Repoblikan’i Madagasikara

Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana

FITSARANA MANOKANA MOMBA NY FIFIDIANANA

(COUR ELECTORALE SPECIALE – CES)

—————————-

NY FITSARANA MANOKANA MOMBA NY FIFIDIANANA (CES) dia manamafy hatrany fa folo andro aorian’ny datim-pifidianana no fametrahana ny fitoriana mahakasika ny fifidianana filohan’ny Repoblika natao ny 25 oktobra 2013 teo, izany hoe ny 26 oktobra 2013 ka hatramin’ny 4 novambra 2013, isanandro,  amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny   5 ora hariva ao amin’ny foiben-toerany Ambohidahy.

Antananarivo, 31 oktobra 2013

Ny Lehiben’ny Firaketantsoratra

RALISON Samuel Andriamorasoa