NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA,

Araka ireto rijan-teny ireto:

  • Ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena nofenoina sy nasiam-panitsiana tamin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2019-002 tamin’ny 14 febroary 2019;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-640 tamin’ny 29 jona 2018 mamaritra ireo fepetra fampiharana ny andininy sasantsasany amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2024-243 tamin’ny 13 febroary 2024 anaikàna ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2024-244 tamin’ny 13 febroary 2024 mametra ny habetsahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny sara fanotàna ny bileta amin’ny fifidianana solombavambahaoaka ary ny fombafomba fanonerana sy famerenam-bola;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2024-582 tamin’ny 13 martsa 2024 mametra ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena, ny fitsinjarana ny toerana manerana ny tanim-pirenena ary ny famaritana ny fari-pifidianana amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2024-644 tamin’ny 14 martsa 2024 mamaritra ny modelin’ny singan-taratasy sasantsasany foronin’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2024-645 tamin’ny 14 martsa 2024 mametra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana solombavambahoaka;

Araka ireto singan-taratasy ireto :

  • Ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ;
  • Ny voka-pifidianana voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato natao teo anivon’ny birao fandatsaham-bato;
  • Fanapahan-kevitra laharana 022/CENI/D/2024 tamin’ny 28 martsa 2024, nasiana fanovàna araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 057/CENI/D/2024 tamin’ny 20 aprily 2024 sy araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 63/CENI/D/2024 tamin’ny 27 mey 2024, mametra ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka ;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 56-CENI/D/2024 tamin’ny 16 aprily 2024 amaranana sy anambaràna ny lisitra raikitry ny filatsahan-kofidina isaky ny fari-pifidianana ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 71-CENI/D/2024 tamin’ny 11 jona 2024 amoahana ny vokatra vonjimaika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny faha 29 mey 2024;

Rehefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nodinihana ireo fitakiana hita tao amin’ny fitanana an-tsoratra ny raharaham-pifidianana, natao ny fanitsiana ny fahadisoana tsy nahy, natao ny fanarenana izay noheverina fa tsy maintsy ho natao sy ny fanafoanana tanisaina etsy ambany;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO:

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana etoana

1.Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ;

  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 200 andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008: « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona »;

Ary ny andininy faha 48 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena dia milaza fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa amin’ny fandinihana ny fangatahana na fandavana rehetra mahakasika ny soratra fanamarinana izay anisan’ny mialoha ny raharaham-pifidianana sy amin’izay rehetra mifandraika amin’ny fizotry ny latsabato.

         Izy no hany mahefa hanamarina ny fanafoanana tanteraka na amin’ny ampahany, izay mety ho vokatry ny fanadinoana ireo fombafomba fototra.

  Mandritra ny fanaraha-maso ny fitanana an-tsoratra ireo biraom-pifidianana sy ireo Sampana misahana ny fanisam-bato, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na dia tsy misy fitarainana aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazan’ny lalàna na didy amam-pitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”; koa araka izany, mitombina ny fahefa-mitsaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

  1. Satria ny andininy faha 45 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 dia mamaritra fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manao ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana raikitra ao anatin’ny fe-potoana enina ambin’ny folo (16) andro manomboka ny vaninandro amoahana ho fantatry ny besinimaro ny voka-pifidianana vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana»;

Ka ny Fanapahan-kevitra laharana faha 71-CENI/D/2024 tamin’ny 11 jona 2024 noraisin’ny Vaomierampirenena Mahaleotena mikasika ny fifidianana dia namoaka ny vokatra vonjimaika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny faha 29 mey 2024 ; noho izany ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka ataon’ny Fitsarana etoana anio faha 27 jona 2024 dia manaja ny fe-potoana voatondron’ny lalàna manankery;

Mahakasika ireo fitoriana manana endrika fifanolanana

  1. Satria nodinihan’ny Fitsarana etoana ireo fitoriana miisa 1506 (enina sy dimanjato sy arivo) izay voaray nanomboka ny 30 mey 2024 ka hatramin’ny 13 jona 2024, araka ny didim-pitsarana :
  • 27-HCC/AR tamin’ny 27 jona 2024 momba ny tsy fahazoana mandray fitarainana mikasika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024 ;
  • 28-HCC/AR tamin’ny 27 jona 2024 momba ny fandavana fitarainana mikasika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024, noho ny tsy fahampiana na tsy fisiana porofo
  • 29-HCC/AR tamin’ny 27 jona 2024 momba ny fandikan-dalana ara-keloka nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024 ;
  • 30-HCC/AR tamin’ny 27 jona 2024 momba ny fitoriana fanatsoahana an-daharana kandida nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024 ;
  1. Satria ny atao hoe fifanolanana momba ny fifidianana dia fitambaran’ireo ady misy nandritra ny fizotry ny latsa-bato na ny fanomanana ny fifidianana ; fa izany dia mba ho fandrindrana ny latsabato, fampielezan-kevitra, fizotran’ny fandatsaham-bato na ny fanambarana ny voka-pifidianana vonjimaika ; fa ny lalàm-pifidianana izay nipoitra avy amin’ny rijan-teny mifehy ireo fifidianana eto Madagasikara dia manana tanjona mba ahafahana miantoka ny fahamarinan’ny fandatsahambato izay tena mifanaraka amin’ny tena safidim-bahoaka narotsak’ireo mpifidy ; fa ny fahamarinan’ny latsa-bato dia mitaky fanajana ireo fepetra maromaro toy ny fahalalahana, ny fitoviana, ny mangarahara ary ny tsiambaratelon’ny latsabato  izay azo adika fa tsy nahitana teritery, hosoka na ireo tsy fanarahan-dalàna izay mety hitarika amin’ny fiovan’ny safidin’ireo mpifidy ;

Ka noho izany ny fahamarinan’ny latsabato dia azo adika ho fanehoana ny safidin’ireo mpandatsa-bato ary raha toa ka sarotra ny mahalala mazava ny safidin’ny maro an’isa, ny mpitsara ny fifidianana dia nomen’ny lalàna fahefana hanapa-kevitra ary hanambara izany safidin’ny maro an’isa izany izay mety ho azo amin’ny alalan’ny fanafoanana vokatra amin’ny birao fandatsaham-bato na fari-pifidianana;

  1. Satria ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana dia nahavoaray fitoriana avy tamin’ireo mpilatsako-fidina, ireo mpifidy ary mpanara-maso fifidianana SAFIDY izay mifototra amin’ny fanitsakitsahana ny tsy fiandanian’ny fanjakana ka tafiditra amin’izany ny tsy fanajana ny fampitoviana eo amin’ny samy mpilatsako-fidiana, eo amin’ny fandikan-dalana izay manakatsakana ny fahalalahana sy ny fahamarinan’ny latsabato ; fa voalazany indrindra amin’izany ireo fividianana vato, ny fisian’ny teritery na ny fanamparam-pahefana natao mba entina namiliviliana ny safidin’ireo mpandatsa-bato ; fa ireo fandikan-dalana ireo dia voafaritra ary voasazin’ireo andininy 229 ka hatramin’ny 234 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana ;

Eo amin’ny toha-kevitra mifaka amin’ny fandikana ny andininy faha 49 ao amin’ny Lalampanorenana izay nataon’ny Filohan’ny Repoblika

  1. Satria ny andininy faha 49 ny Lalampanorenana dia milaza fa « Ny asan’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina aminà asam-panjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao anatin’ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon’ny fikambanam-pivavahana »;

 Fa ny andininy faha 61 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008  mikasika ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana dia milaza fa : “Mandritra ny fe-potoana faharetan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana, dia rarana izay rehetra fitokanana ofisialy.

Tsy misy na dia iray aza filazana goavana mifandrohy amin’izany, na mikendry ny famoronana ny fahazoan’ny antoko politika iray, mpilatsa-kofidiana iray na lisitry ny mpilatsa-kofidiana iray tombondahiny, azon’ny Fitondram-panjakana na Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana atao mandritra ny vanim-potoana anaovana ny fampielezan-kevitra.”;

  1. Satria ny Fitsarana avo etoana tao amin’ny Heviny laharana faha 05-HCC/AV tamin’ny 28 martsa 2019 mifandraika amin’ny fangatahana hevitra nataon’ny Filohan’ny Repoblika ny amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny fampiasan’ny vondrona politika ny teny filamatra amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fanitsakitsahana ny andininy faha 49 ny Lalampanorenana dia efa nitondra fanazavana fa ny famaritana amin’ny fomba mazava ny atao hoe fandraisana anjara feno ao anatin’ny antoko na vondron’antoko politika dia miseho amin’ny fomba roa : na ao anatin’ny rafi-pitantanana nasionaly toy ny komity mpitantana, ny birao mpanatanteraka, na amin’ny maha filoha na sekretera jeneraly azy, na mpikambana mavitrika na mpitolona; fa ny Filohan’ny Repoblika dia efa nametra-pialana tamin’ny antoko TGV ary tsy manana anjara andraikitra na asa aman-draharaha ao anatin’ny vondrona politika “Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina” izy; ka tsy misy fifangaroana  eo amin’ny asa sahaniny amin’ny maha Filohan’ny Repoblika azy  sy ny ao anatin’ny vondrona politika ;

Koa araka izany, mandritra ny fotoam-pifidianana na dia tsy afaka mandray anjara mivantana amin’ny fampielezan-kevitry ny mpilatsa-kofidiana amin’ny fifidianana aza ny Filohan’ny Repoblika ary tsy afaka manatrika ny fivoriana karakarain’izy ireo izy ihany koa, dia afaka kosa maneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny fifidianana solombavambahoaka;

  1. Satria araka izany, ny Filoham-pirenena dia voatsikera noho ny nanehoany ny faniriany momba ny tokony hisian’ny mpiara-miasa na olom-boafidy azony antoka sy vonona hanatanteraka amim-pahatokiana ny fandaharan’asa izay nifidianan’ny vahoaka azy ; fa izany fanehoan-kevitra izany dia natao ivelan’ny fampielezan-kevitr’ireo mpilatsa-kofidiana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ary tsy misy fiantraikany amin’ny fahalalahana ny mpifidy sy ny tsiambaratelom-pifidianana izay iantohan’ny fisian’ny efitrano fitokanana ;

Fa tsy manitsakitsaka ny foto-kevitry ny tsy fiandaniana eo amin’ny fitantanan-draharaha ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena mandritra ny vanim-potoana anaovana ny fampielezan-kevitra natao hanomezana fotodrafitrasa ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina; fa araka  ny voalazan’ny andininy faha 45 amin’ny Lalampanorenana dia andraikitry ny Filohan’ny Repoblika ny  miantoka ny fampandehanana tsy tapaka sy mitohy ny raharaham-panjakana na dia mandritra ny fotoam-pifidianana aza ;

Ny amin’ny antom-pamaharana mifàka amin’ny fandikàna ny foto-kevitry ny tsy fiandaniana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana

  1. Satria araka ny andininy faha 63 andalana farany amin’ny Lalampanorenana « Ny Governemanta no mampiasa ny fitondran-draharaham-panjakana» ; ary araka ny andininy faha 65–11 amin’ny Lalampanorenana : “Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta no Lehiben’ny fitondran-draharaham-panjakana” ; ka io andinin-dalàna io dia mametraka ny tsy tokony hisian’ny fiandaniana amin’ny fitondran-draharaham-panjakana ;
  2. Satria ny fitondran-draharaham-panjakana dia rafitra voalamina araka ny ambaratongam-pitantanana manomboka any amin’ny ministera ka hatrany amin’ny fari-piadidian’ny raharaham-panjakana sy ireo biraom-panjakana ; fa ny tanjon’ny fitondran-draharaham-panjakana dia ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana, ary ny fampandehanan-draharaham-panjakana dia feran’ny didy aman-dalàna maromaro ka anisan’izany tsy fitanilana eo amin’ny fitantanan-draharaha mandritra ny vanim-potoanam-pifidianana ;
    Fa ny tsy fitanilana mandritra ny fifidianana dia mihatra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana koa na dia voafehin’izany aza ny fahalalahana maneho hevitry ny mpiasam-panjakana dia voaaro kosa ny fahalalahany amin’ny fieritreretany; fa ny tsy fitanilana dia miantoka ny fitovian’ny rehetra mandritra ny fotoam-pifidianana;

Satria ny andininy faha-61 ny lalàna fehizoro 2018-008 dia mahakasika manokana ny Praiministra amin’ny maha-lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana azy, sy ireo mpiasam-panjakana ary ireo minisitra lehiben’ireo mpiasam-panjakana mivantana; koa noho izany, ny Filohan’ny Repoblika dia tsy ao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana izay eo ambany fifehezan’ny Praiminisitra;

Ny amin’ny antom-pamaharana mifàka amin’ny tsy fisian’ny fitoviana eo amin’ny samy mpilatsaka ho fidiana:

  1. Satria ny foto-kevitry ny fitoviana eo amin’ny samy mpilatsa-kofidiana dia iantohan’ny fitoviam-pitantanana ireo mpilatsa-kofidiana  eo anatrehan’ny fitondran-draharaham-panjakana momba ny fifidianana; fa ny mpilatsaka ho fidiana dia samy manana solontena tsy maharitra ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny fifidianana; ny laharana nomena ny mpilatsa-kofidiana tsirairay  dia natao  tamin’ny alalan’ny an-tsapaka ;
  2. Satria manarak’izany, ny andininy faha 57 amin’ny lalàna laharana faha 2018-008 dia milaza fa : « Ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana dia fehezin’ny fehi-kevitra fototra manaraka etoana (…) ny rariny sy ny fitovian’ny vintana eo amin’ny mpilatsa-kofidiana rehetra (…)» ; fa ny foto-kevitry ny rariny sy ny fitovian’ny vintana mandritra ny vanim-potoana anaovana fampielezan-kevitra dia midika fifampizarana ara-drariny ny fotoana fitenenana sy ny ora fandefasana izany amin’ny haino aman-jerim-panjakana; fa ny lalàna mikasika ny fifidianana dia tsy manavaka ny mpilatsa-kofidiana araka ny firehany ara-politika, na avy amin’ny antoko manohana ny fitondrana na avy amin’ny mpanohitra na mahaleo tena ;
    Koa noho ireo voalaza rehetra ireo, ny fitoviana eo amin’ireo mpilatsaka ho fidiana dia iantohan’ny lalàna ary anjaran’ny rafitra mikarakara fifidianana ny miantoka ny fanajana izany;

Ny amin’ny antom-pamaharana mifàka amin’ny fandraisan’anjaran’ireo mpiasam-pajakana amin’ny fampielezan-kevitra 

14.Satria araka ny andininy faha 60 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevibahoaka mivaky toy izao :  « Rarana ny mpiasam-panjakana rehetra sivily na miaramila sy mpiasa tsy ao anatin’ny efi-draharaham-panjakana ary ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, izay fehezin’ny adidy aman’andraikitra amin’ny tsy fiandaniana, ny fitozoana, ny asa ampy ny rehetra ary ny fahamarinana ary araka ny sazy voalazan’ny andininy faha-227 amin’ity Lalàna Fehizoro ity ho an’ny fandikan-dalàna mikasika ny fampielezan-kevitra, ny mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra mba hampandany mpilatsa-kofidiana iray, lisitry ny mpilatsa-kofidiana iray na safidy iray » ; fa ny andininy 227 ao amin’io lalàna io ihany dia milaza fa « Na iza na iza manao fanambarana imasom-bahoaka ho an’ny manohitra ny mpilatsaka ho fidiana, ny lisitry ny mpilatsaka ho fidiana na ny fisafidianana ny andro mialoha sy ny andro anaovana ny latsa-bato dia saziana lamandy Ar 2 000 000 ka hatramin’ny Ar 5 000 000. Ny mpiasam-panjakana rehetra sivily na miaramila, ny mpiasa rehetra tsy ao anaty efi-draharahan’ny Fanjakana ary ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana, mba hampandany ny mpilatsa-kofidiana iray, ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana na ny fisafidianana, amin’ireo ora fiasana dia iharan’ireo sazy mitovy amin’izany ihany » ; koa satria heloka sazian’ny lalàna fehizoro voalaza eo ambony sy ny fitsipi-pifehezana manokana ny mpiasam-panjakana sasantsasany izany dia  tompon’andraikitra manokana ny amin’izay fihetsika sy fanampahan-kevitra noraisiny ny mpiasam-panjakana manao fampielezan-kevitra;  fa tsy miteraka fanafoanana ny vato azon’ny kandidà kosa izany raha toa ka tsy voaporofo fa nanova ny vokam-pifidianana azon’ilay kandidà tohanany no sady misy fiantraikany ihany koa amin’ny fahamarinan’ny latsa-bato; koa satria tsy voamarina ny fiantraikan’ireo tranga fampielezan-kevtra voalaza fa nataon’ny mpiasam-panjakana tamin’ny fahamarinan’ny latsa-bato, noho izany dia tsy misy famaharana ny fangatahana mifaka amin’ny fampielezan-kevitra nataon’ny mpiasam-panjakana ;

Ny amin’ny antom-pamaharana mifàka amin’ny kolikolim-pifidianana, fividianana vato ary ny mety ho fanerena mahazo ny mpifidy :

  1. Satria ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 may 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana ao amin’ny andininy faha 233 dia milaza fa : « Izay rehetra mivarotra na izay rehetra mividy vato amin’ny fifidianana dia hohelohina tsirairay avy amin’ny lamandy avo roa heny amin’ny vidin’ny zavatra noraisiny na nampanantenaina.

Ankoatra izany, izay rehetra olona ka, nividy na nivarotra vato iray, tamin’ny fisian’ny fifidianana na fitsampankevi-bahoaka, na ohatrinona na ohatrinona vidiny, dia verezin-jo tsy hizaka ny zo isambatan’olona ananany no sady hambara fa tsy mahazo misahana asam-panjakana na rarana tsy hanao asa momba ny fifidianana mandritra ny dimy (5) ka hatramin’ny folo (10) taona.”

16. Satria ny fifandirana mahakasika ireo heloka ireo dia tafiditra ao anatin’ny fahefan’ny fitsarana ady  heloka  ; fa na izany aza anefa, noho ny fisian’ny tranga mibaribary sy tsy azo toherina  amin’ny fizotran’ny fanatanterahana ny latsa-bato sy araka ny fitsipika fototra ny fahafenoam-pahefana hitsara momba ny fifidianana izay nalaina tao amin’ny andininy faha 200 tao amin’ny lalana fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, izay mamaritra fa : « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona”; fa io andininy io dia mbola nofenoin’ny andininy faha 204 izay milaza mazava toy izao: “ Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana.

Ireo taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika an-tsoratra, izany dia mety ho mahaleotena na iombonana.

Ny fanambarana mahaleotena dia soniavin’ny vavolombelona tsirairay. Ny fanambarana iombonana dia soniavin’ny vavolombelona   roa (2) na maromaro manatrika miaraka amin’ny filazana ny anaran’izy ireo.

Ireo singan-taratasy ireo dia afaka tohanana amin’ny fomba rehetra na akalana izay heverin’ny mpitory fa ilaina.

Masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ireo singan-taratasy novokarina ho porofo ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (…) ”;

17. Satria ny Fitsarana avo etoana dia natao handray fanapahan-kevitra amin’ireo tranga voamarina fa nisy akony lehibe amin’ny fahamarinan’ny latsabato; koa raha nisy hosoka dia tsy hanafoana ny vokam-pifidianana raha tsy misy fiantraikany eo amin’ny valim-pifidianana izany; fa ny fitsarana misahana ny fifidianana dia mitsara ny fahamarinan’ny latsa-bato izay ahitana taratra ny rohy eo amin’ny valim-pidianana sy ny safidin’ny maro an’isa; Koa noho izany ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana dia mandanjalanja ny fitoriana tsirairay araka ny nihavian’ireo tsindry sy ny vokatr’izany eo amin’ireo mpifidy , fa iantohan’ny efitrano fitokanana ny tsiambaratelon’ny latsabato sy ny safidy malalaky ny tsirairay na dia heverina fa nisy aza ny kolikoly ;  Noho izany dia lavina ny fitoriana ao amin’ny tovana tsy fahampiana na tsy fisian’ny porofo mikasika ny fividianana vato sy ny tsindry atao amin’ny mpifidy;

Ny amin’ny antom-pamaharana mifàka amin’ny ny fampiasana ny fahefam-panjakana :

18. Satria ny atao hoe fahefam-panjakana dia fananan’ny rafitra na ny mpitondra fanjakana fahefana nomen’ny lalàna haka fanapahan-kevitra hanerena ny rehetra na ihany koa olon-tokana hanao na tsy hanao zavatra anankiray ho an’ny tombontsoan’ny daholobe, Satria ny  fampiasana izany fahefana izany amin’ny alalan’ny fandraisana didy na fanapahan-kevitra entina  hanerena na handidiana  ny mpifidy hanome ny safidiny ho an’ny kandidà na lisitra voatondro ho tombontsoan’ny mpirotsaka ho fidiana no atao hoe fampiasana fahefam-panjakana amin’ny vanim-potoan’ny fifidianana ;

19. Satria ireo kandidà nitana andraikitra ambony teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, izay efa nametra-pialana dia tsy azo heverina ho manana izany fahefam-panjakana intsony; koa noho izany dia tsy mitombina ny fitoriana mifototra amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana ary lavina;

20. Satria ny andraikitry ny fitsarana  misahana ny fifidianana dia ny mijery na mitombina na tsia ireo ventin-kevitra voalaza etsy ambony , ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna izay manohintohina ny fahamarinan’ny latsa-bato , ary koa ny mandanjalanja raha misy fiantraikany amin’ny  fahalalahan’ny mpifidy ka tsy voaharon’ny tsiambaratelon’ny latsabato, ka mety hiteraka fanafoanana vato azon’ny kandidà na vokatra ao anatin’ny birao fandatsaham-bato;

NY MOMBA NY FANAFOANANA IREO LATSABATO SASANTSASANY

  1. Satria araka ireo voalazan’ny lalàna sy ireo fenitra etsy ambony, ny Fitsarana etoana dia manafoana ireo raharaham-pifidianana tao anaty biraom-pifidianana vitsivitsy sy ireo vato sasantsasany azon’ireo mpilatsaka ho fidiana noho ny hosoka araka ireto tranga manaraka ireto:
  2. Satria araka ny porofo voaray , ANJARA NATOLONJANAHARY Hanitra Gabriel, izay Ben’ny Tanàna lefitra miandraikitra ny raharaha ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena, solontenan’ny lisitra laharana faha telo (3) ao amin’ny Distrikan’i Maevatanana, noho ny fampiasany ny fahefam-panjakana izay salorany dia nanome fahazoandalana hampiasa ireo fotodrafitrasan’ny Kaominina Ambonivohitr’i Maevatanana izay niteraka fitondrana mitanila manoloana ireo mpilatsaka ho fidiana ; fa izany fandikan-dalana izany dia hita misy akony tamin’ny fironan’ny latsa-bato noho ilay lisitra laharana faha 3 nahazo vato mihoapampana tao amin’ny kaominina Ambonivohitr’i Maevatanana I; koa dia foanana ireo vato miisa enina sy sivanjato sy arivo (1906) satria azon’ny lisitra fahatelo vokatry ny hosoka tao amin’ny Kaominina Ambonivohitry Maevatanana;
  3. Satria ny laharana faharoan’ny lisitra faha efatra “Association Mampiray” ao amin’ny Distrikan’i Fénérive-Est, Andriamatoa ROMI Nalson Ruffin izay mpiasam-panjakana miasa ao amin’ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampasina Maningory ao amin’ny Distrikan’i Fénérive Est izay nampanantena fizarana tany maimaimpoana nandritra ny fampielezankevitra ho an’ireo olona izay handatsabato ho azy ary nampiasa ihany koa ny fahefam-panjakana izay salorany ka manome tombandahiny  ny lisitra misy azy , izany dia miteraka tsy fitoviana misy eo amin’ireo rehetra mpifaninana ; fa izay teny nataony izany dia misy akony tamin’ny fampiharana ny zo hifidy ka mitarika ny fanafoanana ny vaton’ny lisitra Association Mampiray izay azo tamin’ny hosoka miisa efatra amby dimampolo sy telonjato sy roarivo (2354) tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampasina Maningory, Distrikan’i Fénérive Est.
  4. Satria araka ny fanambaràna natao ny 30 Mey 2024 izay nohamafisin’ny fanadihadiana notanterahan’ny “Groupe d’appui à la Police judiciaire” ao amin’ny Vondron’ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra, ireo delegen’ny mpilatsaka ho fidiana RAMILSON Nomenjanahary dia nanembatsembana ny fampiharana zo hifidin’ny vahoaka tao amin’ny Birao fandatsahambato laharana faha 140 609 110 101 tao amin’ny Fokontany Ambero Tsaramody Kaominina VINANINONY Sud, Distrikan’i Faratsiho. Fa ireo fandikan-dalàna ireo dia noho ny fihetsik’ireo delegen’ny mpilatsaka ho fidiana an’ny kandida laharana faha 3 dia manapentina ny fahamarinan’ny latsabato; koa dia foanana ny vato azon’ny Kandida laharana faha 3 miisa 142 noho ny hosoka,  tao anatin’io birao fandatsahambato voalaza io;
  5. Satria ny kandidà mahaleotena laharana voalohany RAKOTOARIVELO Philibert tao amin’ny distrika’i Moramanga dia mbola nanao fampielezan-kevitra nandritra ny andro fahanginana sy ny androm-pifidianana, araka ny voalazan’ireo vavolombelona sy porofo hafa narotsaka ka noheverin’ny Fitsarana Avo ho mitombona ; ankoatra izany dia nisy vato nosoratana tamin’ny alalan’ny hosoka  mba ho tombotsoan’ny kandidà laharana voalohany; koa satria izany dia manohintohina ny fahamarinan’ny latsa-bato sy ny fitoviana tokony hisy eo amin’ny kandidà ; noho izany dia foanana ny vato azon’ny kandidà laharana voalohany miisa 770 (Fitopolo sy fitonjato) amin’ireto birao-pifidianana ao amin’ny distrikan’i Moramanga ireto  :

– BP n° 510 514 010 102 EPP Alarobia Andapa salle 2 fokontany Alarobia Andapa Kaominina Mangarivotra  ;

– BP n° 510 514 010 101 EPP Alarobia Andapa salle 1 fokontany Alarobia Andapa Kaominina Mangarivotra ;

– BP n° 510 514 030 102 EPP Ampilanonana salle 2 fokontany Ambohimiarina Kaominina Mangarivotra;

– BP n° 510 514 050 102 EPP Ankazondandy salle 2 fokontany Ankazondandy Kaominina Mangarivotra ;

– BP n° 510 514 050 101 EPP Ankazondandy salle 1 fokontany Ankazondandy Kaominina Mangarivotra ;

– BP n° 510 514 060 102 EPP Beparasy salle 2 fokontany Beparasy Kaominina Mangarivotra  ;

– BP n° 510 514 060 101 EPP Beparasy salle 1 fokontany Beparasy Kaominina Mangarivotra  ;

– BP n° 510 511 020 102 EPP Antaniditra salle 2 fokontany Ambilobe Kaominina Antaniditra  ;

– BP n° 510 511 020 101 EPP Antaniditra salle 1 fokontany Ambilobe Kaominina Antaniditra   ;

NY MOMBA NY FANAFOANANA IREO VOKAMPIFIDIANANA TAO AMIN’IREO BIRAO FANDATSAHAMBATO SASANTSASANY

  1. Satria ny fizotry ny latsabato tao amin’ireo birao fandatsahambato voatanisa ao amin’ny tovana faha-6 dia mampisalasala ; fa araka ireo porofo voarotsaka tao anaty antontantaratasy indrindra fa ireo fitanana an-tsoratra vokatry ny fanadihadiana savaranonandro sy taratasin’ny vadintany izay natao ny andron’ny fifidianana ihany dia nampiharihary fa misy ny famindrana ny birao fandatsahambato tsy nazahoana alalana ny valopindatsabato tsy mihidy (andininy faha 184),  ny fanakatonana birao fandatsahambato mandrindra ny fotoana ivelan’ny ora tondroan’ny lalàna (andininy 147), ny famenoana tsy ara-dalàna ny vata fandatsaham-bato (andininy 152),  ny latsabato nataon’ny raimpianakaviana amin’ny anaran’ny  fianakaviany na latsabato nataon’ny  zaza tsy ampy taona (andininy 148), ny tsy fisian’ny efitrano fitokanana (andininy 155 andalana 1) , ary ireo fitanana an-tsoratra izay fenoin’ny solotenan’ny vaomieram-pifidianana eo anivon’ny Kaominina (andininy 177 sy 178) ;
  2. . Satria araka ny fitanana an-tsoratra mandrakitra ny fidinana ifotony tamin’ny 30 mey 2024 nataon’ireo manam-pahefana tany an-toerana izay ahitana an’Andriamatoa sy Ramatoa isany Lehiben’ny Distrika Vondrozo, ny filohan’ny Sampana misahana ny fanisam-bato , ny solon-tenan’ny vaomieram-pifidianana eo anivon’ny Kaominina, ny Lefitry ny Komandin’ny Borigadin’ny Zandarimaria tao Vondrozo, ny Ben’ny tanàna sy ny Lehiben’ny Boriborintany  dia  hita fa betsaka ireo karazana tsy fanarahan-dalàna toy ny fanaovana sonia mialoha ny fitanana an-tsoratra tsy mbola nofenoina izay nataon’ireo delegen’ny kandida izay tsy azo raha tsy ny ampitson’ny andron’ny latsabato ;
  3. Satria noho ny fiantraikan’ireo tsy fanarahan-dalàna voatanisa ireo tamin’ny fampiharana ny zo hifidy sy amin’ny tsiambaratelon’ny latsabato ary ny fahafahana sy ny fahamarinan-datsabato dia foanana ireo voka-pifidianana ao anatin’ireo birao fandatsahambato ao amin’ny ditrikan’i Vondrozo notanisaina ao amin’ny tovana fanafoanana

NY MOMBA NY FANAFOANANA VOKA-PIFIDIANANA MIFOTOTRA AMIN’NY TSY FAHATONGAVAN’NY ANTONTAN-TARATASIM-PIFIDIANANA TEO AMIN’NY FITSARANA

  1. Satria noho ny tsy fahatongavan’ireo antontan-taratasim-pifidianana teo anoloany dia tsy afaka nanatanteraka ny fitsirihana izay tokony ataony araky ny andidian’ny lalàna azy momba ny fahamarinan-datsabato manoloana ny fizotram-pifidianana ; fa hita nandritry ny fitsirihana nataon’ny Fitsarana Avo etoana fa betsaka tamin’ireo fonosan-datsabato no tsy nahitana ireo biletà mpifidianana sy/na ny lisitry ny mpifidy  ;

Fa izany tsy fahatomombanana izany dia manakana ny Fitsarana Avo etoana hanitsy ireo isam-bato tsy nifanaraka; koa dia foananana araka izany ny fifidianana tao anatin’ireo birao fandatsaham-bato voakasik’izany.

  1. Satria ny fanapahan-kevitra laharana faha 071/CENI/D/2024 tao amin’ny tovana faha fito tamin’ny 11 Jona 2024 izay amaranana sy anambarana vonjimaika ireo voka-pifidianana Solombavam-bahoaka, ireo birao fandatsahambato niharan’ny fandoroana tao Tsihombe dia mampiharihary fa tsy afaka nanatanteraka ny fitsirihana tokony ataony araka ny andidian’ny lalàna azy ny Fitsarana etoana; arak’izany dia foanana ireo vokatra tao anatin’ireo Birao fandatsahambato ireo.

NY AMIN’NY FANARAHAMASO MANDEHA TSY VOIZINA

  1. Satria araka ny  andalana farany amin’ny andininy faha 48 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena : “Mandritra ny fanarahamaso ny fitanana an-tsoratra ireo birao fandatsaham-bato sy ireo Sampana misahana ny fanisam-bato, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na dia tsy misy fitarainana taza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazan’ny lalàna na didy amam-pitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”; noho izany, ny Fitsarana Avo etoana dia nanara-maso tsy voizina ireo taratasim-pifidianana tamin’ireo birao fandatsaham-bato rehetra tonga teo anatrehany voarakitra ao amin’ny tovana fanarahamaso mandeha tsy voizina ;  
  2. Satria ireo fangatahana famerenana amin’ny laoniny ny isam-bato azon’ireo kandida voalaza fa niova tamin’ny vokatra vonjimaika teny amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana dia voavaha tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso mandeha tsy voizina nataon’ny Fitsarana Avo etoana;33. Satria anatin’izany fanarahamaso izany, ny Fitsarana etoana dia nampiasa hai-raha hentitra, ahazoana mandanjalanja ny fiantraikan’ny fisalasalana izay mety hanohintohina ny maha manan-kery ny vato na bileta; ka tamin’ny tranga sasany, dia naverina nisaina ny vato ary vokatr’izany, dia na namafisina na nahitsy ny vokatra tamin’ireo birao fandatsahambato voakasik’izany; ary toy izany koa, naverina nisaina ny bileta fotsy sy maty ka novelomina ireo bileta izay manambara mazava ny safidin’ny mpifidy;

NY AMIN’NY FITORIANA TSY ILANA FANDINIHANA INTSONY

 

  1. Satria na misy aza ny fenitra lehibe milaza fa ny raharaha dia tokony ho vitaina hatramin’ny farany, azo ajanona izany raha toa ka misy singa iray amin’ ireo zavatra tena ilaina tsy eo intsony; ka nandritra ny fanarahamaso mandeha tsy voizina nataony, ny Fitsarana etoana dia nanitsy ireo fahadisoana na tsy fifanitsiana mety ho hitany araka ny lalàna; koa ireo fitoriana mangataka ny handinihana indray ireo toe-javatra efa voadinika, dia tsy misy fototra hifaharany intsony; koa araka izany, tsy ilaina intsony ny handinihana azy ireo;

NY AMIN’NY FITANANA AN-TSORATRA TSY FAHATOMOMBANANA

  1. Satria araka ny hita tamin’ny lisitry ny fitanana an-tsoratra tonga taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia misy fitanana an-tsoratra tsy fahatomombanana miisa telo nalefan’ny Sampana mpanisa vato; koa tsy misy vokatra manan-kery amin’ireto birao fandatsahambato ireto:
  • BV 330 117 070 101 EPP Anara Salle 1 fokontany Anara Kaominina Vohitsaoka distrika Ambalavao
  • BV 350 213 070 101 EPP Vohitrarivo Salle 1 Fokontany Matsaratsara Kaominina Ampasipotsy Sud distrika Manakara
  • BV 430 201 080 101 EPP Masama Fokontany Masama Kaominina Antsalova distrika Antsalova

 

NOHO IREO ANTONY IREO
NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA
DIA MAMOAKA IZAO DIDY IZAO

Andininy voalohany.– Ny fitoriana rehetra izay manana endri-pifandirana voaray teto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana nandritra ny fifidianana Solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024 dia voarakitra ao anatin’ireto didim-pitsarana manaraka ireto:

  • Didim-pitsarana laharana faha 27-HCC/AR tamin’ny 27 jona 2024 mikasika ny fandavana ny fitoriana mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024 noho ny tsy fahazoana mandray ny raharaha;
  • Didim-pitsarana laharana faha 28-HCC/AR tamin’ny 27 jona 2024 mikasika ny fandavana ny fitoriana mikasika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024 noho ny tsy fahampiana na ny tsy fisian’ny porofo
  • Didim-pitsarana laharana faha 29-HCC/AR tamin’ny 27 jona 2024 mikasika ny fandavana ny fitoriana mahakasika fandikan-dalàna ara-keloka nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024;
  • Didim-pitsarana laharana faha 30-HCC/AR tamin’ny 27 jona 2024 mikasika ny fangatahana fanalàna an-daharana mpilatsa-kofidiana nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024;

Andininy faha 2.- Ambara fa foana ny vato rehetra azon’ny kandida laharana faha 3 tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao amin’ny Kaominina ambonivohitra Maevatanana izay miisa 1906 (enina sy sivinjato sy arivo), Distrika Maevatanana.

Andininy faha 3.- Ambara fa foana ny vato rehetra azon’ny kandida laharana faha 4 tao amin’ny Kaominina Ampasina Maningory, Distrika Fenerive-Est izay miisa 2354 (efatra amby dimampolo sy telonjato sy roa arivo).

Andininy faha 4.- Ambara fa foana ny vato rehetra azon’ny kandida laharana faha-3 tao amin’ny biraom-pifidianana laharana 140 609 110 101 tao amin’ny Fokontany Ambero Tsaramody Kaominina Vinaninony Sud Distrika Faratsiho miisa 142 (roa amby efapolo amby zato);

Andininy faha 5.- Ambara fa foana ny vato azon’ny kandidà laharana voalohany miisa 770 (Fitopolo sy fitonjato) amin’ireto birao-pifidianana ao amin’ny distrikan’i Moramanga ireto  BP n° 510 514 010 102 EPP Alarobia Andapa salle 2 fokontany Alarobia Andapa Kaominina Mangarivotra, BP n° 510 514 010 101 EPP Alarobia Andapa salle 1 fokontany Alarobia Andapa Kaominina Mangarivotra, BP n° 510 514 030 102 EPP Ampilanonana salle 2 fokontany Ambohimiarina Kaominina Mangarivotra, BP n° 510 514 050 102 EPP Ankazondandy salle 2 fokontany Ankazondandy Kaominina Mangarivotra , BP n° 510 514 050 101 EPP Ankazondandy salle 1 fokontany Ankazondandy Kaominina Mangarivotra, BP n° 510 514 060 102 EPP Beparasy salle 2 fokontany Beparasy Kaominina Mangarivotra, BP n° 510 514 060 101 EPP Beparasy salle 1 fokontany Beparasy Kaominina Mangarivotra, BP n° 510 511 020 102 EPP Antaniditra salle 2 fokontany Ambilobe Kaominina Antaniditra, BP n° 510 511 020 101 EPP Antaniditra salle 1 fokontany Ambilobe Kaominina Antaniditra;

Andininy faha 6.– Foanana ny vokatra ao amin’ireo birao fandatsaham-bato voakasiky ny antonantony faha 26, 27, 28, 29, 30 sy voatanisa ao amin’ny tovana fanafoanana sy fanarahamaso mandeha tsy voizina

Andininy faha 7.- Raiketina ny fisiana antontan-taratasy tsy miendrika fitoriana hita ao amin’ny tovana TTF.

Andininy faha 8.Tsy misy ny vokam-pifidianana amin’ireo birao fandatsahambato voatanisa ao amin’ny antonantony faha 35

Andininy faha 9.Ambara fa lany Solombavambahoakan’I Madagasikara, mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena, ireto mpilatsaka hofidiana manaraka ireto: ROHY

Andininy faha 10.- Izao didim-pitsarana izao dia hampahafantarina ireo mpanao fitoriana, havoaka amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ao amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao peta-drindrina ao amn’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Nifampidinihina araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, natao tao Antananarivo ny alakamisy fito amby roapolo jona taona efatra amby roapolo sy roa arivo tamin’ny folo ora maraina ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana:

Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa, Filoha
Andriamatoa NOELSON William, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTOBE ANDRIAMAROJAONA Vololoniriana Christiane, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTONIAINA RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa ANDRIAMAHOLY RANAIVOSON Rojoniaina, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.