NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA,

Araka ireto rijan-teny ireto:

  • Ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001, anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007 tamin’ny 3 marsa 2015, novan’ny hitsivolana laharana faha 2019-006 tamin’ny 28 mey 2019, mamaritra ny fitsipika mikasika ny fomba fiasan’ny Antenimierandoholona ary koa ny fombafomba fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018, novan’ny hitsivolana laharana faha 2019-002 tamin’ny 25 mey 2019, mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2015-1459 tamin’ny 28 oktobra 2015 nofenoin’ny didim-panjakana laharana faha 2015-1464 tamin’ny 2 novambra 2015 sy ny didim-panjakana laharana faha 2016-828 tamin’ny 6 jolay 2016 novan’ny didim-panjakana laharana faha 2020-1082 tamin’ny 2 septambra 2020 izahana fototra ny fanendrena sy ny fifidianana ireo mpikambana amin’ny rafitra maharitra ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2020-1110 tamin’ny 9 septambra 2020, anaikàna ny vondron’ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana Loholona;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2020-1111 tamin’ny 9 septambra 2020, mamaritra ny tetin’ny fandraisana anjaran’ireo lisitry ny mpilatsa-kofidiana amin’ny saran’ny fanontàna pirinty ny taratasin-datsabato ho an’ny fifidianana Loholona ary koa ny fombafomba fandrotsahana sy fanonerana azy;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2020-1112 tamin’ny 9 septambra 2020, mamaritra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana Loholona;

Araka ireto fanapahana sy fanapahan-kevitra manaraka ireto:

  • Ny fanapahan-kevitra nasiam-panovàna laharana faha 001/CENI/D/2015 tamin’ny 29 oktobra 2015, mikasika ny fitsipika anaty mifehy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana;
  • Ny fanapahan-kevitra nasiam-panovàna laharana faha 002/CENI/D/2015 taminny 29 oktobra 2015, mikasika ny fifidianana ireo mpikambana anatin’ny birao maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fidiaianana;
  • Ny fanapahan-kevitra laharana faha 012/CENI/D/2020 tamin’ny 12 oktobra 2020, mametra ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato ho an’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara hatao ny 11 desambra 2020;
  • Ny fanapahan-kevitra laharana faha 018/CENI/D/2020 tamin’ny 27 oktobra 2020, amaranana sy ampahafantarana ny lisitra raikitry ny filatsahan-kofidiana isaky ny fari-pifidianana ho an’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara hatao ny 11 desambra 2020;
  • Ny fanapahana laharana faha 026/CENI/D/2020 tamin’ny 23 desambra 2020, amaranana sy amoahana ampahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika isaky ny fari-pifidianana, ho an’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara natao ny 11 desambra 2020;

Araka ireto antontan-taratasy ireto:

  • Ny antontan-taratasy voaray avy amin’ireo birao fandatsaham-bato sy ireo sampana mpanisa vato ho an’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara natao ny 11 desambra 2020;

Rahefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO:

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana etoana

  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny andininy faha 116.5, izy no « manambara ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakàna hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka» ;
  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 200, andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona » ;
  1. Ary ny andininy faha 118 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007, amerana ny fitsipika mikasika ny fampandehanana ny Antenimierandoholona ary koa ny fombafomba fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara, dia manampy fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa mitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mety hiseho eo amin’ny lafiny toe-javatra momba ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana na ireo nandritra ny fifidianana. 

Izy irery ihany no mahefa manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra. Mandritra ny fanaraha-maso ny fitanana an-tsoratra ireo birao fandatsaham-bato sy ny sampana miandraikitra ny fanisam-bato, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na dia tsy misy fampakaran-draharaha aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany, raha heveriny fa misy fandikàna ny fepetra voalazan’ny lalàna na didy amam-pitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”;

  1. Satria ny andininy faha 116 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007 voalaza etsy ambony, dia milaza fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mamoaka, amin’ny alalan’ny didim-pitsarana, ny voka-pifidianana raikitra, fara fahatarany, ao anatin’ny fe-potoana dimy ambin’ny folo andro manomboka amin’ny vaninandro amoahana ny voka-pifidianana vonjimaika nataon’ny rafitra mahaleotena eto amin’ny firenena miandraikitra ny fitantanana ny raharaham-pifidianana”;
  1. Ary araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 026/CENI/D/2020 tamin’ny 23 desambra 2020, ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana dia namarana sy namoaka ampahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika ho an’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara natao ny 11 desambra 2020; koa ny fanambaràna amin’ny fomba ôfisialy ny voka-pifidianana raikitra atao izao alakamisy 7 janoary 2021 izao, dia tafiditra tsara anatin’ny fe-potoana voalaza;

NY  AMIN’NY FITORIANA

  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny voalazan’ny andininy faha 119 andalana voalohany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007, “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mamoaka ny azo ampakarina sy tsy azo ampakarina momba ny fitarainana mikasika ny fifidianana loholona”; ary ny andininy faha 118 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007 dia manamafy ao amin’ny andalana voalohany fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mety hiseho eo amin’ny lafiny toe-javatra momba ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana na ireo nandritra ny fifidianana”; koa mitombina araka izany ny fahefa-mitsaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
  1. Satria ny Fitsarana etoana dia tsy naharay fitoriana mikasika ny fifidianana Loholon’I Madagasikara;

NY AMIN’NY FANARAHAMASO MANDEHA TSY VOIZINA

  1. Satria araka ny voalazan’ny tapany farany amin’ny andininy faha 118 andalana faha 2 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007, “Mandritra ny fanaraha-maso ny fitanana an-tsoratra ireo birao fandatsaham-bato sy ny sampana miandraikitra ny fanisam-bato, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na dia tsy misy fampakaran-draharaha aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany, raha heveriny fa misy fandikàna ny fepetra voalazan’ny lalàna na didy amam-pitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”;
  1. Satria, anatin’izany fanarahamaso izany, ny Fitsarana etoana dia nampiasa hai-raha hentitra, ahazoana mandanjalanja ny fiantraikan’ny fisalasalana izay mety hanohintohina ny maha manan-kery ny vato na bileta;

NY AMIN’NY ZAVATRA TSY METY SY TSY ARA-DALANA

  1. Satria, mahakasika ny birao fandatsaham-bato laharana faha 640401, ao amin’ny Distrikan’i Miandrivazo, Faritra Menabe, fari-pifidianana Toliara, ny vokatra voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra ny raharaham-pifidianana sy ao amin’ny taratasy fanisam-bato, dia misy fahadisoana ; ny Sampana mpanisa vato sy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana dia namerina nanisa ny vato ; ka noamafisin’ny Fitsarana etoana ny vokatr’ireo fanisana indroa miatoana ireo ;
  1. Satria, araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 026/CENI/D/2020, amaranana sy amoahana ampahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika isaky ny fari-pifidianana, ho an’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara natao ny 11 desambra 2020, ny andron’ny latsabato, tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana faha 630601 ao amin’ny Distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana, fari-pifidianana Toliara, taorian’ny fanamarinana nataon’ny birao fandatsaham-bato, dia hita fa nisy mpifidy telo nanana bileta tokana iray avy, izay tsy azo ara-dalàna avy tao amin’io birao fandatsaham-bato io; ka nosoratana tao amin’ny fitanana an-tsoratra izany tranga-javatra izany ary ireo bileta ireo dia nogiazana ary natovana tamin’ny fitanana an-tsoratra ny raharaham-pifidianana; koa satria tsy nampiasaina ireo bileta ireo dia tsy voatohintohina ny fahamarinan’ny latsabato;
  1. Satria io trangan-javatra voalaza io dia fanandramana hanohintohina ny fahamarinan’ny latsabato, izay fandikan-dalàna voalazan’ny andininy faha 238 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitondrana ankapobe ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka; ka araka io andininy amin’ny lalàna fehizoro io, “Ny lehiben’ny antokom-pitsarana momba ny fifidianana, ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana sy izay rehetra manampahefana ara-pitondrana dia afaka mitondra ny raharaha eo anatrehan’ny Mpitsara mpampanoa lalàna mahefa, mba hanenjika ireo tompon’antoka amin’ny fandikan-dalàna voatanisa ao amin’ity lalàna fehizoro ity izay fantany ny fisiany”; koa noho izany, halefa any amin’ny fitsarana mahefa ny raharaha, hanaovana fanenjehana;
  1. Satria, araka ny andininy faha 120 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007, « Ny fanendrena ny ampahatelon’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona dia tsy maintsy atao ao anatin’ny dimy ambin’ny folo andro manaraka ny fanambaràna ôfisialy ny voka-pifidianana ireo Loholona» ; koa ho fampiharana ny andininy faha 85 sy 78 amin’ny Lalàmpanorenana, manao fivoriana manokana avy hatrany ny Antenimierandoholona ny talata faharoa manaraka ny fanambaràna ny voka-pifidianana, mba hananganana ny birao sy ny vaomiera ; koa satria tapitra ny 21 janoary 2021 misasakalina ny fe-potoana iasan’ny loholona, ny famindram-pahefana eo amin’ny birao maharitra teo aloha sy ny birao maharitra vaovao ao amin’ny Antenimierandoholona dia hatao ny 25 janoary 2021 ;

Noho ireo antony ireo

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

DIA MAMOAKA IZAO DIDY IZAO :

Andininy voalohany.–  Toy izao manaraka izao ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana 640401 ao amin’ny Distrikan’i Miandrivazo, Faritra Menabe, fari-pifidianana Toliara:

–Vato manan-kery: 104

–vato fotsy sy vato maty: 0

–vato azon’ny lisitry ny kandida tsy miankina “Vahoaka Miaramandroso”: 03

–vato azon’ny lisitry ny kandida natolotry ny vondron’antoko pôlitika “Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina”: 101.

Andininy faha 2.- Halefa any amin’ny fitsarana mahefa ny raharaha, hanenjehana ireo nanandrana hanohintohina ny fahamarinan’ny latsabato tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana faha 630601 ao amin’ny Distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana, fari-pifidianana Toliara.

Andininy faha 3.- Ny fivoriana manokana hataon’ny Antenimierandoholona vaovao dia ny talata 19 janoary 2021. Ny famindram-pahefana, araka ny fomba repôblikana, eo amin’ny birao maharitra teo aloha sy ny birao maharitra vaovao ao amin’ny Antenimierandoholona dia hatao ny  alatsinainy 25 janoary 2021.

Andininy faha 4.- Ambara fa voafidy ho Loholon’i Madagasikara, mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona, ireto kandida manaraka ireto:

Faritany Antananarivo

Faritany Antsiranana

Faritany Fianarantsoa

Faritany Mahajanga

Faritany Toamasina

Faritany Toliara

Andininy faha 5. Izao didim-pitsarana izao dia hampahafantarina ny Filohan’ny Repoblika, Ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta, havoaka amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana etoana sy amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao petadrindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Nifampidinihana araka izany tao amin’ny foiben-toerany, mba hambara amin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, ny alakamisy fito janoary taona iraika amby roapolo sy roa arivo, tamin’ny folo ora maraina, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana:

Andriamatoa RAKOTOARISOA Jean-Eric, Filoha

Ramatoa RAVELOARISOA ANDRIANARISOA Fara Alice, Mpanolotsaina Avo Zokiolona

Andriamatoa TSABOTO Jacques Adolphe, Mpanolotsaina Avo

Andriamatoa TIANDRAZANA Jaobe Hilton,     Mpanolotsaina Avo

Ramatoa RAMIANDRASOA Véronique Jocelyne Danielle, Mpanolotsaina Avo

Andriamatoa DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène,    Mpanolotsaina Avo

Ramatoa RANDRIAMORASATA Maminirina Sahondra, Mpanolotsaina Avo

Andriamatoa ZAFIMIHARY Marcellin,    Mpanolotsaina Avo

Ramatoa RABETOKOTANY Tahina,    Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketantsoratra.