This image has an empty alt attribute; its file name is Logo1-300x260.jpg

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana
——————————
HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

Nanatanteraka ny adidy masina ho an’ny Firenena ny fianakaviamben’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana tamin’ny alalan’ny Fambolen-kazo izay notanterahana ny Zoma 01 Martsa 2019 teny Tamponketsa PK125, lalam-pirenena fahefatra.

Tamin’izany indrindra no nanamafisan’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, Andriamatoa Jean-Eric RAKOTOARISOA, ny maha zava-dehibe ny hetsika izay atao, ary nilazany fa tsy tokony hionona amin’ny fambolen-kazo tsotra fotsiny isika eto amin’ny firenena fa tokony ho rakofana ala (Reforestation) mihitsy ny firenena. Izany no atao dia satria efa tena simba ny tontolo iainana

Karazan-kazo maro toy ny : Cassia, Jacaranda, Jatropha sy hazo fihinam-boa toy ny Voasary, Paiso, Papay, Manga, Voasary Makirana no novolena tamin’izany, ka zanan-kazo miisa arivo fototra eo no natsatoka tamin’ny tany mirefy 1ha. Ny fanaraha-maso ny asa izay natao dia efa nifanarahana tamin’ny tompon’andraikitry ny Miaramila eny an-toerana.

Ny fambolen-kazo izay natao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Foloalindahy Malagasy satria tany miaramila nomena ho ampiasain’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana no nanaovana izany.

Isan-taona no tsy maintsy hanaovana izany ka dia manome fotoana ny rehetra indray ny fianakaviamben’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana amin’ny herintaona.