FANDIMBIASAN-TOERANA 
EO ANIVON’NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

 Ny alakamisy 8 aprily 2021, tamin’ny 10ora misandratrandro no notanterahina teto amin’ny Lapampanjakana Ambohidahy ny fotoam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianana nataon’ireo Mpikambana vaovao eo anivon’izany Andrimpanjakana izany.

Izany dia notontosaina manaraka ny andininy faha 114  ao amin’ny Lalàmpanorenana ary ho fanatanterahana ny Didimpanjakana laharana faha 2021-384 tamin’ny 1 aprily 2021 anendrena sy anamarihana ny fifidianana mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana  ka natrehan’ny :

  • Filohan’ny Repoblika,
  • Ny Filohan’ny Antenimierandoholona,
  • Ny Filohan’ny Antenimierampirenena,
  • Ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta,
  • Ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Ireo Mpikambana teo aloha

Ireto  araka izany ireo Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana nanao ny fianianana ary tafapetraka amin’ny toerany avy :

  • Ramatoa RAKOTOBE ANDRIAMAROJAONA Vololoniriana Christiane
  • Ramatoa RAZANADRAINIARISON  RAHELIMANANTSOARondro Lucette
  • Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle
  • Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin
  • Ramatoa RAKOTONIAINA  RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia
  • Ramatoa RANAIVOSON Rojoniaina
  • Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa
  • Ramatoa RATOVONELINJAFY  RAZANOARISOA Germaine Bakoly,

Nianiana izy ireo toy izao manaraka izao : « Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tsy hiandany na amin’iza na amin’iza fa handray fanapahan-kevitra ankahalalahana ka ny fanajana ny Lalampanorenana sy ny lalàna manankery ary ireo foto-kevidehibe raiketiny no hany hibaiko ahy amin’izany. Mianiana koa aho fa hitandro mandrakariva ny tsiambaratelon’ny diniky ny Fitsarana”.  

Ireo Mpikambana vaovao