Repoblikan’i Madagasikara
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
—————————————————
Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

Firaketan-tsoratra
——————-
lf.03-HCC/PV
—————-

Androany, zoma fito may, taona iraika amby roapolo amby roa arivo, tamin’ny  folo ora misandratrandro;
Tao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny fepetran’ireto didy aman-dalàna ireto:
-andininy faha 114 andàlana voalohany sy faharoa amin’ny Lalàmpanorenana,
-andininy faha 12 andàlana voalohany amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
– andininy faharoa sy fahatelo amin’ny didim-panjakana laharana faha 2021-384 tamin’ny 1 aprily 2021 anendrena sy anamarihana ny fifidianana mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
Teo amin’ny fotoam-pitsarana manetriketrika, natrehan’:
-Ny solontenan’ny Filohan’ny Repoblika,
-Ny solontenan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona;
-Ny solontenan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta;
-Ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta;

Dia noraisin’ny Mpanolotsaina Avo, zokiolona amin’ireo Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana manatrika etoana, ny fianianana nataon’Andriamatoa NOELSON William, Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, izay nanambara toy izao, teo ampananganana ny tànany havanana:

Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tsy hiandany, na amin’iza na amin’iza, fa handray fanapahan-kevitra ankalalahana, ka ny fanajàna ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna manankery ary ireo foto-kevi-dehibe raiketiny, no hany hibaiko ahy amin’izany.

Miniana koa aho fa hitandro mandrakariva ny tsiambaratelon’ny diniky ny Fitsarana.”

Rehefa izany, dia nomarihin’ny Mpanolotsaina Avo Zokiolona fa vita fianianana araka ny lalàna izy ka nambarany fa voapetraka ara-dalàna hiandraikitra ara-panjakana ny fahefany.

Araka izany dia nataonay, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra eto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izao firaketana izao, izay havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika.