NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA,

Araka ireto rijan-teny ireto:

  • Ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena nofenoina sy nasiampanitsiana tamin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2019-002 tamin’ny 14 febroary 2019;
  • Didim-panjakana laharana faha 2018-640 tamin’ny 29 jona 2018 mamaritra ireo fepetra fampiharana ny andininy sasantsasany amin’ny Lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-243 tamin’ny 13 febroary 2024 anaikana ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-244 tamin’ny 13 febroary 2024 mametra ny habetsahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny sara fanotàna ny bileta amin’ny fifidianana solombavambahaoaka ary ny fombafomba fanonerana sy famerenam-bola
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-582 tamin’ny 13 martsa 2024 mametra ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena, ny fitsinjarana ny toerana manerana ny tanim-pirenena ary ny famaritana ny fari-pifidianana amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-644 tamin’ny 14 martsa 2024 mamaritra ny modelin’ny singan-taratasy sasantsasany foronin’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-645 tamin’ny 14 martsa 2024 mametra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana solombavambahoaka;

Araka ireto singan-taratasy ireto :

  • Ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ;
  • Ny voka-pifidianana voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato natao teo anivon’ny birao fandatsaham-bato;
  • Fanapahan-kevitra laharana 022/CENI/D/2024 tamin’ny 28 martsa 2024, nasiana fanovàna araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 057/CENI/D/2024 tamin’ny 20 aprily 2024 sy araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 63/CENI/D/2024 tamin’ny 27 mey 2024, mametra ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka ;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 56-CENI/D/2024 tamin’ny 16 aprily 2024 amaranana sy anambaràna ny lisitra raikitry ny filatsahan-kofidina isaky ny fari-pifidianana ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 71-CENI/D/2024 tamin’ny 11 jona 2024 amoahana ny vokatra vonjimaika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny faha 29 mey 2024;

Rahefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna; 

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO:

1.Satria ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, nanomboka ny 30 mey 2024 hatramin’ny 13 jona 2024, dia naharay fitoriana izay voatanisa ao amin’ny tovana tsy manaja ny fepetra voalazan’ny lalàna sy tsy fahampiana na ny tsy fisian’ny porofo;

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana etoana

2.Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny voalazan’ny andininy faha 200 andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 : « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona » ; ary ny andalana voalohany amin’ny andininy faha 48 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena dia milaza fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato.”; koa araka izany dia mitombina  ny fahefa-mitsaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Ny amin’ny anton’ny fanalàna an-daharana

3.Satria misy fangatahana fanalàna an-daharana isankarazany napetraka tao amin’ny Fitsarana Avo etoana mahakasika kandida maromaro; ary maro ny antonantony lazain’ny mpanao fitoriana hanohanany ny fangatahana fanalàna an-daharana;

4.Satria araka ny andininy faha 208 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka izay milaza fa “Ny olona rehetra misahana ny asa ambaratonga ambony na ny asa ambaratonga ambony sivily ary ny miaramilam-panjakana, milatsa-kofidiana amin’ny fifidianana izay tsy nametraka fialana, araka ny andininy faha-6 amin’ity Lalàna fehizoro ity, dia iharan’ny fanalana an-daharana.

Izany dia mitovy ho an’ireo mpilatsa-kofidiana rehetra amin’ny fifidianana izay manao ny fanambarana eo imasom-bahoaka izay mikendry ny hanao fanalam-baraka an’ny Antokon- draharaha momba ny fifidianana na ny andrim-pitondrana momba ny fitsarana, na mikendry ny hanao fanerena amin’izy ireo alohan’ny hanapahany izany”; ka ho fampiharana izany fepetra izany, ny antonantony mitarika fanalàna an-daharana kandida dia efa noferan’ny lalàna mazava tsara;

  1. Satria araka izany dia tsy mitombina ny fangatahana fanalàna an-daharana mpilatsaka hofidiana solombavambahoaka raha tsy amin’ireto tranga ireto: fandraisana anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka nefa tsy nametra-pialàna amin’ny asa ambony na asa-panjakana ambony na manao fanalam-baraka imasom-bahoaka ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, ny Sampana mpanisa vato na izay rehetra vondrona manana andraikitra eo amin’ny fizotry ny fifidianana na koa ireo fitsarana misahana fifidianana, na ny manao tsindry amin’ireo vondrona voalaza etsy ambony mba hanodinana ho an’ny tombontsoany ny voka-pifidianana; ka tsy misy fepetran-dalàna na iray aza manome alàlana ny Fitsarana Avo etoana hanonona ny fanalàna an-daharana mpilatsaka hofidiana iray noho ny antony hafa ankoatra ireo telo voalaza etsy ambony ireo;

Ka tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo fangatahana fanalàna an-daharana mpilatsaka hofidiana voaray teto anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana namaly ireo fepetra ireo; ka noho izany dia lavina avokoa ireo taratasy fitoriana voaray mangataka fanalàna an-daharana mpilatsaka hofidiana solombambahoaka; 

 

NOHO IREO ANTONY IREO
NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA
DIA MAMOAKA IZAO DIDY IZAO

Andininy voalohany.– Lavina sady tsy azo raisina ny fangatahana fanalàna an-daharana kandida araka izay hita ao amin’ny tovana tsy manaja ny fepetra voalazan’ny lalàna sy tsy fampiana na tsy fisian’ny porofo.

Andininy faha 2.- Izao didim-pitsarana izao dia hampahafantarina ireo mpanao fitoriana, havoaka amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ao amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao peta-drindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Nifampidinihina araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, natao teto Antananarivo ny alakamisy  fito amby roapolo jona taona efatra amby roapolo sy roa arivo tamin’ny folo ora maraina, ka ireto avy ny nandrafitra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana:

Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa, Filoha
Andriamatoa NOELSON William, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTOBE ANDRIAMAROJAONA Vololoniriana Christiane, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTONIAINA RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa ANDRIAMAHOLY RANAIVOSON Rojoniaina, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.