NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA,

Araka ireto rijan-teny ireto:

  • Ny Lalàmpanorenana;
  • Ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-640 tamin’ny 29 jona 2018 mamaritra ny fombafomba fampiharana ny fepetra sasantsasany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2023-863 tamin’ny 11 jolay 2023 hanaikana ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena nasiam-panovana araka ny didim-panjakana laharana faha 2023-1396 tamin’ny 13 oktobra 2023;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2023-864 tamin’ny 11 jolay 2023 mamaritra ny modely sy ny mombamomba ny kara-pifidianana ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2023-865 tamin’ny 11 jolay 2023, mametra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana ny Filoham-pirenena ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2023-866 tamin’ny 11 jolay 2023, mametra ny modelin’ny singan-taratasy sasantsasany arotsaky ny mpilatsaka ho fidiana
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2023-867 mametra ny saran’ny fandraisana anjaran’ny mpilatsaka hofidiana amin’ny vola lanian’ny Fanjakana amin’ny Fifidianana Filoham-pirenena ary koa ny fombafomba fanonerana sy ny famerenam-bola

Araka ireto fanapahana manaraka ireto:

  • Ny fanapahana laharana faha 11-HCC/D3 tamin’ny 09 septambra 2023, mametra ny lisitra raikitry ny mpilatsa-kofidiana amin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filoham-pirenena hatao ny 16 novambra 2023 ;
  • Ny fanapahana laharana faha 068/CENI/D/2023 tamin’ny 25 novambra 2023 namoahana sy namaranana ampahibemaso ny vokam-pifidianana vonjimaika ny fihodinana voalohany ny fifidianana   Filohan’ny Repoblika natao ny 16 novambra 2023 ;

Araka ireto atontan-taratasy ireto:

  • Ny atontan-taratasim-pifidianana sy ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato;
  • Ny voka-pifidianana voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato natao teo anivon’ny birao fandatsaham-bato;
  • Ny fitoriana mikasika ny fihodinana voalohany ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 16 novambra 2023, nalefa taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Rehefa nohenoina ireo mpisolovava ny kandidà isany RAJOELINA Andry Nirina sy RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry tamin’ny Fitsarana natrehan’ny besinimaro tamin’ny 28 novambra 2023;

Rehefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO:

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana Avo etoana

  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny andininy faha 116.5, izy no « manambara ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakàna hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka» ;
  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 200, andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona »;

Ary ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika dia manampy fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra »;

  1. Satria ny andininy faha 61 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 voalaza etsy ambony dia manambara fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manao ny fanambarana ôfisialy ny voka-pifidianana raikitra ao anatin’ny fe-potoana sivy (9) andro manomboka ny vaninandro namoahan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana ny voka-pifidianana vonjimaika”;

Ary araka ny fanapahana laharana faha 068/CENI/D/2023 tamin’ny 25 novambra 2023, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana dia namarana sy namoaka ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 16 novambra 2023; koa ny fanambarana ôfisialy ny vokatra raikitra atao izao andron’ny 1 desambra 2023 izao dia tafiditra tsara anatin’ny fe-potoana voalaza;

Ny amin’ny fahazoana mandray ny fitoriana nataon’Andriamatoa RAKOTOMAHANINA Andrianiaina Franklin James 

  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 202 andàlana faha 4 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, “Ny fitakiana ny maha ara-dalàna ny raharaham-pifidianana dia misokatra ny ampitson’ny andro anaovana ny latsabato hatramin’ny famoahana ny vokatra vonjimaika ataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana”; ary araka ny andininy faha 66 andàlana faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009, ny fe-potoana hanaovana fampakaran-draharaha momba ny fifanolanana mikasika ny voka-pifidianana  “dia ferana ho roa (2) andro aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana”; ka ny fe-potoana fampakaran-draharaha eto amin’ny Fitsarana aminà raharam-pifidianana dia isaina andro feno, ho tombontsoan’ny mpitory;
  1. Satria ny andro feno dia isaina andro iray, maharitra 0 hatramin’ny 24 ora; koa satria ny 25 novambra 2023 no nanambarana tamin’ny fomba ôfisialy ny vokatra vonjimaikan’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, manomboka ny alahady 26 novambra 2023 izany io fe-potoana io ary mifarana ny alatsinainy 27 novambra 2023 misasakalina;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 28 novambra 2023 voaray teto anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny androtr’io ihany, Andriamatoa RAKOTOMAHANINA Andrianiaina Franklin James dia nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mba hanafoana ny zotram-pifidianana; koa satria efa dila ny paik’andro ekena ny lalàna izany dia tsy azo raisina;

Ny mikasika ny fahazoana mandray ny fitoriana nataon’ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina sy ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry 

  1. Satria ny andininy faha 202 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka, dia mametra “izay rehetra mpifidy voasoratra ara-dalàna tao amin’ny lisi-pifidianana ary nandray anjara tamin’ny latsabato dia manana zo hampakatra Fitsarana eo anatrehan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny Fitsarana momba ny ady atao amin’ny Fanjakana, araka ny tranga misy, ny fitarainana sy fitsipahana rehetra mikasika ny maha-ara-dàlana ny fizotry ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana tao amin’ny fari-piadidiam-pifidianana nisoratany, na mikasika ny maha-ara-dàlana ny raharahan-datsabato nisoratany anarana. Manana zo mitovy amin’izany koa ny mpilatsa-kofidiana tsirairay, ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana tsirairay, ny mpisolotenan’ny vondrona ho tombontsoan’ny safidy, na ireo delege ao amin’ny faripiadidiana manontolo na ny ampahany voakasiky ny filatsahany hofidiana.

Azo toherina ihany koa ireo voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-bato nisy azy na ampangaina fa nisy tsy fanajana ireo fepetra takiana ary filazana tokony hatao voadidin’ny lalàna, ary izany dia araka ny fombafomba voalazan’ity fizarana ity… ny fitakiana ny maha-ara-dalana ny raharaham-pifidianana dia misokatra ny ampitson’ny andro anaovana ny latsabato hatramin’ny famoahana ny vokatra vonjimaika ataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana. Amin’ny fifanolanan’ny vokatra, ny fe-potoan’ny fampakaran-draharaha fohy ao aorian’ny famoahana ny vokatra vonjimaika, ataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana ho an’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka, loholona ary ny fitsapan-kevi-bahoaka, na ny ratsa-mangaikany ho an’ny fifidianana any amin’ny faritra, raha tsy afaka natao ny fampiharana ny fe-potoana mikasika ny fahalavirana, ny fitomboky ny paositra no itokiana amin’izany”; koa satria ny andininy faha 66 andalana faharoa ny lalana fehizoro laharana 2018-009 mikasika ny fifidianana ho Filoham-pirenena natao ny 11 may 2018 dia mametra ny fe-potoan’ny fifanolanan’ny vokatra ka “ny fe-potoana hanaovana ny fampakaran-draharaha dia ferana ho roa andro ao aorian’ny namoahan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana ho fantatry ny besinimaro ny vokatra vonjimaika” ;

  1. Satria ny fitoriana nataon’ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina sy RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia voarain’ny Fitsarana etoana tao anatin’ny fe-potoana voafaritrin’ny lalàna ka noho izany dia azo raisina avokoa;

Ny mikasika ny fanakianana ny amin’ny zom-pirenena nataon’ny kandida RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry

 

  1. Satria ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny dia mangataka ny Fitsarana Avo etoana ny hampiantona ny famoahany didy mandram-pamoakan’ny Fitsarana mahefa ny momba ny fizakana ny zom-pirenena malagasin’Andriamatoa RAJOELINA Andry Nirina sy RADERANIRINA Sendrison Daniela;
  1. Satria ny andininy faha 67 ny Hitsivolana laharana 60-064 natao ny faha 22 jolay 1960 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena malagasy dia mamaritra fa “ny fanontaniana savaranonando apetraka eo anoloan’ny antokopitsarana rehetra mahakasika ny fifandirana momba ny zom-pirenena dia manery avy hatrany ny mpitsara mba hampitsahatra ny Fitsarana sy ny famoahana didy mandra-piandrasana ny valiny avy amin’ny Fitsarana nandefasana izany fanontaniana izany, araka ny fombafomba sy lalan-kizorana voalazan’ny andininy faha 70 sy ireo manaraka ao amin’ity fehezan-dalàna ity.

Ny fanamarinana ny tsy fizakana zom-pirenena sy ny maha vahiny dia iankinan”ny filaminam-bahoaka ary azon’ny mpitsara atsikafina na dia tsy nisy nanatsikafina aza.” ka ny fanakianana navoitry ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry mialohan’ny ady hevitra amin’ny votoatiny teto anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, izay Fitsarana misahana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika dia azo raisina;

  1. Satria ny andininy faha 46 ny Lalàmpanorenana malagasy dia milaza fa « Izay olona rehetra milatsaka hofidina ho Filohan’ny Repoblika dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy…» ; fa ny Lalàmpanorenana dia tsy mandrara ny filatsahan-kofidian’ny olom-pirenena malagasy manana zom-pirenena hafa; ka ho fampiharana ny andininy faha 10 amin’ny lalana fehizoro laharana 2018-009 natao ny 11 may 2018, ireo mpilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika natao ny faha 16 novambra 2023 dia nandrotsaka avokoa ny fanamarinana ny fizakany ny zom-pirenena malagasy latsaky ny enim-bolana avy amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eo amin’ny toeram-ponenany ; ary nandritra ny fandinihina ny taratasy filatsahan-kofidianan’ireo kandidà, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia nanontany ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta izay voarakitra anatin’ny taratasy laharana faha 173-PM/SGG/2023 ny faha 8 septambra 2023 ho valin’ny taratasy laharana faha 135-HCC/G ny faha 8 septambra 2023 nalefan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ka milaza fa « hatreto aloha dia tsy mbola nisy didim-panjakana manambara fahaverezan-jo na malagasy ho fampiharana ny andininy faha 42 ny fehezan-dàlana mikasika ny zom-pirenena malagasy izay noraisin’ny fahefana mahefa amin’izany ; ary tsy nisy ihany koa didim-panjakana manambara fahaverezan-jo malagasy amin’ny anaran’ireo 28 nametraka taratasy filatsahan-kofidiana ho Filohampirenena » ; satria ny fanapahana laharana 11-HCC/D3 ny 9 septambra 2023 izay mamaritra ny lisitr’ireo nekena ho mpilatsa-kofidiana amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika ny faha 9 novambra 2023 dia efa nanambara fa ekena ny filatsahan-kofidian’Andriamatoa RAJOELINA Andry Nirina sy RADERANIRINA Sendrison Daniela ka kandidà feno izy ireo ;
  1. Satria koa ny Didy laharana faha 04-HCC/AR ny faha 22 aogositra 2023 izay mikasika ny fitoriana momba ny tsy tokony hanekena filatsahan-kofidiana kandida ho Filohan’ny Repoblika, ny Fitsarana etoana dia efa nanamafy fa “ny Hitsivolana laharana 60-064 ny faha 22 jolay 1960 ao amin’ny lohateny IV no mamaritra ny fepetra sy ny fombafomba ny fanapahana mahakasika ny fahazoana na ny fahaverezan’ny zom-pirenena malagasy ary ny andininy faha 55 n’io Hitsivolana io dia mamaritra mazava ireo karazana didim-panjakana tokony ho raisina mahakasika zom-pirenena «  ny didim-panjakana mikasika ny fangatahana na famerenana zom-pirenena malagasy, ny didim-panjakana manome alalana ny faheverazan’ny zom-pirenena malagasy, ny didim-panjakana manala ny zom-pirenena malagasy dia mivoaka sy hamarinina amin’ny alalan’ny gazetim-panjakana » ; fa io andininy faha 55 io dia mampiseho mazava fa ny mpanao lalàna dia nanankina sy nanome alalana ny fahefana mpanatanteraka ny fahefana manome na hanala ny zom-pirenena ; fa ny andininy faha 53 ny fehezan-dalana mikasika ny zom-pirenena malagasy dia manaja ny zo hiaro tena ho an’ireo izay namoahana ireo karazana didim-panjakana mikasika zom-pirenena ireo eo anivon’ny Filankevim-panjakana ; … ka noho izany dia tsy misy Fitsarana na ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana aza afaka mitsabaka amin’ny fahefan’ny Mpanatanteraka natao hanamarina ny fahaverezan-jo maha malagasy ny olompirenena iray ary izany no natao mba hanajana ny fisaraham-pahefana; ka izany no nahatonga ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana nanapaka fa tsy misy Fitsarana afaka manambara fa very ny zom-pirenena maha malagasy an’i kandidà RAJOELINA Andry Nirina raha tsy izany dia manitsaka ny fahefana izay nomen’ny lalàna ny fahefana Mpanatanteraka ;
  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona »; ary ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika dia manampy fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra”; fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia efa nanapaka sy nitsara momba io tranga io tamin’ny alalan’ny didiny laharana faha 06-HCC/AR tamin’ny 9 septambra 2023 mahakasika ireo fangatahana ny fanafoanana ny filatsahana ho fidiana amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 9 novambra 2023; fa ny mpanoratra ny Lalàmpanorenana manankery dia manankina amin’ny mpitsara momba ny Lalàmpanorenana ny fahefana feno mba hitsara ny fanakianana rehetra sy ny fangatahana atao ao anatin’ny dingan’ny raharaham-pifidianana Filohan’ny Repoblika ;
  1. Satria ny fampiharana ny andalana faha 3 amin’ny andininy faha 120 ny Lalàmpanorenana, ny Fanapahana laharana faha 11-HCC/D3 ny 9 septambra 2023 izay namaritra ny lisitry ny mpilatsaka ho fidiana ho Filohampirenena amin’ny fifidianana ny faha 9 novambra 2023 sy ny Didy laharana faha 4-HCC/AR ny faha 22 aogositra 2023 mikasika fitoriana mangataka ny fanafoanana ny filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena ny taona 2018 ary ny Didy laharana faha 6-HCC/AR ny 9 septambra 2023 mikasika fitoriana mangataka fanafoanana filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana hatao ny faha 9 novambra 2023 dia tsy azo hanaovana fampakarana intsony ary tsy maintsy hampiharina amin’ny fahefam-panjakana ary koa izay rehetra manam-pahefana amin’ny fitondrana sy ny Fitsarana rehetra ;

Satria ihany koa ny fizakana zom-pirenen’ireo kandida RAJOELINA Andry Nirina sy RADERANIRINA Sendrison Daniela dia efa nodinihina nandritra ny fanadihadiana ny taratasy filatsahan-kofidiana ary izany dia araka ny voafaritry ny andininy faha 46 ny Lalàmpanorenana sy ny andininy faha 10 ny lalàna fehizoro laharana 2018-009 ny 11 may 2018 mikasika ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ;

Noho izany antony rehetra izany, dia tsy ilaina ny mampiantona ny fitsarana ny raharaha; ka na azo raisina aza ny fanakianana mahakasika zompirenena dia lavina kosa izany eto;

Ny momba ny fanalana an-daharana ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina

  1. Satria ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia mangataka ny Fitsarana etoana ny fanalàna an-daharana ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina noho izy nanao fanalàm-baraka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana nandritra ny fampielezan-kevitra nataony tany amin’ny tapany avaratry ny nosy tamin’ny filazany fa tsy ekeny ny fanemorana ny datim-pifidianana  ny 16 novambra 2023 izay notapahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
  1. Satria ho fiarovan-tenany, ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina dia nilaza fa ny fanambarana izay nataony dia fanehoana ihany ny heviny tao aorian’ny nahenoiny ny fanapahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny amin’ny fanemorana ny datim-pifidianana; fa tsy nisy kosa fikasana hanalàm-baraka ny Fitsarana etoana ; hita taratra rahateo izany hoy izy tamin’ny fanohizany ny fampielezan-kevitra izay nataony satria izany dia maneho ny fahavononany handray anjara sy hanaja ny tetiandro voafaritra ;
  1. Satria araka ny andininy faha 209 ny lalàna fehizoro mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia anjaran’ny Fitsarana no manapaka araka ny fahitany ny mampitombina ny porofo entina eo anatrehany sy ny mandanjalanja ny vokatr’ilay fanalam-baraka amin’ny vokam-pifidianana ; rehefa nodinihina ilay fanambarana dia azo lazaina fa tsy nisy fanalambaraka ny Fitsarana na teny manohitohina ny fahaleovantenany ka mety hanimba sy hampilofika ny fitokisan’ny mpifidy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;

Ka noho izany, ny fitoriana ho fanalàna an-daharana ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina dia tsy misy famaharana koa dia lavina;

Ny momba ny fitoriana mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana amin’ireo biraom-pifidianana manerana an’i Madagasikara

 

  1. Satria ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia mangataka fanafoanana ny vokam-pifidianana izay natao ny faha 16 novambra 2023 amin’ireo biraom-pifidianana manerana an’i Madagasikara noho ireto antony manaraka ireto;
  1. Mikasika ny maha azo antoka sy ny fahafenoin’ ny lisi-pifidianana 
  1. Satria ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia mangataka ny fanafoanana ny vokatra ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 16 novambra 2023 lasa teo noho ny tsy maha azo antoka ny lisi-pifidianana no sady tsy mahasahana ny olom-pirenena rehetra ;
  1. Satria ireo mpiasa natokana hanao ny fanisana ny mpifidy dia midina ifotony isan-tokantrano mandray ny mombamomba ireo mpifidy ; fa izy ireo dia miasa eo ambany fifehezan’ny vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny mpifidy(CLRE) ; ary nitondra ny taratasy ho fenoina isan-tokantrano ; fa anjaran’ny olompirenena mahafeno ny fepetra ho mpifidy no mameno ny taratasy mombamomba ny maha mpifidy azy; marihina fa ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy dia safidin’ny olompirenena fa tsy an-tery akory, anjaran’ny olompirenena no misafidy raha hisoratra na tsia ao anaty lisi-pifidianana izy na ihany koa haka ny karapifidianana eny amin’ny fokontany;
  1. Satria ny fandrafetana lisi-pifidianana dia natokana ho an’ny vaomiera eo an-toerana misahana ny fanisana ny mpifidy ihany, lisitra izay azo avy amin’ny fanangonana ny mombamomba ny mpifidy nataon’ireo mpiasa mpanisa mpifidy ; ary ny lehiben’ny fokontany dia anisan’ny mpikambana amin’izany vaomiera izany ; ka anjarany no manamarina fa mponina eo an-toerana tokoa ny olompirenena voasoratra ao anaty lisi-pifidianana ;
  1. Satria ny didim-panjakana laharana faha 2022-1639 noraisina ny 21 desambra 2022 izay nanova amin’ny ampahany ny didim-panjakana laharana 2022-667 noraisina ny 11 mey 2022 mikasika ny fanavaozana ny lisi-pifidianana sy ny rejisi-pifidianana dia natao mba handrindrana ny fomba fiasan’ireo mpanisa mpifidy ; fa ny fampiasana ny mpanisa ny mpifidy araka izany dia natao mba ho fandaminana ny asa ary mba ho azo antoka ny fikirakirana ny lisi-pifidianana ;
  1. Satria ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana dia nanapaka fa ny fanavaozana ny lisi-pifidianana dia hatao hatramin’ny faha 20 jolay 2023 na dia mamaritra aza ny didim-panjakana laharana faha 2022-667 ny faha 11 may 2022 izay voalaza etsy ambony fa tokony nifarana ny faha 10 jona 2023 izany ;
  1. Satria izany fanapahana izany dia nohamafisina tao amin’ny andininy faha 4 ny didim-panjakana laharana faha 2023-863 ny 11 jolay 2023 izay manaika ireo mpifidy handeha handatsabato, mivaky toy izao  « araka ny fanapahana noraisin’ny Vaomiera Manokana misahana ny Fifidianana laharana faha 017/CENI/D/2023 ny 8 jona 2023, ny lisi-pifidianana azo avy amin’ny rejisi-pifidianana mifarana ny 20 jolay 2023 irery ihany no azo ampiasaina amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ny taona 2023 »;

Ka ny fanemorana izany famaranana lisitra izany dia noraisina mba hanajana ny demokrasia sy ny hikarakarana fifidianana ho eken’ny rehetra ; natao ny fanemorana ny daty famaranana mba ho betsaka araka izay tratra ny olompirenena hisoratra ao anaty lisitra sy ho fanajana izay voalazan’ny Fanapahana laharana 15-HCC/D3 ny 3 may 2018 nitsirihana ny maha-araka ny lalampanorenana ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 mikasika ny fitondrana ankapobe ny fifidianana sy ny fitsapahan-kevi-bahoaka izay mivaky toy izao « zava-dehibe ny fanoratana ny olompirenena ao anaty lisi-pifidianana, ary tena ilaina ho voasoratra ao avokoa ny olompirenena mahafeno fepetra rehetra mba hanajana sy hiarovana ny zo hifidy izay voalazan’ny andininy faha 25 ny fifanarahana iraisampirenena mikasika ny zo sivily sy politika » ;

  1. Satria ny fitoriana sy fitarainana mikasika ny fanoratana ny lisi-pifidianana dia manaraka ny fepetra voalaza ao amin’ny andininy 21 hatramin’ny 27 ary ny faha 44 ny lalàna fehizoro mikasika ny fitondrana ankapobe ny fifidianana sy ny fitsapahan-kevi-bahoaka ; ary ny andininy faha 24 dia milaza mazava fa « ny mpifidy rehetra dia afaka mitsipaka ny fanoratana tsy mari-pototra any amin’ny Vaomierana an-toerana misahana ny fanisana ny mpifidy, ao anatin’ny fe-potoana roapolo (20) andro aorian’ny nanaovana peta-drindrina ny filazana ny fametrahana ny lisi-pifidianana ao amin’ny biraon’ny fokontany » ; ka noho izany dia tsy mahefa mitsara izay olana mahakasika ny fanoratana na ny fanovana ny lisi-pifidianana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana satria ny asany dia mifantoka ihany amin’ny fomba nampiasana ny lisi-pifidianana na nanaraka na tsia ny lalàna ; ka ny fitoriana mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana mifahatra amin’ny mety tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana dia tsy antony mety hanafoanana ny voka-pifidianana manerana ireo biraom-pifidianana rehetra ;
  1. Ny amin’ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ny fifidianana
  1. Satria ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia milaza fa maro ny tsy fahatomombanana ka mampiahiahy ny fikarakarana zary mahatonga tsy fitokisana, misy koa ny fanohitohinana ny fahafahana mivezivezy ho an’ny olompirenena ; izany tranga tsy lavorary izany dia iaraha- nahita , na ny vahoaka na ireo mpiara miombon’antoka ; notsongainy tamin’izany ny olana teo amin’ny fitanterana ireo fitaovana ilaina teny anivon’ny biraom-pifidianana ; nilaza ihany koa izy fa nisy fitanana an-tsoratra ny fifidianana maromaro nisy laharana mitovy 04695;
  1. Satria rehefa natao ny fizahana ny atontan-taratasy nalefan’ny mpitory dia ireto avy ny laharan’ny fitanana an-tsoratra isaky ny biraom-pifidianana : bureau de vote n°130 202 140 101 EPP Marovotry salle 1, 04611 – bureau de vote n°130 202 090 102, EPP Ambohitsitakatra salle 2, 04606 – bureau de vote n°130 202 110 101, EPP Andrazanaka, 04608  –  bureau de vote n° 130 212 040 101 EPP Andranomahavelona, 04812 – bureau de vote n°130 202 150 102, EPP Fonenantsoa salle II, 04613 –  bureau de vote n°130 202 150 101, EPP Fonenantsoa salle I, 04612 – bureau de vote n°130 202 020 101, EPP Ambatomitsangana, 04596 –  bureau de vote n° 130 202 010 201, EPP Ambatomanjaka, 04594 –  bureau de vote n°130 202 010 101, CEG Ambatomanjaka, 04593; ka noho izany dia tsy mitombina ilay fangatahana fanafoanana voka-pifidianana nataon’ny kandida RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry ;
  1. Satria ny tatitra nataon’ny Vaomieram-pirenena manokana misahana ny Fifidianana dia tsy nahitana tsy fahatomombanana goavana na ny nandritra ny fikarakarana fifidianana na ny androm-pifidianana ; fa ireo fitaovana rehetra nilaina tany amin’ny biraom-pifidianana dia tonga tany an-toerana mialohan’ny androm-pifidianana avokoa ary tsy nitrangana olana goavana nandritra ny androm-pifidianana tamin’ireo biraom-pifidianana manerana ny Nosy na dia nisy aza fahatarana tamin’ny fisokafan’ireo biraom-pifidianana sasantsasany ; saingy tsy azo raisina ho antony nanova ny safidin’ireo mpifidy akory izany ; fa nandritra ny fanaraha-maso ny fitanana an-tsoratra nataony, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy nahatsikaritra olana goavana na mikasika pitsopitsony ara-teknika izany na mikasika ny filaminana teny anivon’ny biraom-pifidianana notaterin’ireo solontenan’ny kandidà na ireo mpanaramaso nahazo alalana izay mety nanohitohina ny fizotry ny fifidianana ny andron’ny 16 novambra 2023 ;
  1. Satria ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia nangataka tamin’ny Fitsarana etoana mba hanatanteraka ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra araka ny andalana voalohany ny andininy faha 206 ny lalàna fehizoro mikasika ny fitondrana ankapobe ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ary ny mba hanambarana fa foana ny raharaham-pifidianana fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 16 novambra 2023 sy ny hanafoanana ireo vokatra tamin’ireo biraom-pifidianana nitrangana tsy fanarahan-dàlana ;

Nanambara ny mpitory fa nanao fitsirihina izy ka nahatsikaritra tsy fanarahan-dalana maro toy ny tsy namenoana araka ny tokony ho izy ireo fitanana an-tsoratra, ny fisian’ny vokatra tsy mitovy anaty fitanana an-tsoratra sy ny avoakan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana, ny fitanana an-tsoratra tsy voasonian’ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana ary ny fifangaroana amin’ny vokatra azon’ny kandidà sy ny vatofotsy ary ny vato maty ;

  1. Satria anefa ny mpitory dia tsy nitondra ireo porofo hanamarinana izay voalazany tany amin’ireo biraom-pifidianana manerana ny Nosy mba ahafahan’ny Fitsarana etoana manao ilay fampitahana ny fitanana an-tsoratra amin’ireo biraom-pifidianana miisa 27 375 ; na manao ahoana na manao ahoana, raha raisina tsirairay ireo tsy fetezan-javatra voalaza sy hita ireo, dia heloka azo enjehina eo anatrehan’ny lalàna izy ireny; tsy fetezan-javatra mitsitokatokana izy ireny fa tsy mahasahana ny firenena manontolo na dia tsy azo hodian-tsy hita aza ny vokany araka ny lalàna eo amin’ny fari-pifidianana nisehoany; ka raha akambana ireny tsy fetezan-javatra sy tsy fanarahan-dalàna ireny, na amin’ny habetsahany na amin’ny endrika isehoany, dia tsy antony hahafoana ny raharaham-pifidianana amin’ny ankapobeny;

Ny mikasika ireo fitoriana nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry izay hangatahany ny fanafoanana ny vato azon’Andriamatoa RAJOELINA Andry Nirina :

  1. Ny amin’ny fampiasana ny fitaovam-panjakana amin’ny fampielezan-kevitra 
  1. Satria ny andininy faha 63 ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 ny 11 may 2018 dia milaza fa “rarana ny fampiasana ny loharanom-bolam-panjakana, indrindra ny fidirana amin’ny fitaovam-panjakana toy ny fiara sy ny tranom-panjakana, mikendry ny fampiroboroboana ny asa aman-draharaha momba ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka, raha tsy izany dia iharan’ny sazy voalazan’ny andininy faha 220 amin’ity Lalàna fehizoro ity”;
  1. Satria araka ny andininy faha 204 amin’io lalàna fehizoro io ihany « … tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana. Ireo taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika an-tsoratra, izany dia mety ho mahaleotena na iombonana. Ny fanambarana mahaleotena dia soniavin’ny vavolombelona tsirairay… ireo singan-taratasy ireo dia afaka tohanana amin’ny fomba rehetra na akalana izay heverin’ny mpitory fa ilaina»; ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mandinika ireo porofo entin’ny mpitory ; ireo sary nalefan’ny mpitory tao anaty anton-taratasin’ady dia tsy nahafahan’ny Fitsarana etoana mandray fanapahan-kevitra hentitra amin’izay mety tsy fanarahan-dalana nitranga ; fa ireo sary dia tsy nisy daty na endrika ahalalana na ny toerana nisehoany na ny fotoana nitrangany ; fa ny Didy laharana faha 02-HCC/AR ny 22 janoary 2016 izay nanambarana ny vokatra ofisialy ny fifidianana loholona, rahateo dia milaza fa « ny kapila mangirana sy ny sary dia tsy azo raisina ho porofo ara-dalàna hamaharana ny fitoriana » ;
  1. Satria koa ny fanamarinana avy amin’ny Aviation Civile de Madagascar ny 27 novambra 2023 dia nanambara fa ny angidimby BK 117, laharana 5R-ARM dia angidimby sivily ;

Koa tsy mitombina izany ny tohan-kevitra nolazaina;

  1. Ny amin’ny fizarana vola sy ireo fitaovana mba hanambazana ireo mpifidy:
  1. Satria ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia nanohana ny fitoriany amin’ireo tatitra nataon’ny mpanaramaso sasantsasany avy eto an-toerana sy avy any ivelany toy ny Transparency International, KMF CNOE sy ny SAFIDY, izay samy milaza fa nizara vola sy nizara fitaovana tamin’ireo mpifidy ny mpanohana ny kandida RAJOELINA Andry Nirina;
  1. Satria anefa araka ny didim-pitsarana fakantahaka laharana 41–HCC/ AR tamin’ny 02 jolay 2019 mikasika fandavana fitoriana nandritra ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey 2019 noho ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny porofo “ andraikitry ny mpitory ny mitondra ireo porofo anohanany ireo tranga izay arosony manoloana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ireo singan-taratasy novokarina ho porofo ; fa ny lalàna momba ny fifidianana dia mametraka fa ny fifidianana dia, mandra-pipoiran’ny porofo manohitra izany, dia heverina ho marina ka ny filazana fotsiny ny antony maha foana azy dia tsy misy akony. Koa raha  tsy afaka manaporofo ny fanambarana arosony ny mpitory dia tsy maintsy mandà izany ny Fitsarana ; fa etsy ankilany mbola andraikitry ny mpitory ihany koa ny manaporofo ny akon’ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny vokatry ny latsabato ; koa dia lavin’ny Fitsarana noho ny tsy fitombonany ireo famakiana ady tsy ahitana mihitsy ireo singam-porofo na tsy fahampian’ny porofo amin’ireo tohankevitra narosony” ; fa tsy misy porofo nentina teto amin’ny Fitsarana ka azo raisina araka ny andininy faha 204 amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana no ahafahana manambara tsy amim-pihambahambana ny fisian’ny fizarana vola; fa ny fizarana zavatra misy marika ahafantarana ny kandidà  mandritra ny fampielezan-kevitra dia tsy misy akony eo amin’ny fahamarinan’ny latsabato; fa ny fampiasana ny trano fisainana sy ny bileta tokana no iantohana ny latsabato miafina ;

Ny amin’ny fandraisan’anjaran’ireo mpiasam-pajakana amin’ny fampielezan-kevitra

36.Satria ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia mangataka ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina noho ny fahitana mpiasam-panjakana nandray anjara tamin’ny fampielezan-kevitra , indrindra ny Ministry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, mpitsara amperin’asa izay tsy nahazo alalana tamin’ny Filan-kevitra ambony momba ny mpitsara;

37.Satria araka ny andininy faha 60 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevibahoaka mivaky toy izao :” Rarana ny mpiasam-panjakana rehetra sivily na miaramila sy mpiasa tsy ao anatin’ny efi-draharaham-panjakana ary ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, izay fehezin’ny adidy aman’andraikitra amin’ny tsy fiandaniana, ny fitozoana, ny asa ampy ny rehetra ary ny fahamarinana ary araka ny sazy voalazan’ny andininy faha-227 amin’ity Lalàna Fehizoro ity ho an’ny fandikan-dalàna mikasika ny fampielezan-kevitra, ny mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra mba hampandany mpilatsa-kofidiana iray, lisitry ny mpilatsa-kofidiana iray na safidy iray” ; fa ny andininy 227 ao amin’io lalàna io ihany dia milaza fa “Ny mpiasam-panjakana rehetra sivily na miaramila, ny mpiasa rehetra tsy ao anaty efi-draharahan’ny Fanjakana ary ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana, mba hampandany ny mpilatsa-kofidiana iray, ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana na ny fisafidianana, amin’ireo ora fiasana dia iharan’ireo sazy mitovy amin’izany ihany” ; koa satria heloka sazian’ny lalàna fehizoro voalaza eo ambony sy ny fitsipi-pifehezana manokana ny mpiasam-panjakana sasantsasany izany dia  tompon’andraikitra manokana ny amin’izay fihetsika sy fanampahan-kevitra noraisiny ny mpiasam-panjakana manao fampielezan-kevitra  fa tsy misy fiantraikany amin’ny vokatra na ny vato azon’ny kandidà tohanany izany ; fa anjaran’ny mpitsara ny fifidianana ny mandanjalanja ny akon’izany amin’ny fahamarinan’ny latsa-bato; noho izany dia lavina ny fangatahana fanafoanana ny vato azon’ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina mifototra amin’io antony io;

Ny amin’ny fangatahana fanafoanana ny vato azon’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao amin’ny Kaominina Ejeda, Androhipano, Agnavoha,Vohitany, Belafikeo, Fotadrevo distrikan’Ampanihy Andrefana faritanin’ny Toliara…

38.Satria ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina dia mangataka ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry tao amin’ireo birao fandatsaham-bato tao amin’ny Kaominina Ejeda,Andriapano, Agnavola, Vohitany, Belafikeo, Fotadrevo, Distrikan’Ampanihy Andrefana-Faritra Atsimo Andrefana, noho ny fizaram-bola iray tapitrisa (1 000 000)Ariary ho an’ny Ray aman-dreny tsirairay tao amin’ireo Kaominina voalaza etsy ambony nataon’ny solombavambahoaka IDEALSON, vola izay ho zaraina amin’ny mponina mba hifidianan’izy ireo ny kandidà laharana faha 13, RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry; izany toe-javatra izany dia niseho ny andro mialoha sy ny andron’ny fifidianana natao ny 16 novambra 2023;

  1. Satria ireo toe-javatra ireo izay manohintohina ny fahamarinan’ny latsabato, dia voamarin’ny fijoroana vavolombelona voarakitra anaty horonan-tsary nataon’ny mpifidy voasoratra anarana ary noraketina tamin’ny fitanana an-tsoratra nataon’ny vadintany tamin’ny 24 novambra 2023; izany dia fandikana lehibe ny andininy faha 56 andalana faha 2 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018, izay mandrara ny fanaovana fampielezan-kevitra aorian’ny fotoana hikatonan’ny fampielezan-kevitra ;
  2. Satria anefa ny fijoroana vavolombelona voarakitra amin’ny alalan’ny fitanana an-tsoratra nataon’ny vaditany tamin’ny 24 novambra 2023 dia mahakasika biraom-pifidianana miisa 12 ihany tao amin’ny kaominina Ejeda; koa didina noho izany ny hanafoanana ny vato azon’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry tao amin’ireto birao pifidianana manaraka ireto tao amin’ny distrika Ampanihy Andrefana:

-n°630 111 050 101 EC Ampozoke : vato 50

-n° 630 111 390 101 Case Notable Mandopake II : vato 94

-n° 630 111 410 101 EC Matavy : vato 179

-n° 630 111 430 101 EC Mitsoriake : vato 260

-n° 630 111 460 101 EPP Sakoantovo : vato 138

-n° 630 111 100 101 EPP Ankazota : vato 112

-n° 630 111 120 101 Case Notable Antaly : vato 195

-n°630 111 300 101 Case Notable Etory : vato 97

-n°630 111 350 101 EPP Manakaralahy Nord : vato 61

-n° 630 111 360 101 EPP Manakaralahy Sud : vato 93

-n° 630 111 370 101 EPP Manakaravavy : vato 142

-n° 630 111 380 101 Case Notable Mandopake I : vato 68

Ny amin’ny fangatahana fitsirihana , fanamarinana sy ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry ao amin’ny birao fandatsaham-bato miisa 687 ao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano, Amboasary Atsimo, Betioky Atsimo ary Ampanihy Andrefana:

41.Satria nangataka ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina ny hanaovana fitsirihana , fanamarinana ary fanafoanana ireo vato azon’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry ao amin’ny birao fandatsaham-bato miisa 687 ao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano, Amboasary Atsimo, Betioky Atsimo ary Ampanihy Andrefana; fa araka ny fampitahana nataon’ny solontenany teo anivon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana dia misy amin’ireo biletà tokana no tsy miforitra araka izay voalazan’ny lalàna ary maro amin’ireo biletà tokana no misy lavotondro izay misy fitoviana ka mahatonga fiahiahiana fisian’ny hosoka tamin’ny latsa-bato ;

42.Satria tsy nahitam-bokany ny fitiliana sy fampitahana ireo lavotondro miisa 96 teo amin’ireo ampahany amin’ireo biletà tokana nalaina tsy nahy amin’ireo birao fandatsaham-bato  misy ireo kaominina angatahana fanafoanana  araka ny « rapport d’identification monodactylaire » nataon’ny sampan-draharaha misahana ny « polisy teknika sy siantifika » noho ny tsy fahampian’ny sivana ilaina amin’ny fanaovana ny fampitahana;

43.Satria  nefa ny fitsirihana sy ny fanamarinana izay nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ireo taratasy mirakitra ny fandatsaham-bato indrindra ireo biletà tokana avy amin’ireo Kaominina nangatahan’ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina fampitahana dia nampiseho fa misy amin’ireo biletà tokana  izay amin’ny anaran’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry no tsy misy faritra nahitana fa navalona alohan’ny handatsahana azy ao anatin’ny vatam-pifidianana ; ary izany  dia mampiseho fa tsy natsofoka tao anatin’ny vata mihidy ireo biletà tokana ireo ka manohintohina ny fahamarinan’ny latsa-bato; koa dia didiana ny hanafoanana ireo vato azon’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry tamin’ny alalan’ireo biletà tokana tsy nivalona amin’ireto birao fandatsaham-bato manaraka ireto :

  • n °620 106 090 101 Fokontany Fenoaivo Kaominina Ifotaka District Amboasary Atsimo : (telonjato biletà tokana tsy nivalona)
  • n°620 114 070 101 Fokontany Tomboarivo Kaominina Tomboarivo District Amboasary Atsimo (sivifolo biletà tokana tsy nivalona)
  • n°620 118 060 101 Fokontany Ampotobato Kaominina Berano Ville District amboasary Sud (efapolo biletà tokana tsy nivalona)
  • n°620 106 140 101 fokontany Tanambao I Kaominina Ifotaka District Amboasary Sud (fito amby fitopolo biletà tokana tsy nivalona)
  • n°620 106 160 101 fokontany Tsileha II Kaominina Ifotaka District Amboasary Sud  ( iraika amby zato biletà tokana tsy nivalona)
  • n°620 113 120 101 fokontany Belavenoky Kaominina Tanandava Sud District Amboasary Sud (efatra amby efapolo biletà tokana tsy nivalona)
  • n°620 110 140 101 fokontany Sakafia Kaominina Marotsiraka District d’Amboasary Sud (enina amby dimampolo sy roanjato biletà tokana tsy nivalona )
  • n°620 105 080 101 Abri ADHOC Lapira, Kaominina Esira District Amboasary  (dimy amby fitopolo amby zato biletà tokana tsy nivalona)
  • n°620 106 410 101 fokontany Bekiria Centre Kaominina Ifotaka District Amboasary Sud (valo amby roapolo amby zato biletà tokana tsy nivalona)
  • n°620 118 020 101 Fokontany Ambaniza Kaominina Berano Ville District Amboasary Sud (valo amby efapolo biletà tokana tsy nivalona)
  • n°620 106 070 101 Fokontany Bekiria I Kaominina Ifotaka District d’Amboasary Sud (dimampolo biletà tokana tsy nivalona)

Ny amin’ny fangatahana fanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny biraom-pifidianana miisa 37 voalaza ao amin’ny tovana 2 izay nataon’ny Kandida RAJOELINA Andry Nirina

  1. Satria mba ho fanohanany ny fangatahany, milaza ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina fa na dia teo aza ny fisian’ireo solotenany tao anatin’ny biraom-pifidianana, sy ny filazan’ireo mpifidy izay tonga nandatsa-bato, dia tsy nahazo vato mihitsy izy ;

Satria, na izany aza, dia tsy nisy mihitsy porofo voarotsaka entina milaza fa tena nisy tokoa ny hosoka izay nanampentina ny voka-pifidianana koa dia lavina ny fangatahany;

Ny amin’ny fangatahana famerenana fanisam-bato, fitsirihana ireo biletà tokana manankery, ny vato maty sy vato fotsy, ny fanarenana ny valim-pifidianana nataon’ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina , sy ny fangatahana fanafoanana valim-pifidianana teo anivon’ny birao fandatsaham-bato miisa sivy amby sivy folo amby zato (199) miparitaka eran’i Madagasikara jereo ny lisitra tovana 3  nataon’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry

  1. Satria nangataka ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina ny hamerenana manisa indray ireo biletà tokana manankery, ny vato maty sy vato fotsy , ny fanarenana ny valim-pifidianana ao amin’ny biraom-pifidianana rehetra amin’ny Kaominina Androka sy Itampolo distrika Ampanihy Andrefana faritra Atsimo Andrefana , ny birao fandatsaham-bato ao amin’ny Kaominina Andranovory distrika Taolagnaro Faritra Anôsy , ny birao fandatsaham-bato laharana 330 204 020 102 ao amin’ny EPP Ambohibolafotsy Kaominina Ambohinamboarina distrika Ambohimahasoa faritra Haute Matsiatra ;

46.Satria nangataka ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry ny hanafoanana manontolo ny valim-pifidianana teo anivon’ny birao fandatsaham-bato miisa sivy amby sivy folo amby zato (199) miparitaka eran’i Madagasikara, fa ambarany fa misy ny  fahasamihafana eo amin’ny isan’ny vato manan-kery ao amin’ny fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato, misy ihany koa fitanana an-tsoratra izay tsy misy sonian’ny mpikambana eo amin’ny birao fandatsaham-bato, jereo ny lisitra tovana 3;

47.Satria ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, nandritra ny fikirakirana ireo antota-taratasin-datsabato  sy ny Fitsarana ireo fitoriana , dia nanao ny fitsirihana ireo vato azon’ny kandidà tsirairay, ireo vato fotsy sy ireo vato maty, isaky ny birao fandatsaham-bato araka ireo fitanana an-tsoratra sy ny taratasy fanisam-bato izay tonga teo anatrehany, ary raha nilaina dia tamin’ny alalan’ireo antonta-taratasy avy amin’ireo Sampana  misahana ny fanisam-bato (SRMV); fa araka ny didy laharana 44-HCC/AR tamin’ny 02 Jolay 2019, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia nametraka fa « ireo fitanana an-tsoratra avy amin’ireo birao fandatsaham-bato sy ny Sampana misahana ny fanisam-bato dia  toy ny sora-to ary manan-kery mandra-pisian’ny porofo mifanohitra aminy ; fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka fa manaraka ny lalàna ny raharaha sy ny valim-pifidianana azo avy amin’ireo atonta-taratasy eo am-pelatanany sy ireo fanamarihana izay raketiny »;

48.Satria araka ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 tamin’ny 11 mey 2018 momba ny fifidianana Filoham-pirenena « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra » ; fa ny fitsirihana izay ataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia nahafahany nanarina ireo hadisoana ara materialy izay notsongaina tao anatin’ireo antotan-taratasin-datsabato izay tonga teo anatrehany nandritra ny fanadihadiana izay nataony, jereo ny lisitra tovana 1 ;

49.Satria araka ny fahefana mitsirika avy hatrany izay omen’ny lalàna azy, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia afaka manarina ireo vokatra araka izay avoitran’Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry ao amin’ny taratasy famakian’ady mahakasika ireto birao fandatsaham-bato hita ao amin’ny tovana 3 ;

50.Satria mbola araka ny fahefana hitsirika avy hatrany izay omen’ny lalàna azy, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia nahatsikaritra ireo tranga tsy fanaovan’ ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato sonia ny fitanana an-tsoratra tao anatin’ireto birao fandatsaham-bato manaraka ireto : n° 330 712 060 102  EPP Ampasina Salle 2 fokontany Ampasina Kaominina  Sahambavy, n°330 712 100 101 EPP Imorona salle 1 Fokontany Imorona Kaominina  Sahambavy, n° 330 712 060 101 EPP Ampasina Salle 1 Fokontany Ampasina Kaominina  Sahambavy, n° 330 704 010 101 EPP Ambatolahy fokontany Ambalafenomby  Kaominina  Ambalamahasoa, n°330 702 150 101 EPP Sahafiana Salle 1 fokontany Sahafiana Kaominina  Alatsinainy Ialamarina , n° 330 712 100 102 EPP Imorona Salle 2 Fokontany Imorona Kaominina  Sahambavy,  ao anatin’ny distrikan’i lalangina , sy n° 220 325 020 101 Lycée Privé Bambino Ambositra Fokontany Ambodisatrana II kaominina Sambava distrikan’i Sambava  koa foanana ny valim-pifidianana;

Ny amin’ny fitanana an-tsoratra momba ny tsy fahatomombanana

51.Satria ny lisitry ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana mpanisa vato voaray teto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia nahitana fitanana an-tsoratra miisa roa  momba tsy fahatomombanana; koa tsy azo natao ny nampanan-kery ny vokatra tamin’ireto birao fandatsaham-bato ireto:

  • Biraom-pandatsaham-bato laharana n°610 307 220 101 tao Vatoarivo Fokontany io ihany, Kaominina Ambototsivala distrika Beloha Faritra Androy
  • Biraom-pandatsaham-bato laharana n°610 308 280 101 tao Belemboke Fokontany io ihany , Kaominina Mahenegne distrika Beloha Faritra Androy

52.Satria, taorian’ny fanamarinana ny atontan-taratasim-pifidianana tonga taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, noho ny tsy fisian’ny fitanana an-tsoratra momba ny tsy fahatomombanana, fitanana an-tsoratra ary taratasy fanisana vato, dia tsy azo natao ny nampanan-kery ny vokatra tao amin’ny birao fandatsaham-bato  laharana 610 110 060 101 EPP Antanimiary Kaominina Anjeky Ankilikira distrika Ambovombe faritra Androy ;

Ny amin’ny voka-pifidianana amin’ny ankapobeny

53.Satria araka ny andininy faha 47 andàlana faha 3 amin’ny Lalàmpanorenana, “Voafidy ho Filohan’ny Repoblika avy hatrany izay mahazo ny antsasamanilan’ny vato manan-kery amin’ny fihodinana voalohany. Raha tsy tratra izany, izay mahazo ny ampahany be indrindra amin’ny vato manan-kery no lany ho Filohan’ny Repoblika amin’ny fihodinana faharoa amin’ireo mpilatsa-kofidiana roa nahazo vato be indrindra tamin’ny fihodinana voalohany”;

Noho ireo antony ireo
ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana
dia mamoaka izao didy izao :

Andininy voalohany.- Ambara fa tsy azo raisina ny fitoriana napetrak’Andriamatoa RAKOTOMAHANINA Andrianiaina James Franklin.

Andininy faha 2.- Ambara fa azo raisina ny fitoriana napetrak’Andriamatoa isany RAJOELINA Andry Nirina sy RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry. 

Andininy faha 3.- Ambara fa azo raisina ny fangatahana fampiatoana mikasika fanakianana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy momba ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina sy RADERANIRINA Sendrison Daniela saingy lavina. 

Andininy faha 4.- Lavina ny fangatahana ny fanatsoahana an-daharana ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina nataon’ny kandida RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry. 

Andininy faha 5.- Lavina ny fitoriana ho fanafoanana ny latsabato manontolo, natao ny 16 novambra 2023 napetrak’Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry.

Andininy faha 6.- Lavina ny fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry.

Andininy faha 7.- Ambara fa ny fangatahana famerenana fanisana ny vato azon’ny mpilatsaka ho fidina nataon’Andriamatoa isany RAJOELINA Andry Nirina sy RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia voavaha tamin’ny fitsirihana avy hatrany ny vaton’ny mpilatsaka ho fidina tsirairay avy, ny vato fotsy sy ny vato maty nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ireo fitanana antsoratra sy ireo taratasy fanisambato isakin’ny biraom-pifidianana. 

Andininy faha 8.- Lavina ny fangatahana fitsirihana, fanamarinana sy fanafoanana ny vato azon’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry tao amin’ny birao fandatsahambato vitsivitsy tao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano, Amboasary Atsimo, Betioky Atsimo ary Ampanihy Andrefana afa-tsy izay voalaza ao amin’ny antonantony faha 40 sy 43.

Andininy faha 9.- Lavina ny fangatahana fanafoanana ny valim-pifidianana ao amin’ny birao fandatsahambato miisa 37 voalaza ao amin’ny tovana faha 2 izay napetraky ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina. 

Andininy faha 10.- Ny fangatahana famerenana fanisana fitsirihana ireo vato manankery, vato maty ary ny vato fotsy sy fanarenana valim-pifidianana nataon’ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina, sy ny fangatahana fanafoanana valim-pifidianana tao amin’ny biraom-pifidianana miisa 199 voalaza ao amin’ny tovana faha 3 izay nataon’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry dia voavaha tamin’ny fitsirihana avy hatrany ireo taratasim-pifidianana, fanisana ireo vato manankery, vato maty sy vato fotsy ary fanarenana valim-pifidianana nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Andininy faha 11.– Ambara fa narenina ny voka-pifidianana tao amin’ireo birao fandatsahambato voalaza ao amin’ny antonantony faha 49 araka ny fangatahan’ny kandidà RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry.

Andininy faha 12.Ambara fa foana ny vokam-pifidianana tao amin’ireo birao fandatsahambato voalaza ao amin’ny antonantony faha 50.

Andininy faha 13.- Noho ny tsy fahatomombanana miharihary, dia tsy azo natao ny nampanan-kery ny vokatra tamin’ireo birao fandatsaham-bato voalaza ao amin’ny antonantony faha 51 sy 52.

Andininy faha 14.- Ambara araka izao manaraka izao ny vokatry ny latsabato fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 16 novambra 2023:

Isan’ny mpifidy voasoratra anarana: 11 043 836  enina amby telopolo sy valonjato sy telo arivo sy efatra alina sy iray ambiny folo tapitrisa

Isan’ny nandatsabato: 5 119 018 valo ambiny folo sy sivy arivo sy iray alina sy iray hetsy sy dimy tapitrisa

Isan’ny vato fotsy sy vato maty: 270 123 telo amby roapolo amby zato sy fito alina sy roa hetsy

Isan’ny vato manankery: 4 848 895 dimy amby sivifolo sy valonjato sy valo arivo sy efatra alina sy valo hetsy sy efatra tapitrisa

Tahan’ny fandraisana anjara :46,35%  enina amby efapolo faingo dimy amby telopolo isanjato

ISAMBATO SY TAHA AZON’NY KANDIDA TSIRAIRAY AVY TAMIN’NY FIFIDIANANA FILOHAN’NY REPOBLIKA FIODINANA VOALOHANY NATAO NY 16 NOVAMBRA 2023:

1  RAZAFINJOELINA Tahina – 76 553 – 1,58%  telo amby dimampolo sy dimanjato sy enina arivo sy fito alina- salan’isa iray faingo valo amby dimampolo isanjato

2  ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona – 91 832 – 1,89% roa amby telopolo sy valonjato sy arivo sy sivy alina – salan’isa iray faingo sivy amby valopolo isanjato

3  RAJOELINA Andry Nirina -2 858 947 – 58,96% fito amby efapolo sy sivanjato sy valo arivo sy dimy alina sy valo hetsy sy roa tapitrisa- salan’isa valo amby dimampolo faingo enina amby sivy folo isanjato

4  RATSIRAKA Iarovana Roland – 76 858 – 1,59% valo amby dimampolo sy valonjato sy enina arivo sy fito alina- salan’isa iray faingo sivy amby dimampolo isanjato

5  RAVALOMANANA Marc – 586 282 – 12,09% roa amby valopolo sy roanjato sy enina arivo sy valo alina sy dimy hetsy- salan’isa roambinifolo faingo aotra sivy isanjato

6  PARAINA Auguste Richard – 29 874 – 0,62% efatra amby fitopolo sy valonjato sy sivy arivo sy roa alina- salan’isa aorta faingo roa amby enimpolo isanjato

7  RAOBELINA ANDRIAMALALA Andry Tsiverizo – 30 198 – 0,62% valo amby sivifolo amizato sy telo alina-salan’isa aotra faingo roa amby enimpolo isanjato

8  RAZAFITSIANDRAOFA Jean Brunelle – 63 474 – 1,31% efatra amby fitopolo sy efajato sy telo arivo sy enina alina-salan’isa iray faingo iray amby telopolo isanjato

9  RATSIRAHONANA Lalaina Harilanto – 32 608 – 0,67% valo amby eninjato sy roa arivo sy telo alina- salan’isa  aotra faingo fito amby enimpolo isanjato

10  RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery- Martial – 251 144 – 5,18% efatra amby efapolo amby zato sy arivo sy dimy alina sy roa hetsy- salan’isa dimy faingo valo ambiny folo isanjato

11  RADERANIRINA Sendrison Daniela – 38 966 – 0,80% enina amby enimpolo sy sivanjato sy valo arivo sy telo alina- salan’isa aorta faingo valopolo isanjato

12  RATSIETISON Jean-Jacques Jedidia – 14 468 – 0,30% valo amby enimpolo sy efajato sy efatra arivo sy iray alina-salan’isa aotra faingo telopolo isanjato

13  RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry – 697 691 – 14,39% iray amby sivifolo sy eninjato sy fito arivo sy sivy alina sy enina hetsy-salan’isa efatra ambinifolo faingo sivy amby telopolo isanjato

Andininy faha 15.- Ambara fa voafidy ho Filohan’ny Repoblikan’1 Madagasikara tamin’ny fiodinana voalohany  Andriamatoa RAJOELINA Andry Nirina, koa mandray ny asany avy hatrany aorian’ny fanaovany fianianana mandritra ny Fitsarana manetriketrikin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana

Andininy faha 16.- Didin’ny Fitsarana etoana ny famerenana ny antobola  roanjato tapitrisa ariary amin’ny kandidà RAJOELINA Andry Nirina sy RAVALOMANANA Marc ary RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry.

Andininy faha 17.- Izao didim-pitsarana izao dia hampahafantarina ny Filoham-panjakana mpisolotoerana, ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolotoerana, havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao petadrindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana etoana.

Nifampidinihana araka izany tao amin’ny foiben-toerany mba hambara amin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, ny zoma iray desambra taona telo amby roapolo sy roa arivo tamin’ny folo ora misandratrandro, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :

Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa, Filoha
Andriamatoa NOELSON William, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTOBE RAMAROJAONA Vololoniriana Christiane,
Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTONIAINA RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpanolotsaina Avo

Ramatoa  ANDRIAMAHOLY RANAIVOSON Rojoniaina, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketantsoratra