben’ny Firaketan-tsoratra eto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izao firaketana izao, izay havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika.