Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

Araka ny Lalàmpanorenana ;

Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;

Rehefa nohenoina ny mpampaka-teny ;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna ;

  1. Satria araka ny taratasy laharana faha 30/04/PRM/AIN/2019 tamin’ny 24 aprily 2019, noraiketina am-boky tao amin’ny firaketan-tsoratry fitsarana etoana ny androtr’io ihany, ny Filohan’ny repoblika, araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 119 amin’ny Lalàmpanorenana sy ny andininy faha 41 andàlana farany amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia mangataka ny fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana haneho ny heviny ny amin’ny fahefan’ny Filohan’ny Repoblika hanontany mivantana ny vahoaka mikasika ny fandaniana lalàna mahakasika ny Lalàmpanorenana amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ;
  1. Satria araka ny taratasy laharana faha 028-19/Sénat/PS tamin’ny 23 aprily 2019, noraiketina am-boky tao amin’ny firaketan-tsoratry ny fitsarana etoana ny 24 aprily 2019, ny Filohan’ny Antenimierandoholona, araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 119 amin’ny Lalàmpanorenana, dia mangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana haneho ny heviny ny amin’ny dikan’ny fepetra ao amin’ny Lalàmpanorenana, indrindra ny andininy faha 104, 161, 162, 163 ;

Ny amin’ny fomba voadidy arahina 

  1. Satria araka ny voalazan’ny fepetra ao amin’ny andininy faha 119 ao amin’ny Lalàmpanorenana : « Azon’ny lehiben’ny andrimpanjakana sy ny rantsa-mangaika ao amin’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana atao ny maka ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, mikasika ny fifanarahana na tsia amin’ny Lalàmpanorenana ny volavolam-panapahan-kevitra na ny fivoasana ny fepetra iray amin’ity Lalàmpanorenana ity» ;
  1. Koa ireo fangatahana roa, avy aminà filohan’na andrimpanjakana roa, dia ny Filohan’ny Repoblika sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona, dia ara-dalàna sy azo raisina ; ary zavatra iray ihany no kendren’izy ireo ; koa noho izany, mety ny anakambanana ity fangatahana fanehoan-kevitra faharoa ity amin’iry voalohany ;

Ny amin’ny votoatin-draharaha 

Mikasika ny andininy faha 5 andàlana voalohany ao amin’ny Lalàmpanorenana 

  1. Satria ny andininy faha 5 andàlana voalohany ao amin’ny Lalàmpanorenana dia milaza fa « Ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefana rehetra no masi-mandidy ka mampiasa izany amin’ny alàlan’ny solontenany lany amin’ny alàlan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana na tsy mivantana na koa amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka » ; ka ny fiandrianam-pirenena demokratika eto Madagasikara dia ampiharina ao anatin’ny sehatry ny demokrasia tsy mivantana tanteraka ; koa midika izany fa tsy maintsy miaraka ny rafitra mpisolo toerana toy ny Filohan’ny Repoblika na ny Antenimiera mpanao lalàna sy ny fomba andraisan’ny vahoaka anjara mivantana toy ny fitsapan-kevi-bahoaka ;

 

Mikasika ny andininy faha 55.5° amin’ny Lalàmpanorenana 

  1. Satria araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 55.5° amin’ny Lalàmpanorenana : « Ny Filohan’ny Repoblika no […] afaka manapaka, eo amin’ny Filankevitry ny Minisitra, momba ny raharaha rehetra mavesa-danja mikasika ny Firenena, ny amin’ny hanontaniana mivantana ny hevitry ny vahoaka amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka » ; ka ity zava –baovao entin’ny lalàna fototry ny Repoblika Fahaefatra ity dia mamela ny Filohan’ny Repoblika hanao fitsapan-kevi-bahoaka, izany hoe hahafantatra mazava tsara ny hevitry ny vahoaka izay antsoina hanome ny heviny aminà raharaha mahakasika ny tombontsoan’ny firenena na olana mahakasika fiarahamonina voasoritra mazava, na fitsapan-kevi-bahoaka mahakasika fankatoavana rijanteny toy ny fidirana aminà fifanarahana iraisampirenena na fikambanana iraisampirenena ; koa ny fitsapan-kevi-bahoaka mahakasika ny Lalàmpanorenana, mikasika ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana, dia tsy sahanin’ny andininy faha 55.5° fa ny Lohateny faha VI amin’ny Lalàmpanorenana ;

Ny amin’ny andininy faha 104 amin’ny Lalàmpanorenana 

  1. Satria araka ny andininy faha 104 amin’ny Lalàmpanorenana : « Ny Antenimiera, amin’ny alàlan’ny latsa-bato ataon’ny antsasa-manilan’ny mpikambana mandrafitra ny Antenimiera tsirairay, dia afaka mamindra ny fahefany hanao lalàna amin’ny Filohan’ny Repoblika mandritra ny fotoana voafetra sy mikasika toe-javatra voafaritra.

Ny fanomezam-pahefana dia manome alàlana ny Filohan’ny Repoblika handray fepetra amin’ny ankapobeny momba ny toe-javatra mahakasika ny sehatry ny lalàna, amin’ny alàlan’ny hitsivolana raisina eo amin’ny Filankevitry ny Minisitra » ;  

  1. Koa ny famindram-pahefana hanao lalàna dia mitovy amin’ny fanomezan-dàlana ny Filohan’ny Repoblika hanao rijan-tenin-dalàna tsotra na lalàna fehizoro amin’ny alàlan’ny hitsivolana ; ka izany dia midika ho famindrana vonjimaika amin’ny Filohan’ny Repoblika ny fahefan’ny Antenimiera manao lalàna fa tsy ny fahefana rehetra akory ;

Ny amin’ny Lohateny faha VI amin’ny Lalàmpanorenana 

  1. Satria tsy misy afa-tsy ny Lohateny faha VI amin’ny Lalàmpanorenana ihany no misahana ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana, izany hoe ny andininy faha 161 hatramin’ny faha 163 ; ka ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika Fahaefatra dia atao hoe « henjana » satria izy ihany no mandamina ny fomba manokana anitsiana azy, izay sarotsarotra kokoa noho ny fomba arahana amin’ny lalàna tsotra ; ka ny Lalàmpanorenana no mandrafitra io fomba io, izay lava sy sarotra, mba tsy hanitsiana mora loatra sy matetika loatra ny lalàna fototra ; ka amin’ny lalàna mifehy ny Lalàmpanorenana, natao izany fomba izany mba hiarovana ny Lalàmpanorenana sy ny zon’ny vitsy an’isa ;
  1. Satria ny fotoana anaovana ny fanitsiana dia safidian’ny mpitondra, indrindra ny Filohan’ny Repoblika, sy ny Antenimiera mpanao lalàna, araka ny andininy faha 161 ; ary toy izany koa ny antony anaovana fanitsiana ; fa na izany aza, ny andininy faha 161 sy 162 dia mametraka fepetra hoe « raha hita fa tena tsy azo ihodivirana » ; fa ny Lalàmpanorenana dia tsy milaza mazava izay lazain’ny teny hoe « raha hita fa tena tsy azo ihodivirana » ; koa raha ilaina, anjaran’ny Fitsarana etoana ny mandanjalanja ny fisian’izany ; koa, raha tsy manaramaso ny votoatin’ny fanitsiana ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana, dia arahany maso kosa ny fanajana ny fomba enti-manao ny fanitsiana voalazan’ny Lalàmpanorenana ;
  1. Satria ny fomba fanaovana fanitsiana dia voasoratra ao amin’ny andininy faha 161 hatramin’ny faha 163 ao amin’ny Lalàmpanorenana ; ka fomba fanitsiana tokana ihany no voalaza ao ary ametrahany fefy sy fameperana ny fahazoana manao fanitsiana ; koa momba ny fankatoavana ny fanitsiana, ny andàlana faharoa sy fahatelo amin’ny andininy faha 162 dia manery ny anaovan’ny Antenimiera ny fanitsiana, arahan’ny fandraisan’ny vahoaka anjara mivantana ;
  1. Satria ny andininy faha 162 andàlana faharoa dia milaza fa « Ny volavola na tolokevitra fanitsiana dia tsy maintsy ankatoavin’ny telo ampahaefatry ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona » ; ka ny tsy itovian’ny fanitsiana ataon’ny Antenimiera mpanao lalàna izay manapaka amin’ny alàlan’ny « latsabato misaraka», raha ny momba ny adihevitra sy fandaniana ny fanitsiana dia miara-mivory ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona araka ny paika manokana mendrika kokoa ka itakiana ny latsabato manaiky ataon’ny telo ampahaefatry ny mpanao lalàna ; ka amin’ny fankatoavana ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana, ny Antenimiera dia mampiasa ny fahefany manitsy ny Lalàmpanorenana fa tsy ny fahefany manao lalàna ; ka ny famindrana vonjimaika ny fahefana manao lalàna voalazan’ny andininy faha 104 amin’ny Lalàmpanorenana dia tsy maharakotra ny fahefana manitsy ny Lalàmpanorenana ananan’ny Antenimiera ; 
  1. Satria misy fankatoavana farany ataon’ny vahoaka, araka ny voalazan’ny andininy faha 162 andàlana faha telo amin’ny Lalàmpanorenana ; ka ny rijanteny nankatoavin’ny Antenimiera roa tonta dia aroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ; ka araka ny andininy faha 162, tsy ampy raha fitsapan-kevi-bahoaka fotsiny no hanaovana ny fankatoavana fa fanampin’ny latsabato ataon’ny Antenimiera izany ;

Noho izany,

Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

Dia maneho hevitra fa :

Andininy voalohany.- Ny demokrasia tsy mivantana tanteraka voalazan’ny  andininy faha 5 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia midika  fa tsy maintsy miaraka ny rafitra mpisolo toerana toy ny Filohan’ny Repoblika na ny Antenimiera  mpanao lalàna sy ny fomba andraisan’ny vahoaka anjara mivantana toy ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Andininy faharoa.– Ho fampiarana ny andininy faha 55.5° ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny Filohan’ny Repoblika dia afaka manao fitsapan-kevi-bahoaka hakana hevitra na hanaovana fankatoavana fa tsy momba ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana, araka izay voalazan’ny Andàlana faha 6 etsy ambony.

Andininy fahatelo.- Ny famindrana ny fahefana manao lalàna voalazan’ny andininy faha 104 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia manome alàlana ny Filohan’ny Repoblika hanao rijan-tenin-dalàna tsotra na lalàna fototra amin’ny alàlan’ny hitsivolana fa tsy lalàna mampanao fitsapan-kevi-bahoaka izay an’ny fahefana mpanitsy ny Lalàmpanorenana.

Andininy fahaefatra.- Ny Filohan’ny Repoblika dia manana zo hampanao fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana, raha toa ka voatandro izay didin’ny Lalàmpanorenana ao amin’ny Lohateny faha VI, araka izay voalazan’ny Andàlana faha 9 hatramin’ny faha 13 etsy ambony.

 

Andininy fahadimy.- Hampahafantarina ny Filohan’ny Repoblika, ny Filohan’ny Antenimierandoholona ary havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika izao Fanehoan-kevitra izao.

Nifampidinihana araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana tsy ampahibemaso natao tao Antananarivo ny alakamisy  dimy amby roapolo aprily taona sivy ambin’ny folo sy roa arivo, tamin’ny roa ora tolakandro, ka anisan’ny tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :

Andriamatoa RAKOTOARISOA Jean-Eric, Filoha

Ramatoa ANDRIANARISOA RAVELOARISOA Fara Alice, Mpanolotsaina Avo Zokiolona

Andriamatoa TSABOTO Jacques Adolphe, Mpanolotsaina Avo

Andriamatoa TIANDRAZANA Jaobe Hilton, Mpanolotsaina Avo

Ramatoa RAMIANDRASOSA Véronique Jocelyne Danielle, Mpanolotsaina Avo

Andriamatoa DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène, Mpanolotsaina Avo

Ramatoa RANDRIAMORASATA Maminirina Sahondra, Mpanolotsaina Avo

Andriamatoa ZAFIMIHARY Marcellin, Mpanolotsaina Avo

Ramatoa RABETOKOTANY Tahina, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.